2014
Ahoana no Nahafantaran’Izy ireo?
Aprily 2014


Ahoana no Nahafantaran’Izy ireo?

Gale Ashcroft, Arizona, États-Unis

Nandritra ny fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fikambanana Ifanampiana 2011, ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanome hafatra izay nampihetsi-po sy nampitony ahy ho an’ireo rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana. Niresaka momba ilay voninkazo kely antsoina hoe aza-adino-aho izy sy ny fomba hanehoan’ireo felana dimin’izany voninkazo izany ny zavatra dimy izay tokony ho tsaroantsika mandrakariva.1

Taorian’ilay fivoriana dia notantarain’ i Alyssa zanako vavy tamiko ny tantaran’i Jessie namany, izay mitantana orinasa kely mpanamboatra sakafo. Nangatahin’ireo mpitarika ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòkany i Jessie mba hanamboatra tsindrin-tsakafo hozaraina aorian’ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana. Nilaza tamin’i Alyssa i Jessie fa efa fantany avy hatrany izay tsindrin-tsakafo tokony hamboariny—mofomamy kely 250. Nanolo-tena hanampy amin’ny fitaterana ireo mofomamy kely ho any amin’ny ivontoeran’ny tsatòka i Alyssa.

Tonga ny andron’ilay fivoriambe, ary rehefa handeha hanatanteraka ny anjara fanampiany i Alyssa, dia nahita an’i Jessie nanganohano izy. Efa vonona ireo mofomamy kely, saingy nalefan’i Jessie tamin’ny havany ny sarin’izy ireo ary nolazain’ilay havany fa tsy tena mihaja izany raha ho an’ilay fivoriana.

Nanomboka tsy natoky tena i Jessie. Ny masaka tao an-tsainy dia ny hoe nanantena zavatra tsaratsara kokoa noho ireo mofomamy keliny ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòkany. Niezaka tao anatin’ny fitaintainana izy hitady fomba hanaingoana ireo mofomamy kely, saingy tsy ampy intsony ny fotoana. Nentin’i Jessie sy i Alyssa tamin’izao ireo mofomamy kely, ary nahatsapa i Jessie fa nandiso fanantenana ireo rahavavy izy—mandra-pandraisan’ny Filoha Uchtdorf ny anjara fitenenany.

Rehefa niresaka momba ilay voninkazo kely antsoina hoe aza-hadino-aho izy, dia niseho teo amin’ny efijery ny sarin’ilay voninkazo kely mangamanga. Voninkazo faran’izay tsotra izany saingy tena kanto tokoa miaraka amin’ny felany voakaly tsara. Nanohina ny fon’ny tsirairay ny hafatry ny Filoha Uchtdorf rehefa niangavy antsika izy mba tsy ho lasa variana be loatra amin’ny voninkazo vahiny maro manodidina antsika hany ka lasa manadino ireo fahamarinana dimy tsotra nefa manan-danja izay nampianariny antsika.

Taorian’ny vavaka famaranana, dia nizotra nankany amin’ny efitranobe fanaovana lalonana sy fivoriana ireo rahavavy. Rehefa niditra tao i Alyssa sy i Jessie dia nahita fa nanodidina ilay latabatra nisy ireo tsindrin-tsakafo ny rehetra sady nanontany hoe: “Ahoana no nahafantaran’izy ireo?”

Ny mofomamy kely tsirairay dia norakofana “sucre glace” sy voahaingo tamin’ny voninkazo aza-hadino-aho iray izay tsotra sy kanto ary malefaka miaraka amin’ny felany dimy.

Fanamarihana

  1. Jereo Dieter F. Uchtdorf, “Aza Hadino Aho,” Liahona, Nôv. 2011, 120.