2014
Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Kristy Velona ireo Vavolombelona Manokana
Aprily 2014


Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Kristy Velona ireo Vavolombelona Manokana

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’izao fotoana izao izay mijoro ho “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy manerana an’izao tontolo izao” (F&F 107:23). Noho izany dia manana andraikitra izy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao.

Ao anatin’ireto teny nambara manaraka ireto dia mizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny tena fisiany ireto lehilahy voafidy sy nomena andraikitra ireto.

Mpanavotra Antsika i Jesoa

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Hasandratro miaraka amin’ny foko iray manontolo sy ny fientanentanan’ny fanahiko ny feoko mba hijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelona manokana ahy ary hanambara fa velona Andriamanitra. I Jesoa dia Zanakalahiny, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo. Mpanavotra antsika Izy ary Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Izy ilay maty teo amin’ny hazo fijaliana mba hanonitra ny fahotantsika. Lasa santatry ny Fitsanganana amin’ny maty Izy. Satria maty Izy dia ho velona indray isika. ‘Endrey mamy sy kanto re: “Ny mandre fa velon’i Kristy!” ‘[“Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 76].”

Filoha Thomas S. Monson, “Velona Ilay Mpanavotra Ahy!” Liahona, Mey 2007, 25.

Vavolombelona Iray Aho

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Izaho dia tena vavolombelon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty, toy ireny hoe teo aho tamin’ilay hariva niaraka tamin’ireo mpianatra roa tao amin’ilay trano teo amin’ny lalan’i Emaosy. Fantatro fa velona Izy tahaka ny nahafantaran’i Joseph Smith izany rehefa nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ilay hazavana niseho tao anatin’ny maraina namirapiratra iray tao amin’ny ala kely iray tao Palmyra izy. …

“… Noho izany dia mijoro ho vavolombelona aho amin’ny maha-vavolombelon’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika nitsangana tamin’ny maty ahy.”

Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Mankanesa Atỳ Amiko,” Liahona, Mey 2013, 25.

Ny Sorompanavotana sy Famonjena

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Andriamanitra no namorona ny filazantsara ary ampahany manan-danja ao anatin’ny drafitry ny famonjena na drafitry ny fanavotana izay an’Andriamanitra izany. Antsoina hoe filazantsaran’i Jesoa Kristy izany satria ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no nahafahan’ny fanavotana sy ny famonjena ho nisy. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia havotana tsy misy fepetra amin’ny fahafatesan’ny vatana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy ary havotana amin’ny fahotana raha toa ka manaiky sy mankatò ny filazantsaran’i Jesoa Kristy… .

“Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny foko sy saiko manontolo.”

Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Have We Not Reason to Rejoice?” Liahona, Nôv. 2007, 19, 21.

I Jesoa no Kristy

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Fantatro fa Andriamanitra no Raintsika. Nampahafantatra ny Zanany Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith Izy. Manambara aminareo aho fa i Jesoa no Kristy. Fantatro fa velona Izy. Teraka tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana Izy. Nampianatra ny Filazantsarany Izy ary nosedraina. Nijaly sy nohomboana Izy ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Manana vatana nofo sy taolana tahaka ny Ray Izy. Nanatanteraka ny Sorompanavotany Izy. Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho. Vavolombelona iray ny Aminy aho.”

Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ny Roambinifololahy,” Liahona, Mey 2008, 87.

Onitra Hanavotana ny Fianakaviamben’ny Olombelona

Sary
Loholona L. Tom Perry

“I [Jesoa Kristy] no ivon’ny drafitra mandrakizain’ny Ray, ilay Mpamonjy izay natolotra ho onitra hanavotana ny olombelona. Nirahin’Andriamanitra ny Zanany Malalany mba handresy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Tonga teto an-tany ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy. Nandresy ny sakan’ny fahafatesan’ny vatana ho antsika Izy tamin’ny alalan’ny fanolorany ny ainy. Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy dia nisaraka tamin’ny vatany ny fanahiny. Nitambatra mandrakizay indray ny fanahiny sy ny vatany tamin’ny andro fahatelo ary tsy hisaraka velively intsony.”

Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Plan of Salvation,” Liahona, Nôv. 2006, 71.

Zavatra Manan-danja Lehibe Indrindra Notanterahana teo amin’ny Tantaran’ny Olombelona

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Nitranga tao Getsemane ny Sorompanavotan’ny [Mpamonjy] izay nahitana fa ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka (jereo ny Lioka 22:44), ary koa tao Golgota (na Kalvary), izay nanantonana ny vatany teny amin’ny hazo fijaliana teo amin’ilay hoe ‘fitoeran-karandoha’ izay midika hoe fahafatesana (Marka 15:22; Matio 27:33; jereo koa ny 3 Nefia 27:14). Io Sorompanavotana tsy manam-petra io dia hanafaka ny olona amin’ilay fahatsimisifetran’ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 9:7). Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia nanao izay hahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tanteraka ary nanao izay hahatonga ny fiainana mandrakizay ho zavatra azon’ny rehetra andrandraina. Lasa zavatra manan-danja lehibe indrindra notanterahana teo amin’ny tantaran’ny olombelona ny Sorompanavotany.”

Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Peace and Joy of Knowing the Savior Lives,” Liahona, Des. 2011, 22.

Sorona iray ho an’ny Fahotana

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina i Jesoa Kristy tamin’ny fanolorana ny tenany ho sorona ho an’ny fahotan’ny olon-drehetra. Izany sorona izany dia nanolotra ilay faran’izay tsara indrindra—ilay Zanak’ondrilahy tsy misy kilema—handrakotra ny ratsy tena lehibe indrindra—dia ny fahotan’izao tontolo izao. …

“Io sorona io—ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy—no ivon’ny drafitry ny famonjena. …

“Fantatro fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay. Fantatro fa noho ny Sorompanavotana nataony dia manana antoka isika hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Izy no Tompontsika sy Mpamonjy antsika ary Mpanavotra antsika.”

Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ny Sorona,” Liahona, Mey 2012, 19, 22.

Mitarika ny Fiangonany ny Mpamonjy Ankehitriny

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ampahany tena manan-danja tao anatin’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ho an’ny iraka nandefasany ny Zanany teto an-tany sy ho an’ny famonjena antsika. Tokony ho feno fankasitrahana isika hoe, tsy nanalalana ny Ray any an-danitra fa kosa nanohitra ilay saimbatana ananan’ny ray mba hamonjy ilay Zanaka Malalany. Noho ny fitiavany mandrakizay antsika sy ianao dia navelany i Jesoa hanatanteraka ilay iraka nanirahana azy mialoha mba ho Mpanavotra antsika. …

“Tsy maty i Jesoa Kristy ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny olona rehetra. Velona Izy—velona ilay zanakalahin’Andriamanitra—izany no fijoroako ho vavolombelona ary mitantana ny raharahan’ny Fiangonany izy amin’izao fotoana izao.”

Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Atonement and the Value of One Soul,” Liahona, Mey 2004, 85, 86.

Fanantenantsika, Mpanelanelana antsika, Mpanavotra antsika

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ao amin’ny [Raintsika any an-danitra] sy ny Zanany Malalany Jesoa Kristy no ahitantsika fiadanana. Fantatro fa tia anao ny Mpamonjy. Hanamafy ny ezaka ataonao eo amin’ny fampatanjahana ny fijoroanao ho vavolombelona Izy mba ho lasa hery mitondra zavatra tsara eo amin’ny fiainanao sy hery izay hanohana anao isaky ny sahirana ianao ary hanome fiadanana sy fahatokiana anao ao anatin’izao fotoana feno fiahiahiana izao.

“Amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny nomena lalana mba hijoro ho vavolombelona momba Azy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa fantatro fa velona ny Mpamonjy, ary olona nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra izay manam-pitiavana lavorary Izy. Izy no fanantenantsika sy Mpanelanelana antsika ary Mpanavotra antsika.”

Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Power of a Strong Testimony,” Liahona, Jan. 2002, 103.

Nisotro ilay Kapoaka Mangidy

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia tsy nitakemotra ny tsy hisotro ilay kapoaka mangidin’ny Sorompanavotana ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika [jereo ny F&F 19:16–19]. Ary teo amin’ny hazo fijaliana Izy dia nijaly indray mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy, mandra-pahafahany niteny tamin’ny farany hoe: ‘Vita’ [Jaona 19:30]. Naharitra hatramin’ny farany Izy. Ho valin’ny fankatoavana tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fijoroana sy fiorenana, dia nanambara ny Ray any an-danitra hoe: “Indro ny Zanako Malalako izay ao Aminy no tena ifaliako, izay tao Aminy no efa nankalazako ny anarako’ [3 Nefia 11:7].

“… Ndeha isika hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra amin’ny fitsanganantsika sy fiorenantsika miaraka amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa velona Izy.”

Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Mitsangàna sy Miorena eo amin’ny Toerana Masina,” Liahona, Mey 2013, 51.

Ilay Hany Zanak’Andriamanitra Tonga Lafatra

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Fantatro fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra be fitiavana sy mamela heloka, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny fomba rehetra ary amin’ny toe-javatra rehetra. Fantatro fa i Jesoa no hany Zanany tonga lafatra, izay sitrapon’ny Ray sy ny Zanaka no nanolorany ny ainy mba ho fanavotana antsika rehetra izay tsy tanteraka. Fantatro fa nitsangana tamin’ny maty Izy mba hiaina indray ary satria nitsangan-ko velona Izy dia ho toy izany koa izaho sy ianao.”

Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Tompo ô, Mino Aho,” Liahona, Mey 2013, 95.

Fantatro fa Velona ny Mpamonjy

Sary
Loholona David A. Bednar

“Izaho dia mijoro ho vavolombelona sy maneho fankasitrahana momba ilay sorona tsy manam-petra sy mandrakizain’i Jesoa Kristy Tompo. Fantatro fa velona ny Mpamonjy. Efa niaina ilay heriny manavotra sy ilay heriny manampy aho ary mijoro ho vavolombelona fa ireo hery ireo dia tena misy ary azontsika tsirairay ananana. Tena marina fa afaka manao sy mandresy ny zava-drehetra ‘amin’ny herin’ny Tompo’ isika rehefa mibosesika mandroso ao anatin’ilay diantsika eto an-tany.”

Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ny Sorompanavotana sy ilay Dia Eto An-tany,” Liahona, Apr. 2012, 19.

Nanatanteraka ny Asa Nanirahana Azy i Kristy

Sary
Loholona Quentin L. Cook

“Nentin’ny [Mpamonjy] teny Aminy ny ‘vesatry ny fahotan’ny olombelona’ ary ‘ireo zava-doza entin’i Satana … mba hampijaliana’ [James E. Talmage, Jesus the Christ, 613]. Tao anatin’izany toe-javatra izany dia niaritra ilay fitsarana nomankomanina an-tsokosoko Izy ary ireo zava-niseho nahatsiravina izay nitondra tany amin’ny Fanomboana Azy. Farany dia nitondra tany amin’ilay Fitsanganan’i Kristy tamim-pandresena tamin’ny maty izany ny Alahadin’ny Paska. Nahatanteraka ny iraka masina nampanaovina Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra i Kristy. Hitsangana amin’ny maty isika ary hikambana amin’ny fanahintsika indray ny vatantsika. …

“Mizara ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny maha-apôstôly ahy aho fa velona i Jesoa Kristy ary Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Nanome ilay lalana mankany amin’ny fahasambarana marina Izy.”

Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly, “Manaraka an’i Jesoa Kristy Isika,” Liahona, Mey 2010, 83–84, 86.

Nanavotra Antsika ny Mpamonjy

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Manavotra antsika amin’ny fahotana ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fialany aina teo amin’ny hazo fijaliana amin’ny alalan’ny fanefana ny fitakian’ny fahamarinana amintsika. Maneho famindram-po sy mamela heloka ireo izay mibebaka Izy. Ny Sorompanavotana koa dia manefa ny trosa ananantsika amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fanarenana antsika tamin’izay fijaliana nozakaintsika tamim-pahatsoram-po. ‘Fa indro miaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama’ (2 Nefia 9:21; jereo koa ny Almà 7:11–12). …

“… Ao amin’i Jesoa Kristy ary ao Aminy irery ny fanavotana faratampony. Manaiky Azy amim-panetrentena sy amim-pankasitrahana ho ilay Mpanavotra aho.”

Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo “Fanavotana,” Liahona, Mey 2013, 110, 112.

Ilay Fananganana amin’ny Maty sy Fiainana

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ambonin’ny zavatra rehetra ambarantsika mikasika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ny zava-drehetra manorina ny maha-izy antsika—ny zava-drehetra hanorina ny maha-izy antsika rahatrizay—dia avy Aminy. …

“Manakoako nandritra ny taonjato maro ny teniny:

“‘Izaho no fananganana ny maty sy ny fiainana: izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray:

“‘Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay’ (Jaona 11:25–26).

“Ry rahalahy sy anabavy, velona Izy. Nitsangana tamin’ny maty Izy. Mitarika ity asany masina eto ambonin’ny tany ity Izy.”

Loholona Neil L. Andersen Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Mankanesa ao Aminy,” Liahona, Mey 2009, 80.