2014
Ny Fahatokian-tena avy amin’ny Fahamendrehana
Aprily 2014


Ny Fahatokian-tena avy amin’ny Fahamendrehana

Avy amin’ny takariva amorom-patana ho an’ny tanora izay natao tamin’ny 31 Desambra 2006.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Maniry ny hiresaka manokana mikasika ny fomba hahazoana fahatokian-tena tena miavaka aho.

Ny hafatra omeko anareo dia hafatra mifono fanantenana sy famporisihana ho an’izao fotoana izao sy ho an’ny andro sisa rehetra hiainanareo. Misy olana maro eo amin’izao tontolo izao, kanefa efa nisy hatrany ny olana tamin’ny vanim-potoana sy ny fotoan’andro rehetra nandalo hatrizay. Aza sahiran-tsaina amin’ireo olana ireo, ary aza kivy amin’izy ireny. Ho feno fahafahana hanao zavatra mahafinaritra sy ho feno fitahiana lehibe ireo taona ho avy. Hitohy hatrany ny fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknôlôjia, ara-pahasalamana sy ara-pifandraisana—ireo sehatra rehetra izay tena mivelatra be tokoa mba hanatsarana ny fiainantsika. Miaina ao anatin’ny vanim-potoana feno voninahitra mihoatra noho izay efa nisy hatrizay ianareo, ary fitahiana maro kokoa no mirotsaka isan’andro amin’ny olona betsaka kokoa manerana izao tontolo izao mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny tantara. Tsarovy—tsy mbola nanonofy hanana tablette digitale ny renibenareo fony izy tamin’izao taonanareo izao, ary tsy mbola hain’ny dadabenareo mihitsy izany hoe mandefa hafatra fohy na sms. Noho izany, ataovy izay hahafaly anareo sy hahasalama anareo ary hitodihanareo amin’ny lafiny tsara hatrany.

Lazaiko izany satria namaky lahatsoratra aho vao haingana izay nilaza fa ny aretina matetika indrindra mpahazo ny tanora amin’izao fotoana izao dia tsy ny diabeta na ny aretim-po na homamiadana. (Ireo karazana olana ireo dia natao ho an’ny olona mitovy taona amiko, fa tsy ireo izay mitovy taona aminareo.) Tsy ireo fa ny aretina izay mampijaly indrindra ireo zatovo sy tanora, araka ny voatatitra tamin’izany, dia ny fisalasalana momba ny tena, ny fahatahorana ny hoavy, ny fiheverana ny tena ho tsinontsinona, ary ny tsy fahampian’ny fananany fahatokiana amin’ny tena sy amin’ny tontolo manodidina azy amin’ny ankapobeny.

Na dia tena antitra aza aho mihoatra anareo, dia takatro tsara ireo karazana olana ireo satria saika nandritra ny fahatanorako manontolo dia toa niaina toe-javatra izay tsy nananako fahatokian-tena ihany koa aho. Mbola tsaroako ny fiezahana hahazo naoty tsara, ny fanantenana ny hahazo vatsim-pianarana, ary ny fametraham-panontaniana hoe nahoana ireo hafa no toa havanana kokoa amin’izany taranja izany noho ny tenako. Mbola tsaroako ireo taona maro nanaovako fifaninana ara-panatanjahan-tena izay niezahako nilalao tamim-pahatokian-tena araka izay nilaina mba hahazoana fahombiazana teo amin’ny fanatanjahan-tena tany amin’ny lycée sy oniversite, ka naniry mafy ny handresy tamin’ny lalao lehibe na hahazo ny amboara izay nirian’ny ekipa nisy ahy fatratra. Tsaroako manokana ny tsy fananako fahatokian-tena manoloana ny tovovavy, izay antony matetika miteraka tebitebin-tsaina tokoa ho an’ireo zatovolahy. Tena feno fankasitrahana aho hoe nanaiky ny hiaraka tamiko ny Rahavavy Holland. Eny, mahatsiaro ireo zavatra rehetra tsaroanareo aho—ny tsy fahazoako antoka ny amin’ny endriko ety ivelany na koa hoe ho eken’ny hafa ve aho na ny hoe hanao ahoana ny hoaviko.

Ny tanjoko eto dia tsy ny hiresaka momba ireo olana rehetra izay atrehan’ny tanora iray ka mahatonga azy hisalasala momba ny tenany sy tsy ho ampy fahatokian-tena, fa maniry kosa aho ny hiresaka manokana mikasika ny fomba hahazoana fahatokian-tena tena miavaka—fahatokian-tena izay raha toa ka azo amin’ny fahamarinana dia mitondra vokany mahagaga ho an’ny lafiny hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika, indrindra ny fiheverantsika ny tenantsika sy ny fomba hijerentsika ny hoavy. Ho fanazavana izany, dia hitantara tantara iray aho.

Ny Maha-zava-dehibe ny Fahamendrehan’ny Tena Manokana

Taona maro lasa izay, talohan’ny niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana, dia nanana anjara lahateny nandritra ny fihaonambe iray ho an’ny tanora tokan-tena aho. Fivoriana natao hijoroana ho vavolombelona no namarana ilay fihaonambe, ary tovolahy mahafinaritra iray izay vao avy nahavita ny asa fitoriany no nijoro hizara ny fijoroany ho vavolombelona. Tsara sy madio ary feno fahatokian-tena no fahitana azy—tahaka ny endrika tokony hisehoan’ireo izay avy nanao asa fitoriana.

Rehefa nanomboka niteny izy, dia nirotsaka ny ranomasony. Nilaza izy fa feno fankasitrahana noho ny fahafahany mijoro eo anivon’ny vondrona tanora Olomasin’ny Andro Farany tena mahafinaritra sy ny fahatsapana tsara ananany momba ny fiainana izay ezahany iainana. Izany fahatsapana izany anefa dia tsy ho azony, hoy izy, raha tsy nisy zavatra iray izay niainany taona vitsy tany aloha, izay nanoritra ny fiainany mandrakizay.

Avy eo izy dia nitantara ny fodiany tao an-trano rehefa avy nampiaraka, fotoana fohy taorian’ny nanokanana azy ho loholona tamin’ny faha-18 taonany. Nisy zavatra nitranga nandritra io fampiarahana io izay somary nahamenatra azy. Tsy nilaza ny antsipiriany izy, ary tsy ho nilaza izany ampahibemaso koa izy. Hatramin’izao dia tsy fantatro ny mombamomba ilay zava-nitranga, saingy nanan-danja taminy izany ka nisy fiantraikany tamin’ny fanahiny sy ny fiheverany ny tenany.

Raha nipetraka tao anatin’ny fiarany nandritra ny fotoana fohy izy teo amin’ny lalana mankany an-tranony, nieritreritra ny zava-nitranga sy nahatsapa alahelo tena marina mikasika izay zavatra rehetra mety ho nitranga, dia indro ny reniny izay tsy mpikambana nihazakazaka avy ao an-trano nanatona ny fiarany tao anatin’ny fitaintainana. Nohazavainy haingana fa ny zandry lahin’io tovolahy io dia nianjera tao an-trano, voadona mafy ny lohany ary mifanintona izy. Niantso fiarakodia fitondrana marary avy hatrany ilay raim-pianakaviana izay tsy mpikambana, saingy tena mbola afaka fotoana kelikely vao ho tonga ny fanampiana.

“Avia re ary ataovy izay azo atao,” hoy izy nitomany. “Tsy misy zavatra fanaonareo ve any amin’ny Fiangonanareo rehefa misy zavatra tahaka izao? Manana ilay fisoronany ianao. Avia re ary ataovy izay azo atao.”

Tsy nahafantatra zavatra betsaka momba ny Fiangonana ny reniny tamin’izay, saingy nahafantatra mikasika ny tsodrano avy amin’ny fisoronana izy. Na dia teo aza izany, rehefa nila ny finoany sy ny heriny ny olona iray izay tiany tokoa tamin’io alina io dia, dia tsy afaka nanao ny andraikiny ity tovolahy ity. Noho ireo fahatsapana izay vao avy nanahiran-tsaina azy ary sy ny tsy fanajana zavatra izay tsapany fa nataony—na inona na inona izany—dia tsy afaka nandroso teo anoloan’ny Tompo izy sy hangataka ilay tsodrano izay nilaina.

Nivoaka faingana ny fiara izy ary nihazakazaka nidina nankany an-tranon’ny lehilahy iray efa zokinjokiny sady mendrika izay naka azy ho namana tao amin’ny paroasy hatramin’ny niovany fo roa na telo taona lasa izay. Nanazava ny toe-draharaha ilay tovolahy, ary tafaverina soa aman-tsara tany an-trano izy roa lahy talohan’ny nahatongavan’ireo mpamonjy aina. Tsara fiafarana ilay tantara araka ny voalaza tao amin’ilay fivoriana natao hijoroana ho vavolombelona satria avy hatrany dia nanome tsodrano avy amin’ny fisoronana izay mampitony sy mahery vaika ilay lehilahy efa zokinjokiny, ka nampahazo aina sy nampitony ilay zaza naratra mandra-pahatongan’ireo mpamonjy aina. Rehefa nandeha vetivety tany amin’ny hopitaly sy nanao ny fitiliana rehetra nilaina dia hita fa tsy nisy ny fahavoazana mitondra takaitra. Tapitra ny fotoana feno tahotra niainan’ity fianakaviana ity.

Avy eo dia nilaza izao ilay tovolahy vao avy nahavita ny asa fitoriany izay noresahiko taminareo: “Tsy hisy olona hoe tsy niatrika ny zavatra natrehako tamin’iny alina iny ka hahafantatra ny henatra tsapako sy ny alahelo novesariko noho ny fahatsapako ho tsy mendrika ny hampiasa ny fisoronana nohazoniko. Vao mainka fahatsiarovana mampalahelo ho ahy izany satria ny zandriko lahy no nila ahy sy ireo ray aman-dreny malalako izay tsy mpikambana izay feno tahotra ary nanan-jo hiandry zavatra bebe kokoa avy aty amiko. Kanefa amin’izao fijoroako eto anatrehanareo anio izao, dia afaka manao izao fampanantenana izao ho anareo aho,” hoy izy. “Tsy tanteraka aho, saingy nanomboka tamin’iny alina iny aho dia tsy nanao zavatra izay mety hisakana ahy tsy hankeo anoloan’ny Tompo amim-pahatokian-tena sy hangataka ny fanampiany rehefa ilaina izany. Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia ady ao amin’ity tontolo izay iainantsika ity,” hoy izy niaiky, “kanefa mandresy aho ao anatin’izany ady izany. Nahatsapa tena ho meloka indray mandeha tao amin’ny fiainako aho, ary tsy mikasa ny hahatsapa izany intsony mandrakizay raha mbola misy zavatra azoko atao hisorohana izany. Ary mazava ho azy,” hoy izy teo am-pamaranana, “azoko atao ny zavatra rehetra hisorohana izany.”

Nofaranany ny fijoroany ho vavolombelona dia nipetraka izy. Mbola ato an-tsaiko foana izy. Mbola ato an-tsaiko foana ny toe-javatra nisy anay. Ary mbola tsaroako ny fahanginana nampihetsi-po sy naharitra taorian’ny teniny raha nanana fahafahana handinika lalindalina kokoa ny toe-panahiny ny tsirairay tao amin’ilay efitrano, ka nanolo-tena mba hiaina bebe kokoa araka ireo teny mahery vaika nolazain’ny Tompo:

“Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.

“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao” (F&F 121:45–46; nampiana fanamafisana).

Mahatsapa ny Fanahin’Andriamanitra

Ry tanora namako malala, manàna fiainana mahafinaritra. Ny tsara indrindra no eritrereto sy andrandrao ary manàna finoana ny amin’ny hoavy. Fiainana mahafinaritra no miandry anareo. Tian’ny Ray any an-danitra ianareo. Raha nanao fahadisoana ianao, dia azo hibebahana izany sy hahazoana famelan-keloka tahaka ny an’ity tovolahy ity. Manana ny zavatra rehetra hiainana sy hanaovana drafitra ary hinoana ianareo. Ny fahazoana fankatoavana avy amin’ny feon’ny fieritreretanareo rehefa irery ianareo miaraka amin’ny fahatsiarovanareo dia mamela anareo hahatsapa ny Fanahin’Andriamanitra amin’ny fomba tena miavaka sy anareo manokana. Tiako hahatsapa izany Fanahy Masina izany ianareo, sy hahatsapa izany fahatokian-tena eo anatrehan’ny Tompo izany mandrakariva. Enga anie ny eritreritra feno hatsarana hihazona ny zavatra ataonareo ho madio anio sy ampitso ary mandrakizay.