2014
Ny Fianakaviana no Ivon’ny Drafitry ny Ray any an-danitra
Aprily 2014


Mitondra ny Kilonga Mody

Ny Fianakavana no Ivon’ny Drafitry ny Ray any an-danitra

Mianara bebe kokoa momba ny lohahevitry ny Kilonga amin’ity volana ity!

I Misha dia tia manangana tilikambo amin’ny kilalao miendrika biriky, saingy indraindray izy dia sorena rehefa mianjera amin’ny tany ireo kilalao miendrika biriky ireo. Avy eo izy dia nianatra tsiambaratelo. Rehefa mampiasa kilalao miendrika biriky maromaro kokoa izy eny amin’ny fototr’ilay tilikambo, dia manome fototra mafy orina kokoa ho an’ilay tilikambo izany. Nila faharetana sy fanazaran-tena izany, saingy tsy ela dia afaka nanorina tilikambo izay tsy mora mianjera izy.

Tahaka ny nianaran’i Misha hanangana tilikambo mafy orina kokoa, dia afaka mianatra manangana fianakaviana mafy orina kokoa isika. Manana anjara toerana lehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ho antsika. Talohan’ny nahaterahantsika, dia efa niaina isika ka zanakavavy sy zanakalahin’Andriamanitra izay niendrika fanahy isika. Rehefa tonga ny fotoana hahatongavantsika ety an-tany, dia nanao drafitra ho antsika Izy mba ho tonga ao amin’ny fianakaviana. Tiany hiaro antsika, sy hampianatra antsika, ary hanampy antsika hiverina any Aminy ny fianakaviantsika.

Azontsika atao ny miezaka manome fototra mafy orina kokoa ho an’ny fianakaviantsika. Afaka mizatra mifanompo sy mifanampy isika. Afaka mifampihaino sy mifampiresaka am-pitiavana isika. Afaka miara-mivavaka sy mandalina ny soratra masina isika. Afaka miara-miasa isika sy maka fotoana iarahana manao zavatra izay mahafinaritra antsika. Afaka manangana fianakaviana mafy orina kokoa isika amin’ny alalan’ny faharetana sy ny fanazaran-tena.