2014
Mitondra ireo Fitahiana Azo avy amin’ny Fisoronana ao An-tokantranonao
Aprily 2014


Mitondra ireo Fitahiana Azo avy amin’ny Fisoronana An-tokantranonao

Sary
Bonnie L. Oscarson

Rehefa mitandrina ireo fanekempihavananao ianao dia misarika ny herin’ny fisoronana mba hitahy ny tokantranonao sy ny fianakavianao.

Sary
Buildings from various countries.

Sary nataon’i Sudi McCollum

Ahoana no ahafahanao misarika ny herin’ny fanekempihavanan’ny fisoronana izay nataonao tamin’ny batisa mba hanamafisana orina ny tokantranonao sy ny fianakavianao amin’ny maha-zatovolahy na zatovovavy anao, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy ny fianakavianao? Ny fahatakarana ny anjara toerana sy ny lanjan’ny fianakaviantsika ao amin’ny drafitry ny Tompo dia afaka mitaona antsika hanaja ireo fampanantenana izay nataontsika amin’ny alalan’ny fahitana fa ny asa fanompoana tsara indrindra sy tena mampientanentana dia ataontsika ao an-tokantranontsika. Ndeha hojerentsika ireo fomba vitsivitsy hisarihantsika ny herin’ny fanekempihavanantsika mba hampaherezana sy hanompoana ireo olona izay manan-danja indrindra amintsika.

Inona no Havalinao?

Alatsinainy alina izao, ary manana enti-mody betsaka tokoa ianao. Mandre ny rainao miantso ny fianakaviana hiaraka hivory hanao ny takarivan’ny mpianakavy ianao. Inona no ataonao?

Safidy A: Mamaly ianao hoe: “O ry Dada a! Tsy manana fotoana ho an’izany aho anio alina! Mila mianatra aho!”

Safidy B: Angoninao haingana ny mpiray tampo aminao ary mandray anjara amim-pahavitrihana amin’ny vavaka sy ny hira ary ny hafatra ianao.

Raha misy Mpitarika ao amin’ny Fisoronana ao an-trano

Ny fanohanana ireo ray aman-dreninao amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo amin’ny takarivan’ny mpianakavy, sy amin’ny vavaky ny mpianakavy, ary amin’ny fandalinana ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviana dia fomba entina mampatanjaka ny mpitarika ny fisoronana ao an-tranonao. Misy fomba maro hafa ihany koa, toy ny:

  • Mivavaka ho an’ny Ray aman-dreninao. (Azo antoka fa mivavaka ho anao isan’andro izy ireo.)

  • Manohana ireo ray aman-dreninao amin’ny antson’izy ireo ao am-piangonana sy manampy amin’ny raharaha ao an-trano, indrindra rehefa sahirana amin’ny andraikitra tsy mahazatra izy ireo.

  • Manampy ireo ray aman-dreninao handray ireo mpampianatra isan-tokantrano rehefa tonga izy ireo, ary mihaino amim-pahalalam-pomba ny hafatr’izy ireo avy eo.

  • Raha misy tempoly ao amin’ny faritra misy anao, dia manolora tena hitaiza ireo zandrinao mba hahafahan’ireo ray aman-dreninao mankany amin’ny tempoly sy mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Tsarovy fa tsy ireo ray aman-dreny ihany no tompon’andraikitra hanasa sy hihazona ny Fanahy Masina ao an-tokantranonao. Maro ny zavatra azonao atao mba hanasana ny Fanahy Masina amin’ny asanao sy ny fihetsikao. Moa ve ianao manao ny anjaranao mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho ao an-tokantranonao?

Raha Tsy Misy Mpitarika ao amin’ny Fisoronana ao An-trano

Tsy mitovy ny endriky ny fianakaviana rehetra sy ny toe-java-miseho ao anatiny. Mety ho ray aman-dreny tokan-tena ianao na mety tsy manana mpihazona ny fisoronana izay miahy ny tokantranonao. Mbola misy fomba maro ihany hanasana ny herin’ny fisoronana hanamafy orina anao sy ny fianakavianao. Izany dia zavatra tokony hataontsika, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy antsika:

  • Manaova vavaka manokana, manaova fandalinana ny soratra masina, ary mifadia hanina. Ireo ezaka ireo dia hanampy anao hahery ara-panahy sy hanasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainanao sy ao amin’ny manodidina anao izay azonao taomina.

  • Makà fotoana hanandrianana ny antsonao na ireo andraikitrao ao am-piangonana ary miomana amin’ny lesona zaraina isaky ny Alahady. Ny fanaovanao izany dia manampy anao hatoky tena sy maneho ny fanohanana ireo fandaharan’ny fisoronana.

  • Manehoa fanajana ho an’ireo rehetra ao amin’ny fianakavianao ary tohano ireo zavatra mahasoa izay ataon’izy ireo. Ireo safidy ireo dia hanampy amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana manontolo.

  • Zarao amin’ny fianakavianao ireo zavatra izay nianaranao sy nataonao nandritra ireo kilasy sy kôlejy tany am-piangonana. Izany dia fomba iray hitondrana ny fampianaran’ny filazantsara ho ao an-tokantrano.

  • Mitadiava fomba hanompoana ireo izay manodidina anao amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra feno fitiavana.

  • Manampia ao an-tokantrano amin’ny fanaovana raharaha na amin’ny fanampiana ny rahalahinao na rahavavinao.

  • Manehoa fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny fianakavianao—izany dia hisy fiantraikany bebe kokoa amin’ny fanorenana fianakaviana mafy orina noho ny zavatra hafa rehetra azonao atao.

Fanajana Ireo Fanekempihavananao

Rehefa manompo sy mitia ary manamafy orina ny fianakaviantsika isika dia manaja ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa mba hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, hitandrina ny didiny, ary hankahery ireo izay manodidina antsika. Afaka misarika ny herin’ny fanekempihavanan’ny fisoronana ho tonga fitahiana sy ho fanampiana ao amin’ny tokantrano sy ny fianakaviantsika isika. Ny Fisoronana, ny asa fanompoana, ary ny tokantrano dia teny izay tokony hifandray mandrakariva ao an-tsaintsika. Ireo ao amin’ny fianakaviantsika dia tokony hitana ny lohalaharana rehefa mitady fomba handraisana anjara amin’ny asa famonjena isika. Rehefa manamafy orina ny fianakaviantsika isika, dia manamafy orina ny Fiangonana, sy ny fiaraha-monina misy antsika, ary izao tontolo izao ihany koa.