2014
Mamindra ilay Vato
Aprily 2014


Mamindra ilay Vato

Avy amin’ny “Manakaiky Bebe Kokoa an’Andriamanitra,” Liahona, Nôv. 2013, 105.

Sary
Loholona Terence M. Vinson

Indray andro nisy zazalahy iray niezaka nampalama ilay toerana nisy vovoka tao ambadiky ny tranony mba hahafahany milalao ny fiara kilalaony eo. Nisy vato lehibe iray nanakantsakana ny asany. Nanosika sy nisintona tamin’ny heriny manontolo ilay zazalahy. Saingy tsy nihontsona ilay vato na niezaka toy ny inona aza izy.

Nijery elaela ny rainy. Nanatona ny zanany izy avy eo ka niteny hoe: “Mila mampiasa ny tanjakao rehetra ianao raha te hamindra vato lehibe toy ity.”

Namaly ilay zazalahy hoe: “Efa nampiasa ny tanjako rehetra aho!”

Nanitsy azy ny rainy: “Tsia, tsy nanao izany ianao. Tsy mbola nahazo fanampiana avy amiko ianao!”

Dia niara-niondrika izy ireo ary namindra mora foana ilay vato.

Tian’ny Tompo isika hiantehatra Aminy amin’ny famahana ireo olantsika. Amin’izay isika dia afaka ny hahatsapa ny fitiavany amin’ny fomba maharitra kokoa, mahery kokoa, mazava kokoa, ary ho an’ny tenantsika manokana kokoa. Lasa miray hina Aminy isika, ary afaka ny tonga tahaka Azy.