2014
Ny Fampanantenana nataon’i Porter
Aprily 2014


Ny Fampanantenana nataon’i Porter

Avy amin’ny “Misy Antony Lehibe Hifaliantsika,” Liahona, Nôv. 2013, 115–116.

Sary

Rehefa nody mandry ny rafozan-dahiko dia nivory niaraka ny fianakaviako niarahaba ireo olona tonga niara-ory taminay. Nandritra ny takariva, teo am-pitafatafana tamin’ny fianakaviana sy ny namana aho dia nahatsikaritra matetika an’i Porter zafikelinay 10 taona nijoro teo akaikin’ny rafozam-baviko—ny “renibeny.” Indraindray izy nijoro taoriany, nikarakara azy. Hitako ny sandriny indray mandeha nifandray tamin’ny an’ny renibeny. Tazako izy nipaipaika ny tanany, namihina kely azy ary nijoro teo akaikiny.

Nandritra ny andro maromaro taorian’ity zava-nitranga ity dia tsy nety afaka tao an-tsaiko ity sary ity. Nisy zavatra nanosika ahy handefa taratasy ho an’i Porter, hilazana aminy izay zavatra tsikaritro. Nandefa email taminy aho ary niteny taminy izay hitako sy tsapako. Nampahatsiahiviko an’i Porter ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa, ka nitanisa ireo tenin’i Almà ao amin’ny Môsià toko faha 18 aho:

“Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny, te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, … ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay—

“… Raha izany no fanirian’ ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ ny anaran’ ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?” (andininy faha 8–10).

Nanazava tamin’i Porter aho fa i Almà dia nampianatra fa ireo izay te hatao batisa dia mila vonona hanompo ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa—mandritra ny androm-piainanao manontolo! Hoy aho hoe: “Tsy fantatro raha azonao an-tsaina fa ny fomba nampisehoana fitiavana sy fiahiana ho an’i Nenibe dia fitandremana ny fanekempihavananao. Mitandrina ny fanekempihavanantsika isika isan’andro rehefa tsara fanahy sy mampiseho fitiavana, ary mifampikolokolo. Tiako ho fantatrao fotsiny fa tena faly aminao aho satria mpitandrina fanekempihavanana ianao! Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ianao, dia ho vonona ny haroso amin’ny fisoronana. Izany fanekempihavanana fanampiny izany dia hanome fahafahana bebe kokoa ho anao hitahiana sy hanompoana ny hafa ary hanampy anao hiomana amin’ireo fanekempihavanana hataonao any amin’ny tempoly. Misaotra anao mampiseho ahy hoe ohatry ny ahoana izany olona mpitandrina fanekempihavanana izany!”

Namaly i Porter hoe: “Misaotra anao ry Bebe tamin’ny hafatrao. Rehefa namihina an’i Nenibe hatrany aho dia tsy nahafantatra hoe nitandrina ny fanekempihavanako, kanefa nahatsapa mamaivay tao am-poko aho ary nanana fahatsapana tsara. Fantatro fa ny Fanahy Masina tao am-poko izany.”

Nahatsapa mamaivay ihany koa aho rehefa tonga saina fa takatr’i Porter ny fifandraisana misy eo amin’ny fitandremana fanekempihavanana sy ilay fampanantenana hoe mba “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahy miaraka [amintsika]” [F&F 20:77]. Izany dia fampanantenana iray izay tanteraka amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.