Mandra-pihaonantsika Indray

Mahita Fanantenana ao amin’ny Ho avy

Nosoratan’i Stan Pugsley

Monina any Arizona, États-Unis ny mpanoratra.

Atao printy Hizara

    Ilay rivotra izay mamely mafy sy hatahorantsika handrava antsika iny ihany no mitondra fahafahana hiova sy hivoatra.

    Tamin’ny 12 Septambra 2001, izaho sy ny vadiko dia nivezivezy tao amin’ny hopitaly tany Tucson, Arizona, États-Unis niandry tao anaty fitaintainana ny fandehanan’ny fotoana rehefa niandry ny fahaterahan’ ny zanakay lahy izahay. Ny fahitalavitray sy ny fahitalavitra rehetra tao amin’ilay hopitaly dia tsy nijanona namerimberina ny sarin’ny zavatra niseho ny andro talohan’io tany New York City—sarin’ireo tilikambo roa izay fahiny nijoro teo amin’ny lanitr’io tanan-dehibe io, kanefa nianjera sy lasa vovoka. Ireo sary, izay nalefa nandritra ny ora maro, dia nitondra fahakiviana ho anay. Toa izany no fotoana ratsy indrindra hahatongavan’ny zaza eto amin’izao tontolo izao—toa maizina sy mampatahotra izao tontolo izao.

    Ny ampitso vao maraina dia teraka ny zanakay lahy. Rehefa nitrotro ilay zazakely aho, dia nieritreritra ireo trangan-javatra nahakivy izay niseho andro vitsivitsy lasa izay, trangan-javatra izay nahatonga ahy hahatsiaro ny afo tany amin’ny Parc National tany Yellowstone tamin’ny taona 1988. Efa ho ala 323.750 hektara no ravan’ny afo. Toa rava tanteraka ilay valan-javaboahary. Ny sary tamin’ny vaovao dia tsy nahitana afa-tsy tany main’ny afo sy setroka mainty eny amin’ny lanitra. Tsy nisy ezak’olombelona afaka namerina haingana ny zavatra simba. Toa tsy azo nampitahaina tamin’ny hery mandravan’ny afo akory ny fahafahan’ny zavaboahary miverina amin’ny laoniny indray.

    Na teo aza izany dia nisy fahagagana niseho ny lohataona taorian’izany—nisy zavamaniry sy voninkazo kely nanomboka nitsiry teo amin’ilay tany may. Nitombo tsikelikely ny voninkazo sy kirihitra ary hazo izay nitsiry avy amin’ny tany. Ny fiverenan’ilay valan-javaboahary tamin’ny laoniny dia nandeha miadana sy feno pitsopitsony kely sy nahatalanjona, ary nampitolagaga ny vokatr’izany rehefa nandeha ny fotoana.

    Mandritra ny fotoana feno tahotra izay toa mandrava antsika tahaka ilay afo miredaredan’i Yellowstone, fotoana izay ahitantsika fa ny finoantsika sy ny fanantenantsika dia voafetra ihany, dia tokony hahatsiaro isika fa misy fototra tsy azo hozongozonina ao ambanintsika, mahery lavitra noho izay mety ho herin’ny ratsy hatrehantsika. Manazava i Helamàna fa io fototra io dia ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra.” Raha mifikitra Aminy isika, ka “rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

    Manoloana ny herin’ny ratsy izay mamely mafy sy ny fakam-panahin’izao tontolo izao, dia mety hieritreritra isika fa tsy mahatosika sy resy ilay hery mitarika avy amin’ny filazantsara izay kely sy tsotra. Mety hahatsapa ahiahy sy fahakiviana isika rehefa miandry ny hanitsiana ny ratsy, sy ny hanamaivanana ny fanaintainana, ary ny hamaliana fanontaniana, kanefa tsy mahita vokany. Ilay rivotra izay mamely mafy sy hatahorantsika handrava antsika iny ihany anefa no mitondra fahafahana hiova sy hivoatra ary ny hery lehiben’ny filazantsara dia miasa mangina ao ambanin’ny ilay tanin’ny fiainana ety an-tany, ary manomana tsirim-panantenana sy tsirim-piainana an’arivony.