2014
Nanana Betsaka Ho Zaraina Aho
Aprily 2014


Nanana Betsaka Ho Zaraina Aho

Brent Fisher, Californie, États-Unis

Izaho dia nieriretritra foana momba ny fiomanana hataoko hikarakarako ny fianakaviako sy ny tenako ao anatin’ny trangan-javatra tampoka. Niova anefa ny fahitako ny fiomanana indray Alahady maraina tany atsimon’i Floride tamin’ny 1992. Ilay rivo-doza Andrew, izay anisan’ny rivo-doza nandrava sy niteraka fandaniam-bola be indrindra tamin’ireo izay namely an’i États-Unis, dia nanakorontana ny fahavaratra kanto tany Miami, Floride.

Nipetra-drery nandritra ny fotoana miserana aho tao amin’ny efitra iray amoron-dranomasina mba hanatrika fiofanana fitarihan-dalana amin’ny asako izay naharitra telo volana. Rehefa tonga ny fampitandremana momba ilay rivo-doza ka nahafantatra aho fa tokony hiala ao amin’ilay efitra nipetrahako manodidina ny mitataovovonana, dia namandrika efitrano ho ahy sy ireo mpiara-miasa tamiko tany amin’ny hotely any amin’ny faritra afovoan’ny tany ny mpiara-miasa iray. Nohamafisiko ny varavarankeliko ary nampirimiko ireo entako.

Mba hitsinjovana ny famangian’ny vadiko sy ireo zanako ahy izay haharitra herinandro iray, dia efa nividy mialoha sakafo sy rano sahaza ho anay enina mianaka aho. Tony aho rehefa nahafantatra fa manana toerana azo antoka haleha sy sakafo sahaza azoko entina miaraka amiko ka haharitra herinandro maromaro.

Rehefa niomana ny hiainga aho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, dia azoko ny aiko—nilamina avokoa ny zavatra rehetra. Nandohalika nivavaka aho, nisaotra ny Ray any an-danitra noho ireo fitahiana azoko ary nangataka ny fanampiany mandritra ilay tafiotra izay ho avy. Rehefa namarana ny fivavako aho, dia notaomin’ny Fanahy Masina aho hiteny hoe: “Raha misy olona mila fanampiana, dia mba ampio aho hahita azy.”

Afaka minitra vitsy, dia nisy mananotena iray tokony ho 80 taona eo ho eo nandondona tao am-baravarako. “Azafady,” hoy izy. “Diso efitrano aho. Misy namako iray tadiaviko.”

Tena feno tebiteby ny fahitana azy. Rehefa nanontany aho raha misy azoko hanampiana, dia lasa sahiran-tsaina izy ary nilaza fa tsy fantany izay tokony hatao sy toerana tokony haleha. Nanontaniako azy hoe aiza izy no mipetraka, ary niaraka nandeha nankany amin’ny efitranony izahay, nandinika ny toe-javatra nahazo azy, ary namerina nijery ireo zavatra azony atao.

Nolazaiko azy fa mety misy toerana malalaka any amin’ny iray amin’ireo efitranon’ilay hotelin’ny orinasa iasako, ary nanasa azy aho hiaraka amin’ilay vondron’olona nisy anay. Nisento izy, maivamaivana ery. Nampirina sy nanamafy faingana ny efitranony sy ny entany izahay, ary niangavy mpiara-miasa iray aho mba hanatitra ny fiarany ho any amin’ilay hotely.

Rehefa niomana ny hiainga aho, dia nisy mananotena roa hafa nangataka fanampiana. Nanampy azy ireo hitony aho mba hahafahany mieritreritra mazava tsara sy mijery izay toerana hialofany. Rehefa naka ny entan’ny mpiara-miasa tamiko teny aminy aho dia nisy mananotena antitra iray hafa indray nangataka fanampiana. Napetrakay tamin’ny toerana azo antoka ireo entany mora vaky ary nampianay izy hiomana hiala teo.

Teo am-piandrasana izany, dia nisy mpiara-miasa hafa nanasa mpianatra roa eny amin’ny oniversite izay nipetraka tany amin’ny nosy iray mba hiaraka aminay ho any amin’ilay hotely any amin’ny afovoan’ny tany. Ny hany sakafo nananany dia tsakitsaky eran’ny tanana sy rano fisotro 1 litatra. Soa ihany fa nanana betsaka ho zaraina aho, tsy ho azy ireo fotsiny ihany fa ho an’ny ireo hafa rehetra ihany koa.

Tena fitahiana lehibe tokoa ny nahavitana fiomanana sy ny nahazoana ny fitarihan’ny Tompo. Izany dia nahafahako nitondra fitoniana manodidina ahy nandritra ny fotoana feno fitaintainana sy nahafahako nampiasa saika ny fotoanako manontolo mba hanampiana ny hafa ka tsy hieritreretako ny momba ahy. Lasa nitombo ny fankasitrahako ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana mba hiomana.