2014
Ilay Hery Hitahiana ny Olona Rehetra
Aprily 2014


Ilay Hery Hitahiana ny Olona Rehetra

Ireo mpitarika ao am-piangonana dia nampianatra antsika fa ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana dia natao ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra—lehilahy sy vehivavy.

Sary
Illustration depicting a line of youth from various countries.

Illustration by Gail Armstrong

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefan’Andriamanitra nomena mba ho fanavotana sy fitahiana ho an’ny rehetra—lehilahy, sy vehivavy, ary ankizy.  …

“Misy ireo fitahiana miavaka avy any amin’Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay izay mendrika izay atao batisa, sy mandray ny Fanahy Masina, ary mandray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo. Mitondra fahatakarana sy hery fanampiny, miaraka amin’ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay ny tempoly [jereo ny F&F 138:37, 51].”

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Hery ao amin’ny Fisoronana,” Liahona, Nôv. 2013, 92.

Sary
Carole M. Stephens

“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana … dia manome fahafahana hahazo ny fahafenoan’ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra antsika, izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mamatsy hery ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra izy ireo, dia ny herin’Andriamanitra izany, ary manome antsika fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay—mba hiverina eo anatrehan’Andriamanitra sy hiaina miaraka aminy ao amin’ny fianakaviany mandrakizay.

Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, “Fantatsika ve Ny Zavatra Ananantsika?” Liahona, Nôv. 2013, 12.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Manan-danja lehibe amintsika ny fahatakarana fa nanome fomba ho an’ireo zananilahy sy zananivavy ny Ray any an-danitra mba hahazo ireo fitahiana sy hery avy amin’ny herin’ny fisoronana. Zava-dehibe ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany ara-panahy ilay fanambarana nataony manao hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).”

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Izao no Asako sy Voninahitro,” Liahona, Mey 2013, 19.