2010–2019
Vavolombelona sy kôlejin’ny fisoronana Aharôna ary kilasin’ny Zatovovavy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Vavolombelona sy kôlejin’ny fisoronana Aharôna ary kilasin’ny Zatovovavy

Ireo fanovana izay hambaranay izao dia entina hanampiana ireo zatovolahy sy zatovovavy hampivoatra ny hery masina ananan’izy ireo.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, tena mahafinaritra ny miaraka aminareo indray ato amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tamin’ity herinandro ity dia nisy filazana natao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana momba ireo fanovana mahakasika ny fitsipika momba ny olona azo atao vavolombelona amin’ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny famehezana. Te-hanamafy ireo zavatra telo ireo aho.

  1. Ny vavolombelona amin’ny batisa isoloana tena ho an’ny olona maty dia azon’ny rehetra izay mihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery atao, tafiditra amin’izany ny fahazoan-dalana voafetra.

  2. Azo atao vavolombelona amin’ny ôrdônansin’ny famehezana, na ho an’ny velona na isoloana tena, izay olona mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery.

  3. Azo atao vavolombelona ho an’ny fanaovana batisa olona velona ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana efa vita batisa. Io fanovana io dia mihatra amin’ny batisa rehetra atao ivelan’ny tempoly.

Ireo fanovana ny fitsipika ireo dia eo amin’ny fomba fanatanterahana azy ihany. Ny fotopampianarana sy fanekempihavanana ifotorany dia tsy miova. Mbola manan-kery amin’ny ôrdônansy rehetra ireo. Ireo fanovana ireo dia tokony hampivoatra tokoa ny fandraisana anjaran’ny fianakaviana amin’ireo ôrdônansy ireo.

Te-hiresaka aminareo ihany koa aho amin’izao fotoana izao mba hampahafantatra fanovana mahakasika ireo tanorantsika sy ny mpitarika azy ireo.

Tsaroanareo fa efa nanasa ireo tanoran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo mba handray anjara amin’ny zavatra tena manan-danja indrindra eto an-tany ankehitriny, dia ny fanangonana an’i Isiraely.1 Nandefa io fanasana io tamin’ireo tanorantsika aho satria manana talenta miavaka amin’ny fifandraisana amin’ny hafa izy ireo sy amin’ny fizarana ny zavatra inoan’izy ireo amin’ny fomba mandresy lahatra. Ny fanangonana an’i Isiraely dia singa manan-danja amin’ny fanomanana izao tontolo izao sy ny olona eo amboniny ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.

Ao amin’ny paroasy tsirairay ny tafiky ny tanoran’ny Tompo dia tarihin’ny eveka, mpanompon’ Andriamanitra be fanoloran-tena. Ny andraikiny voalohany indrindra dia ny mikarakara ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny paroasiny. Ny eveka sy ireo mpanolotsainy no mitarika ny asan’ireo kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy.

Ireo fanovana izay hambaranay izao dia entina hanampiana ireo zatovolahy sy zatovovavy hampivoatra ny hery masina ananan’izy ireo. Te hampatanjaka ireo kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy ihany koa izahay ary hanolotra fanampiana an’ireo eveka sy ireo mpitarika olon-dehibe hafa eo am-panompoan’izy ireo ity taranaka vao misondrotra ity.

Izao ny Loholona Quentin L.Cook dia hiresaka momba ireo fanovana izay mahakasika ny zatovolahy. Ary anio hariva, mandritra ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany, ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia hiresaka momba ireo fanovana mahakasika ny zatovovavy.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifoloahy dia miray hina amin’ny fametrahana ireo ezaka ireo mba hampatanjahana ny zatovontsika. Tena tianay tokoa izy ireo ary mivavaka ho azy ireo izahay. Izy ireo no “fanantenan’i Isiraely, tafik’i Ziona, zanaky ny fampanantenana.”2 Maneho ny fatokisanay tanteraka an’ireo zatovontsika sy ny fankahasitrahanay azy ireo izahay. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  2. “Ô vaillants guerriers d’Israël,” Cantiques, n° 169.