2010–2019
Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana

Ny hoe an’ Andriamanitra sy ny miaraka mandeha eo amin’ny lalan’ny Fanekempihavanany dia midika hoe voatahy noho ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, misy tantara iray mahakasika ny ankizy iray ao amin’ny Kilonga mianatra mivavaka. “Misaotra anao noho ny litera A, ny litera B, … ary ny litera G.” Mitohy ny vavak’ilay ankizy manao hoe: “Misaotra anao noho ny litera V, Y, Z. Ray malala any An-danitra ô, misaotra anao noho ny isa 1, sy ny isa 2.” Niahotra ilay mpampianatra ao amin’ny Kilonga saingy niandry tamim-pahendrena. Niteny ilay zaza hoe: “Misaotra anao noho ny isa 5 sy ny isa 6 ary misaotra noho ny mpampianatro ato amin’ny Kilonga. Izy no hany olona namela ahy hamita ny vavaka ataoko hatramin’izay.”

Maheno ny vavaka ataon’ny zaza tsirairay ny Ray any An-danitra. Manasa antsika amin’ny alalan’ny fitiavana tsy misy fetra Izy mba ho lasa mpino sy mpiombona ao amin’ny fanekempihavanana.

Feno fitaka sy hosoka ary hakingan-tanana ity izao tontolo izao ity. Tena betsaka ny zavatra toa mandalo sy ankosoka. Rehefa tsy miraharaha ireo saron-tava, sy endrika ivelany ary ireo j’aime na tsia asehon’io bodo sy adala rehetra io isika, dia mikatsaka zavatra mihoatra noho ny zava-manintona ety ivelany misavoamboana, na ny fifandraisana mandalo vetivety, na ny fikatsahana poakaty ny tombontsoan’ny tena manokana araka izao tontolo izao. Soa ihany fa misy fomba ialana amin’izany.

Rehefa mitandrina ireo didy lehibe an’ Andriamanitra isika hoe mitia Azy sy ireo manodidina antsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, dia manao izany tsy toy ny vahiny na olona voasa, fa amin’ny maha-zanaka an-trano antsika.1 Mbola marina hatrany ilay zava-mifanohitra hatrizay. Ny famoizantsika ilay araka ny nofo ao amintsika amin’ny alalan’ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana no ahitantsika sy ahatongavantsika ilay tsara indrindra mandrakizay ao amintsika2 afaka, velona, tena izy, ary amaritantsika ireo fifandraisana manan-danja indrindra ho antsika. Ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana dia fanaovana sy fitandremana ireo fampanantenana manan-kaja amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika, izay manasa ilay herin’ny fahamasinana eo amin’ny fiainantsika.3 Rehefa ny tenantsika manontolo no manao fanekempihavanana, dia afaka ho tonga mihoatra noho izay misy antsika amin’izao isika. Ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana dia manome toerana sy tantara ary fahafahana ho tonga amin’izany. Izany dia miteraka finoana ho amin’ny fiainana sy famonjena.4

Ireo fanekempihavanana masina dia lasa loharanom-pitiavana an’ Andriamanitra sy avy Aminy, ka noho izany dia ho antsika samy isika sy eo amintsika samy isika. Andriamanitra ilay Raintsika any An-danitra dia tia antsika sy mahafantatra antsika mihoatra noho ny itiavantsika sy ahafantarantsika ny tenantsika. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiovan’ny tena manokana (izany hoe ny fibebahana) dia mitondra famindram-po sy fahasoavana ary famelan-keloka. Ireo no manafaka ny ratra sy fanirery ary tsy rariny izay iainantsika eo amin’ny fiainana an-tany. Noho Izy Andriamanitra, dia tian’ny Raintsika any An-danitra isika hahazo ireo fanomezana lehibe indrindra avy Aminy, dia ny fahasambarany sy ny fiainany mandrakizay.5

Ny Andriamanintsika dia Andriamanitry ny fanekempihavanana. Araka ny toetrany, dia “mitandrina ny fanekempihavanana [Izy] ary maneho famindram-po.”6 Maharitra ireo fanekempihavanany, “raha mbola haharitra koa ny fotoana, na hijoro koa ny tany, na hisy koa olona iray hovonjena eto amboniny.”7 Isika dia tsy natao hirenireny ao anatin’ny tsy fahazoana antoka sy ny ahiahin’ny fiainana an-tany, fa ny hifaly ao amin’ny fifandraisana ankamamiana ao amin’ny fanekempihavanana izay “mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana.”8

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ Andriamanitra dia mihatra amin’ny rehetra raha ny fitakiany, fa tanterahana ho an’ny tsirairay. Noho ny fahamarinan’ Andriamanitra, dia afaka mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ny olona tsirairay na aiza na aiza misy azy, na oviana na oviana izy no niaina. Mihatra ny fahafahana misafidy, ny olona tsirairay no misafidy ny hanaiky na tsia ireo ôrdônansy atolotra. Ireo ôrdônansin’ Andriamanitra dia manome takela-by manoro lalana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Ilay drafitr’ Andriamanitra izay mitondra ireo zanany hody dia antsointsika hoe ilay drafitry ny fanavotana, drafitry ny famonjena, drafitry ny fahasambarana. Azo tanterahina ny fanavotana sy ny famonjena ary ny fahasambarana selestialy noho i Jesoa Kristy “nanatontosa ity sorompanavotana tonga lafatra ity.”9

Ny hoe an’ Andriamanitra sy ny miaraka mandeha eo amin’ny lalan’ny Fanekempihavanany dia midika hoe voatahy noho ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana.

Voalohany, ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha “mpanalalana [Azy] ao amin’ny fanekempihavanana vaovao.”10 Ny zavatra rehetra afaka miara-miasa ho tombontsoantsika rehefa “hamasinina ao amin’i Kristy [isika] … ao amin’ny fanekempihavanan’ny Ray.”11 Ny fitahiana tsara sy nampanantenaina rehetra dia tonga amin’ireo izay mijanona ho mahatoky hatramin’ny farany. Ny “toetry ny … fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” dia ny hoe “tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy,” ary ny “miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny … fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”12

Rehefa manao izay vitantsika isika mba hanaja ireo fanekempihavanana nataontsika, dia indraindray mety hahatsapa hoe misy anjely miaraka amintsika. Ary dia izany tokoa no izy, dia ireo izay tiantsika sy manampy antsika avy aty amin’ny lafiny aty amin’ny voaly, ary ireo izay tia sy manampy antsika avy any amin’ilay lafiny iray hafa amin’ny voaly.

Vao tsy ela aho sy Rahavavy Gong no nahita ohatra tena tsara amin’ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana tao amin’ny hôpitaly iray. Nisy raim-pianakaviana iray tena nila mafy ny hamindrana voa. Efa nitomany ny fianakaviany, sy nifady hanina ary nivavaka mba hahazoany voa ho afindra aminy. Rehefa tonga ny vaovao fa nisy voa vao hita fa azo afindra aminy, dia niteny moramora ny vadiny hoe “Enga anie ka hanaiky ilay fianakaviana iray.” Ny hoe miombona ao amin’ny fanekempihavana, araka ny tenin’ny Apôstôly Paoly, dia “ny mba hiarahako hamporisihana aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.”13

Mandritra ity fiainana ity dia mety ho very ny finoantsika an’ Andriamanitra, saingy tsy very finoana amintsika mihitsy Izy. Amin’ny lafiny iray, dia mirehitra foana ny fanilony miandry antsika ho tantanana. Manasa antsika Izy handray na hiverina amin’ireo fanekempihavanana izay mamaritra ny lalany. Miandry Izy, vonona hamihina antsika, eny fa na dia “mbola lavitra aza”14 isika. Raha tadiavintsika amin’ny masom-pinoana ireo kisary, na tsipika, na teboka mifandray eo amin’ny zavatra niainantsika, dia ho tonga saina isika amin’ny famindram-pony sy fankaherezany, indrindra ao amin’ny fitsapana sy fahoriana ary olana mahazo antsika, fa koa ao amin’ireo fifaliana mahazo antsika. Na impiry na impiry isika no tafintohina na solafaka, raha manohy mandroso manatona Azy isika, dia hanampy antsika Izy, dingana iray isaky ny mandeha.

Faharoa, ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mivaingana azontsika tsapain-tanana maneho fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana. Ny Bokin’i Môrmôna no ilay fitaovana nampanantenaina ho amin’ny fanangonana an’ireo zanak’ Andriamanitra, izay naminaniana fa hoe fanekempihavanana vaovao.15 Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna isika, na samirery na miaraka amin’ny hafa, na mangina na amin’ny feo avo, dia afaka manontany an’ Andriamanitra “amin-kitsim-po …, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy,” ary amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, mahazo toky avy amin’ Andriamanitra fa marina ny Bokin’i Môrmôna.16 Tafiditra amin’izany ny fatokiana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika, fa i Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary ny Fiangonan’ny Tompo dia antsoina amin’ny anarany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.17

Ny Bokin’i Môrmôna dia miteny amin’ny alalan’ny fanekempihavanana fahiny sy maoderina, aminao izay zanak’i Lehia, “zanaky ny mpaminany.”18 Ireo razambenareo dia nahazo fampanantenana iray tamin’ny fanekempihavanana fa ianareo taranak’izy ireo dia hahafantatra feo iray toy ny avy amin’ny vokoka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.19 Io feo tsapanao eo am-pamakiana io dia manamarina fa ianareo dia “zanaky ny fanekempihavanana”20 ary i Jesoa no Mpiandry Tsara anareo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manasa antsika tsirairay, araka ny tenin’i Almà, “[h]anao fanekempihavanana [amin’ny Tompo], fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny [isika] mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny amin[tsika].”21 Rehefa te hiova ho tsara kokoa isika, araka ny fomba nilazan’ olona iray azy hoe “hitsahatra ny halahelo ka ho faly fa hoe faly”, dia afaka ny ho lasa mora mandray torolalana sy fanampiana ary tanjaka. Afaka tonga amin’ny alalan’ny fanekempihavanana isika mba hiombona amin’ Andriamanitra sy amin’ny fiarahamonin’ny mpino mahatoky, ary dia handray ireo fitahiana nampanantenaina tao amin’ny fotopampianaran’i Kristy,22 izao ankehitriny izao.

Ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny hitahiana ireo Zanany rehetra dia lafiny fahatelo amin’ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana. Tamin’ity fotoampitantanana ity dia efa tonga i Jaona Mpanao Batisa sy ireo Apôstôly Petera sy Jakoba ary i Jaona, amin’ny maha iraka feno voninahitra azy avy any amin’ Andriamanitra, namerina ny fahefan’ny Fisoronany tamin’ny laoniny.23 Ny fisoronan’ Andriamanitra sy ireo ôrdônansiny dia mitondra hamamiana amin’ireo fifandraisana eto an-tany, ary afaka ny hamatotra ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana any an-danitra.24

Ny fisoronana dia afaka mitsodrano manomboka eo am-pahaterahana ka hatrany am-pasana, manomboka amin’ny fitsofandrano sy fanomezana anarana ny zaza iray ka hatrany amin’ny fanokanana fasana. Ireo tsodranon’ny fisoronana dia manasitrana, mankahery, ary manoro hevitra. Tezitra tamin’ny zanany lahy ny raim-pianakaviana iray, ambara-pahatongan’ny fitiavana izay mamela heloka rehefa nanome tsodranon’ny fisoronana sarobidy an’ilay zanany ilay rainy. Noho izy hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany, dia niahiahy ny zatovovavy iray mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra azy raha tsy efa nahazo tsodranon’ny fisoronana iray izay nanentam-panahy. Maneran-tany, patriarika manan-kaja maro no miomana ara-panahy mba hanomezana tsodranon’ny patriarika. Raha vao mametraka ny tanany eo ambony lohanao ilay patriarika, dia tsapany ary ambarany ny fitiavan’ Andriamanitra anao. Tononony ny rohim-pirazananao ao amin’ny mpianakavin’i Israely. Lazainy ireo fitahiana avy amin’nyTompo. Nolazain’ny vadina patriarika iray tamiko tao anaty fandinihana lalina ny fomba fanasan’izy sy ny fianakaviany ny Fanahy indrindra amin’ireo andro izay hanomezan’ny dadan’izy ireo tsodranon’ny patriarika.

Farany, ireo fitahiana noho ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana dia tonga rehefa manaraka ny mpaminanin’ ny Tompo isika ary mifaly amin’ ny fiainana ireo fanekempihavanan’ny tempoly, ao anatin’ izany ny fanambadiana. Lasa masina sy mandrakizay ny fanambadiana araka ny fanekempihavanana rehefa misafidy isan’andro ny fahasambaran’ny vadintsika sy ny fianakaviantsika ho alohan’ny an’ny tenantsika isika. Rehefa ny “izaho” no lasa “isika” dia miara mivoatra isika. Miara-miha-antitra, dia miara-miha-tanora. Rehefa mifampitahy isika mandritra ny andro-piainana handavana ny tenantsika, dia mahita ireo fanantenantsika sy ny firavoravoantsika voamasina amin’izao fiainana izao sy mandrakizay.

Na dia samihafa aza ny toe-javatra iainana, rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika, sy izay tsara indrindra azontsika atao, ary mangataka amin-kitsimpo ny fanampiany eny an-dalana eny, dia hitarika antsika ny Tompo, amin’ny fotoany sy ny fombany, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.25 Ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana dia mamatotra amin’ny alalan’ny safidy ifanaovan’ireo izay manao izany, ho fampahatsiahivana ny fanajan’ Andriamanitra sy ny fanajantsika ny fahafahana misafidy sy ny fitahiana entin’ny fanampiana rehefa samy mikatsaka izany isika.

Ireo fitahiana entin’ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana ho an’ireo taranaka mifandimby ao amin’ny fianakaviana dia tsapa any an-tokantranontsika sy ao am-pontsika. Mamelà ahy haneho izany amin’ny ohatra teo aminay manokana.

Taminay sy Rahavavy Gong raiki-pitia hankamin’ny fanambadiana dia nianatra mahakasika ny fahafahana misafidy sy ny fanapahan-kevitra aho. Nisy fotoana nianatra tao amin’ny firenena roa samy hafa izahay. Tsoriko fa izany no antony nahazoako ny mari-pahaizana doctorat amin’ny fifandraisana iraisam-pirenana.

Rehefa nanontany aho hoe: “Ray any An-danitra ô, tokony hanambady an’i Susan ve aho?” Dia nahatsapa fiadanana aho. Saingy rehefa nianatra nivavaka omban’ny tena finiavana aho hoe: “Ray any An-danitra ô, tiako i Susan ary tiako hovadiana izy. Mampanantena aho fa ho ilay vady sy ray tsara indrindra araka izay vitako,” izany hoe rehefa nanao zavatra sy nandray ireo fanapa-kevitra tsara indrindra, izay vao tena tonga ireo fanamafisana ara-panahy mahery vaika indrindra.

Ankehitriny ireo tetiarana sy tantara ary sary ao amin’ny FamilySearch momba ny fianakaviana Gong sy Lindsay misy anay dia manampy anay hamantatra sy hifandray ary hiombona amin’ny alalan’ireo traikefa efa niainan’ny taranaka nifandimby izay nihombona tao anatin’ny fanekempihavanana.26 Ho anay ireo razambe hajaina dia ahitana an’i:

Sary
Alice Blauer Bangerter

Bebe Alice Blauer Bangerter (reniben’ny renin-dRahavavy Gong), izay nisy nangata-bady in-telo tao anatin’ny iray andro, ary taty aoriana nangataka ny vadiny hanisy fivoy ny fikapohan-diberany mba hahafahany sady mikapoka dibera no manenona sy mamaky teny indray miaraka.

Sary
Loy Kuei Char

I Dadabe Loy Kuei Char (raiben’ny rain’ny Loholona Gong) izay nibaby ireo zanany ka ny entakelin’izy ireo nampitondraina apondra, tamin’izy ireo niampita ireo saha rakotra lava tany amin’ny Nosy Lehiben’i Hawaii. Ny fanoloratena sy fahafoizantenan’ireo taranaka nifandimby tao amin’ny fianakaviana Char dia mitondra fitahiana ho an’ny fianakavianay ankehitriny.

Sary
Mary Alice Powell Lindsay

Bebe Mary Alice Powell Lindsay dia tavela niaraka tamin’ny zaza miisa dimy rehefa maty tampoka tao anatin’ny andro vitsivitsy ny vadiny sy ny zanany lahy voalohany. Mpitondratena nandritra 47 taona i Bebe, ary nikolokolo ny fianakaviany niaraka tamin’ny fitiavana feno fanohanana avy tamin’ireo mpitarika sy mpikambana teo an-toerana. Nandritra izany taona maro izany dia nampanantena ny Tompo i Bebe fa raha manampy azy ny Tompo dia tsy mba hitaraina izy na oviana na oviana. Nanampy azy ny Tompo. Tsy mba nitaraina mihitsy izy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, araka ny ijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona, izay rehetra tsara sy mandrakizay dia mifototra amin’ny tena maha-misy marina an’ Andriamanitra ilay Raintsika mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny Sorompanavotany. Ny Tompontsika Jesoa Kristy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana vaovao. Ny fijoroana ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy no tanjona ara-panekempihavanan’ny Bokin’i Môrmôna.27 Amin’ny alalan’ny fianianana sy fanekempihavanana, ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny dia natao hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra, anisan’izany amin’ny alalan’ireo fitahiana entin’ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana sy ny fianakaviana ahitana taranaka maro ary fitahiana ho an’ny isambatan’olona.

Nanambara ny Mpanavotra antsika hoe “Izaho no Alfa sy Omega, Kristy Tompo; eny, Izaho no Izy, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny Mpanavotra izao tontolo izao.”28

Niaraka tamintsika Izy tany am-piandohana, ary miaraka amintsika Izy, ao amin’ireo fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana rehetra ataontsika, hatramin’ny farany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.