2010–2019
Manaja ny anarany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Manaja ny anarany

Omban’ny fanekempihavanana izay mamaritra ny maha-izy azy antsika sy manome toerana antsika, dia antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika.

Rehefa tsindrian-daona ireo ray aman-dreny eo am-piandrasana ny fahaterahan’ny zaza iray dia manana andraikitra izy ireo ny hisafidy anarana ho an’ny zanak’izy ireo vaovao. Angamba tamin’ny nahaterahanao dia nomena anarana izay nifandovan’ny taranaka maro nifandimby tao amin’ny fianakavianao ianao. Na koa hoe mety anaran’olona malaza tamin’ny taona na vanim-potoana nahaterahanao ilay anarana nomena anao.

Ny mpaminany Helamàna sy ny vadiny dia nanome anarana manan-danja an’i Nefia sy i Lehia zanakalahin’izy ireo. Taty aoriana dia hoy i Helamàna tamin’ireo zanakalahiny:

“Nomeko anareo ny anaran’ny ray aman-drenintsika voalohany … izany no efa nataoko dia ny hahazoanareo mahatsiaro azy rehefa mahatsiaro ny anaranareo ianareo; ary rehefa mahatsiaro azy ianareo, dia ny hahazoanareo mahatsiaro ny asany; … fa voalaza ary koa voasoratra fa tsara ireny.

“Noho izany, ry zanako, dia mba tiako ny hanaovanareo izay tsara.”1

Nanampy an’i Nefia sy i Lehia hahatsiaro ireo asa tsaran’ireo razambeny sy namporisika azy ireo hanao ny tsara ihany koa ny anaran’izy ireo.

Ry rahavavy, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona fitenintsika, na 8 taona isika na 108 taona dia manana anarana itoviana izay manana tanjona iray isika rehetra.

“Fa na iza na iza ianareo natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy … fa iray ihany [isika] rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.”2

Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia, “amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa no anehoantsika voalohany ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy.”3 Amin’ny alalan’io fanekempihavanana io isika no mampanantena ny hahatsiaro Azy mandrakariva, sy hitandrina ny didiny, ary hanompo ny hafa. Ny fahavononantsika hitandrina io fanekempihavanana io dia havaozina isaky ny andro Sabata rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika ary mifaly indray ao anatin’ ny fitahiana entin’ny “[f]andehanantsika […] amin’ny fiainam-baovao.”4

Ny anarana nomena antsika tamin’ny nahaterahantsika dia maneho ny maha-izy azy antsika tsirairay ary manome toerana antsika eo anivon’ny fianakaviantsika eto an-tany. Kanefa rehefa “ateraka indray” isika rehefa atao batisa dia mitombo ny fahatakarantsika ny maha-izy azy antsika. “Noho ny fanekempihavanana izay efa nataonareo, dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, … fa indro, efa niteraka anareo ara-panahy Izy androany; satria lazainareo fa ny fonareo dia efa miova amin’ny alalan’ny finoana ny anarany; noho izany, dia aterany ianareo.”5

Noho izany, omban’ny fanekempihavanana izay mamaritra ny maha-izy azy antsika sy manome toerana antsika, dia antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika. Ary “tsy [m]isy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ ny famonjena amin’ ny zanak’ olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ ny alalan’ ny anaran’ i Kristy ihany, Ilay Tompo Tsitoha.”6

Ny anaran’i Jesoa dia efa fantatra ela be mialoha ny nahaterahany. Nisy anjely iray naminany tamin’i Benjamîna Mpanjaka hoe: “Ary hantsoina hoe Jesoa Kristy Izy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, … ary ny reniny dia hantsoina hoe Maria.”7 Ny asany izay mitondra “fitiavana manavotra”8 ihany koa dia nampahafantarina an’ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra naha-teto an-tany ny filazantsarany hatramin’ny andron’i Adama sy Eva ka mandraka ankehitriny mba hahafahan’izy ireo mahafantatra “ny loharano azony andradraina ho famelana ny fahotany.”9

Tamin’ny taon-dasa ny Filoha Russell M. Nelson dia nanao “fiangaviana avy amin’ny mpaminany” ho an’ireo rahavavy mba “hamolavola ny hoavy amin’ny fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely miely patrana.” Nanasa antsika izy mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy “hanisy marika ireo andininy izay miresaka momba ny Mpamonjy.” Niangavy antsika isy mba “[hanana] finiavana hiresaka momba an’i Kristy, hifaly ao amin’i Kristy ary hitory an’i Kristy amin’ny [fianakaviantsika] sy ny naman[tsika].” Mety ho efa nanomboka nahatsikaritra ny vokatry ny fampanantenana nomeny ianareo hoe: “Ho lasa akaiky kokoa ny Mpamonjy ianareo miaraka amin’izy ireo. … Ary hisy fiovana, fahagagana mihitsy aza, hanomboka hitranga.”10

Ny fampanantenana ataontsika mba hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy dia hanome tanjaka antsika hahafahantsika hiaro ny fahamarinana na eo anivon’ny vahoaka maro be na ao amin’ny toera-manginantsika izay tsy misy mahalala izay ataontsika afa-tsy Andriamanitra. Rehefa mahatsiaro Azy isika sy mitondra ny anarany eo amintsika dia tsy misy toerana ho an’ny fampitahana manambany tena ao amintsika na ho an’ny fitsaratsarana feno fianjonanjonana. Rehefa mifantoka amin’ny Mpamonjy ny masontsika dia mahita ny tenantsika araka ny tena maha-izy azy antsika isika, dia zanaka malalan’ Andriamanitra.

Ny fitandremantsika ilay fanakempihavana hoe hahatsiaro dia mampangina ireo fanahian’izao tontolo izao ka manova ny tsy fahatokian-tena ho herim-po ary manome fanantenana ao anatin’ny fotoam-pisedrana.

Ary rehefa solafaka sy mianjera isika eo amin’ny fivoarantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan dia ny fahatsiarovana monja ny anarany sy ny lemim-panahiny amintsika no ilaintsika. “Fa ananany ny hery rehetra, ny fahendrena rehetra ary ny fahazavan-tsaina rehetra; azony ny zava-drehetra ary Izy no Ilay feno famindram-po … [amin’] ireo izay te hibebaka sy hino ny anarany.”11 Azo antoka fa tsy misy feo mahafinaritra kokoa noho ny anaran’i Jesoa ho an’ireo rehetra manana fo torotoro sy fanahy manenina, ka mikatsaka ny “[hanao] tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa.”12

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Efa lasana ny fotoana izay nahafahanao nijanona ho Kristianina mangina sy manara-drenirano. Tsy vitan’ny fandehananao any am-piangonana isaky ny Alahady ny fivavahanao. Fa izany dia fijoroana ho mpianatra marina manomboka ny Alahady maraina ka hatramin’ny Sabotsy alina. … Tsy misy an’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny ‘ampaham-potoana’ izany.”13

Ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy dia mihoatra noho ny fifandraisana amim-pahalalam-pomba amin’ny alalan’ny teny fotsiny. Tsy fampanantenana fahatany na zavatra sandoka noforonin’ny kolotsaina izany. Tsy fombafomba fanao rehefa mandalo dingana eo amin’ny fiainana na mari-pamantarana anaovana eo amin’ny tratra izany. Tsy teny notsongaina izay apetraka fotsiny eo amin’ny talantalana na ahantona amin’ny rindrina izany. Ny anarany dia anarana izay “tafiana,”14 misoratra ao am-pontsika, ary “voasokitra eo amin’ny tarehin[tsika].”15

Ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy dia tokony hotsaroana, mandrakariva, amin’ny alalan’ny eritreritsika, sy ny zavatra ataontsika, ary ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Tsy vitan’ny hoe mahatsiaro ny anarantsika fotsiny Izy fa mahatsiaro antsika mandrakariva ihany koa. Nanambara ny Mpamonjy hoe:

“Fa moa mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hanana fangorahana ny zanakalahy naloaky ny kibony? Eny, mety manadino izy kanefa Izaho tsy hanadino anao Ry mpianakavin’i Isiraely.

“Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao.”16

Nampianatra ny Filoha George Albert Smith hoe: “Hajao ireo anarana izay entinareo, satria indray andro any ianareo dia hanana fahafahana sy adidy ny hanao tatitra … amin’ny Rainareo any An-danitra … ny amin’ny nampiasanareo [ireny anarana ireny].”17

Tahaka ny anarana hoe Nefia sy Lehia izay nosafidiana tamim-pitandremana, dia azo lazaina sy soratana momba antsika ve ny hoe mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy Tompo isika? Manaja ny anaran’i Jesoa Kristy izay nentintsika tamim-pahavononana teo amintsika ve isika? Moa ve isika sady “mpanompo [no] vavolombelo[n’ny]”18 halemem-panahiny sy ny heriny manavotra?

Vao tsy ela izay dia nihaino ny Bokin’i Môrmôna aho. Tao amin’ny toko faran’ny 2 Nefia aho dia nahare an’i Nefia niteny zavatra izay tsy mbola novakiako tahaka izay namakiako izany teo aloha mihitsy. Menerana ny rakitsorany izy dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny “Mpanavotra,” ny “Iray Masin’ny Isiraely,” sy ny “Zanak’ondrin’ Andriamanitra,” ary ny “Mesia.” Saingy rehefa namarana ny fitantarany izy dia nahare azy aho niteny ireto teny ireto: “Mirehareha ny amin’ny fahatsorana aho; mirehareha ny amin’ny fahamarinana aho; mirehareha ny amin’i Jesoako, aho fa Izy efa nanavotra ny fanahiko.”19 Rehefa nahare ireo teny ireo aho dia nifaly ny foko ary nohainoako im-betsaka izany. Nahafantatra sy namaly aho raha nandre an’io andininy io, tahaka ny hahafantarako sy hamaliako rehefa mandre ny anarako.

Nilaza ny Tompo hoe, “Eny, hotahina ity vahoaka ity izay te hitondra ny anarako; fa amin’ny anarako no hiantsoana azy ary Ahy izy.”20

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia enga anie isika ka “[hitondra] amim-pifaliana tokoa [eo amintsika] ny anaran’i Kristy”21 amin’ny alalan’ny fanajana amim-pitiavana, sy amim-pahavitrihana, ary amin’ny alalan’ny asa tsara. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no ilay “Zanakondrin’ Andriamanitra, eny, dia ny Zanaky ny Ray!”22 Amin’ny anaran’ilay Zanany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.