2010–2019
Na inona re miseho, mitoera eto!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Na inona re miseho, mitoera eto!

Mijoro ho vavolombelona aho fa “na inona re miseho,” dia hitoetra hiaraka amintsika ny Tompo ary “[ireo fahoriana dia afaka ny] ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy.”

Ny iray amin’ireo hira tena tiantsika ao amin’ny fihirana dia maneho fiangaviana hoe “Na inona re miseho, mitoera eto!”1 Indray mandeha aho nandeha fiaramanidina ary nanakaiky oram-baratra lehibe iray izany. Rehefa nijery teo am-baravarankely aho dia afaka nahita rahona matevina teo ambaninay. Ireo taratry ny masoandro madiva hilentika dia nitaratra ireo rahona, ka nampamirapiratra fatratra izany. Vetivety anefa dia nidina tao anatin’ireo rahona matevina ilay fiaramanidina ka voahodidin’ny haizina mikitroka tampoka izahay izay nampanjavona tao an-tsainay ilay hazavana lehibe vao hitanay teo.2

Sary
Taratry ny masoandro madiva hilentika
Sary
Rahona mainty

Mety hipoitra eo amin’ny fiainantsika koa ny rahona mainty, izay afaka hanakana antsika tsy hahita ny hazavan’ Andriamanitra ary mety hahatonga antsika hanontany tena aza raha mbola misy ho antsika izany hazavana izany. Ny sasany amin’ireo rahona ireo dia mety ho harerahan-tsaina, tebiteby, ary ireo endrika hafan’ny aretina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Mety hampisafotofoto ny fahitanao ny tenanao sy ny hafa ary an’ Andriamanitra mihitsy aza izany. Ianjadian’izany ireo lehilahy sy vehivavy maro amin’ny sokajin-taona rehetra manerana an’izao tontolo izao.

Manimba koa ny fitsaratsarana sy ny fiahiahiana izay rahona mampihena herin-dretsika, ka mety hisy fiantraikany eo amin’ireo hafa izay tsy mbola niaina ireo olana ireo. Toy ny faritry ny vatana rehetra, ny atidoha dia mety ianjadian’ny aretina, fihotakotahana ary fikorontanana ara-tsimika. Rehefa marary ny saintsika, dia afaka mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra isika, sy avy amin’ireo manodidina antsika ary avy amin’ireo matihanina eo amin’ny fitsaboana ny saina.

“Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”3 Tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika, dia manana vatana isika4 ary mandalo toe-javatra mampihetsi-po.5

Ry rahavavy malalako, tsy maninona mihitsy ny mahatsapa hoe malahelo na mikorontan-tsaina indraindray. Ny alahelo sy ny tebiteby dia fihetsehampo ara-boajanahary ao amin’ny olombelona.6 Saingy raha toa isika ka malahelo foana ary raha toa ny alahelontsika misakana ny fahafahantsika hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia mety ianjadian’ny harerahan-tsaina na tebiteby na karazana korontana ara-pihetsehampo iray hafa isika.

Nanoratra indray mandeha ny zanako vavy hoe: “Nisy fotoana aho nahatsapa alahelo lalina foana. Nihevitra aho hatrizay fa zavatra mahamenatra ny hoe malahelo ary mariky ny faharefoana izany. Noho izany dia notazomiko ho ahy ny alaheloko. … Nahatsapa ho tsy nanan-danja aho.”7

Toy izao no namaritan’ny namana iray an’izany: “Efa hatrany amin’ny fahazazako aho no nitolona tsy tapaka tamin’ny fananana fahatsapana ho very fanantenana, ho latsaka anaty haizina, ho manirery sy fahatsapana tahotra ary fieritreretana ho trotraka na be fahalemena. Nataoko izay azo natao rehetra mba hanafenako ny fahoriako sy mba tsy hampisehoana velively fa izaho dia olona mifanohitra amin’ny hoe mahomby sy matanjaka.”8

Ry namako malala, mety mitranga amintsika rehetra izany, indrindra rehefa mametraka vesatra tsy ilaina eo amintsika isika, amin’ny maha-mpino ny drafitry ny fahasambarana antsika, ka mieritreritra fa mila lavorary izao dia izao isika. Mety hampaosa ny eritreritra toy izany. Mifono dingana arahina ny fanatratrarana ny fahalavorariana izay hiseho mandritra ny fiainantsika eto an-tany sy any ankoatra ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy irery ihany.9

Kanefa rehefa miresaka mikasika ireo olana ara-pihetsehampo atrehantsika isika, ary miaiky fa tsy lavorary, dia manome fahafahana ny hafa hizara ny olana atrehan’izy ireo isika. Miara-mahafantatra isika fa misy ny fanantenana ary tsy tokony hizaka fijaliana irery isika.10

Sary
Fanantenana ny Fiaviana Fanindroany

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia nanao fanekempihavanana isika fa “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” ary “hiara-malahelo amin’izay malahelo.”11 Izany dia mety ahitana ny fahazoana fampahalalana momba ireo aretina ara-pihetsehampo, ny fitadiavana loharano izay afaka manampy amin’ny fiatrehana ireo olana ireo ary amin’ny farany ny fitondrana ny tenantsika sy ny hafa eo amin’i Kristy ilay Mpanasitrana Lehibe.12 Na dia tsy fantatsika aza ny fomba hahatakarana ireo zavatra zakain’ny hafa, ny fanekena fa tena miaina fanaintainana izy ireo dia efa dingana voalohany iray manan-danja eo amin’ny fitadiavana fanohanana sy fahasitranana.13

Ao anatin’ireo tranga sasantsasany, dia fantatra ny antony mahatonga ilay harerahan-tsaina na fitebitebena, ary indraindray mety sarotra ny mamantatra izany.14 Mety marary ny atidohantsika noho ny rarin-tsaina15 na ny harerahana mafy,16 izay indraindray azo sitranina amin’ny alalan’ny fandaminana eo amin’ny sakafo hohanina sy ny torimaso ary ny fanaovana fanatanjahan-tena. Indraindray dia mety ilaina koa ny fitsaboana eo ambany fitarihan’ireo mpitsabo matihanina.

Ny aretina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo tsy voatsabo dia mety hitondra any amin’ny fitokana-monina bebe kokoa, tsy fifankahazoan-kevitra, faharavan’ny fifandraisana amin’ny hafa, fanimban-tena ary famonoan-tena mihitsy aza. Fantatro tsara izany satria maty namono tena ny raiko taona maro lasa izay. Nandona mafy ny foko sy ny an’ny fianakaviako ary nahavaky fo anay ny fahafatesany. Nila taona maro aho namafana ny alaheloko, ary vao haingana aho no nahafantatra fa ny firesahana araka ny tokony ho izy momba ny famonoan-tena dia tena manampy amin’ny fanakanana izany fa tsy hoe manampy amin’ny famporisihana izany.17 Efa niresaka malalaka tsara mikasika ny nahafatesan’ny raiko tamin’ny zanako aho ary nahita ny fahasitranana izay azon’ny Mpamonjy atolotra eo amin’ny lafy roan’ny voaly.18

Indrisy anefa fa maro amin’ireo izay ianjadian’ny harerahan-tsaina mafy no manalavitra an’ireo Olomasina namany satria mahatsapa ho tsy manana ilay karazana toetra izay foronon’ny saina aman’eritreritra izy ireo. Afaka manampy azy ireo isika hahafantatra sy hahatsapa fa tena anisan’ny miaraka amintsika izy ireo. Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny harerahan-tsaina dia tsy vokatry ny fahalemena, na hoe mazàna dia vokatry ny fahotana.19 “Mihombo izany rehefa hafenina fa mihena kosa rehefa mahazo fampaherezana avy amin’ny hafa.”20 Rehefa miaraka isika dia afaka mandrava ireo rahon’ny fitokana-monina sy ny fanilihan’ny mpiara-monina ka hiala ny vesatry ny fahamenarana ary afaka ny hitranga ireo fahagagan’ny fahasitranana.

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanasitrana ny marary sy ny malahelo i Jesoa Kristy, saingy nila nampihatra finoana Azy ny olona tsirairay ary nandray andraikitra mba hahazoana ny fanasitranany. Nandeha an-tongotra lavitra ny sasany, naninjitra ny tanany ny hafa mba hikasihana ny akanjony ary tsy maintsy nolanjaina nankeo Aminy ny hafa mba hositranina.21 Raha resaka fanasitranana, moa ve isika rehetra tsy mila mafy Azy daholo? “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?”22

Ndeha isika hanaraka ny lalan’ny Mpamonjy sy hampitombo ny fangorahantsika, hanena ny fironana any amin’ny fitsaratsarana, ary hitsahatra tsy ho mpidikiditra amin’ny fiainam-panahin’ny hafa. Ny fihainoana amim-pitiavana dia iray amin’ireo fanomezana izay azontsika atolotra, ary isika dia mety ho afaka hanampy amin’ny fitondrana na fanesorana ireo rahona mavesatra izay manempotra ireo olon-tiantsika sy namantsika23 ka amin’ny alalan’ny fitiavana asehontsika dia afaka indray hahatsapa ny Fanahy Masina sy hahita ilay hazavana avy amin’i Jesoa Kristy izy ireo.

Raha toa ianao ka voahodidin’ny “zavon’ny haizina”24 foana dia mitodiha any amin’ny Ray any An-danitra. Tsy misy zavatra hafa efa niainanao izay afaka manova ilay fahamarinana mandrakizay hoe, zanany ianao ary tiany ianao.25 Tsarovy fa i Kristy dia Mpamonjy sy Mpanavotra anao ary Andriamanitra dia Rainao. Manana fahatakarana an-tsaina izy ireo. Alaivo sary an-tsaina izy ireo hoe akaiky anao, mihaino sy manolotra fanohanana.26 “Hampionon’[izy ireo] amin’ny fahorianareo ianareo.”27 Ataovy izay vitanao ary matokia an’ilay fahasoavana manavotry ny Tompo.

Tsy mamaritra ny momba anao ireo olana atrehanao fa afaka manadio anao kosa.28 Noho “ilay tsilo [natsatoka teo amin’ny nofo],”29 dia afaka manana fahafahana haneho fangorahana bebe kokoa ny hafa ianao. Rehefa tarihin’ny Fanahy Masina, dia zarao ny tantaranao mba “[hamonjena] ny osa, [hampiakarana] ny tanana izay miraviravy ary [hampatanjahana] ny lohalika malemy.”30

Ho an’ny sasany amintsika izay mandalo olana amin’izao fotoana izao na manohana olona izay mandalo olana, dia aoka isika ho vonona hanaraka ireo didin’ Andriamanitra mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.31 Aoka isika hanao “ireo zava-madinika sy tsotra”32 izay hanome antsika tanjaka ara-panahy. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.”33

Sary
Ny Mpamonjy manasitrana

Aoka isika hahatsiaro fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia “[naka] ny rofintsika teo Aminy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany … ny fomba hanampiana [antsika] arakaraka ny rofin[tsika].”34 Tonga mba “hanasitrana ny torotoro fo Izy, … hampionona ny malahelo rehetra; … hanome azy hamama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka.”35

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Mijoro ho vavolombelona aho fa “na inona re miseho,” dia hitoetra hiaraka amintsika ny Tompo ary “[ireo fahoriana dia afaka ny] ho voatelina ao amin’i Kristy,”36 ary “noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”37 Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia hiverina eto an-tany “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.”38 Farany, Izy dia “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika; ary tsy hisy … alahelo [intsony].”39 Ho an’izay rehetra “[manatona] an’i Kristy [sy] hatao tanteraka ao Aminy,”40 dia “tsy hilentika intsony ny [masoandro] … fa ny Tompo no ho fanazavana [antsika] mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovan[tsika].”41 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.