2010–2019
Fahamasinana sy ny drafitry ny fahasambarana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fahamasinana sy ny drafitry ny fahasambarana

Misy fahasambarana lehibe kokoa tonga amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny tena bebe kokoa

Ry rahalahy sy anabavy malalako, nivavaka aho mba hahazo ilay hery hanampy anareo amin’ny fikatsahanareo manokana ny fifaliana. Misy olona sasany mety efa ampy ny fifaliany, nefa azo antoka fa tsy hisy na iza na iza handa fanomezana fifaliana mihoatra kokoa. Ny olona rehetra dia samy haniry ny hanaiky ilay fanolorana fifaliana maharitra izay azo antoka.

Izany no natolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany Malalany ary ny Fanahy Masina an’ireo fanahy rehetra zanaky ny Ray any An-danitra izay miaina amin’izao fotoana izao sy mbola hiaina na efa niaina teto amin’ity izao tontolo izao ity. Antsoina hoe drafitry ny fahasambarana io zavatra atolotra io. Izany no niantsoan’i Almà mpaminany azy, rehefa nampianatra ilay zanany lahy tafahitsoka tao anatin’ny fijaliana vokatry ny fahotana izy. Fantatr’i Almà fa ny faharatsiana dia tsy ho fahasambarana na oviana na oviana ho an’ny zanany, na ho an’izay mety ho zanaky ny Ray any An-danitra.1

Nampianatra ny zanany lahy izy fa ny fitomboana fahamasinana no hany lalana mitondra any amin’ny fifaliana. Nataony mazava fa ny fahamasinana kokoa dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay manadio sy mandavorary antsika.2 Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana tsy tapaka ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana ihany no ahafahantsika rehetra mahazo ilay fifaliana maharitra izay tiantsika hiainana sy hazonina.

Mivavaka aho androany mba ho afaka ny hanampy anareo hahatakatra fa ny fifaliana kokoa dia tonga avy amin’ny fahamasinan’ny tena bebe kokoa, mba handraisanareo andraikitra mifanaraka amin’izany zavatra inoana izany. Avy eo aho hizara ny zavatra fantatro manokana mikasika ny zavatra azontsika atao mba ho mendrika ny hahazo izany fanomezana izany, dia ny ho lasa masina kokoa.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa ankoatra ireo zavatra hafa dia afaka ny ho hamasinina na ho lasa masina kokoa isika rehefa mampihatra finoana an’i Kristy,3 mampiseho ny fankatoavantsika,4 mibebaka,5 mahafoy tena ho Azy,6 mandray ireo ôrdônansy masina, ary mitandrina ireo fanekempihavanantsika natao Taminy.7 Ny fahamendrehana hahazo ilay fanomezana fahamasinana dia mitaky fanetrentena,8 halemem-panahy,9 ary faharetana.10

Tonga tamiko tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ny fiainan-javatra iray, dia ny faniriana mba hanana fahamasinana kokoa izany. Niditra vao voalohany ny tempoly aho tamin’izay ary kely fotsiny no nolazaina ahy mikasika ny zavatra hitranga ao. Hitako teo amin’ilay tranobe ireo teny hoe: “Hamasinina ho an’ny Tompo” ary “Ny Tranon’ny Tompo.” Nahatsapa ho tena tsindrian-daona aho. Saingy nanontany tena aho raha toa vonona ny hiditra.

Nandeha teo alohako ny raiko sy ny reniko rehefa niditra ny tempoly izahay. Nangatahina izahay mba hampiseho ireo fahazoan-dalanay hidirana ny tempoly izay manamarina ny fahamendrehanay.

Fantatry ny ray aman-dreniko ilay lehilahy teo amin’ny fandraisana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Noho izany dia naka fotoana kely niresahana taminy izy ireo. Tonga aho dia nandeha irery niditra ilay toerana lehibe, ka fotsy mangatsakatsaka ny zava-drehetra. Nitraka nijery ilay valindrihana aho izay tena avo tamiko, ka toy ny lanitra misokatra izany. Tamin’izay fotoana izay dia nisy eritreritra mazava tonga tao amiko hoe efa tany aho taloha.

Nony avy eo anefa dia naheno feo tena malefaka aho ary tsy ny feoko izany. Toy izao ireo teny nambara tamin’ny fomba malefaka ireo: “Mbola tsy teto velively ianao tany aloha tany. Ilay fotoana talohan’ny nahaterahanao no tsaroanao. Tany amina toerana masina iray toa an’ity ianao. Nahatsapa ianao fa teo am-pikasana ny ho avy eo amin’ilay toerana nijoroanao ny Mpamonjy. Ary nahatsapa fifaliana ianao satria te-hahita Azy mafy.”

Tao anatin’ny fotoana fohy monja ihany izany zavatra niainana tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izany. Kanefa mbola mitondra fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana mangina izany.

Nianatra lesona maro aho tamin’io andro io. Iray tamin’izany ny hoe miresaka amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina. Afaka mandre Azy aho rehefa misy filaminana ara-panahy ao am-poko. Mitondra fahatsapana fifaliana sy fahatokiana ho ahy Izy fa mihamasina kokoa aho. Ary izany dia mitondra foana ilay fifaliana tsapako nandritra ireo fotoana voalohany naha-tao amin’ny tempolin’ Andriamanitra ahy.

Efa hitanao teo amin’ny fiainanao manokana sy teo amin’ny hafa ilay fahagagan’ny fifaliana, izay tonga avy amin’ny fitomboan’ny fahamasinana, lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Herinandro vitsy lasa izay dia namangy olona teo am-pandriana izay afaka niatrika ny fahafatesana niaraka tamin’ny finoana feno ny Mpamonjy sy tamin’ny endrika faly aho.

Ny anankiray dia lehilahy voahodidin’ny fianakaviany. Teo am-piresahana moramora izy sy ny vadiny rehefa niditra izaho sy ny zanako lahy. Efa nifankafantatra tamiko nandritra ny taona maro izy ireo. Efa hitako niasa teo amin’ny fiainan’izy ireo sy teo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Niara-nisafidy ny fampitsaharana ireo ezaka ara-pitsaboana natao mba hanalavana ny andro iainany izy ireo. Fahatoniana no tsapa rehefa niresaka taminay izy. Nitsiky izy rehefa naneho fankasitrahana ny filazantsara sy ny vokatr’izany izay nanadio azy sy ilay fianakaviana tiany. Niresaka mikasika ireo taona nahafinaritra nanompoany tao amin’ny tempoly izy. Noho ny fangatahan’io lehilahy io dia nohosoran’ny zanako lahy menaka voahasina ny lohany. Nofeheziko ilay fanosorana. Rehefa nanao izany aho dia nanana fahatsapana mazava ny hilaza aminy fa hahita mivantana atsy ho atsy ny Mpamonjiny izy.

Nampanantena azy aho fa hahatsapa fahasambarana sy fitiavana izy ary ho eken’ny Mpamonjy. Nitsiky tamim-pitiavana izy rehefa handeha hivoaka izahay. Ny teniny farany tamiko dia hoe “Lazao i Kathy fa tiako izy.” I Kathleen vadiko, dia namporisika nandritra ny taona maro ireo taranaka tao anatin’ny fianakaviany mba hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy sy hanao fanekempihavanana masina ary hahazo ilay fifaliana izay vokatra entin’izany fahamasinana lehibe kokoa izany.

Nodimandry izy ora vitsy taorian’izay. Herinandro vitsy taorian’ny nahafatesany, dia nitondra fanomezana ho ahy sy ny vadiko ilay vadiny mananotena. Nitsiky izy teo am-piresahanay. Hoy izy tamim-pifaliana hoe: “Noheveriko fa ho malahelo sy ho manirery aho. Tena faly aho. Tsy maninona ve izany araka ny eritreritrareo?”

Noho ny fahafantarako ny halehiben’ny fitiavany ny vadiny sy ny fomba nahafantaran’izy ireo sy nitiavan’izy ireo ary nanompoan’izy roa ny Tompo, dia nolazaiko izy fa ilay fahatsapany fifaliana dia fanomezana nampanantenaina satria nampahamasina azy kokoa ny asa fanompoana nataony tamim-pahatokiana. Nahamendrika azy hahazo izany fifaliana izany ny fahamasinany.

Ny olona sasany izay mihaino amin’izao fotoana fotoana izao dia mety manontany tena hoe: “Nahoana aho no tsy mahatsapa ilay fiadanana sy fifaliana izay ampanantenaina an’ireo izay mahatoky? Naneho fahatokiana aho nandritra ny fahoriana mafy, nefa tsy mahatsapa fifaliana.”

Na ny mpaminany Joseph Smith aza dia niatrika izany sedra izany. Nivavaka mba hahazo fahafahana izy rehefa nogadraina tany amin’ny fonja iray tao Liberty, Missouri. Naneho fahatokiana tamin’ny Tompo foana izy. Nitombo ny fahamasinany. Kanefa nahatsapa ho tsy nomena fifaliana izy.

Nampianatra azy ny leson’ny fananana faharetana, izay misy fotoana, ilantsika rehetra azy ny Tompo, ary mety mandritra ny fotoana ela izany, ao anatin’ireo sedra atrehantsika eto an-tany. Izao no hafatry ny Tompo ho an’ilay mpaminaniny mahatoky sy niaina fijaliana:

“Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ireo mpamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty; raha hatsipy any amin’ny lalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; ary ambonin’izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.

“Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona. Moa va ianao lehibe kokoa noho Izy?

“Koa hazòny ny lalanao dia hitoetra eo aminao ny fisoronana; fa efa voatendry ny fetran’izy ireo ka tsy afa-mihoatra izy. Fantatra ny andronao ary tsy hahena ny taonanao, koa aza matahotra izay mety hataon’ny olona, fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”11

Izany lesona mifono torolalana izany ihany koa no nomen’ny Tompo an’i Joba, izay niaina zava-tsarotra tokoa mba hamelana ny Sorompanavotana hanamasina azy kokoa. Fantatsika fa masina i Joba araka ny fampahafantarana ny momba azy ananantsika: “Nisy lehilahy iray tany amin’ny tany Oza, Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.”12

Avy eo dia namoy ny harenany sy ny fianakaviany ary ny fahasalamany mihitsy aza i Joba. Mety tsaroanareo fa i Joba dia niahiahy ny amin’ny hoe, ilay fahamasinana lehibe kokoa, izay azo tamin’ny alalan’ny fahoriana lehibe kokoa, dia nahamendrika azy hahazo fifaliana lehibe kokoa. Toa nitondra fijaliana ho azy izany fahamasinana izany raha ho an’i Joba.

Saingy ilay lesona mifono fanitsiana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith ihany no nomeny an’i Joba. Navelany hahita ilay toe-javatra niainany izay mahavaky fo tamin’ny alalan’ny maso ara-panahy i Joba. Hoy izy hoe:

“Misikína ary tahaka ny lehilahy; fa hanadina anao Aho, ka valio:

“Taiza azy hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao.

“Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

“Teo amin’inona no norenana ny vodiandriny? Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

“Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra”13

Rehefa avy nibebaka i Joba noho ny nilazany an’ Andriamanitra fa manao ny tsy rariny, dia nomena fahafahana hahita ireo fitsapany tamin’ny fomba tsara sy masina kokoa izy. Nibebaka izy.

“Ary Joba dia namaly ny [Tompo] ka nanao hoe:

“Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.

“Iza no mahakatona ny fisainanao amin’ny [tsy fahalalana]? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.

“Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.

“Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao.

“Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”14

Rehefa avy nibebaka i Joba ary lasa masina bebe kokoa, dia nomen’ny Tompo fitahiana mihoatra noho ireo zavatra rehetra nafoiny izy. Saingy ny fitahiana lehibe indrindra ho an’i Joba angamba dia ny fitomboany fahamasinana tamin’ny alalan’ny fahoriana sy fibebahana. Mendrika ny hahazo fifaliana lehibe kokoa mandritra ireo andro sisa niainany izy.

Tsy ho tonga amin’ny alalan’ny fangatahana tsotra fotsiny ny fahamasinana lehibe kokoa. Ho tonga izany amin’ny alalan’ny fanaovana izay ilaina atao mba hanovan’ Andriamanitra antsika.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome torohevitra toa faran’izay tsara ho ahy, mikasika ny fomba ahafahana mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mba ho any amin’ny fahamasinana kokoa. Nanoro ilay fomba izy rehefa namporisika hoe:

“Iaino ilay hery mampatanjaka avy amin’ny fibebahana isan’andro, ka hanao sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro.

“Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy!”

Notohizan’ny Filoha Nelson ny fanomezana antsika famporisihana ao anatin’ireo ezaka ataontsika mba ho lasa masina kokoa: “Tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana … izao. Saingy manantena Izy fa ho lasa hihamadio isika. Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana.”15

Ny Filoha Dallin H. Oaks, tao anatin’ny lahateny natao nandritra ny fihaonambe tany aloha tany dia nanampy ahy koa mba hahita mazava kokoa ny fomba hitomboantsika fahamasinana sy ny fomba ahafahantsika mahafantatra fa mandroso mankany amin’izany isika. Hoy izy hoe: “Ahoana no ahafahantsika manatratra ny fahamasinana? Ahoana no fomba hanatratrarantsika ilay haavom-pahamasinana izay ahafahantsika manana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva? Ahoana no ahafahantsika mandinika sy manombantombana ireo zavatr’izao tontolo izao amin’ny alalan’ilay fananana fomba fijery mandrakizay?”16

Ny valintenin’ny Filoha Oaks dia manomboka amin’ny hoe, fananana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy be fitiavana antsika. Izany dia mitondra antsika any amin’ny fikatsahana famelan-keloka isan’andro sy ny fahatsiarovana Azy isan’andro amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Tonga ny finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa mivoky isan’andro amin’ny teniny isika.

Ilay hira ao amin’ny fihirana “Ah, donne-moi, Père” dia manolotra fomba iray mba hangatahana ao anatin’ny vavaka fanampiana mba ho lasa masina kokoa. Milaza amim-pahendrena ilay mpanoratra fa ilay fahamasinana katsahintsika dia fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra be fitiavana, ka homena izany rehefa mandeha eny ny fotoana, rehefa nanao izay azontsika natao rehetra isika. Tsaroantsika ilay andininy farany manao hoe:

Ô mba omeo ahy re

fahadiovam-po sy hery,

faniriana ho voavonjy

ka tsy mba ho very,

ho mendrika ho Anao aho,

hanompo kokoa,

ho tahaka Anao re

ry Mpamonjy soa!17

Na inona toe-javatra iainantsika, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra mody, dia enga anie ho voavaly ireo vavaka ataontsika mba hanana fahamasinana kokoa. Fantatro fa rehefa omena antsika ny zavatra nangatahantsika dia hitombo ny fifaliantsika. Mety hiadana ny fahatongavan’izany saingy ho avy izany. Izany fahatokiana ananako izany dia avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy, Zanany Malalany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary ny Filoha Russell M. Nelson dia mpaminanintsika amin’izao fotoana izao. Velona sy tia antsika ilay Andriamanitra Ray. Tiany hody any Aminy isika amin’ny maha-fianakaviana. Manasa antsika ilay Mpamonjy antsika be fitiavana mba hanaraka Azy eo amin’ilay lalantsika mankany. Efa nomanin’izy ireo ny lalana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.