2010–2019
Ireo didy roa lehibe
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Ireo didy roa lehibe

Tsy maintsy ezahintsika tandremana avokoa ireo didy roa lehibe indrindra. Mba hahafahana manao izany dia mitandrina be isika rehefa mampifandanja lalàna sy fitiavana.

Ry anabaviko ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, miarahaba anareo aho amin’ny maha-mpiaro voatendrin’ Andriamanitra ny fianakaviana mandrakizay anareo. Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Naverina tamin’ny laoniny ity Fiangonana ity mba hampivondronana sy hamehezana ary hampisandratana mandrakizay ny fianakaviana.”1 Izany fampianarana izany dia mifono zavatra maro ho an’ireo olona izay mamaritra ny tenany ho lesbienne (vehivavy tia vehivavy), gay (lehilahy tia lehilahy), bisexuel(le) (olona sady tia lehilahy no tia vehivavy), na transgenre (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany), izay fantatry ny maro amin’ny hoe LGBT.2 Nampahatsiahy antsika ihany koa ny Filoha Nelson fa tsy “voatery mitovy hevitra amin’ny hafa foana isika vao afaka mifankatia.”3 Ireo fampianaran’ny mpaminany ireo dia manan-danja ho an’ireo fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny fianakaviana mba hamaliana ireo fanontanian’ny ankizy sy ny zatovo. Nikatsaka fanentanam-panahy tamin’ny alalan’ny vavaka aho raha hiresaka aminareo satria samy voakasik’ireto fanontaniana ireto amin’ny fomba manokana ianareo, ka izany dia hiantefa mivantana na ankolaka amin’ireo fianakaviana rehetra ao amin’ny Fiangonana.

I.

Atomboko amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa ho ireo didy roa lehibe indrindra izany.

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”4

Izany dia midika fa nodidina isika hitia ny olona tsirairay avy, satria ny fanoharan’i Jesoa momba ilay Samaritana tsara fanahy dia mampianatra fa ny olona tsirairay no namantsika.5 Saingy ny fahazotoantsika be hitandrina izany didy faharoa izany dia tsy tokony hahatonga antsika hanadino ilay didy voalohany, dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra. Mampiseho izany fitiavana izany isika amin’ny alalan’ny “[fitandremana] ny didi[ny].”6 Mitaky antsika hankatò ireo didiny Andriamanitra satria amin’ny alalan’izany fankatoavana izany ihany, ka tafiditra ao anatin’izany ny fibebahana, no ahafahantsika miverina miaina eo anatrehany indray ary ho lasa tonga lafatra tahaka Azy.

Tao amin’ny lahateny vao tsy ela nataony ho an’ireo tanora tokan-tenan’ny Fiangonana, ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ilay nantsoiny hoe “fifandraisana matanjaka eo amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo lalàny.”7 Ireo lalàna izay tena miantefa amin’ireo olana mahakasika an’ireo izay mamaritra ny tenany ho LGBT dia ny lalàn’ Andriamanitra mikasika ny fanambadiana sy ny lalàna mifandray amin’izany, dia ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany. Izy ireo dia samy manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe: “Ny fitiavana mandrakizain’ Andriamanitra ho antsika sy ny faniriany ny hahatongavantsika amin’izay rehetra tokony hahatongavantsika no antony tanteraka nanomezany ireo lalàny.”8

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Firenena maro … no nanao ho ara-dalàna ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manaja ireo lalàna ao amin’ny tany sy ny firenena isika … , tafiditra ao anatin’izany ny fanambadiana ara-panjakana. Ny marina anefa dia ny hoe … efa tendrin’ Andriamanitra hatrany am-boalohany ny fanambadiana! Ary hatramin’izao dia nofaritany ho fiarahan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray izany. Tsy nanova ny famaritany ny fanambadiana Andriamanitra.”

Notohizan’ny Filoha Nelson hoe: “Tsy nanova ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenany Andriamanitra. Tsy niova ireo zavatra takina mba hahafahana miditra ao amin’ny tempoly.”9

Nampahatsiahy anay rehetra ny Filoha Nelson fa “ny asa nanirahana anay amin’ny maha-Apôstôly anay dia ny tsy hampianatra afa-tsy fahamarinana ihany. Izany asa nanirahana izany dia tsy manome fahefana ireo [Apôstôly] hanova ny lalàn’ Andriamanitra.”10 Noho izany, ry anabaviko, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy maintsy mampianatra foana ny lanja manokan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ary ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izay mifandray amin’izany.

II.

Ny asan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tena miompana amin’ny fanomanana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny fanjakana selestialy, ary indrindra indrindra ilay voninahitra avo indrindra ao amin’izany, dia ny fisandratana na fiainana mandrakizay. Izany anjara ambony indrindra izany dia tsy afaka ny ho tratra raha tsy amin’ny alalan’ny fanambadiana mandrakizay.11 Tafiditra ao anatin’ny fiainana mandrakizay ny hery famoronana tsy hita raha tsy ao amin’ny fikambanan’ny lahy sy ny vavy12 izay fariparitan’ny fanambarana maôderina hoe “fitohizan’ny taranaka mandrakizay mandrakizay.”13

Nandritra ilay lahateny nataony ho an’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony dia nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanajana ireo lalàn’ Andriamanitra dia hiaro anareo eo am-pandrosoanareo mankany any fisandratana any amin’ny farany,”14. izany hoe lasa tahaka an’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fiainana misandratra sy fananana ny hery anaty ananan’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra. Izany no anjara irintsika ho an’ireo rehetra izay tiantsika. Na dia eo aza izany fitiavana izany dia tsy azontsika atao ny mamela ny fitiavantsika ho lasa manan-danja kokoa noho ireo didy sy ny drafitra ary ny asan’ Andriamanitra, izay fantatsika fa hitondra fifaliana faran’izay lehibe ho an’ireo izay tiantsika.

Maro anefa ireo olona tiantsika, tafiditra ao anatin’izany ireo izay manana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, izay tsy mino na misafidy ny tsy hanaraka ireo didin’ Andriamanitra mikasika ny fanambadiana sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ahoana izany ny momba azy ireo?

Ny fotopampianaran’ Andriamanitra dia mampiseho fa zanany avokoa isika rehetra ary nohariany isika mba hahazo fifaliana.15 Ny fanambarana maoderina dia mampianatra fa nanomana drafitra Andriamanitra mba hiainantsika ety an-tany ka ny rehetra ao anatin’izany dia afaka misafidy ny fankatoavana mba hikatsahana ireo fitahiany ambony indrindra, na manao safidy izay hitondra any amin’ny iray amin’ireo fanjakana kely voninahitra kokoa.16 Noho ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra ho an’ireo zanany rehetra, ireo fanjakana kely voninahitra kokoa dia mbola hahatalanjona kokoa mihoatra noho izay takatry ny olombelona.17 Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’izany rehetra izany ho tanteraka, “Izy izay mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra.18

III.

Niresaka momba ilay didy voalohany aho, ahoana indray ny amin’ilay didy faharoa? Ahoana no hitandremana ilay didy hoe tiavo ny namanao? Mikatsaka ny handresy lahatra ireo mpikambana ao amintsika isika fa ireo izay manaraka ny fampianarana sy ireo zavatra ataon’ny lesbienne, gay, bisexuel(le), na transgenre dia tokony horaisina amin’ilay fitiavana izay nodidin’ny Mpamonjy antsika fa tokony hasehontsika amin’ireo namantsika rehetra. Noho izany rehefa nambara fa ara-dalàna tany Etazonia ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy dia nanambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe: “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampianatra antsika hitia sy hitondra ny olona rehetra amin-katsaram-panahy sy amim-pahalalam-pomba—na dia tsy mitovy hevitra amin’izy ireo aza isika. Manamafy izahay fa ireo izay mampiasa ireo lalàna navoakan’ny mpitsara izay manome lalana ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy dia tsy tokony hanehoana tsy fanajana.”19

Ho fanampin’izany, tsy tokony hanenjika na oviana na oviana ireo izay tsy mitovy finoana sy fitsipika amintsika isika.20 Indrisy anefa fa mbola mahatsiaro ho voailikilika sy nolavin’ireo mpikambana sy mpitarika sasany ao amin’ny fianakaviana sy paroasy ary tsatòka misy antsika ny sasany amin’ireo olona izay miaina ireo zavatra ireo. Tsy maintsy miezaka ny ho tsara fanahy sy mahalala fomba kokoa isika rehetra.

IV.

Noho ny antony izay tsy takatsika dia samy manana olana isan-karazany isika mandritra ny fiainana an-tany. Fantatsika anefa fa hanampy ny tsirairay avy amintsika Andriamanitra handresy ireo olana ireo raha toa ka mikatsaka ny fanampiany amin-kitsimpo isika. Aorian’ny fijaliana sy fibebahana amin’ny fandikana lalàna izay efa nampianarina antsika dia hiafara ao amina fanjakam-boninahitra iray isika rehetra. Ny fitsarana tanteraka sy farany dia hataon’ny Tompo, izay hany manana ny fahalalana, fahendrena, ary fahasoavana ilaina mba hitsarana antsika tsirairay.

Mandra-pahatonga izany fotoana izany anefa dia tsy maintsy miezaka mitandrina ireo didy roa lehibe isika. Mba hahafahana manao izany dia mitandrina be isika rehefa mampifandanja lalàna sy fitiavana, izany hoe sady mitandrina ireo didy sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no mitia ireo namantsika eo amin’izany lalana izany. Ity dia atao ity dia mitaky antsika hikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra mikasika an’izay tokony hotohanana sy izay tokony holavina ary ny fomba hitiavana sy hihainoana amim-panajana ary hampianarana ao anatin’izany rehetra izany. Takina ao anatin’ny diantsika ny tsy hanaovantsika marimaritra iraisana amin’ireo didy, fa ny hampisehoana fangorahana sy fitiavana feno kosa. Ao anatin’ny diantsika isika dia tsy maintsy mijery akaiky ireo ankizy izay misalasala ny amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy, saingy tsy tokony hanome famaritana ny tenan’ny olona aloha loatra, satria raha ho an’ny ankamaroan’ny ankizy, dia mihena be ny fisalasalana toy izany rehefa mandeha ny fotoana.21 Ny diantsika dia manohitra ny famporisihana hanalavitra ny lalan’ny fanekempihavanana, ary mandà ny fanohanana an’izay hitarika ny olona hiala amin’ny Tompo. Ao anatin’izany rehetra izany dia mahatsiaro isika fa mampanantena fanantenana sy fifaliana faratampony ary fitahiana ho an’ireo rehetra izay mitandrina ny didiny Andriamanitra.

V.

Ireo reny sy ray ary isika rehetra dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ireo didy roa lehibe indrindra. Nofaritan’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ireo vehivavin’ny Fiangonana izany andraikitra izany tao anatin’ity faminaniana lehibe ity: “Maro amin’ireo fivoarana lehibe izay ho tonga amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany no ho tonga satria maro amin’ireo vehivavy marin’izao tontolo izao … no ho voataona ho ao amin’ny Fiangonana ary maro an’isa izy ireo. Izany dia hitranga raha toa ny vehivavin’ny Fiangonana ka mampiseho fahamarinana sy fahaizana maneho ny maha-izy azy ary raha toa ireo vehivavin’ny Fiangonana ka hita miavaka sy tsy mitovy … amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao.… Noho izany dia ireo vehivavy fakan-tahaka ato amin’ny Fiangonana no ho hery lehibe ao anatin’ny fitomboan’ny Fiangonana arak’isa sy ny fivoarana ara-panahin’ny Fiangonana amin’ny andro farany.”22

Raha niresaka momba an’io faminaniana io ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza izy fa “anio ny andro izay hitan’ny Filoha Kimball mialoha. Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha!”23 Tsy dia nanam-po loatra isika izay naheno an’io faminaniana io 40 taona lasa izay fa ho anisan’ireo olona izay mety hovonjen’ireo vehivavin’ity Fiangonana ity ireo namana sy fianakaviana malalan’izy ireo manokana, izay voasarik’ireo laharam-pahamehana arak’izao tontolo izao sy ireo famitahana feno faharatsiana. Ny vavaka ataoko sy ny tsodrano omeko dia ny hampianaranareo sy hiasanareo mba hanatanterahana io faminaniana io, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.