2010–2019
Mahita fifaliana amin’ny fizarana ny Filazantsara
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Mahita fifaliana amin’ny fizarana ny Filazantsara

Manana Ray any An-danitra be fitia izay miandry ny hiverenantsika any Aminy mba hitahiany ny fiainantsika sy ny fiainan’ireo izay manodidina antsika isika.

Miantomboka amin’ireto teny ireto ny iray amin’ireo hiran’ny Kilonga tiako indrindra:

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

mampianatra ahy

hoe iza aho

sy ny drafitry ny Ray.

Ary inoako fa i Jesoa no Kristy.1

Fanambarana tena tsotra sy kanto ny amin’ireo fahamarinana inoantsika izany!

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia fantatsika hoe iza isika. Fantatsika fa “Andriamanitra dia Rain’ny fanahintsika. Zanany ara-bakiteny isika ary tia antsika Izy. [Niara-]niaina [tamin’ny] Raintsika any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity.”

Fantatsika ny drafitr’ Andriamanitra. Niaraka Taminy tany isika rehefa nanolotra izany Izy. “Ny tena tanjon’[ny Raintsika any An-danitra]—ny asany sy ny voninahiny—dia ny hanome fahafahana antsika hahazo ny fahasoavany rehetra. Nanome drafitra tonga lafatra Izy mba hanatanterahana ny tanjony. Nahatakatra ary nanaiky io drafitra io isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany.

“I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. I Jesoa Kristy dia nahatanteraka ny tanjon’ny Rainy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, ary nanao izay ahafahantsika tsirairay avy miaina ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. I Satana na ny devoly dia fahavalon’ny drafitr’ Andriamanitra” ary dia efa toy izany hatrany am-piandohana.

“Ny fahafahana na fahazoana misafidy dia anisan’ny fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Tsy maintsy misafidy isika, na hanaraka an’i Jesoa Kristy na hanaraka an’i Satana.”2

Fahamarinana tsotra azontsika zaraina amin’ny hafa ireo.

Mamelà ahy hilaza aminareo ny fotoana iray nizaran’ny reniko fahamarinana tsotra toy izany noho ny finiavany hiresadresaka tsotra izao sy ny famantarany ny fisian’ny fahafahana hitory.

Taona maro lasa izay dia niverina tany Argentine ny reniko mba hitsidika ny anadahiko. Tsy mba tia mandeha fiaramanidina mihitsy ny reniko, ka noho izany dia niangavy ny iray tamin’ireo zanako lahy izy mba hanome tsodrano fankaherezana sy fiarovana ho azy. Nahatsapa notaomim-panahy ihany koa ilay zanako hitsodrano ny renibeny mba hahazo fitarihana manokana avy amin’ny Fanahy Masina mba hampatanjaka sy hahakasika ny fon’olona maro izay maniry ny hianatra ny filazantsara.

Sary
Ny Fianakaviana Pol

Tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Salt Lake, ny reniko sy ny anadahiko dia nifanena tamina zazavavy kely fito taona iray izay nody avy nanao ski niaraka tamin’ny fianakaviany. Tsikaritr’ireo ray aman-dreniny ny firesahany ela tamin-dreniko sy ny anadahiko ka nanapa-kevitra ny hiditra amin’ilay fifampiresahana izy ireo. Nampahafantatra ny tenan’izy ireo ho i Eduardo sy i Maria Susana izy ireo ary i Giada Pol kosa no anaran’ilay zanakavavin’izy ireo. Tonga dia nifandray sy nifankahazo tsara tamin’io fianakaviana maha-te-hotia io izy ireo.

Faly ny fianakaviana roa tonta fa hiara-dia hisidina ho any Buenos Aires, Argentine. Rehefa nitohy ny resadresak’izy ireo dia tsikaritry ny reniko fa tsy mbola nahare momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny izy ireo raha tsy tamin’io fotoana io.

Isan’ny fanontaniana voalohany napetrak’i Susana ny hoe: “Afaka mba lazainao ahy ve ny momba ilay tranom-bakoka tsara tarehy misy sarivongana volamena eo an-tampony?”

Nazavain’ny reniko fa ilay trano tsara tarehy dia tsy tranom-bakoka fa tempolin’ny Tompo izay toerana hanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mba hahafahantsika miverina miara-miaina Aminy indray andro any. Noborahan’i Susana tamin-dreniko fa mialoha ny dian’izy ireo ho any Salt Lake dia nivavaka izy mba hisy zavatra hampatanjaka ny fanahiny.

Nandritra ilay dia ny reniko dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona izay tsotra kanefa matanjaka nananany momba ny filazantsara ary nanasa an’i Susana mba hitady ireo misiônera any amin’ny toeram-ponenany. “Amin’ny fomba ahoana no ahitako azy ireo?” hoy i Susana nanontany an-dreniko.

“Mora fantarina be izy ireo; na izy ireo tovolahy roa manao akanjo fotsy ambony sy karavato na tovovavy roa manao akanjo mihaja, ary mitondra mari-pamantarana ahitana ny anaran’izy ireo sy ny hoe -Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany- eo amin’ny tratrany foana izy ireo.”

Nifanome laharan-telefaonina ireo fianakaviana ary nifanao veloma teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Buenos Aires. I Susana, izay lasa namako akaiky hatramin’izay, dia nilaza tamiko im-betsaka fa nalahelo be izy ny handao ny reniko teo amin’ny seranam-piaramanidina. Hoy izy hoe: “Namirapiratra hazavana ny reninao. Tsy haiko ny manazava azy fa nisy hazavana izay tsy tiako nafoy teo aminy.”

Vantany vao tafaverina tany amin’ny toeram-ponenany i Susana dia lasa izy sy i Giada zanany vavy nizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny renin’i Susana izay nipetraka tsy lavitra niala tamin’ny tranon’izy ireo. Raha izy tanaty fiara dia sendra nahita tovolahy roa nandeha teny amin’ny arabe i Susana. Nanao fitafiana araka ilay nofariparitan-dreniko izy ireo. Najanony teo am-povoan’ny arabe ny fiarany, nivoaka ny fiara izy, ary nanontany ireo tovolahy roa ireo hoe “Sao dia mba avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianareo?”

“Eny,” hoy izy ireo.

“Misiônera ve?” hoy izy nanontany.

Niara-namaly izy ireo hoe “Eny, misiônera izahay!”

Dia hoy izy hoe: “Miakara anaty fiarako; ho any an-tranoko ianareo hampianatra ahy.”

Sary
Ny Fianakaviana Pol

Roa volana taty aoriana dia natao batisa i Maria Susana. Natao batisa ihany koa i Giada zanany vavy rehefa feno sivy taona. Mbola eo am-pampianarana an’i Eduardo izay tena tianay tokoa izahay izao.

Nanomboka tamin’izay i Susana dia lasa anisan’ireo mpitory filazantsara mahafatra-po indrindra fantatro hatrizay. Mitovy amin’ireo zanakalahin’i Môzia izay nitondra fanahy maro ho amin’i Kristy izy.

Tao amin’ny resadresaka iray nataonay dia nanontaniako izy hoe: “Inona no tsiambaratelonao? Ahoana no hizaranao ny filazantsara amin’ny hafa?”

Hoy izy tamiko: “Tsotra be. Isan’andro aho, mialoha ny hialako ny trano, dia mivavaka, mangataka ny Ray any An-danitra mba hitarika ahy amin’olona izay mila ny filazantsara eo amin’ny fiainany. Indraindray aho mitondra Bokin’i Môrmôna hozaraina amin’izy ireo na karatra fizara avy amin’ny misiônera, ka rehefa manomboka miresaka amin’olona aho dia anontaniako fotsiny izy ireo raha efa nahare momba ny Fiangonana.”

Nilaza ihany koa i Susana hoe “Indraindray aho dia mitsiky fotsiny eo am-piandrasana ny fiaran-dalam-by. Indray andro izay dia nisy lehilahy iray nijery ahy ary niteny hoe -Inona no mampitsiky anao?- Somary nanampoka ahy izy.

“Novaliako hoe -Mitsiky aho satria faly!-

“Dia niteny izy avy eo hoe -Dia inona no mahafaly be anao?-

“Hoy aho hoe -Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary mahafaly ahy izany. Efa nahare momba ny Fiangonana ve ianao?

Rehefa namaly izy hoe tsia dia nomeny karatra fizara izy ary nasainy hanatrika ny fivoriam-bavaka ny alahady manaraka. Ny alahadin’iny dia niarahaba ilay lehilahy teny am-baravarana izy.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Misy zavatra telo azon’ny mpikambana rehetra atao mba hizarana ny filazantsara. …

Voalohany, afaka mivavaka isika rehetra mba hanana faniriana hitondra fanampiana ao anatin’ity ampahany manan-danja ao amin’ny asa famonjena ity. …

Faharoa, afaka mitandrina ny didy ny tenantsika. … Hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Mpamonjy miaraka amin’izy ireo ny mpikambana mahatoky mba hitarika azy ireo rehefa mikatsaka ny handray anjara ao amin’ilay asa lehiben’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Fahatelo, afaka mivavaka mba hahazo fitaomam-panahy mikasika ny zavatra azo ntsika atao isika … hizarana ny filazantsara amin’ny hafa … [ary mivavaka] miaraka amin’ny fanolorantena handray andraikitra eo anatrehan’ny fitaomam-panahy voarain[tsika].”3

Ranadahy, rahavavy, ankizy sy tanora isany, aoka isika ho toa an’i Susana namako ka hizara ny filazantsara amin’ny hafa. Aoka isika hanasa namana iray izay tsy iray finoana amintsika ho tonga miaraka amintsika ao am-piangonana amin’ny alahady. Na aoka isika hizara tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray amin’ny havana na namana iray. Afaka ny hanampy ny hafa ve isika hikaroka ny razambeny ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch na hizara amin’ny hafa ny zavatra nianarantsika nandritra ny herinandro nandritra ny fianarantsika ny Avia, hanaraka Ahy? Afaka ny ho tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika bebe kokoa ve isika ka hizara amin’ny hafa ireo zavatra izay mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika? Eny no valiny ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo! Vitantsika izany!

Ao amin’ny soratra masina dia mamaky isika fa “ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nirahana -hiasa ao amin’ny tanim-boalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56). Tafiditra ao anatin’io asa famonjena io ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny asa fampahavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara.”4

Ry namana malalako, mila antsika hanangona an’i Isiraely ny Tompo. Nilaza Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Aza manahy mialoha koa ny amin’ izay holazainareo; fa raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana, dia homena anareo amin’izany ora izany ny ampahany voafatra ho an’ny olona tsirairay.”5

Ankoatra izany dia efa nampanantena antsika Izy hoe:

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”6

Mifarana amin’ny fanambarana lalim-paka toy izao ilay hiran’ny Kilonga nanombohako ny lahateniko:

‘Zaho hanao

ny tsara,

hitory,

hanambara

ny fahamarinany.7

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ireo teny ireo, ary manana Ray any An-danitra be fitia izay miandry ny hiverenantsika any Aminy mba hitahiany ny fiainantsika sy ny fiainan’ireo izay manodidina antsika isika. Enga anie isika hanam-paniriana hitondra ireo anadahy sy rahavavintsika ho amin’i Kristy. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.