2010–2019
Ilay dianao lehibe mampientanentana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Ilay dianao lehibe mampientanentana

Ny Mpamonjy dia manasa antsika isan’andro mba handao ireo zava-mampiadana sy mampilamina anao, ka hiaraka Aminy hanao ny dian’ny maha-mpianatra.

Mikasika ireo olona botry kely

Ny tantara noforonina iray ho an’ny ankizy izay nosoratana taona maro lasa izay, dia manomboka amin’ny fehezan-teny hoe: “Nisy olona botry kely iray nipetraka tao anaty lavaka tany ambanin’ny tany.”1

Ny tantaran’i Bilbo Baggins dia mikasika an’ilay olona botry kely tena faran’izay tsotra sy tsy niavaka izay notolorana tombontsoa tena miavaka: fahafahana tena tsara hanao dia iray mampientanentana sy fampanantenana valisoa lehibe.

Ny olana dia tsy maniry mba hanao dia mampientanentana izany ny ankamaroan’ireo olona botry kely mijoro amin’ny maha-izy azy. Ny fiainan’izy ireo dia tena milamindamina. Izy ireo dia tia misakafo inenina ao anatin’ny iray andro rehefa afaka mahavita izany izy ireo ary tia mandany ny andron’izy ireo eny an-jaridainan’izy ireo, sy mitantara angano an’ireo mpitsidika, ary mihira sy milalao zava-maneno ary mankafy ireo zavatra tsotra mampifalifaly eo amin’ny fiainana.

Rehefa naseho tamin’i Bilbo anefa ny fahafahany hanao dia lehibe mampientanentana, dia nisy zavatra nanentana lalina ny fony. Takany dieny mialoha fa ho sarotra ilay dia. Hampidi-doza mihitsy aza. Mety tsy ho tafaverina mihitsy aza.

Kanefa tafakatsaka lalina tao am-pony ilay antso mba hanao dia mampientanentana. Noho izany dia nilazaon’ity olona botry kely tsy miavaka ity ilay fiainana milamina ary nanao ilay dia lehibe mampientanentana izy izay hitondra azy “any ary hiverina avy eo.”2

Ilay dianao mampientanentana

Angamba ny iray amin’ireo antony mahatonga an’ity tantara ity hampientam-po olona maro tokoa dia satria tantara niainantsika koa izany.

Taloha ela be tany, izay nialoha ny nahaterahantsika mihitsy aza, tamin’ny fotoana iray efa tsy tsaroana intsony sy navalon’ny fitadidiana, dia nahazo fanasana koa isika mba hanao dia mampientanentana iray. Andriamanitra, Raintsika any An-danitra no nanolotra izany. Ny fanekena hanao izany dia mampientanentana izany dia hidika hoe handao ilay fiadanana sy filaminana amin’ny fiarahana niaina mivantana taminy. Hidika izany hoe ho ety an-tany mba hanao dia feno loza sy fitsapana tsy fantatra.

Fantatsika fa tsy ho mora izany.

Saingy fantatsika koa fa hahazo fanomezana sarobidy isika izay ahitana vatana iray sy ny fiainana ireo fifaliana sy alahelo goavana eto an-tany. Hianatra hiezaka sy hikatsaka ary hitolona isika. Hahita ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra sy ny tenantsika isika.

Fantatsika, mazava ho azy, fa hanao fahadisoana isika eny an-dalana eny. Saingy nomena fampanantenana anankiray koa isika fa noho ny sorompanavotana lehiben’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voadio amin’ireo fandikana lalàna nataontsika isika, ho voadio ao amin’ny fanahintsika ary hitsangana amin’ny maty sy hiaraka indray amin’ireo olon-tiantsika indray andro any.

Fantatsika ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Nomeny aina isika ary tiany hahomby. Noho izany dia nanomana Mpamonjy ho antsika Izy. “Kanefa,” hoy ny Raintsika any An-danitra, “dia mahazo mifidy ho an’ny tenanao ianao satria omena anao izany.”3

Tsy maintsy nisy ampahany mikasika ilay dia mampientanentana eto an-tany izay nampiahiahy sy nampatahotra mihitsy ireo zanak’ Andriamanitra, satria nisy rahalahintsika sy anabavintsika ary anadahintsika sy rahavavintsika ara-panahy maro dia maro izay nanohitra izany.4

Tamin’ny alalan’ny fanomezana ny fahafahana misafidy sy ny hery fonosin’izany, dia hitantsika fa tsy nanenenana ny miatrika fanamby eo anatrehan’ny halehiben’ny zavatra azontsika ianarana sy ny fahafahantsika ho tonga amin’izay tokony hahatongavantsika mandrakizay.5

Ary noho ny fahatokiana ireo fampanantenana sy ny herin’ Andriamanitra ary ny Zanany Malalany, dia nanaiky ilay fanamby isika.

Nanaiky izany aho.

Ary nanaiky izany koa ianareo.

Nanaiky ny handao ilay filaminana tao anatin’ny toetrantsika voalohany isika ary hanao ilay diantsika lehibe mampientanentana izay hitondra antsika “ety ary hiverina avy eo.”

Ilay antso mba hanao dia mampientanentana

Saingy manana fomba handrebirebena antsika ny fiainana an-tany, sa tsy izany? Mitady hanadino ilay zavatra lehibe katsahintsika isika ary misafidy ny hitady zava-mampiadana ka mampihena ny fandrosoana sy ny fivoarana.

Mbola misy zavatra tsy azo lavina mitoetra lalina ao am-pontsika anefa, izay mikatsaka mafy tanjona ambony sy mendrika kokoa. Io fikatsahan-javatra mafy io no antony iray mahatonga ny olona ho voasarika any amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny lafiny iray dia fanavaozana ilay antso mba hanao dia mampientanentana izay nekentsika taloha ela be tany. Ny Mpamonjy dia manasa antsika isan’andro mba handao ireo zava-mampiadana sy mampilamina anao, ka hiaraka Aminy hanao ny dian’ny maha-mpianatra.

Misy fiolahana maro eo amin’izany lalana izany. Misy havoana, lohasaha ary fisafelehan-dalana. Mety misy, ara-panoharana, hala sy olona goavam-be mampitahotra mihitsy aza izany ary dragona iray na roa mihitsy. Raha mijanona eo amin’ilay lalana anefa ianao ary matoky an’ Andriamanitra dia hahita ilay lalana mitondra any amin’ilay tanjonao lehibe ianao amin’ny farany ary ho tafaverina any amin’ilay fonenanao any an-danitra.

Noho izany, ahoana no fomba hanombohanao izany?

Tsotra ihany ilay izy.

Ampanatony an’ Andriamanitra ny fonao.

Voalohany, mila misafidy ny hampanatona ny fonao amin’ Andriamanitra ianao. Miezaha isan’andro mba hitady Azy. Mianara mitia Azy. Ary avelao avy eo izany fitiavana izany hanosika anao mba hianatra sy hahatakatra sy hanaraka ireo fampianarany ary hianatra ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia nomena antsika amin’ny fomba mazava sy tsotra izay takatry ny ankizy iray. Saingy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy koa dia manana ny valin’ireo fanontaniana faran’izay sarotra eo amin’ny fiainana ary ahitana hevitra tena lalina sy sarotra ka na dia mandalina sy misaintsaina izany mandritra ny fiainana aza isika dia ny ampahany faran’izay kely amin’izany no mety hany takatsika.

Raha toa ianao ka misalasala ao anatin’izany dia mampientanentana izany, satria miahiahy ny amin’ny fahaiza-manaonao, dia tsarovy fa ny maha-mpianatra dia tsy hoe manao zavatra tonga lafatra fa manao zavatra amin’ny nahim-po. Ireo safidy ataonao no mampiseho hoe iza marina ianao fa tsy ireo fahaiza-manaonao mihitsy.6

Na dia tsy mahomby aza ianao dia afaka misafidy ny tsy hilavo lefona, fa kosa hanovo ny herim-ponao sy hibosesika handroso ary hitraka. Izany no sedra lehibe ao anatin’ilay dia.

Fantatr’ Andriamanitra fa tsy lavorary ianao ary tsy hahomby ianao indraindray. Mitovy foana ny fitiavan’ Andriamanitra anao na sahirana ianao na mahomby.

Tahaka ny ray na reny be fitiavana iray dia tiany fotsiny ianao mba hanohy hiezaka an-tsitrapo. Toy ny mianatra mitendry pianô ny maha-mpianatra. Ny hany azonao atao angamba amin’ny voalohany dia ny mitendry ny “Chopsticks” amin’ny fomba zara fantatra hoe feon-kira. Saingy rehefa manohy manao fanazaran-tena ianao, ireo feon-kira tsotra dia hosoloin’ireo feon-kira sonate, rhapsodie ary concerto indray andro any.

Mety tsy ho avy mandritra izao fiainana izao izany andro izany fa ho avy izany. Ny hany hangatahin’ Andriamanitra dia ny hanohizana amin’ny nahim-po ny fiezahana.

Manolora tanana amim-pitiavana ny hafa

Misy zavatra iray mahaliana mikasika an’ity lalana nosafidinao ity, ary saika mifanohitra amin’ny hevitry ny olona aza izany, dia ny hoe: ny hany fomba ahafahanao mivoatra ao anatin’ilay dian’ny filazantsara ataonao dia ny manampy ny hafa hivoatra koa.

Ny manampy ny hafa no lalan-kizorana amin’ny maha-mpianatra. Manadio antsika amin’ny maha-mpianatra antsika ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny asa fanompoana.

Amin’ny alalan’ireo ezaka ataonao mba hanampy ny mahantra sy ny sahirana sy hanolo-tanana an’ireo izay tra-pahoriana, dia voadio sy voavolavola ny toetranao, ary mivelatra ny fanahinao, ary manana fahatokiana bebe kokoa ianao.

Saingy izany fitiavana izany dia tsy afaka ny hiaraka amin’ny fanantenana fanonerana. Tsy afaka ny ho ilay karazana asa fanompoana izay manantena fankasitrahana, fandokafana na fiangarana izany.

Ireo tena mpianatr’i Jesoa Kristy dia maneho fitiavana tsy misy tambiny an’ Andriamanitra sy ireo zanany. Tiantsika ireo izay nandiso fanantenana antsika sy ireo izay tsy tia antsika. Tiantsika na dia ireo mandrabiraby sy manararaotra ary mikatsaka ny handratra antsika aza.

Rehefa fenoinao an’ilay fitiavana madion’i Kristy ny fonao dia tsy mamela toerana ho an’ny lolompo sy ny fitsaratsarana ary ny fanalam-baraka ny hafa ianao. Mitandrina ny didin’ Andriamanitra ianao satria tianao Izy. Ao anatin’ny fizotran’izany dia lasa mitovy tsikelikely amin’i Kristy ianao eo amin’ny eritreritra sy eo amin’ny asa atao.7 Koa inona moa no mety ho dia mampientanentana lehibe kokoa noho izany?

Zarao ny tantaranao

Ny zavatra fahatelo ezahintsika fehezina ao anatin’ity dia ity dia ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny tsy fahamenarana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Tsy afenintsika ny finoantsika.

Tsy alevintsika izany.

Fa resahintsika amin’ny hafa amin’ny fomba mazava sy tsotra mihitsy aza ny mikasika ilay diantsika. Izany no ataon’ny namana. Miresaka zavatra izay manan-danja amin’izy ireo izy ireo. Zavatra izay akaikin’ny fon’izy ireo ary mitondra fiovana ho azy ireo.

Izany no ataonao. Tantarainao ireo tantaranao sy ireo zavatra niainanao amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao.

Indraindray mampihomehy ny olona ny tantaranao. Indraindray mampitomany azy ireo izany. Indraindray hanampy olona izany mba hanana faharetana sy tanjaka hatrany ary herim-po hiatrehana ora iray hafa, andro iray hafa mba hanakaikezana kely kokoa an’ Andriamanitra.

Zarao mivantana amin’olona, ao amin’ny tambazotran-tserasera, ao anatin’ireo vondron’olona ary na aiza na aiza ireo zavatra niainanao.

Ny iray amin’ireo zavatra farany nasain’i Jesoa nataon’ireo mpianany dia ny handehanan’izy ireo manerana izao tontolo izao ka hizara ny tantaran’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty.8 Ekentsika amim-pifaliana amin’izao fotoana izao koa izany Asa lehibe anirahana izany.

Tena lehibe ny hafatra asaina zaraintsika: noho i Jesoa Kristy dia afaka ny hiverina soa aman-tsara any amin’ny fonenan’izy ireo any an-danitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra, ary hitoetra ao anatin’ny voninahitra sy ny fahamarinana izy ireo!

Misy vaovao mahafaly bebe kokoa ilaina zaraina aza.

Niseho tamin’ny olona iray Andriamanitra amin’izao androntsika izao! Manana mpaminany velona isika.

Mamelà ahy hampahatsiahy anareo fa tsy mila anareo mba “hivarotra” ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Andriamanitra.

Manantena tsotra fotsiny Izy fa tsy hanafina izany ao ambanin’ny vata famarana ianareo.

Ary raha manapa-kevitra ny olona fa tsy natao ho azy ireo ny Fiangonana, dia fanapahan-keviny izany.

Tsy midika akory izany fa tsy nahomby ianao. Tohizo ny fanehoanao hatsaram-panahy amin’izy ireo. Ary tsy manaisotra ny famerenana manasa azy ireo izany.

Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fifandraisana tsotsotra amin’olona sy ny fifandraisana mifono fangorahana sy herim-po aseho amin’ny maha-mpianatra dia ny fanasana!

Tiantsika ary hajaintsika ny zanak’ Andriamanitra rehetra, na inona na inona toerana hazonin’izy ireo eo amin’ny fiainana, na inona na inona firazanan’izy ireo na finoan’izy ireo, ary na inona na inona fanapahan-kevitra raisin’izy ireo eo amin’ny fiainana.

Ho anay dia izao no hambaranay, “Avia dia zahao! Fantaro mivantana ny fomba hitondran’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra soa sy fahamasinana.”

Manasa ny olona izahay mba “ho avy sy hanampy, eo am-piezahanay hanao an’izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa.”

Ary dia milaza izahay hoe, “Avia dia mijanòna! Mpiray tampo isika rehetra. Tsy lavorary izahay. Matoky an’ Andriamanitra izahay ary mikatsaka ny hitandrina ny didiny.

“Miaraha aminay dia hahatonga anay ho olona tsara kokoa ianareo. Ary ho lasa olona tsara kokoa koa ianareo ao anatin’ny fizotran’izany. Ndeha isika hiaraka hanao ilay dia mampientanentana.”

Rahoviana aho no tokony hanomboka?

Rehefa tsapan’i Bilbo Baggins namantsika fa nampientanentana ny tao anatiny ilay antso hanao dia mampientanentana, dia nanapa-kevitra izy fa hatory tsara mandritra ny alina, ary hihinana sakafo maraina feno tsara ary hanomboka ny zavatra voalohany tokony hatao ny ampitso marainan’izany.

Rehefa nifoha i Bilbo dia nahatsikaritra fa nikorontana ny tranony ary saika tsy tsaroany ilay drafiny tena tsara.

Saingy tonga avy eo i Gandalf namany ary nanontany hoe: “Rahoviana ihany ianao no hanapa-kevitra ny handeha?”9 Mba hanenjehana ireo namany dia nanapa-kevitra manokana ny zavatra tokony hatao i Bilbo.

Noho izany dia nihazakazaka haingana nivoaka ny varavarany ilay olona botry kely izay tena tsotra sy tsy niavaka hanao ilay dia mampientanentana. Tena haingana tokoa izany ka hadinony ny satrony, ny tehiny ary ny mosarany fanao am-paosy. Tsy notaperiny akory aza ny sakafo marainany faharoa.

Mety misy lesona ho antsika koa angamba eto.

Raha toa izaho sy ianao mahatsapa faniriana hirotsaka amin’ilay dia mampientanentana izay hiainana sy hizarana ny zavatra efa nomanin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika taloha ela be, dia manome toky anao aho fa izao no andro hanarahana ny Zanakalahin’ Andriamanitra sy Mpamonjy antsika eo amin’ilay lalan’ny asa fanompoana sy maha-mpianatra nosoritany.

Afaka hiandry mandritra ny fiainantsika iray manontolo ilay fotoana izay hampirindra tsara ny zava-drehetra isika. Saingy izao no fotoana hanoloran-tena tanteraka mba hikatsaka an’ Andriamanitra, hanompo ny hafa ary hizara ireo zavatra niainantsika amin’ny hafa.

Avelao ny satroka, ny tehinao sy ny mosaranao ary ny tranonao mikorontana.10

Ho antsika izay efa mandeha eo amin’izany lalana izany dia mahereza, manàna fangorahana, manàna fahatokiana ary tohizo ny dia!

Ho an’ireo izay niala teo amin’ilay lalana dia miangavy aho hoe, miverena, miaraha indray aminay ary ampatanjaho kokoa izahay.

Ary ho an’ireo izay mbola tsy nanomboka, nahoana no mangataka andro? Raha te hiaina ireo zava-mahatalanjona ao anatin’izany dia ara-panahy lehibe izany ianareo dia atombohy ilay dianareo lehibe mampientanentana! Miresaha amin’ireo misiônera. Miresaha amin’ireo namanareo izay Olomasin’ny Andro Farany. Resaho miaraka amin’izy ireo ny mikasika ity asa mahagaga sy mahatalanjona ity.11

Tonga ny fotoana hanombohana izany!

Avia hiaraka aminay!

Raha mahatsapa ianao fa ny fiainanao dia tokony hisy dikany kokoa, tokony hanana tanjona ambony kokoa sy tokony hahitana fifandraisana mafy kokoa eo amin’ny fianakaviana sy fifandraisana akaiky kokoa amin’ Andriamanitra; dia avia re hiaraka aminay.

Raha toa ianao ka mitady vondron’olona izay miasa mba ho tonga amin’ilay tena maha-izy azy azy ireo, sy hanampy ireo sahirana ary hanao an’ity izao tontolo izao ity ho tontolo tsara kokoa, dia avia hiaraka aminay!

Avia dia zahao ny zavatra rehetra mikasika an’ity dia mahagaga sy mahatalanjona ary mampientanentana ity.

Hahafantatra ny tenanao ianao eny an-dalana eny.

Hahatakatra ny tanjon’ny fiainana ianao.

Hahafantatra an’ Andriamanitra ianao.

Hiaina dia faran’izay mampientanentana sy faran’izay tsara eo amin’ny fiainanao ianao.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’ilay Mpanavotra antsika sy Mpamonjitsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. J. R. R. Tolkien, The Hobbit or There and Back Again (Boston: Houghton Mifflin, 2001), 3.

  2. Fanampin-dohatenin’ny The Hobbit(Bilbo le hobbit).

  3. Mosesy 3:17.

  4. Jereo ny Joba 38:4–7 (Nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra); Isaia 14:12–13 (“ambonin’ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako”); Apokalypsy 12:7–11 (Nisy ady tany an-danitra).

  5. Ny Mpaminany Joseph Smith dia namaritra ny fahafahana misafidy ho toy -ny fananan’ny saina fahalalahana, izay iray amin’ireo fanomezana tsara indrindran’ny lanitra natolony tamim-pitiavana ho an’ny olombelona- [Teachings of the Prophet Joseph Smith, comp. Joseph Fielding Smith (1977), 49]. Izany -fananan’ny saina fahalalahana- izany na fahafahana misafidy dia hery izay ahafahan’ny olona tsirairay -manao safidy ho an’ny tenany- (D&C 58:28). Hita ao anatin’izany ny fampiasana ny faniriana hisafidy ny tsara na ny ratsy na ireo ambaratonga samihafan’ny tsara na ny ratsy ary koa ny fahafahana hiaina ny vokatr’izany safidy izany. Tena tian’ny Ray any An-danitra ireo zanany ka tiany isika mba ho tonga amin’ilay tena maha-izy antsika, dia ny ho lasa tahaka Azy izany. Mba hivoarana dia tsy maintsy manana ilay fahaizana ara-boajanahary manao ny safidiny ny olona iray. Tena zava-dehibe ao anatin’ny drafiny ho an’ireo zanany ny fahafahana misafidy ka - na Andriamanitra aza tsy afaka nanao izay hitovian’ny olona Aminy raha tsy nomeny fahafahana aloha izy ireo- [David O. McKay, “Whither Shall We Go? Or Life’s Supreme Decision,” Deseret News, June 8, 1935, 1]” (Byron R. Merrill, “Agency and Freedom in the Divine Plan,” in Roy A. Prete, ed., Window of Faith: Latter-day Saint Perspectives on World History [2005], 162).

  6. Tao amin’ny bokiny Harry Potter and the Chamber of Secrets, ny mpanoratra J. K. Rowling dia nampilaza an’i Hogwarts headmaster Dumbledore zavatra tena mitovy tamin’izany tamin’i Harry Potter zatovo. Torohevitra mahafinaritra ho antsika ihany koa izany. Efa nampiasaiko izany tamin’ny hafatra nataoko taloha ary mbola manan-danja ny mamerina an’izany araka ny hevitro.

  7. “Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2; nampiana fanamafisana).

    Raha sarotra takarina izany fiovana izay, “ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika:

    “Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

    “Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika” (Romana 8:16–18; nampiana fanamafisana).

  8. Jereo ny Matio 28:16–20.

  9. Tolkien, The Hobbit, 33.

  10. Jereo ny Lioka 9:59–62.

  11. Jereo ny LeGrand Richards, A Marvelous Work and a Wonder, rev. ed. (1966).