2010–2019
Vehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Vehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ Andriamanitra

Ny fahatongavana ho vehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ Andriamanitra no fomba nikarakaran’ireo zanakavavin’ Andriamanitra izay lehibe sy tsara mandrakariva ny olona amin’ny maha-reny azy ireo, sy ny nitarihany, ary nanompoany.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo ry zanakavavin’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana. Ny tanjoko anio hariva dia ny hankahery anareo amin’ny asa fanompoana lehibe izay niantsoana anareo. Eny, ny zanakavavin’ Andriamanitra rehetra izay mihaino ny feoko dia efa nahazo antso avy amin’ny Tompo Jesoa Kristy.

Nanomboka ny antsonareo rehefa napetraka teto amin’ny fiainana an-tany ianareo, amin’ny toerana sy fotoana izay nofidian’ Andriamanitra ho anareo, Izy izay mahafantatra tsara sy tia anareo amin’ny maha-zanany vavy anareo. Tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia nahafantatra sy nampianatra anareo Izy ary nametraka anareo amin’ny toerana izay hanananareo fahafahana, tsy dia fahita firy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ny ho voasa ho ao amin’ny ranon’ny batisa. Tamin’izay ianareo no nahare ireto teny nolazain’ny mpanompon’i Jesoa Kristy izay voantso ireto hoe: “Rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina. Amena.”1

Rehefa vita batisa ianareo dia nanaiky antso iray hafa hanompo. Amin’ny maha-zanakavavy vaovao an’ Andriamanitra anareo ao amin’ny fanekempihavanana dia nanome fampanantenana ianareo ary nahazo asa nampandraiketana tato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay nandraisana anareo ho mpikambana tamin’izany. Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ianareo ny hitondra eo aminareo ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hitandrina ny didiny, ary ny hanompo Azy.

Ho an’ny tsirairay izay manao ireo fanekempihavanana ireo dia ho ilay mety indrindra ho an’izany olona izany ny asa fanompoana izay iantsoan’ny Tompo azy ho ataony. Ireo zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana rehetra anefa dia manana antso iray iombonana izay manan-danja sy mitondra fifaliana. Dia ny hanompo ny hafa eo amin’ny toerany.

Rehefa niresaka tamin’ireo rahavavy ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome famintinana mahafinaritra momba ny antso nomen’ny Tompo anareo ny hiaraka Aminy hanao ny Asany. Namaritra ny antsonareo tamin’ny fomba toy izao ny Filoha Nelson: “Hoy ny Tompo: -Ny asako sy ny voninahitra [dia] ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.-’ (Mosesy 1:39.) Ka noho izany ireo mpianatra zanany vavy mahafatra-po dia mety hilaza marina tokoa hoe -Ny asako sy ny voninahitro dia ny hanampy ireo olona tiako hahatratra izany tanjona masina izany.-

“Ny fanampiana olona iray hahatratra ny fahafahany ho tonga any amin’ny tontolo selestialy dia ampahany amin’ny iraka masina ampanaovina ny vehivavy. Amin’ny maha-reny, na mpampianatra, na olomasina mpikolokolo azy dia mamolavola ny fiainan’ny hafa izy hahatratra ny tanjona izay antenainy. Ny asa masina anirahana azy, ao anaty fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra, dia ny hanampy ireo fanahy hiaina sy ireo olona hisandratra. Izay no tanjona nahariana azy. Mahalasa ho olom-banona sy mankahery ary mampisandratra izany.”2

Tsy afaka ny hahafantatra ianareo hoe rahoviana na maharitra hafiriana no hifantohan’ny iraka nampanaovina anareo manokana amin’ny asa fanompoana ao anatin’ny antso toy ny maha-reny, na mpitarika na rahavavy manompo. Noho ny fitiavan’ny Tompo dia tsy ankininy amintsika ny fisafidianana ny fotoana, na ny faharetany na ny filaharan’ireo andraikitra izay omena antsika. Kanefa fantatrareo avy amin’ny soratra masina sy ireo mpaminany velona fa ho avy eo amin’ny zanakavavin’ Andriamanitra rehetra ireo asa ampandraiketana ireo, na eto amin’ity fiainana ity na any amin’ny fiainan-ko avy. Ary izany rehetra izany dia fiomanana ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana be fitiavana,“ dia ilay lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”3

Tsara tokoa raha manao ny ezaka rehetra azonareo atao ianareo mba hiomanana amin’izao fotoana izao sady mieritreritra ilay tanjona farany. Lasa tsotra kokoa izany asa izany satria saika ho fiomanana iray ihany no takin’ny tsirairay amin’ireo asa asaina atao ireo.

Ndeha hatombotsika amin’ny andraikitra ny ho rahavavy manompo. Na zanakavavy 10 taona ao anatin’ny fianakaviana iray namoy raim-pianakaviana ianao rehefa nomena izany andraikitra izany, na filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izay vao main’ny afo ny tanànany, na any amin’ny hôpitaly ianao ary miandry fahasitranana taorian’ny fandidiana natao, dia manana fahafahana hanatontosa ny antsonao avy amin’ny Tompo ny ho zanakavaviny manompo.

Toy ny hoe fanomezana andraikitra hanao fanompoana tena hafa be tokoa ireo. Kanefa izy rehetra ireo dia mitaky ny fanomanana fo feno hery sy feno fitiavana, finoana tsy misy tahotra fa ny Tompo dia tsy manome didy raha tsy efa nanomana lalana, ary faniriana handeha ary hanao zavatra ho Azy.4

Koa satria efa niomana ilay zanakavavy 10 taona, dia mamihina ny reniny mananotena izy ary nivavaka mba hahafantarana ny fomba hanampiana ny fianakaviany. Ary manohy mivavaka foana izy.

Efa niomana ny hanompo ilay Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana talohan’ilay hai-trano tsy nampoizina teo amin’ny faritra nisy azy. Lasa nahafantatra sy nitia ny olona tao izy. Nitombo tao anatin’ny taona maro ny finoany an’i Jesoa Kristy noho ny fahazoany ny valin’ny vavaka nataony ny mba hanampian’ny Tompo azy amin’ireo fanompoana kely ataony ho Azy. Noho ny fiomanana maharitra nataony dia vonona izy ary maika ery ny handrindra ireo rahavaviny mba hanompo ireo olona sy fianakaviana mila fanampiana.

Ny rahavavy iray niandry fahasitranana taorian’ny fandidiana natao taminy dia vonona ny hanompo ireo marary niaraka taminy. Efa nandany ny androm-piainany izy nanompoana tamin’ny anaran’ny Tompo ireo olona tsirairay izay tsy fantany akory, izay noraisiny toy ireny hoe mpiara-belona taminy sy namany ireny. Rehefa tsapany tao am-pony ilay antso hoe hanompo tao amin’ilay hôpitaly dia nanompo ny hafa tamin-kerim-po sy tamim-pitiavana lehibe tokoa izy, ka nahatonga ireo marary hafa nanomboka nanantena ny tsy hahasitranany haingana loatra sao lasa eo izy.

Mitovy amin’ny fomba hiomananareo hanompo ihany, no ahafahanareo ary tsy maintsy miomananareo amin’ny antsonareo ny ho mpitarika ho an’ny Tompo ianareo rehefa tonga izany. Hitaky finoana an’i Jesoa Kristy izay mifaka ao anatin’ny fitiavana lalina anananareo ho an’ny soratra masina izany hoe mitarika ny olona sy mampianatra ny teniny tsy amin-tahotra izany. Dia ho vonona ianareo amin’izay ny hanana ny Fanahy Masina ho namanareo lalandava. Ho dodona ianareo ny hiteny hoe “aleo hataoko” rehefa milaza amin’ny feo feno tahotra ny mpanolotsainareo ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy hoe “Marary Rahavavy Alvarez androany. Iza no hampianatra ny kilasiny?”

Mitaky fiomanana manakaiky be an’izany koa ilay andro iray mahafinaritra izay iantsoan’ny Tompo anareo hanao asa iray amin’ny maha-reny. Saingy hitaky ihany koa fo be fitiavana lavitra kokoa noho izay nilainareo teo aloha izany. Hitaky finoana an’i Jesoa Kristy mihoatra noho izay efa tao am-ponareo hatrizay izany. Ary hitaky fahaizana mivavaka mba hahazoana ny fitaoman’ny Fanahy Masina izany sy ny fitarihany ary ny fankaherezany mihoatra lavitra noho izay mety ho efa tsapanareo fa azo atao.

Zonareo ny manontany hoe ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray na firy taona na firy taona mahafantatra ny zavatra ilain’ireo reny. Fanontaniana azo ekena tsara izany. Tsy afaka mahalala ny zavatra rehetra ny lehilahy, saingy afaka mianatra lesona maromaro avy amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra isika. Ary afaka mianatra zavatra betsaka amin’ny alalan’ny fandinihana ihany koa isika rehefa maka fotoana hikatsahana ny Fanahy mba hanampy antsika hahatakatra ny zavatra dinihintsika.

Nandinika an’i Kathleen Johnson Eyring aho nandritra ireo 57 taona naha-mpivady anay. Renin’ny zazalahy efatra sy zazavavy roa izy. Hatramin’izao izy dia nanaiky ilay antso ny ho reny mpitarika amin’ny tsara ho an’ny olona maherin’ny zato ao amin’ny fianakaviana mivantana sy ho an’ny olona an-jatony hafa izay noraisiny ho toy ny fianakaviana tamin’ny fitiavana toy izay ananan’ny reny.

Tadidinareo ilay famaritana tonga lafatra nataon’ny Filoha Nelson momba ny iraka masina nampanaovina ny vehivavy, ka anisan’izany ny asa nanirahana azy ny mba ho reny: “Amin’ny maha-reny, na mpampianatra, na olomasina mpikolokolo azy dia mamolavola ny fiainan’ny hafa izy hahatratra ny tanjona izay antenainy. Ny asa masina anirahana azy, ao anaty fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra, dia ny hanampy ireo fanahy hiaina sy ireo olona hisandratra. Izay no tanjona nahariana azy.”5

Rafa ny fahafantarako azy dia nanaraka izany andraikitra izay nomena ireo zanakavavin’ny Raintsika izany i Kathleen vadiko. Ny ampahany manan-danja indrindra amiko dia toa ireo teny hoe “mamolavola ny fiainan’ny hafa izy hahatratra ny tanjona araka izay antenainy … ao anaty fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra.” Tsy nanery izy. Fa namolavola. Ary efa nanana lamina fototra narahana izy tamin’ireo zavatra nantenainy ary ho amin’izany no niezahany namolavolana ireo olona tiany sy noraisiny toy ny zanaka. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no lamina fototra narahany, araka izay hitako tamin’ny alalan’ny fandinihina tamim-bavaka nandritra ny taona maro.

Ny fahatongavana ho vehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ Andriamanitra no fomba nikarakaran’ireo zanakavavin’ Andriamanitra izay lehibe sy tsara mandrakariva ny olona amin’ny maha-reny azy ireo, sy ny nitarihany, ary nanompoany, ary izy ireo dia nanompo tamin’ny fomba sy ny toerana rehetra izay efa nomaniny ho azy ireo. Mampanantena aho fa hahita fifaliana ianareo amin’ny dianareo mankany amin’ny fonenanareo any an-danitra rehefa miverina any Aminy amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra mpitandrina fanekempihavanana anareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona sy tia anareo Andriamanitra Ray. Hamaly ny vavakareo Izy. Ny Zanany Malalany no mitarika amin’ny antsipirian-javatra rehetra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminaniny velona. Ary nahita sy niresaka tamin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tao amin’ ny alakely iray tao Palmyra, New York i Joseph Smith. Fantatro fa marina izany. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy anareo, tia anareo Izy. Ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia afaka ny ho voadio ianareo ho amin’ny antso avo sy masina kokoa izay ho tonga aminareo. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.