2010–2019
Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo

Zatovolahy sy zatovovavy maro no ho vonona hiatrika izany fanamby izany ary hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana noho ity fifantohana mahery vaika amin’ny zatovontsika ity.

Misaotra anao ry Filoha Nelson malalanay noho izany torolalana mifono fanambarana mahafinaritra izany mikasika ireo vavolombelona mandritra ny batisa sy ny toromarika nangatahinao mba hozarainay mba hanamafisana orina ny zatovo sy hampivelarana ny hery anaty masina ananan’izy ireo.

Mialoha ny hizarako ireo fanovana ireo, dia maneho ny fankasitrahako amin-kitsimpo aho noho ny fihetsika tena miavaka nasehon’ireo mpikambana teo anatrehan’ireo fampivoarana natao tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay eo an-dalam-pahatanterahana. Raha jerena araka ny hevitra natsipin’ny Filoha Nelson tamin’ny taon-dasa, dia nihinana vitamines tokoa ianareo!1

Mandalina amim-pifaliana ny Avia, hanaraka Ahy ianareo any an-trano.2 Nandray andraikitra koa ianareo teo anatrehan’ireo fanovana natao tany am-piangonana. Miara-miasa amim-piraisan-kina ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana manao ny asa famonjena.3

Fankasitrahana mitafotafo no atolotray.4 Feno fankasitrahana manokana isika fa mitoetra ho mafy orina sy mahatoky hatrany ny zatovontsika.

Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra kanefa mahafinaritra koa ny zatovontsika. Tsy mbola nihoa-pampana kokoa noho izao velively ireo safidy azo atao. Ohatra iray: ny smartphone amin’izao fotoana izao dia manolotra amin’ny fomba mahavariana fahafahana mahazo fampahalalana manan-danja sy mampivelatra ny saina, ka tafiditra ao anatin’izany ny tantaram-pianakaviana sy ny soratra masina. Etsy ankilany, dia ahitana hadalana, fahavetavetana ary zava-dratsy tsy tonga dia mora hita taloha izany.

Sary
Fandaharam-pianarana mifototra ao an-tokantrano
Sary
Fiaraha-mientan’ny zatovo

Mba hanampiana ny zatovontsika hamakivaky ireo safidy mifamahofaho ireo, dia nanomana drafitra manan-danja sy feno miisa telo ny Fiangonana. Voalohany, nohamafisina ary nampivelarina hatrany an-tokantrano ny fandaharam-pampianarana. Faharoa, nisy fandaharan’asa ho an’ny ankizy sy ny zatovo izay ahitana atrikasa mahafinaritra sy fampivelarana ho an’ny tena manokana vao natolotry ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha M. Russell Ballard ary ireo mpiandraikitra ambony tamin’ny alahady lasa teo. Ny drafitra fahatelo dia ny fanovana rafitra mba hahatonga ny zatovo ho tena ifantohan’ireo evekantsika sy ireo mpitarika kokoa. Izany fifantohana atao izany dia tsy maintsy mahery vaika ara-panahy ary manampy ny zatovontsika ho lasa ilay tafiky ny tanora izay nangatahan’ny Filoha Nelson mba hahatongavan’izy ireo.

Lamina mifandray

Ireo ezaka ireo miaraka amin’ireo izay nambara tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay, dia tsy fanovana misaratsaraka. Ny fanovana tsirairay dia ampahany tena manan-danja ao anatin’ny lamina mifandray iray mba hitahiana ireo Olomasina sy hanomanana azy ireo hihaona amin’ Andriamanitra.

Misy ifandraisany amin’ny tanora vao misondrotra ny ampahany iray ao anatin’izany lamina izany. Angatahina ny zatovontsika mba handray andraikitra manokana bebe kokoa dieny vao herotrerony, ka tsy iantsorohan’ireo ray aman-dreny na ireo mpitarika ny zavatra izay azon’ny zatovo atao irery.5

Fanambarana

Androany dia hanambara fanovana rafitra ho an’ny zatovo eo anivon’ny paroasy sy tsatòka izahay. Araka ny fanazavan’ny Filoha Nelson, dia hiresaka mikasika ireo fanovana ho an’ny zatovovavy Rahavavy Bonnie H. Cordon anio hariva. Ny tanjona irain’ireo fanovana horesahiko izao dia ny mba hanamafy orina ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy ireo kôlejy ary ireo fiadidian’ny kôlejy. Ireo fanovana ireo dia mampifanaraka ny fomba fiasantsika amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15, izay mivaky toy izao: “Ny episkôpà no miadidy io fisoronana [Aharôna] io sy mihazona ny fanalahidiny na ny fahefany.”

Iray amin’ireo adidin’ny eveka hita ao amin’ny soratra masina ny miahy ireo mpisorona sy ny miara-mivory aminy amina filankevitra, [ary] mampianatra azy ireo ny adidiny amin’ny anjara fanompoany.6 Ankoatra izany, ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny episkôpà dia hanana andraikitra manokana hisahana ireo mpampianatra ary ny mpanolotsaina faharoa hisahana ireo diakona.

Noho izany mba hanarahana tsara io fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io, dia hofoanana ireo fiadidian’ny Zatovolahy any anivon’ny paroasy. Nahatontosa zavatra tsara maro ireo rahalahy mahatoky ireo ary maneho fankasitrahana azy ireo izahay.

Manantena izahay fa hanome lanja lehibe an’ireo andraikitry ny fisoronana ho an’ny zatovolahy sy hifantoka bebe kokoa amin’izany ireo episkôpà ary hanampy ny zatovolahy ao anatin’ireo andraikiny ao amin’ny kôlejy. Hisy olon-dehibe mpanorohevitra ny zatovolahy izay manana fahaiza-manao ho antsoina mba hanampy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny episkôpà ao anatin’ny andraikitra sahanin’izy ireo.7 Matoky izahay fa zatovolahy sy zatovovavy maro no ho vonona hiatrika izany fanamby izany ary hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana noho ity fifantohana mahery vaika amin’ny zatovontsika ity.

Ao amin’ilay lamina tena tsaran’ny Tompo, dia manana andraikitra amin’ny olona rehetra ao amin’ny paroasy ny eveka. Mitahy ny ray aman-drenin’ny zatovo ary koa ny zatovo izy. Nahita ny eveka iray fa rehefa nifampidinika tamin’ny zatovolahy iray nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia izy, dia tsy afaka nanampy ilay zatovolahy mba hibebaka, raha tsy nanampy koa ny ray aman-dreniny mba haneho fitiavana sy fahatakarana an-tsaina. Ny fahasitranan’ilay zatovolahy dia fahasitranana ho an’ny fianakaviany ary tanteraka tamin’ny alalan’ilay eveka izay niasa ho an’ny fianakaviana iray manontolo izany. Lasa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika ilay tovolahy amin’izao fotoana izao ary misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

Araka ny zavatra hita tao amin’io tantara iray io, ireo fanovana dia:

  • Hanampy ireo eveka sy ireo mpanolotsainy mba hifantoka amin’ireo andraikitra tena manan-danja sahanin’izy ireo mikasika ny zatovo sy ny ankizy ao amin’ny Kilonga.

  • Hametraka ny hery sy ireo andraikitra an’ny Fisoronana Aharôna ho ivon’ny fiainan’ny zatovolahy rehetra sy ho ivon’ny tanjon’izy ireo.

Ireo fanovana ireo koa dia:

  • Hanome lanja ny andraikitr’ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny fanavaon’izy ireo tatitra mivantana any amin’ny episkôpà.

  • Hamporisika ireo olon-dehibe mpitarika mba hanampy sy hanoro lalana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna eo amin’ny fanandrianan’izy ireo ilay hery sy fahefana ao amin’ny anjara fanompoan’izy ireo.

Araka ny efa voalaza dia tsy mampihena ny andraikitr’ireo episkôpà amin’ny zatovovavy ireo fanovana ireo. Araka ny vao nampianarin’ny Filoha Nelson teo hoe: “Ny andraikitra voalohany sy faran’izay manan-danja sahanin’ny [eveka] dia ny mikarakara ny zatovolahy sy ny zatovovavy ao amin’ny paroasiny.”8

Ahoana no fomba hanatanterahan’ireo eveka malalantsika miasa mafy ireo an’izany andraikitra izany? Tsaroanareo fa tamin’ny 2018 dia nisy fanovana nentina teo anivon’ireo kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka mba hiarahana miasa akaiky kokoa amin’ireo Fikambanana Ifanampiana, mba hahafahan’ireo kôlejin’ny loholona sy ireo Fikambanana Ifanampiana, eo ambany fitarihan’ny eveka, hiantsoroka andraikitra manan-danja izay nandany ny ankamaroan’ny fotoany teo aloha. Ireo andraikitra ireo dia ahitana ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy9 ary koa ny ankamaroan’ny fanompoana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.

Sary
Andrakitry ny eveka

Ny eveka dia tsy afaka mamindra andraikitra sasantsasany, toy ny fanamafisana orina ny zatovo, ny maha-mpitsara tsotra, ny fikarakarana ireo izay sahirana, ny fitantanana ireo raharaha ara-bola sy ara-nofo. Vitsy ihany anefa ireo raha ny mety ho fahalalantsika azy hatramin’izay. Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland tamin’ny taona lasa, rehefa nambara ireo fanovana mikasika ireo kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka hoe: “Mazava ho azy fa mijanona ho mpisorona avo mpiahy ao amin’ny paroasy ny eveka. Io fanitsiana vaovao [an’ireo kôlejin’ny loholona sy ireo Fikambanana Ifanampiana] io dia tokony hamela azy hiahy ny asan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana kanefa tsy mitaky azy hanao ny asan’ireo fikambanana roa ireo.10

Ohatra, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray, rehefa voatendry, dia afaka mihazona andraikitra lehibe kokoa mba hifandinika amin’ireo olon-dehibe, toy ny ahafahan’ny filohan’ny Zatovovavy iray mifandinika amin’ireo zatovovavy. Na dia ny eveka ihany aza no hany afaka ny ho mpitsara tsotra, ireo mpitarika hafa ireo dia manana fahafahana hahazo fanambarana avy an-danitra mba hamahana ireo olana izay tsy ilana mpitsara tsotra iray na tsy ahitana karazana fampiharana herisetra.11

Tsy midika akory izany fa tsy afaka na tsy tokony hiresaka amin’ny eveka na ny ray aman-dreniny ny zatovovavy iray. Ny zatovo no ifantohan’izy ireo! Saingy midika izany fa ny mpitarika iray ao amin’ny Zatovovavy dia mety tena afaka manolotra izay zavatra ilain’ny zatovovavy manokana iray. Samy vaindohan-draharahan’ny episkôpà na ny zatovovavy na ny zatovolahy, saingy fantatsika ilay hery avy amin’ny fananana mpitarika ao amin’ny Zatovovavy izay matanjaka sy mazoto ary mifantoka, izay tia sy manoro lalana, ary tsy misavika ny anjara asan’ireo fiadidian’ny kilasy fa manampy ny zatovo mba hahomby amin’ny anjara asan’izy ireo.

Hizara fanovana mahafaly fanampiny ho an’ny zatovovavy ny Rahavavy Cordon anio hariva. Ambarako anefa fa amin’izao dia hanao tatitra sy hifampidinika mivantana amin’ny evekan’ny paroasy ireo filohan’ny Zatovovavy any amin’ny paroasy. Afaka nampiandraiketina mpanolotsaina iray izany asa izany teo aloha, saingy manomboka izao dia ho andraikitra mivantan’ilay olona iray izay mihazona ireo fanalahidy entina miahy ao amin’ny paroasy ny zatovovavy. Hanohy hanao tatitra mivantana any amin’ny eveka ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana.12

Eo amin’ireo ambaratongam-pitantanana maneran-tany sy eo anivon’ny tsatòka, dia hitohy hanana fiadidian’ny Zatovolahy isika. Eo anivon’ny tsatòka, dia mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo no ho filohan’ny Zatovolahy13 ary ho tafiditra ao anatin’ny kômity misahana ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka, miaraka amin’ireo mpanolotsaina avo nampiandraiketina ny Zatovovavy sy ny Kilonga, izy. Ireo rahalahy ireo dia hiara-hiasa amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ao anatin’io kômity io. Miaraka amin’ny mpanolotsaina irain’ny filohan’ny tsatòka izay mpitarika ilay kômity, dia hanana lanjany bebe kokoa io kômity io satria ny ankamaroan’ireo fandaharan’asa sy atrikasa ao amin’ilay drafitra vaovao ho an’ny ankizy sy ny zatovo dia ho eo anivon’ny tsatòka.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo ireo, eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka, dia afaka ny ho loharanom-panampiana ho an’ny eveka sy ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna mitovy amin’ny fomba fanampiana atolotr’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo an’ireo kôlejin’ny loholona any amin’ny paroasy.

Mifandray amin’izany ihany, hisy mpikambana iray hafa ao amin’ny filankevitra avo ho filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka, ary rehefa ilaina, dia afaka manompo ao anatin’ny kômity misahana ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka izy.14

Hohazavaina bebe kokoa ao amin’ny fampahalalana alefa any amin’ny mpitarika ireo fanovana fanampiny momba ny rafitra. Tafiditra ao anatin’ireo fanovana ireo ny hoe:

  • Ny fivorian’ny kômity sahanin’ny episkôpà momba ny zatovo dia hosoloina amin’ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy.

  • Tsy hampiasaina intsony ny teny hoe “Fiaraha-mientana Ifanakalozana” fa ho lasa “Fiaraha-mientan’ny Zatovovavy,” “Fiaraha-mientan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” na “fiaraha-mientan’ny zatovo” izay hatao isan-kerinandro raha azo atao.

  • Ny tetibolan’ny paroasy ho an’ny fiaraha-mientan’ny zatovo dia hotsinjaraina ara-drariny ho an’ny rafitry ny zatovolahy sy ny an’ny zatovovavy arakaraka ny isan’ny zatovo ao amin’ny rafitra tsirairay. Hisy ampaham-bola ampy hatokana ho an’ny fiaraha-mientan’ny Kilonga.

  • Ao anatin’ireo ambaratonga rehetra, paroasy, tsatòka, ary ny fitantanana maneran-tany, ny teny hoe “rafitra” no hampiasaintsika fa tsy ny hoe “vondrona fanampiny.” Ireo izay mitarika ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ny Zatovovavy maneran-tany, ny Zatovolahy maneran-tany, ny Kilonga maneran-tany, ary ny Sekoly Alahady maneran-tany dia hantsoina hoe “Mpiandraikitra ambony.” Ireo izay mitarika ireo rafitra eo anivon’ny paroasy sy eo anivon’ny tsatòka dia hantsoina hoe “mpiandraikitra eo anivon’ny paroasy” sy “mpiandraikitra eo anivon’ny tsatòka.”15

Ireo fanovana nambara androany ireo dia azo atomboka raha vao vonona ireo sampana, paroasy, distrika ary tsatòka, saingy tokony ho tafapetraka amin’ny 1 janoary 2020. Ireo fanovana ireo rehefa atambatra sy ampidirina tantareka ao anatin’ireo fanovana teo aloha, dia maneho ezaka ara-panahy sy ara-drafitra izay mifanaraka amin’ny fotopampianarana mba hitahiana sy hanamafisana orina ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zatovo ary ny ankizy, ary hanampiana ny tsirairay amin’izy ireo mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, eo am-pandrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ry rahalahy sy anabavy mampanantena sy mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fanovana mahafaoka zavatra maro ireo, eo ambany fitarihan’i Russell M. Nelson izay filoha sy mpaminany mahazo fanentanam-panahy, dia hanome hery sy hanamafy orina ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Hanana finoana lehibe kokoa ny Mpamonjy ny zatovontsika, sy ho voaro amin’ireo fakam-panahin’ilay fahavalo ary ho vonona hiatrika ireo fanambin’ny fiainana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, ao amin’ny “Latter-day Saint Prophet, Wife and Apostle Share Insights of Global Ministry,” Newsroom, 30 Okt. 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  2. Ankoatra izany, dia nanao ezaka manokana ianareo mba hampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson sy hahatsiaro ny Mpamonjintsika amim-pitiavana sy amim-panajana rehefa manao izany.

  3. “Ireo mpikamban’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nirahina -mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56). Ity asa famonjena ity dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampahavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara. Ny episkôpà no mitarika io asa io eo anivon’ny paroasy, ampian’ireo mpikambana hafa ao amin’ny filankevitry ny paroasy” (Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana, 5.0, Churchof JesusChrist.org).

  4. Amin’ny maha-mpitarika, dia tianay ianareo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany noho ny hatsaran-toetranareo sy ny noho ny maha-mpianatra anareo. Feno fankasitrahana ny olona tsirairay, ireo reny sy ray, ny zatovo sy ny ankizy izay mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izahay, izay manao izany amim-pahavitrihana sy amim-pifaliana.

  5. Tamin’ny 2019, ireo diakona 11 taona dia nanomboka nizara ny fanasan’ny Tompo ary ny zatovovavy sy ny zatovolahy 11 taona dia nahazo fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly. Tamin’ny taona lasa, dia nampanao fanamby an’ireo zatovolahy sy zatovovavy ny Filoha Nelson mba hirotsaka ao anatin’ny tafiky ny tanora iray hanangona an’i Isiraely niely patrana eo amin’ny lafy roan’ny voaly (jereo ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org). Nahavariana ny famaliana izany antso izany.

    Manompo amin’ny fomba tena miavaka ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno izay mbola tena vao herotrerony. Nanomboka tamin’ny 06 ôktôbra 2012, dia afaka nanompo ny tovolahy 18 taona sy ny tovovavy 19 taona.

  6. “Ary koa ny adidin’ny filohan’ny Fisoronan’i Aharôna dia ny miahy [ireo] mpisorona, sy ny miara-mivory aminy amina filankevitra, [ary] mampianatra azy ireo ny adidy amin’ny anjara fanompoany.… Izany filoha izany dia tsy maintsy eveka; satria izany dia anankiray amin’ny adidin’ity fisoronana ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87–88).

  7. Hisy olon-dehibe mpitarika koa izay hantsoina ho tompon’andraikitra misahana ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna mba hanampy amin’ireo fandaharan’asa sy fiaraha-mientana ary mba hanatrika ireo fivorian’ny kôlejy mba hahafahan’ny episkôpà manatrika tsy tapaka ireo kilasin’ny Zatovovavy sy ireo fiaraha-mientana ary manatrika any amin’ny Kilonga indraindray. Azo atao ny miantso tompon’andraikitra manokana vitsivitsy hanampy amin’ny hetsika iray manokana toy ny lasy; ary ny hafa dia azo antsoina mba hanampy mandritra ny fotoana maharitra ireo mpanorohevitra ny kôlejy. Hisy olon-dehibe lehilahy anankiroa foana farafahakeliny mandritra ny fivorian’ny kôlejy tsirairay na ny fandaharan’asan’ny kôlejy tsirairay na ny fiaraha-mientan’ny kôlejy tsirairay. Na hiova aza ireo anjara asa sy ireo anaran’ny andraikitra, dia tsy maminavina ny hampihena ny isan’ny olon-dehibe lehilahy izay manompo sy manohana ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna izahay.

  8. Russell M. Nelson, “Witnesses, Aaronic Priesthood Quorums, and Young Women Classes,” Liahona, Nov. 2019, nampiana fanamafisana; jereo koa ny Ezra Taft Benson, “To the Young Women of the Church,” Ensign, Nov. 1986, 85.

  9. Manoro hevitra ireo eveka koa izahay mba hanokana fotoana bebe kokoa iarahana amin’ireo tanora tokan-tena sy ny fianakavian’izy ireo.

  10. Jeffrey R. Holland, general conference leadership meeting, Apr. 2018; jereo koa ny “Effective Ministering,” ministering.ChurchofJesusChrist.org. Nampianatra ny Loholona Holland fa ireo andraikitra izay tsy azon’ny eveka afindra dia ny fiahiana ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny zatovovavy, ny maha-mpitsara tsotra, ny fanaraha-maso ireo raharaha ara-bola sy ara-nofo an’ny Fiangonana, ary ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ary ireo hafa dia afaka mandray ireto ho andraikitr’izy ireo voalohany: ny asa fitoriana, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana, ny fahatsaran’ny fampianarana ao amin’ny paroasy ary ny fiambenana sy ny fanompoana ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  11. Ankoatra ireo toe-javatra izay mitaky ny fanalahidin’ny mpitsara tsotra, ireo olana mifandray amina herisetra dia tokony horaisin’ny eveka an-tanana araka ny fitsipika arahin’ny Fiangonana.

  12. Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia hanohy koa hanao tatitra mivantana any amin’ny filohan’ny tsatòka.

  13. Ireo mpanolotsain’ny filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia azo fidina eo anivon’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka, na raha ilaina dia azo atao an’ilay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo nampiandraiketina ny Zatovovavy sy ilay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo nampiandraiketina ny Kilonga.

  14. Ilay rahalahy filohan’ny Sekoly Alahady dia manana andraikitra lehibe ao anatin’ny fandaharam-pampianaran’ny zatovo ao anatin’ny alahady roa isam-bolana.

  15. Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ny Zatovovavy maneran-tany, ny Zatovolahy maneran-tany, ny Sekoly Alahady maneran-tany, ary ny Kilonga maneran-tany any amin’ny ambaratongam-pitantanana maneran-tany sy eo anivon’ny tsatòka dia ho antsoina hoe Mpiandraikitra ambony na mpiandraikitra eo anivon’ny tsatòka. Eo anivon’ny paroasy dia ny episkôpà no mitarika ny zatovolahy, noho izany dia tsy mpiandraikitra eo anivon’ny paroasy ireo mpanorohevitra ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.