2010–2019
Ireo harena ara-panahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Ireo harena ara-panahy

Rehefa mampihatra finoana ny Tompo sy finoana ny herin’ny fisoronany ianao, dia hitombo ny fahafahanao manovo amin’io harena ara-panahy natolotry ny Tompo io.

Misaotra anareo noho izany mozika mahafinaritra izany. Raha nitsangana isika nihira ny hira fanelanelanana “Misaotra anao noho ny mpaminany” dia nisy eritreritra mahery vaika anankiroa tonga tamiko. Ny iray dia momba ny mpaminany Joseph Smith, ilay mpaminan’ity fotoampitantanana ity. Mitombo isan’andro isan’andro ny fitiavako sy ny fankafizako azy. Ny eritreritra faharoa dia niseho rehefa nijery ny vadiko aho, sy ireo zanako, sy ireo zafikeliko ary ireo zafiafiko aho. Ohatra ny te-hataoko ho anisan’ny fianakaviako ianareo tsirairay.

Volana maro lasa izay dia niteny tamin’i Wendy vadiko aho tamin’ny fiafaran’ny fivoriana fanafiana masina tao amin’ny tempoly iray hoe: “Manantena aho fa ho takatr’ireo rahavavy ireo harena ara-panahin’izy ireo ao amin’ny tempoly.” Ry anabavy isany, matetika aho no tafieritreritra anareo anisan’izany ny tamin’ny roa volana lasa rehefa nandeha tany Harmony Pennsylvanie izaho sy i Wendy.

Sary
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna

Io no dia faharoa nataonay tany. Nihetsi-po lalina izahay tao anatin’ireo fotoana roa ireo rehefa nanitsaka izany tany masina izany. Tao akaikin’i Harmony no nisehoan’i Jaona Mpanao Batisa tamin’i Joseph Smith ka namerenana indray ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny.

Sary
Famerenanan amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Tany ihany koa no nisehoan’ny Apôstôly Petera sy Jakoba ary Jaona mba hamerina ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny laoniny.

Tao Harmony no nanompoan’i Emma Hale Smith tamin’ny naha-mpitan-tsoratra voalohany an’ny vadiny azy rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany.

Ary tany Harmony ihany koa no nahazoan’i Joseph fanambarana maneho ny sitrapon’ny Tompo ho an’i Emma. Nanome torolalana an’i Emma ny Tompo mba hamelabelatra ny soratra masina, hanentana ny fiangonana sy handray ny Fanahy Masina ary handany ny fotoany amin’ny “fianarana betsaka.” Notoroina hevitra ihany koa i Emma mba “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao” sy “hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” ary hifikitra amin’ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra. Nofaranan’ny Tompo tamin’ireto teny mandresy lahatra ireto ny torolalany hoe: “Izao no feoko ho an’ny rehetra.”1

Ny zavatra rehetra izay nitranga tao amin’io faritra io dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainanao. Ny famerenana ny fisoronana amin’ny laoniny miaraka amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Emma dia afaka mitarika sy mitahy anareo tsiriray. Iriako fatratra mba ho takatrareo fa ny famerenana ny fisoronana amin’ny laoniny dia manan-danja ho anareo amin’ny maha-vehivavy anareo tsy misy hafa amin’ny maha-manan-danja izany ho an’ny lehilahy. Koa satria naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka dia samy afaka mahazo ireo “fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana”2 na ireo vehivavy na ireo lehilahy mpitandrina fanekem-pihavanana, azontsika lazaina hoe, afaka mahazo ireo harena ara-panahy rehetra natokan’ny Tompo ho an’ireo zanany.

Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra. Ireo izay nandray fanafiana masina tao amin’ny tranon’ny Tompo dia mandray fanomezana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra, noho ny fanekempihavanana izay nataony, niaraka tamin’ny fanomezana fahalalana ny hahafantatra ny fomba hanovozana amin’io hery io.

Misokatra ny lanitra ho an’ ireo vehivavy izay efa notafiana ny herin’ Andriamanitra mitobaka avy amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny hisokafan’izany ho an’ireo lehilahy mpihazona fisoronana. Mivavaka aho mba ho takatry ny fonareo tsirairay ny fahamarinana satria mino aho fa hanova ny fiainanareo izany. Ry anabavy isany, manan-jo hanovo amin-kalalahana ny herin’ny Mpamonjy ianareo hanampiana ny fianakavianareo sy ireo hafa izay tianareo.

Mety hiteny anakam-po ianareo hoe: “Toa mahafinaritra izany, saingy ahoana no hanaovako izany? Ahoana no hanovozako ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako?”

Tsy ho hitanareo voazava amin’ny antsipiriany ao anatina boky torolalana io dingana io. Ny Fanahy Masina no ho mpampianatra anareo rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny zavatra izay tian’ny Tompo ho fantatrareo sy ho ataonareo ianareo. Sady tsy ho vetivety no tsy ho mora io dingana io kanefa dia tena mitondra hery ara-panahy izany. Inona no mety ho afaka mampientanentana kokoa noho ny miasa miaraka amin’ny Fanahy mba hahatakarana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra?

Ny azoko lazaina anareo dia hoe ny fahazoana ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo dia mitaky zavatra mitovy tamin’ireo nasain’ny Tompo hataon’i Emma sy ny tsirairay aminareo.

Noho izany dia manasa anareo aho handalina amim-bavaka ny fizarana faha-25 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary hitady ny zavatra izay hoampianarin’ny Fanahy Masina anareo. Ny ezaka ara-panahy ataonareo manokana dia hitondra fifaliana ho anareo rehefa mahazo sy mahatakatra ary mampiasa ilay hery izay nampitafiana anareo ianareo.

Ao anatin’izany ezaka izany no hitakiana anareo hahafoy ny zavatra maro amin’izao tontolo izao. Indraindray isika dia saika miresaka tsy am-piheverana mikasika ny fanalavirana an’izao tontolo izao sy ny fifandirany, sy ny fakam-panahiny mihanaka ary ireo filozôfiany diso. Saingy ny fanaovana izany marina dia mitaky anao hanadihady ny fiainanao amin’ny antsipiriany sy matetika. Raha manao izany ianareo dia ny Fanahy Masina no hibitsika aminareo mikasika ny zavatra izay tsy ilaina sy tsy mendrika intsony ny handanianareo fotoana sy hery.

Rehefa esorinareo hiala amin’ny zava-misarik’izao tontolo izao ny fifantohanareo dia lasa tsy ho laharam-pahamehana intsony ireo zavatra sasany izay heverina ho manan-danja. Ilainareo ny miteny tsia amin’ireo zavatra sasantsasany, na dia heverina ho tsy mampaninona aza. Rehefa mirotsaka ianareo ary manaraka io dingana mandritra ny androm-piainana manontolo amin’ny fanokanana ny fiainanareo ho an’ny Tompo io, dia ho lasa hahatalanjona anareo ny fiovana eo amin’ny fomba fijerinareo sy ny fahatsapanareo ary ny hery ara-panahinareo.

Izao no teny kely fampitandremana. Misy ireo izay te hanimba ny fahafahanareo manovo amin’ny herin’ Andriamanitra. Misy ireo izay te hanao izay hahatonga anareo tsy hahatoky tena sy hanao ho tsinontsinona ny fahaiza-manao ara-panahy miavaka anananareo amin’ny maha-vehivavy marina anareo.

Tena azo antoka indrindra fa ny fahavalo dia tsy tia ny hahatakaranareo ny fanekempihavanana nataonareo tamin’ny batisa na ny fanafiana fahalalana sy hery lalina izay noraisinareo na horaisinareo any amin’ny tempoly dia ny tranon’ Andriamanitra. Ary azo antoka fa i Satana dia tsy tia ny hahatakaranareo fa isaky ny manompo sy mitsaoka amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly ianareo dia mivoaka avy ao mitondra ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana sy miaraka amin’ireo anjeliny “mikarakara” anareo.3

I Satana sy ny forongony dia tsy hitsahatra ny hamolavola sakana tsy hahafahanareo mahatakatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay nomena anareo sy mbola azo omena anareo. Indrisy fa ny sasantsasany amin’ireo sakana ireo dia mety ho vokatry ny fitondran-tena tsy mety ataon’ny hafa. Mampalahelo ahy ny mieritreritra fa nisy taminareo no efa nahatsiaro ho notsinontsinoavin’ny mpitarika iray tao amin’ny fisoronana na tsy ninoany, na nampijalian’ny vadiny na nofitahiny, na ny rainy na ny olona iray izay milaza ho namana. Mahaory ahy tokoa hoe nisy taminareo no nahatsiaro ho tsy noraharahiana, na tsy nohajaina, na notsaratsaraina. Tsy misy toerana ho an’ny fanafintohinana toy izany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Etsy ankilany kosa anefa dia mampientanentana ahy ny maheno mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mikatsaka fatratra ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao amin’ireo filankevitry ny paroasy sy ny an’ny tsatòka. Manainga ny fanahiko ireo lehilahy tsirairay izay maneho fa ny andraikiny manan-danja indrindra ao amin’ny fisoronana dia ny mikarakara ny vadiny.4 Deraiko izay lehilahy manaja fatratra ny fahaizan’ny vadiny mandray fanambarana ary mankamamy azy amin’ny maha vady-mitovy lenta aminy azy ao amin’ny fanambadian’izy ireo.

Rehefa takatry ny lehilahy iray ny fiandrianana sy ny herin’ny vehivavy iray Olomasin’ny Andro Farany marin-toetra sy mikatsaka ary nahazo fanafiana masina, dia tsy mahagaga raha te hitsangana izy rehefa miditra ny trano ravehivavy.

Hatrany am-piandohana no nomena kompà ara-môraly tsy manam-paharoa ireo vehivavy, dia ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy. Mitombo io fanomezam-pahasoavana io eo amin’ireo izay manao fanekempihavana ary mitandrina izany. Ary mihena izany ao amin’ireo izay minia tsy miraharaha ireo didin’ Andriamanitra.

Ampiako faingana hoe tsy manala tsiny an’ireo lehilahy aho na dia kely aza eo amin’ny itakian’ Andriamanitra azy ireo ihany koa ny tokony hahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy. Saingy ry anabaviko malala isany, ny fahaizanareo manavaka ny marina sy ny diso, mba ho mpitahiry ny fahadiovam-pitondrantenan’ny fiarahamonina, dia tena manan-danja amin’izao andro farany izao. Ary miantehitra aminareo izahay mba hampianatra ny hafa hanao torak’izany koa. Aoka ataoko mazava tsara izany: raha very ny fahitsian’ny vehivavy eo amin’izao tontolo izao, dia tsy hihatsara mihitsy izao tontolo izao.

Isika Olomasin’ny Andro farany dia tsy avy amin’izao tontolo izao. Fa avy amin’i Isiraely vita fanekempihavanana. Nantsoina isika hanomana vahoaka ho amin’ny fiavian’ny Tompo fanindroany.

Izao aho dia hanazava zavatra maromaro fanampiny mahakasika ny vehivavy sy ny fisoronana. Rehefa atokana ianao hanompo amin’ny antso iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana, toy ny evekanao na ny filohan’ny tsatòkanao, dia omena fahefan’ny fisoronana hanao an’io antso io.

Tahaka izany ihany, ao amin’ny tempoly masina ianao dia mahazo lalana hanatanteraka sy hiandraikitra ôrdônansin’ny tempoly isaky ny manatrika ao. Manomana anao hanao izany ny fanafiana masina raisinao ao amin’ny tempoly.

Raha efa nandray fanafiana masina ianao kanefa tsy manambady lehilahy mihazona fisoronana amin’izao fotoana izao, ka misy miteny aminao hoe “mampalahelo fa tsy manana ny fisoronana ianareo ao an-trano,” dia fantaro fa tsy marina izany filazana izany. Mety hoe tsy misy mpihazona fisoronana ao an-tokantranonao, saingy efa nahazo sy nahavita fanekempihavanana masina tamin’ Andriamanitra ianao, tao amin’ny tempoliny. Avy amin’ireo fanekempihavanana ireo no misy fanafiana amin’ny herin’ny fisoronany mirotsaka eo aminao. Ary tsarovy, fa raha sanatria maty ny vadinao, dia ianao no ho mpiahy ao an-tokantranonao.

Amin’ny maha-vehivavy Olomasin’ny Andro Farany nahazo fanafiana masina anao, dia miteny sy mampianatra omban’ny hery sy fahefana avy amin’ Andriamanitra ianao. Na amin’ny alalan’ny famporisihana izany na amin’ny resaka atao, dia ilainay ianao hampianatra ny fotopampianaran’i Kristy. Mila ny hevitrao izahay amin’ireo filankevitry ny mpianakavy sy ny an’ny paroasy ary ny an’ny tsatòka. Tena manan-danja ny fandraisanao anjara, fa tsy hoe mba ho hita ety ivelany fotsiny.

Ry anabaviko malala isany, hitombo ny herinareo rehefa manompo ny hafa ianareo. Hanokatra ny lanitra ho anareo ny vavaka sy fifadian-kanina ataonareo, ny fotoana hamakianareo ny sorara masina, ny fanompoana atolotrareo ho fanaovana asa ao amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.

Mandresy lahatra anareo aho handalina amim-bavaka ireo fahamarinana rehetra mety ho hitanareo mikasika ny herin’ny fisoronana. Azonareo atao ny manomboka izany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 84 sy 107. Ireo fizarana ireo dia hitondra anareo ho amin’ny andalan-tsoratra masina hafa. Henik’ireo fahamarinana ireo ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara maoderina. Rehefa mitombo ny fahatakaranao ary mampihatra finoana ny Tompo sy finoana ny herin’ny fisoronany ianao, dia hitombo ny fahafahanao manovo amin’io harena ara-panahy izay natolotry ny Tompo io. Raha manao izany ianao dia ho hitanao fa ho afaka kokoa hanampy amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay izay miray hina sy voafehy tao amin’ny tempolin’ny Tompo ianao, ary ho feno fitiavana ho an’ny Raintsika any An-danita sy ho an’i Jesoa Kristy.

Ny ezaka rehetra ataontsika eo amin’ny fifanompoana, ny fitoriana ny filazantsara, ny fanatanterahana ny Olomasina, ary ny fanavotana ny maty dia samy mifandray ao amin’ny tempoly masina. Manana tempoly 166 izao isika maneran-tany, ary mbola maro no ho avy.

Araka ny efa fantatrareo, dia havaozina ny Tempolin’i Salt Lake, sy ny Temple Square, ary ny kianja eo anilan’ny Tranoben’ny Biraon’ny Fiangonana, araka ny tetikasa izay hanomboka any amin’ny fiafaran’ity taona ity. Io tempoly masina io dia tsy maintsy ho kajiana sy homanina mba hanainga ny fanahin’ireo taranaka hoavy, tsy misy hafa amin’ny fiantraikan’izany teo amintsika amin’ity taranaka ity.

Araka ny hitomboan’ny Fiangonana, dia hisy tempoly fanampiny haorina mba hahafahan’ny fianakaviana maro kokoa mahazo ireo fitahiana lehibe indrindra amin’ny fitahiana rehetra, dia ny fiainana mandrakizay.5 Ny tempoly dia raisintsika ho ilay rafitra masina indrindra ato amin’ny Fiangonana. Isaky ny misy drafitra ambara mikasika ny hanorenana tempoly iray vaovao, dia lasa ampahany manan-danja amin’ny tantarantsika izany. Araka izay voaresantsika teto androany, dia manan-danja indrindra eo amin’ny asa ao amin’ny tempoly ianareo vehivavy, ary ao amin’ny tempoly no handraisanareo ireo harena ara-panahy manan-danja indrindra ho azonareo.

Miangavy aho mba hihaino tsara sy amim-panajana rehefa hanambara drafitra hanorenana tempoly valo vaovao aho. Raha toa ka misy anankiray ambara amin’ny toerana iray izay manan-danja aminao dia manoro hevitra anao aho mba hanondrika tsotra ombam-bavaka ny lohanao miaraka amin’ny fankasitrahana ao am-ponao. Mahafaly anay ny manambara drafitra hanamboarana tempoly amin’ireto toerana manaraka ireto: Freetown, Sierra Leone; Orem, Utah; Port Moresby, Papua Nouvelle Guinée; Bentonville, Arkansas; Bacolod, Philippines; McAllen, Texas; Cobán, Guatemala; ary Taylorsville, Utah. Misaotra anareo ry rahavavy malala. Ankasitrahanay lalina ny fandraisanareo ireo drafitra ireo sy ny fihetsika feno fanajana nasetrinareo.

Ankehitriny eto am-pamaranana, dia te hamela tsodrano aminareo aho, mba ho takatrareo ilay herin’ny fisoronana izay nampitafiana anareo, ary mba ho ampitomboinareo io hery io amin’ny fampiharanareo ny finoanareo ny Tompo sy ny heriny.

Ry anabavy isany, amim-panajana sy fankasitrahana lalina no hanambarako ny fiatiavako anareo. Amim-panetretena no hanambarako fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy. Fiangonany ity. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.