2010–2019
Ny didy lehibe faharoa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Ny didy lehibe faharoa

Tretriky ny hafaliana tokoa isika rehefa manampy ireo rahalahy sy anabavintsika.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, misaotra anareo amin’izay rehetra ataonareo mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely ao amin’ny lafiny roan’ny voaly, mba hanamafisana orina ny fianakavianareo ary mba hitahiana ny fiainan’ireo izay mila fanampiana. Misaotra noho ny fiainanareo toy ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.1 Ianareo dia mahay sy tia mankatò ireo didiny roa lehibe, dia ny hitia an’ Andriamanitra sy ny hitia ny namanareo.2

Nandritra ireo enim-bolana farany dia nihaona tamin’ny mpikambana an’arivony izaho sy Rahavavy Nelson rehefa nandeha tany Amerika Afovoany sy Atsimo, ireo nosy ao Pasifika, ary ireo tanàna isan-karazany ao Etazonia. Rehefa nandeha izahay dia ny hampiorina ny finoanareo no nantenainay. Kanefa isaky ny nody izahay dia ny finoanay foana no nampatanjahan’ireo mpikambana sy namana izay nihaona taminay. Afaka miresaka momba ny fotoana telo tena manan-danja avy amin’ny zavatra niainanay vao haingana ve aho?

Sary
Ny Filoha Nelson tany Nouvelle-Zélande
Sary
Ny Filoha Nelson tany Nouvelle-Zélande

Tamin’ny volana mey dia nandeha niaraka tamin’ny Loholona Gerrit W. sy Rahavavy Susan Gong tany Pasifika Atsimo izaho sy Rahavavy Nelson. Fony izahay tany Auckland Nouvelle-Zélande dia voninahitra ho anay ny nihaona tamin’ireo mpitondra fivavahana mozolmana avy ao amin’ny mosqué anankiroa ao Christianchurch Nouvelle-Zélande, izay vao roa volana talohan’izay no nitifirana ho faty tamin-kerisetra mahatsiravina an’ireo mpivavaka tsy manan-tsiny.

Nampita ny fitiavanay tamin’ireo rahalahy avy amin’ny finoana hafa ireo izahay ary nanamafy indray ny fanoloran-tena izay niraisanay mikasika ny fahalalahana ara-pivavahana.

Nanolotra asa an-tsitrapo sy fanampiana kely ara-bola ihany koa izahay mba hanorenana indray ny mosqué an’izy ireo. Ny fivorianay niaraka tamin’ireo mpitarika Mozolmana ireo dia heniky ny fanehoana firahalahiana tamim-pitiavana.

Sary
Mpisitraka seza misy kodiarana ao Argentine
Sary
Mpisitraka seza misy kodiarana ao Argentine

Tamin’ny aogôsitra izaho sy Rahavavy Nelson, niaraka tamin’ny Loholona Quentin L. sy Rahavavy Mary Cook, dia nihaona tamin’olona maromaro tao Buenos Aires Argentine, izay tsy mpikamban’ny Fiangonantsika ny ankamaroany, ary ny fiainan’izy ireo dia niova noho ireo seza misy kodiarana nomen’ny Sampana fiantrana olona ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany azy ireo. Nanentana ny fanahinay ny fanehoan’izy ireo fankasitrahana feno fifaliana noho ny fahafahan’izy ireo nandehandeha indray.

Ny fotoana sarobidy fahatelo dia nitranga herinandro vitsy monja izay teto Salt Lake City. Izany dia avy amin’ny taratasy miavaka iray voaraiko tamin’ny tsingerin-taona nahaterahako izay nalefan’ny zatovovavy iray 14 taona izay ho antsoiko hoe Mary.

Nanoratra zavatra itovizanay i Mary: “Manan-janaka 10 ianao. Misy ankizy 10 ato aminay. Miteny Sinoa Mandarina ianao. Zaza nantsangana avy any Chine ny fito amin’ireo ankizy ato amin’ny fianakaviako, anisan’izany aho, ka noho izany dia Sinoa Mandarina no fiteny voalohany ampiasainay. Mpandidy fo ianao. Nandalo fandidiana fo misokatra in-droa ny rahavaviko. Tia fotoam-pivavahana adiny roa any am-piangonana ianao. Tia fotoam-pivavahana adiny roa any am-piangonana izahay. Mahay mihaino naoty tsara ianao. Mahay mihaino naoty tsara koa ny anadahiko. Jamba toa ahy koa izy.”

Nahakasika lalina ny foko ny tenin’i Mary, izay tsy vitan’ny hoe nanambara fotsiny ihany ny toe-tsaina tena tsara ananany fa nanambara ihany koa ny fahafoizan-tenan’ny reniny sy ny rainy.

Ny Olomasin’ny Andro Farany, tahaka ireo mpanara-dia hafa an’i Jesoa Kristy dia mitady mandrakariva fomba hanampiana, sy hampaherezana, ary hitiavana ny hafa. Ireo izay maniry ny ho antsoina hoe vahoakan’ny Tompo dia “te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay … hiara-malahelo amin’izay malahelo; … ary hampionona ireo izay mila fampiononana.”3

Tena mikatsaka marina ny hiaina ny didy lehibe voalohany sy faharoa izy ireo. Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika hitsinjo izay mahasoa ny hafa amin’ny lamina iray izay kanto sy tsara.

Tsy ho vita ny hanisa ny habetsahan’ny asa fanompoana atolotry ny Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany isan’andro isan-taona, saingy azo atao tsara ny manisa ny zavatra tsara ataon’ny Fiangonana amin’ny maha-fikambanana azy mba hitahiana ireo lehilahy sy vehivavy, ny ankizilahy sy ny ankizivavy, izay mila tolo-tanana.

Ny fandaharan’asa fanasoavana olona ataon’ny Fiangonana dia natomboka tamin’ny taona 1984. Dia nisy fifadian-kanina nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany taorian’izay mba hanangonam-bola hoentina manampy ireo izay nampahorian’ny hain-tany nitera-doza tao Afrika atsinanana. Nanome 6,4 tapitrisa dôlara ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’io andro fifadian-kanina tokana io.

Sary
Ny Loholona Ballard tany Etiopia

Nalefa tany Etiopia i M. Russell Ballard izay Loholona tamin’izany niaraka tamin’ny Rahalahy Glenn L. Pace mba hanombantombana ny fomba tsara indrindra azo ampiasana ireo vola masina ireo. Izany ezaka izany taty aoriana no lasa fiantombohan’ny zavatra izay fantatra taty aoriana tamin’ny hoe Sampana fiantrana olona ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Nanomboka tamin’io fotoana io dia nanolotra vola roa lavitrisa dôlara mahery ny Sampana fiantrana olona ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hoentina hanampiana ireo olona mila fanampiana manerana izao tontolo izao. Io fanampiana io dia atolotra an’ireo olona izay tokony hotolorana izany tsy an-kijery izay fiangonany, na ny zom-pireneny, na ny firazanany, na ny fironany amin’ny lehilahy na amin’ny vehivavy, na ny maha-hoe lehilahy na vehivavy na zavatra hafa ankoatra izay azy, na ny hevitra ara-pôlitika tohanany.

Tsy izay fotsiny ihany. Mba hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo ao anatin’ny fahasahiranana lalina, dia tiantsika sy iainantsika ilay lalàn’ny fifadian-kanina efa hatry ny ela.4 Miaritra hanoanana isika mba hanampiana ireo izay noana. Indray mandeha isam-bolana dia tsy mihinan-kanina isika ary manome ny vidin’ilay sakafo (sy mihoatra izany) mba hanampiana ireo sahirana.

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fitsidihana nataoko voalohany tany Afrika Andrefana tamin’ny taona 1986. Tonga marobe nanatrika ny fivorianay ireo Olomasina. Na dia tsy nanan-javatra firy aza izy ireo dia tonga nitafy akanjo fotsy tsy misy pentina ny ankamaroany.

Nanontaniako ny filohan’ny tsatòka ny fomba nikarakarany ireo izay tena mahantra. Novaliany hoe mahafantatra tsara ny olona ao aminy ny evekan’izy ireo. Raha afaka nividy sakafo roa isan’andro ny mpikambana dia tsy nisy fanampiana nilaina. Fa raha sakafo iray ihany na latsak’izay no voavidin’izy ireo, na efa miaraka amin’ny fanampian’ny fianakaviany aza, dia nanome sakafo izay novidiana tamin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny eveka. Dia nampiany an’ity zava-marina mahavariana ity: mazàna ny anjara biriky entin’izy ireo amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina no mihoatra ny fandaniana ataony. Dia nalefa tany amin’ny olona tany amin’ny toeran-kafa izay mbola sahirana mihoatra azy ireo avy eo ny vola amboniny tamin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Ireo Olomasina Afrikana tena mahatoky ireo dia nampianatra ahy lesona lehibe momba ny herin’ny lalàna sy ny fanahin’ny fifadian-kanina.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mahatsapa fifandraisana amin’ireo izay mijaly amin’ny fomba rehetra isika.5 Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia mpirahalahy sy mpirahavavy daholo isika. Manaraka ny fananarana iray ao amin’ny Testamenta Taloha isika hoe: “sokafy tsara aminy ny tànanao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.”6

Miezaka miaina ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo koa isika araka izay voasoratra ao amin’ny Matio 25 hoe:

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo:

“Tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo; narary Aho dia notsaboinareo. …

“… Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”7

Mamelà ahy hiresaka ohatra vitsy mikasika ny fomba hanarahan’ny Fiangonana ireo fampianaran’ny Mpamonjy ireo.

Sary
Trano fitehirizan’ny eveka

Mba hanamaivanana ny hanoanana dia mampiasa trano fitehirizan’ny eveka miisa 124 manerana izao tontolo izao ny Fiangonana. Amin’ny alalan’izy ireo dia fangatahana sakafo tokotokony ho 400,000 eo no valiana isan-taona ho an’ireo olona sahirana. Any amin’ireo toerana tsy misy trano fitehirizana dia mampiasa vola avy amin’ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanin’ny Fiangonana ireo eveka sy filohan’ny sampana mba hanomezana sakafo sy vatsy ho an’ireo mpikambana sahirana ao amin’izy ireo.

Na izany aza anefa dia mahakasika olona maro hafa ankoatra ny mpikamban’ny Fiangonana ny olan’ny hanoanana. Mihamahazo vahana manerana izao tontolo izao izany. Tatitra iray vao haingana avy amin’ny Firenena Mikambana no nilaza fa ny isan’ny olona tsy ampy sakafo manerana izao tontolo izao dia mihoatra ny 820 tapitrisa amin’izao fotoana izao, na efa hila ho olona iray ao anatin’ny sivy amin’ny mponina eto an-tany.8

Antontan’isa tena mampieritreritra tokoa izany! Velom-pankasitrahana izahay noho ny anjara biriky entinareo. Noho ny falalahan-tanana amim-pitiavana ataonareo, dia olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao no hahazo ireo sakafo tena ilainy, fitafiana, toeram-pialofana ao anatin’ny fotoana voafetra, seza misy kodiarana, fanafody, rano madio ary zavatra maro hafa.

Maro amin’ny aretina manerana izao tontolo izao no ateraky ny rano maloto. Hatramin’izao ny ezaka fanasoavana olona ataon’ny Fiangonana dia efa nitondra fanampiana tamin’ny fanomezana rano fisotro madio tao amin’ny fiarahamonina an-jatony tao amin’ny firenena 76.

Ohatra tena tsara maneho izany ny tetikasa iray ao Luputa ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo. Ilay tanàna izay ahitana mponina 100,000 mahery dia tsy nanana rano tao an-tranony. Tsy maintsy nandeha lavitra ireo mponina tao mba hitady loharano azo antoka. Nisy loharano an-tendrombohitra hita tany amin’ny 29 kilaometatra miala avy eo, saingy tsy afaka nampiasa izany rano izany isan’andro ireo mponina tao amin’ilay tanàna.

Sary
Fihadiana tatatra mba hahazoana rano

Rehefa fantatr’ireo misiônerantsika misahana ny asa fanasoavana io olana io, dia niara-niasa tamin’ireo mpitondra tao Luputa izy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana sy fanofanana mba hitarihana ilay rano nankany amin’ilay tanàna. Nandany telo taona ny vahoaka ao Luputa nihadiana tatatra iray metatra ny halaliny izay manavatsava vato sy ala mikitroka. Noho ny fiarahan’izy ireo miasa dia tonga ihany ilay androm-pifaliana rehefa afaka nampiasa rano madio ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna.

Sary
Fitondrana rano

Ny Fiangonana ihany koa dia manampy ireo mpitsoa-ponenana, na avy amin’ny ady an-trano, na ny loza voa-janahary, na ny fanenjehana ara-pivavahana. Olona mihoatra ny 70 tapitrisa ankehitriny no voatery niala ny tranony.9

Sary
Fanompoana mpitsoa-ponenana

Tamin’ny taona 2018 fotsiny dia nanolotra vatsy vonjy taitra ho an’ny mpitsoa-ponenana tao amin’ny firenena 56 ny Fiangonana. Ankoatra izay dia maro ny mpikamban’ny Fiangonana izay mahafoy ny fotoany mba hanampiana ireo mpitsoa-ponenana hiditra ao anatina fiarahamonina vaovao. Isaoranay ny tsirairay avy aminareo izay manao ezaka mba hanampy ireo izay miezaka manangana toeram-ponenana vaovao.

Sary
Fizarana akanjo

Noho ireo fanomezana amin-kalalahan-tanana atolotra any amin’ireo toeram-panobiana an’ny Deseret Industries ao Etazonia dia akanjo an-tapitrisany kilao no voangona sy voafantina isan-taona. Raha toa ka ampiasain’ireo eveka ao an-toerana ireo fitafiana marobe ireo mba hanampiana ireo mpikambana sahirana, ny ampahany betsaka indrindra amin’izany kosa dia omena fikambanana mpanao asa soa hafa izay mizara ireo fitafiana maneran-tany.

Ary vao tamin’ny herin-taona ny Fiangonana no nanolotra fitsaboana maso ho an’ny olona mihoatra ny 300,000 tao amin’ny firenena 35, fikarakarana zaza vao teraka ho an’ireo reny sy zaza an’arivony tao amin’ny firenena 39, ary seza misy kodiarana ho an’ny olona mihoatra ny 50,000 izay monina any amin’ny firenena am-polony.

Ny Fiangonana dia fantatry ny maro amin’ny maha-anisan’ireo mpamaly antso voalohany azy rehefa misy loza mamely. Na dia alohan’ny hamelezan’ny rivo-doza iray aza dia efa mamolavola drafitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ireo faritra voakasika mba hitady ny fomba hanateran’izy ireo ireo vatsy hoentina mamonjy sy hanaovana fanampiana an-tsitrapo ho an’ireo izay ho tra-boina.

Sary
Fanaovana asa fanompoana miaraka amin’ireo mpikambana Manome Tanana

Tamin’ny herin-taona fotsiny, dia nahatontosa tetikasa vonjy voina mihoatra ny 100 maneran-tany ny Fiangonana, izay nanampiana ireo niharam-boina noho ny rivo-doza, doro tanety, tondra-drano, horohorontany, ary loza hafa. Isak’izay afaka manao izany, dia mivondrona marobe ireo mpikamban’ny Fiangonantsika manao ny akanjo mavon’ny Manome Tanana mba hanampiana ireo izay niharan-doza. Io karazana asa fanompoana io, izay ataon’ny maro aminareo, no fototra manan-danjan’ny fanompoana.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ampahany kely monja amin’ny fandaharan’asa miroborobo momba ny fanampiana sy fanasoavana olona ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo atrikasa nofariparitako ireo.10 Ary ianareo no mahatonga izany rehetra izany ho azo tanterahina. Noho ny fiainana mendri-piderana izay iainanareo, sy ny fonareo tia manome, ary ny fanomezanareo tanana, dia tsy mahagaga raha midera ny ezaka vitanareo ny fiarahamonina sy ny mpitondra fanjakana maro.11

Hatramin’ny naha-lasa Filohan’ny Fiangonana ahy dia nahatalanjona ahy ny habetsahan’ny filoham-pirenena, praiminisitra, ary ambasadaoro izay nisaotra ahy tamin-kitsim-po noho ny asa fanasoavana olona ataonareo ho an’ny vahoakan’izy ireo. Ary naneho fankasitrahana ihany koa izy ireo noho ny tanjaka izay nentin’ireo mpikambana mahatokintsika tao amin’ny firenen’izy ireo amin’ny maha-olom-pirenena mahatoky sy mpitondra anjara biriky azy ireo.

Talanjona ihany koa aho rehefa niresaka tamin’ny Fiadidiana Voalohany ireo mpitondra maneran-tany ka nilaza ny fanantenan’izy ireo ny hijoroan’ny Fiangonana ao amin’ny tanin’izy ireo. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia hanangana fianakaviana sy fiarahamonina matanjaka, hanatsara ny fiainana ho an’ny hafa na aiza na aizaonenan’izy ireo.

Na aiza na aiza isika no mipetraka, ny mpikamban’ny Fiangonana dia manana fahatsapana miredareda mikasika ny maha-Rainy an’ Andriamanitra sy ny maha-mpirahalahy sy mpirahavavy ny olombelona rehetra. Noho izany dia tretriky ny hafaliana isika rehefa manampy ireo rahalahy sy anabavintsika, na aiza na aiza no hipetrahantsika eto amin’ity tontolo mahavariana ity.

Ny fanampiana ny hafa, ny fanaovana ezaka amin-kitsim-po mba hikarakara ny hafa tahaka, na mihoatrany hikarakarantsika ny momba ny tenantsika, no fifaliantsika. Dia tiako ampiana hoe indrindra fa rehefa tsy mety amintsika izany ary voatery hanao zavatra tsy fanaontsika isika. Ny fiainana izany didy lehibe faharoa izany no fanalahidy hahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ohatra velona amin’ny fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy ianareo. Misaotra anareo aho! Tiako ianareo!

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao ny Fiangonany mba hanatanterahana ny tanjon’izany masina. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Môrônia 7:48.

  2. Jereo ny Matio 22:37–39; Lioka 10:27.

  3. Môzià 18:8–9.

  4. Jereo ny Isaia 58:3–12.

  5. Tany am-piandohan’ny tantaran’ny Fiangonana dia noana sy tsy nanan-kialofana ary nampahoriana ihany koa ireo mpamaky lay mahery fo.

  6. Deoteronomia 15:11.

  7. Matio 25:35–36, 40.

  8. Jereo ny Organisation des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture sy ny zavatra hafa: The State of Food Security and Nutrition in the World 2019, 6, fao.org/3/ca5162en/ca5162en.pdf.

  9. Jereo ny “Worldwide Displacement Tops 70 Million, UN Refugee Chief Urges Greater Solidarity in Response,” United Nations High Commissioner for Refugees website, June 19, 2019, unhcr.org/en-us.

  10. Mba hahazoana fampahalalana fanampiny momba ireo ezaka fanaovana asa soa ataon’ny Fiangonana dia jereo azafady ny ChurchofJesusChrist.org/topics/welfare; LatterDaySaintCharities.org; facebook.com/LatterDaySaintCharities; JustServe.org.

  11. “Ny kiboky mahomby indrindra hoentintsika dia ny hatsaran’ny fiainantsika manokana sy ny ohatra hasehontsika” (Gordon B. Hinckley, “Find the Lambs, Feed the Sheep,” Liahona, July 1999, 121).