2010–2019
Lahateny famaranana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Lahateny famaranana

Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia mitaky fiovana tanteraka ao an-tsaina sy ao am-po mba hitovy kokoa amin’ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, eto am-pamaranantsika ity fihaonambe manan-tantara ity dia misaotra ny Tompo isika noho ireo hafatra feno fitaomam-panahy sy hira izay nankahery antsika. Tena nankafy fivokisana ara-panahy tokoa isika.

Fantatsika fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia hitondra fanantenana sy fifaliana ho an’ireo olona izay mandre sy mihaino ny fotopampianarany. Fantatsika ihany koa fa ny tokantrano tsirairay dia afaka ny ho toerana hanjakan’ny finoana tokoa, izay afaka hitoeran’ny fiadanana sy fitiavana, ary ny Fanahin’ny Tompo.

Mazava ho azy fa ny tempoly no ampahany manan-danja indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Manan-danja amin’ny fanomanana ny olona izay vonona ny handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Amin’izao fotoana izao dia miisa 166 ireo tempoly voatokana ananantsika ary mbola misy maro ho avy.

Hisy varavarana misokatra ho atao mialoha ny fanokanana ny tempoly vaovao sy ny tempoly nohavaozina tsirairay. Maro amin’ireo namana izay tsy iray finoana amintsika no handray anjara amin’ireny fitsidihana ireny tempoly ireny ary hianatra zavatra momba ireo fitahian’ny tempoly. Ary ny sasany amin’ireny mpitsidika ireny dia hotaomim-panahy hanam-paniriana hahafantatra kokoa. Ny sasany dia hanontany amim-kitsi-po ny fomba hahafahan’izy ireo ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny tempoly.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia ho ilaintsika ny ho vonona hamaly ny fanontanian’izy ireo. Afaka manazava isika fa ireo fitahian’ny tempoly dia ho azon’ny olona rehetra izay hanomana ny tenanany ho amin’izany. Saingy mialoha ny ahafahan’ny olona iray miditra ny tempoly iray voatokana dia mila mahafeno ny fepetra ho amin’izany izy. Tian’ny Tompo ireo zanany rehetra handray anjara amin’ireo fitahiana omena any amin’ny tempoly. Izy dia efa nametraka ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona tsirairay mba ho mendrika ny hiditra ny tranony masina.

Toerana tsara hanombohana ny fahafahana mampianatra toy izany ny fisarihana ny saina ho amin’ireo teny voasokitra eo amin’ny ivelan’ny tempoly manao hoe “Fahamasinana ho an’ny Tompo; Ny tranon’ny Tompo.” Ny hafatry ny Filoha Eyring anio sy ny an’ireo maro hafa dia nitaona antsika mba ho lasa masina kokoa. Ny tempoly tsirairay dia toerana masina; ny olona tsirairay miditra ny tempoly dia milofo mba ho lasa masina kokoa.

Ny fepetra rehetra takina mba hidirana ny tempoly dia mifandray amin’ny fahamasinan’ny tena manokana. Mba hamantarana izany fahavononana izany, ny olona tsirairay izay maniry ny hisitraka ireo fitahian’ny tempoly dia handalo tafa sy dinika roa: voalohany miaraka amin’ny eveka, na mpanolotsaina iray ao amin’ny episkôpà, na ny filohan’ny sampana. Ny faharoa dia miaraka amin’ny filohan’ny tsatòka, na ny filohan’ny misiôna, na ny iray amin’ireo mpanolotsainy. Hisy fanontaniana maromaro hapetraka mandritra ireo tafa sy dinika ireo.

Vao haingana no nasiana fanovana ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo mba ho mazava tsara. Tiako ny hijery azy ireo ho anareo izao:

  1. Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba Azy ireo?

  2. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?

  3. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

  4. Moa ve ianao manohana ny Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?

    Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

    Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ny Fiangonana eto an-toerana?

  5. Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41).

    Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?

    Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  6. Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

  7. Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

  8. Moa ve ianao miezaka ny mihazona ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?

  9. Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

  10. Moa ve ianao mandoa fahafolonkarena feno?

  11. Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

  12. Moa ve ianao manana adidy ara-bola na adidy hafa amin’ny vadinao taloha na amin’ny zanaka?

    Raha eny, moa mahatontosa tsara ireo adidy ireo ve ianao?

  13. Moa ve ianao manaja ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly araka ny torolalana nomena nandritra ny fanafiana masina?

  14. Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?

  15. Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo sy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Rahampitso ireo fanontaniana nasiana fanovana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ireo dia hozaraina amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maneran-tany.

Ankoatra ny famaliana ireo fanontaniana ireo amim-pahamarinan-toetra dia takatsika fa ny olon-dehibe tsirairay izay miditra ny tempoly dia hanao ny garmenta masin’ny fisoronana ao anatin’ny akanjo fanaony an-davanandro. Izany dia mariky ny fanolorantena ara-panahin’izy ireo ny hilofo isan’andro mba hitovy bebe kokoa amin’ny Tompo. Izany ihany koa dia mampahatsiahy antsika mba hitoetra ho mahatoky isan’andro amin’ireo fanekempihavanana natao, ary handeha isan’andro eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny fomba avo sy masina kokoa.

Ankehitriny, vetivety fotsiny, te-hiresaka fohy amin’ireo zatovontsika aho. Mamporisika anareo izahay mba ho mendrika hahazo ny fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly. Ireo fanontaniana izay mifanandrify aminareo amin’ny fiomananareo ho amin’ireo ôrdônansy isoloana tena an’ny batisa sy fametrahan-tanana ho fandraisana ho mpikambana ihany no hapetraka aminareo. Feno fankasitrahana izahay ny amin’ny fahamendrehanareo sy ny fahavononanareo handray anjara amin’izany asan’ny tempoly izany. Misaotra anareo izahay!

Ny fahamendrehan’ny tena manokana mba hiditra ny tranon’ny Tompo dia mitaky fiomanan’ny tena manokana ara-panahy be dia be. Kanefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahana. Amim-panajana no ilazako fa mora kokoa ny manorina tempoly iray toy izay ny manorina vahoaka iray niomana ho an’ny tempoly iray. Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia mitaky fiovana tanteraka ao an-tsaina sy ao am-po mba hitovy kokoa amin’ny Tompo, mba ho olom-pirenena marin-toetra, sy ho ohatra tsaratsara kokoa, ary ho olona masina kokoa.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny asa fiomanana toy izany dia mitondra fitahiana sesehena eo amin’ity fiainana ity ary fitahiana tsy hain’ny saina takarina any amin’ny fiainan-ko avy, anisan’izany ny haha-tsy hanam-pahataperana ny fianakavianareo mandrakizay mandrakizay ao anatin’ny toetry ny “fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”1

Izao aho dia te-hiresaka momba ana lohahevitra iray—dia ireo drafitra ho an’ny taona ho avy. Amin’ny lohataonan’ny taona 2020 dia ho 200 taona katroka ny nisehoan’ Andriamanitra mivantana tamin’i Joseph Smith izay fantatsika amin’ny hoe Fahitana Voalohany. Niseho tamin’i Joseph, zatovo iray 14 taona Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany. Izany tranga izany dia nanamarika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho amin’ny fahafenoany, araka ny nambara mazava tsara mialoha ao amin’ny Baiboly.2

Avy eo dia nifandimby ny famangiana avy amin’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, anisan’izany i Môrônia, i Jaona Mpanao Batisa, ary i Petera sy i Jakoba ary i Jaona apôstôly fahiny. Nanaraka izany ny hafa toa an’i Mosesy sy i Elià ary i Elia. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia nitondra fahefana avy any an-danitra mba hitahiana indray ireo zanak’ Andriamanitra eto an-tany.

Tamin’ny fomba mahagaga no nahazoantsika ihany koa ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ho soratra masina miara-miasa amin’ny Baiboly Masina. Ireo fanambarana navoaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy ihany koa dia nampivelatra lehibe tokoa ny fahatakarantsika ireo didin’ Andriamanitra sy ny fahamarinana mandrakizay.

Ireo fanalahidy sy anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana dia naverina tamin’ny laoniny. Ao anatin’izany ny anjara fanompoana’ny Apôstôly, Fitopololahy, patriarka, mpisorona avo, loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra ary diakona. Ary ireo vehivavy izay tia ny Tompo dia manompo amim-pahavitrihana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, Kilonga, Zatovovavy, Sekoly Alahady, ary ireo antso hafa ao amin’ny Fiangonana—ireo rehetra ireo dia singa manan-danja amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho amin’ny fahafenoany.

Noho izany ny taona 2020 dia hatao hankalazana ny faha-roan-jato taona. Ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny aprily ho avy izao dia hiavaka amin’ireo fihaonambe teo aloha. Amin’ireo enimbolana manaraka dia manantena aho fa ny mpikambana tsirairay sy ireo fianakaviana tsirairay dia hiomana ho amina fihaonambe tsy manam-paharoa izay hankalazana ireo fototra iorenan’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Mety ho tianareo ny hanomboka ny fiomananareo amin’ny famerenana mamaky ny tantaran’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany araka ny voalaza ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Ny Bokin’i Môrmôna no ho fandaharam-pianarantsika amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ny herin-taona. Mety ho tianareo ny hisaintsaina fanontaniana manan-danja toy ny hoe: “Mety ho toy ny ahoana ny fiainako raha toa ka hoesorina tampoka ireo fahalalana azoko avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna?” na “Inona no fiovana tamiko sy tamin’ireo olon-tiako vokatry ny zava-nitranga izay nanaraka ny Fahitana voalohany?” Mety ho tianareo ihany koa ny hampiditra ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna izay efa misy amin’izao ao anatin’ny fandalinana manokana na iarahan’ny mpianakavy.

Misafidiana fanontaniana ho anao manokana. Manaova drafitra ho anao manokana. Miroboha tanteraka ao amin’ny hazavana be voninahitry ny Famerenana amin’ny laoniny. Rehefa ataonareo izany dia sady ho mendrika ny hotsaroana ny fihaonambe amin’ny volana aprily no tsy ho hay hadinoina ihany koa.”

Eto am-pamaranana dia omeko anareo ny fitiavako sy ny tsodranoko mba ho sambatra sy ho masina bebe kokoa anie ianareo tsirairay isan’andro isan’andro. Mialoha izany dia aoka ianareo hahazo antoka fa mitohy ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana ary hitohy eo ambanin’ny fitarihan’ny Tompo mandra-“[paha]tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa.”3

Izany no tsodrano omeko anareo, sady manamafy fitiavako anareo aho miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Fiangonany ity ary Vahoakany isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.