2022
Hanana ny Fanahiko miaraka aminareo ianareo
Septambra 2022


Hafatry ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Hanana ny Fanahiko miaraka aminareo ianareo

Rehefa manaja ny Sabata isika ka mandray ny fanasan’ny Tompo, dia hisitraka ireo fitahiana entin’izany, eny na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Rahavavy Miriam Kasimbe sy ny fianakaviany mahafinaritra dia tena misitraka ny fampanantenan’ny Tompo mifamatotra amin’ny fanasana atolony. Raha niresaka ny fanajana ny Sabata sy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia izao no nolazain’ny Tompo: “Ary izao no hataonareo ho fahatsiarovana ny vatako izay efa nasehoko anareo. Ary izany dia ho vavolombelona amin’ny Ray fa mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo” (3 Nefia 18:7).

Toetoetra takina hananana ny Fanahin’ny Tompo

Mamelà ahy hizara, araka ny fomba fijeriko aloha, toetoetra anankitelo ahafahana manana ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao mandrakariva. Eo am-pizarako ireo toetoetra ireo dia diniho ny fananan-dRahavavy Miriam Kasimbe an’izy telo ireo, eny fa na dia tamin’ny fotoana nisedrany fitsapana aza:

  1. Fanamafisana orina ny finoana: ny Raintsika any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny Sabata any am-piangonana.

  2. Fahitsiana: “Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa fa tsy misy fitaka amin’i George Miller mpanompoko; azo itokiana izy noho ny fahitsian’ny fony; ary noho ny fitiavana izay ananany amin’ny tenivavolombeloko, Izaho Tompo dia tia azy” (F&F 124:20).

  3. Mandalina sy mandinika ny tenin’ireo mpaminany velona sy ny soratra masina: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina” (Josoa 1:8).

Takan-dRahavavy Kasimbe sy Rahalahy Clemence Kasimbe vadiny ilay fanontanian’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ahoana no ahafahanao manao izay hitondran’ny fitondrantenanao amin’ny Sabata fifaliana sy firavoravoana?”1. Nanamarika Rahavavy Kasimbe hoe: “Afaka mahazaka ireo fahoriana, sy korontana ara-piarahamonina ary olana ao amin’ny fianakaviana isika noho ny fitiavantsika ny filazantsara ary koa amin’ny alalan’ny fitandremana ny Sabata. Voatahy aho.”

Tamin’ny 24 nôvambra 2016, raha niverina hody Rahavavy Kasimbe nahavita asa fitoriana tamim-boninahitra, dia nomen’ny filohan’ny misiona 50 dôlara hiatrehana ny tampoka mandritra ny diany hody. Nizotra soa aman-tsara ny diany ary tsy nisy sampona. Rehefa tafaverina izy dia natolony ny filohan’ny tsatòkany ilay 50 dôlara, izay avy eo namerina izany tany amin’ny Filohan’ny Misiona. Reny taty aoriana tamin’ny filohan’ny tsatòkany fa nilaza ny filohan’ny misionany fa izy no anisan’ireo tena vitsy izay namerina ny vola tahaka izany. Fantatran-dRahavavy Kasimbe fa ho nahavita zavatra betsaka io vola io any an-trano rehefa tafody izy, satria tena sahirana ny reniny amin’ireo zavatra ilainy eo amin’ny fiainana. Fantatran-dRahavavy Kasimbe koa anefa fa tsy azy io vola io. Tapa-kevitra izy ny ho marin-toetra tanteraka sy feno fahitsiana na dia midika aza izany fa voatery handry fotsy. Izao no fitantarany ny zavatra niainany: “Rehefa tafody aho dia sarotra ny fiainana. Namoy ny vola azony ny reniko hiantohana ny fety hitsenana ahy. Roa andro taorian’ny nodiako dia ady sy tolona ny fahazoana sakafo hohanina, koa dia nivavaka aho mba hisian’ny fahagagana. Vao vita ilay vavaka dia nahatsapa aho fa tokony hijery ao anatin’ny valopy fandoavako fahafolonkarena, ary nahita 10 dôlara tao aho, izay fahagagana be ho an’ny fianakaviako”.

Momba ny vehivavy tahaka an-dRahavavy Kasimbe no nanamarihan’ny Filoha Nelson mpaminany malalantsika hoe: “Ireo vehivavy niova fo, mpitandrina fanekempihavanana . . . izay ny fiainany feno fahamarinana no maningana ao anatin’ny tontolo miharatsy ary izay ho hita araka izany ho hafa ary miavaka amin’ny fomba sambatra indrindra raha samy fomba”2.

Hoy ny Tompo: “Dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany” (Jaona 14:17). Ny hany takin’ny Tompo amintsika dia ny hitia Azy. Nasehony antsika ny raikipohy tsotra hananana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Nanambara ny Tompo hoe: “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Efa taloha be Rahavavy Kasimbe no nanapa-kevitra, fony izy vao niova fo, fa haneho ny fitiavany ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy. Ny soratra masina no loharanon-kery ho azy.

Zarain-dRahavavy Kasimbe ny zavatra niainany: “Nivoatra aho tao amin’ny filazantsara noho ny fandalinana ny soratra masina. Tsaroako, talohan’ny nandehanako nanompo, nomena antso aho ho mpitantsoratra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Tiako ny mandray antso, saingy tsikaritro taty aoriana fa tsy mora izany ho an’ny olona iray 19 taona izay vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Heniky ny fahoriako manokana aho, nefa tokony hanompo (hamangy sy hampianatra)—tsy mora tamiko izany. Tsaroako aho notendrena hamangy rahavavy iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izay vao avy namoy ny rahavaviny noho ny homamiadan’ny atidoha. Tena nijaly izy ary ory tokoa. Rehefa tafaraka taminy aho dia tsapako avy hatrany ny fahoriany. Tsapako tato an-tsaiko ny fitiavan’ Andriamanitra azy teo am-pizarako soratra masina mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ary koa hoe mandalo vetivety fotsiny ny fahafatesana. Afaka nifampizara soratra masina izahay ary nahatsapa fifaliana.”

Diniho ange ny nitarihan’ny Fanahin’ny Tompo an-dRahavavy Kasimbe teo amin’ny fiainany. Nampihatra finoana tsy voahozongozona ho an’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy Tompo izy. Marin-toetra izy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa. Nandalina ny soratra masina izy ary nizara izay zavatra nianarany tamin’izany tamin’ny reniny izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny reniny taty aoriana. Nahita vady mahatoky izy sady mpitandrina fanekempihavanana. Nofehezina tany amin’ny tempoly izy roa, ho amin’ity fiainana ity sy ho mandrakizay. Ankehitriny dia mpitambokin’ny tsatòka Atsimon’i Harare Zimbabwe i Rahalahy Clemence. Mihamafy orina izy ireo mbamin’ireo zanany noho ny fandalinana soratra masina isan’andro. Hoy Rahavavy Kasimbe: “Mampianatra an’ireo zanako aho ary tiako rehefa mihaino izy ireo mandritra ny fandalinana soratra masina ary koa rehefa mivavaka ho an’ny sakafo foana izy ireo isaky ny mivavaka”. 

Ny fanasana amim-panetretena arosoko, dia enga anie isika rehetra hisitraka ilay fanomezana sarobidy avy amin’ny Tompo be fitiavana, dia ny hanana ny Fanahiny miaraka amintsika. Izay “hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro [antsika] ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).