2022
Manao veloma an’ny Loholona Ciro Schmeil sy ny Rahavavy Alessandra Schmeil ny Vondromparitra Afrika Atsimo
Septambra 2022


Fanamarihana avy amin’ny mpamoaka lahatsoratra

Manao veloma an’ny Loholona Ciro Schmeil sy ny Rahavavy Alessandra Schmeil ny Vondromparitra Afrika Atsimo

Nanao veloma tamim-pankasitrahana an’ny Loholona Ciro Schmeil sy ny Rahavavy Alessandra Schmeil ny Vondromparitra Afrika Atsimo tamin’ny faran’ny volana mey.

Ny Loholona Schmeil dia nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy nanomboka tamin’ny nôvambra 2020 hatramin’ny mey 2022 ary notohanan’i Alessandra vadiny. Na dia teo aza ny famerana noho ny COVID, ny Loholona sy ny Rahavavy Schmeil dia nampianatra sy nitarika ary nampahery mpikambana maro tany amin’ny firenena maro tato amin’ny vondromparitra misy antsika.

Afaka nifandray manokana tamin’ireo olomasina ao Môzambika sy Angôlà izy ireo, izay nanana fiteny niraisana tamin’ireo olomasina ireo, dia ny fiteny pôrtogey. Iray tamin’ireo asa nampisahinanina an-dry Schmeil ny manara-maso ny asa fitoriana ny filazantsara tato amin’ny vondromparitra. Toa mety tokoa raha handeha hitarika ny Misiônan’i Orlando Floride izy mivady izao.

Maneho fisaorana eram-po ho azy ireo isika noho ny fanompoana nataony ary mirary soa ho azy ireo amin’ity antso vaovao mampientanentana ity.