2022
Avoty ireo izay malaindaina
Septambra 2022


Hafatra avy amin’ny mpitarika eo an-toerana

Avoty ireo izay malaindaina

Nitondra ohabolana anglisy tao an-tsaiko ny fieritreretana an’ity lohahevitra ity: Aleo vorona iray eo am-pelatanana toy izay roa any anaty kirihitr’ala. Amin’izany dia mazava ho azy fa tsy mikasa ny hampitovy ny mpikamban’ny fiangonana amin’ny vorona aho na hilaza fa ireo mpikambana izay tsy mandeha miangona matetika araka ny tokony hataon’izy ireo dia miaina any anaty kirihitr’ala Ny zavatra ivavahako ho antsika mpikambana mba ho marihintsika sy hianarantsika amin’io ohabolana io amin’ny sahan-kevitr’ity lohahevitra ity dia izao:

  • Tsara kokoa ho antsika amin’ny maha- mpikamban’ny fiangonan’ny Tompo antsika ny mifanampy amim-pahazotoana mba hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ary

  • Mitaky ezaka bebe kokoa ny fiverenana any am-piangonana aorian’ny fotoana tsy niangonana.

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia namaritra ny lalan’ny fanekempihavanana ho “ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.” Nanampy izy fa “Miditra eo amin’ilay lalana isika rehefa atao batisa ary avy eo. . . . Eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana . . . isika dia mandray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra mifandray amin’ny famonjena sy ny fisandratana.”1

Raha niresaka momba ny ilàna fiangonana ny Filoha Dallin H. Oaks dia nijoro ho vavolombelona “fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia naorina mba hampianatra ny fahafenoan’ny fotopampianarany ary hanatanterahana fotoam-bavaka miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronany entina hanatontosana ôrdônansy ilaina mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny mpikambana izay tsy miangona any am-piangonana . . . dia manasaraka ny tenan’izy ireo amin’ireo zavatra tena manan-danja ao amin’ny filazantsara: ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana, ny fahafenoan’ny fotopampianarana naverina amin’ny laoniny, ary ireo antony sy fahafahana tokony hampiharana izany fotopampianarana izany.”2

Ireo teny nindramina ireo dia mamaritra fitsipika fototra sasantsasany ao amin’ny filazantsara izay ilaintsika ho takatra mikasika ny antony maha-zava-dehibe ho antsika ny fandehanana any am-piangonana sy ny fifanampiana hanao izany. Ny fandehanana any am-piangonana dia manome fahafahana antsika hisitraka ireo ôrdônansy izay azo tanterahina noho i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany, ireo ôrdônansy izay manome antsika hery hiatrehana ireo fanamby amin’ity fiainana ity izay mampatahotra indraindray. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra antsika fa “amin’ny alalan’ireo ôrdônansy no ahafahana mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan[tsika].”3 Fantatsika fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ny Ray any An-danitra.4 Midika izany fa ny fandraisana ireo ôrdônansy sy ny fanaovana fanekempihavanana ary ny fitandremana izany dia manamafy ny fanampian’Andriamanitra ho antsika mba handresena ireo fanamby atrehintsika.

Mba hijanonana sy/na hiverenana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia ilaintsika ny mifanampy hahatakarana sy hiainana mifanaraka amin’ireo fitsipika ireo. Raha tsorina dia izany no antony maha-zava-dehibe ny fanompoana amim-pahombiazana eo amin’ny tsirairay. Ny fanompoana dia maneho ny fitiavantsika ny Tompo miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy mpiara-belona amintsika,5 sady miaina ireo didy roa lehibe.6 Izany dia amin’ny fontsika sy ny herintsika sy ny saintsika ary ny tanjatsika.7 Ny zavatra niainako manokana teo amin’ny fiainana ato amin’ny Fiangonana dia aseho tsara amin’ny tenin’ny Loholona Kevin S. Hamilton izay manohana ny fampanantenan’ny Tompo fa “ho tonga ireo fitahian’ny fananana fifaliana lehibe sy fiadanana noho ny fitsaohana mandritra ny . . . ny fivoriana atrehantsika ny Alahady.”8

Arakaraka ny hifanampiantsika hahatsiaro sy hanatratra ireo zavatra ireo no hahatsara kokoa ny tanjaka ara-panahy izay hananantsika “[hanoherana] ny fanafihana tsy mitsaha-mitombo sy mamohehatra ataon’ny fahavalo ary hanakanana ny ezaka ataony hanimbana tsikelikely ny fototra ara-panahy ananantsika manokana.”9 Amin’izany fomba izany isika dia hifanampy “hiditra amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary hijanona eo”10 araka izay namporisihan’ny Mpaminanintsika velona, ny Filoha Russell M. Nelson!

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana”, Liahona, Mey 2021, 116.

  2. Dallin H. Oaks, “Ny ilàna Fiangonana”, Liahona, Nôv. 2021, 25.

  3. Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy”, Liahona, Mey 2021, 103.

  4. Jereo ny Lioka 1:37.

  5. Jereo ny Matio 22:36–40.

  6. Jereo ny Matio 7:24–25, 2 Nefia 25:23, Môrônia 7:47–49, ary ireto teny manaraka ireto avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana (ataontsika) any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiaina(ntsika), ny fanambadia(ntsika) sy ny fianakavia(ntsika), ary ny fahafaha(ntsika) manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka”, Liahona, Aprily 2018, 7).

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2; Môrônia 10:32–33.

  8. Kevin S. Hamilton, “Continually Holding Fast”, Liahona, Nov. 2013, 100.

  9. Russell M. Nelson, “The Power of Spiritual Momentum”, Liahona, May 2022, 98.

  10. Russell M. Nelson, “The Power of Spiritual Momentum”, 98.