2022
Tonga tao Lesotho ireo misiônera
Septambra 2022


Ity volana ity teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana

Tonga tao Lesotho ireo misiônera

Niditra tao Lesotho tamin’ny 18 septambra 1989, i Marc Modersitzki sy Bradley Saunderson; izy ireo no misiônera tanora voalohany voatendry hampianatra ny filazantsara tao amin’io fanjakana kely rakotra tendrombohitra io. Niandrandra tamim-pientanentanana ny fahatongavan’izy ireo ny fianakaviana efa mpikambana anankitelo: ry Massey, Scott, ary Daffendol mianakavy. Nanangana vondrona ireo fianakaviana telo ireo, ka Rahalahy Massey no nitarika ilay vondrona. Samy tsindrindaona hanomboka ny asa fitoriana ny filazantsara niaraka tamin’ireo elders ny rehetra. Rehefa nifarana ny roa herinandro voalohany dia nanana fianakaviana 18 nampianarina ireo misiônera.

Noraketin’i Elder Saunderson tao amin’ny diariny hoe: “Tena mahatalanjona ahy ny asa goavana izay mety ho vitantsika ato amin’ity faritra ity: tena masaka be sahady ny ao an-tsaha.” Ny volana voalohany nanatonan’izy ireo ny olona tany amin’ny fonenany dia inefatra ihany izy ireo no nolavin’ny olona.

Rahavavy Scott, reny tao amin’ny iray amin’ireo fianakaviana nihaona tamin’ireo elders tamin’ny fahatongavan’izy ireo, dia tena faly be momba ny batisan’ilay olona voalohany niova fo hany ka naniry izy ny hanatontosana izany tao an-tranony. Tsy nanana dobo anefa ry Scott mianakavy ka dia nividy dobo tsotsotra azo nofenoina rano Rahalahy Scott. Ny olana hafa dia ny hoe tsy nahitana toerana tsy nitongilana tao amin’ny fonenan’izy ireo ka ampy hametrahana ilay dobo. Tsy nampihena ny hafalian’izy ireo izany. Niaraka tamin’ny fanampian’ny Rahalahy Lawrence Van Tonder, ny iray tamin’ireo olona anankiroa natao batisa tamin’io andro io, dia nandavaka ny tany tao an-tokotanin-dry Scott izy ireo.

Noho ny ezaka maro nataon’ireo mpikambana sy misiônera, dia misy mpikambana mihoatra ny 1.300 izao ao Lesotho.