Scripture Stories
Toko 11: Nalaina Fanahy i Jesoa


Toko 11

Nalaina Fanahy i Jesoa

Sary
Jesus goes into the wilderness to be with God - ch.11-1

Nandeha tany an-tany efitra i Jesoa mba hiaraka amin’Andriamanitra. Niresaka tamin’ny Ray any an-danitra ny Mpamonjy. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ny 40 andro satria nifady hanina.

Sary
Jesus is tempted by the devil to change rocks into bread - ch.11-2

Tonga naka fanahy an’i Jesoa ny devoly mba hisedra Azy raha toa ka Zanak’Andriamanitra marina Izy. Voalohany, nilaza tamin’i Jesoa izy mba hamadika vato vitsivitsy ho lasa mofo. Noana i Jesoa, kanefa fantany fa tsy tokony hampiasa ny heriny Izy raha tsy rehefa manampy olon-kafa ihany. Tsy nanao izay nolazain’ny devoly Izy.

Matio 4:2–4; Jesus the Christ, 128–29

Sary
Jesus is taken to a high place on the temple - ch.11-3

Avy eo dia nentin’ny Fanahy Masina teny an-tampon’ny tempoly Izy. Nalain’ny devoly fanahy fanindroany i Jesoa ka nilaza taminy ny devoly mba hianjera any ambany any. Nilaza ny devoly fa raha zanak’Andriamanitra i Jesoa, dia tsy hamela azy haratra ny anjely. Tsy nitsambikina i Jesoa. Fantany fa tsy mety ny hampiasa ilay heriny masina amin’izany fomba izany.

Sary
Jesus is taken to a high mountain - ch.11-4

Ary dia nentin’ny devoly teny amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa. Nasehony an’i Jesoa ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny. Nilaza tamin’i Jesoa ny devoly fa ho azony avokoa ireo rehetra ireo raha toa ka mankatò azy Izy. Nilaza i Jesoa fa ny Ray any an-danitra irery ihany no ho ankatoaviny. Noroahiny hiala teo anatrehany ny devoly. Nandao Azy ny devoly. Tonga nanompo an’i Jesoa Ireo anjely. Vonona hanomboka ny asany i Jesoa.