Scripture Stories
Toko 45: Ireo Farantsankelin’ilay Mpitondratena


Toko 45

Ireo Farantsankelin’ilay Mpitondratena

Sary
Jesus watches a rich man put much money into the treasury at the temple - ch.45-1

Nandeha tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesoa. Nijery ireo olona manome vola ho an’ny fiangonana Izy. Maro ireo mpanan-karena nanome vola be.

Sary
Jesus watches as a widow puts two mites into the treasury - ch.45-2

Nisy mpitondratena mahantra iray nanome farantsakely roa. Tsy dia vola be izany, fa izay no vola rehetra nananany.

Sary
Jesus tells His disciples about the widow - ch.45-3

Hitan’i Jesoa ilay mpitondra tena ary nilaza tamin’ny mpianany ny zavatra nataony Izy.

Sary
Jesus tells His disciples about the rich men. A rich man is counting his money. - ch.45-4

Nilaza Izy fa ireo mpanan-karena ireo dia nanome vola mihoatra lavitra noho ny narotsany, kanefa mbola tokony hanome bebe kokoa izy ireo.

Sary
Jesus tells His disciples that the widow gave more than the rich man - ch.45-5

Tsy nanam-bola intsony ilay mpitondratena. Nomeny daholo izay rehetra nananany. Nanome betsaka kokoa an’Andriamanitra izy noho ireo mpanan-karena ireo.