Scripture Stories
Toko 39: Nampahiratra Lehilahy Jamba Iray i Jesoa


Toko 39

Nampahiratra Lehilahy Jamba Iray i Jesoa

Sary
The disciples ask Jesus if a certain man is blind because he sinned or his parents sinned - ch.34-1

Indray andro i Jesoa dia niaraka nandehandeha tamin’ny mpianany. Nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny izy ireo. Nanontany Azy ny mpianany raha toa ka jamba noho ny fahotany izy na noho ny fahotan’ny ray aman-dreniny.

Sary
Jesus tells the disciples that the man was blind so that He could heal him and the people could see God's power - ch.34-2

Nilaza ny Mpamonjy fa tsy nisy nanota na izy na ny ray aman-dreniny. Jamba ilay lehilahy mba hahafahan’i Jesoa manasitrana azy ary hanehoana amin’ny olona ny voninahitr’Andriamanitra.

Sary
Jesus puts mud on the man's eyes and tells him to wash his eyes - ch.34-3

Nanao feta tamin’ny rora i Jesoa. Nahosony ny mason’ilay lehilahy jamba izany. Nirahin’i Jesoa ilay lehilahy mba hanasa ny masony.

Sary
The man washes the mud from his eyes and can see - ch.34-4

Vantany vao voasasa izany feta tamin’ny masony izany, dia afaka nahita izy!

Sary
The man tells the people that Jesus healed him - ch.34-5

Rehefa nahita azy ny mpiray tanàna taminy dia tsy nahafantatra tsara hoe iza izy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa i Jesoa no nanasitrana azy. Nentin’ireo mpiray tanàna tany amin’ireo Fariseo izy. Nolazain’ilay lehilahy tamin’ny Fariseo fa i Jesoa no nanasitrana azy.

Sary
The man tells the Pharisees that Jesus healed him and they are angry - ch.34-6

Ny sasany tamin’ireo Fariseo dia nieritreritra fa olo-marina i Jesoa. Ny sasany dia nieritreritra fa mpanota Izy. Rehefa nilaza ilay lehilahy fa olo-marina i Jesoa, dia tezitra ny sasany tamin’ireo Fariseo ka nandroaka azy.

Sary
The man worships Jesus after Jesus tells him that He is the Son of God - ch.34-7

Hitan’i Jesoa ilay lehilahy. Nanontaniany ilay lehilahy raha toa ka mino ny zanak’Andriamanitra izy. Dia nanontany ilay lehilahy hoe iza moa ilay zanak’Andriamanitra. Nolazain’i Jesoa fa Izy no zanak’Andriamanitra, ary dia nitsaoka Azy ilay Lehilahy.