Scripture Stories
Toko 2: I Maria sy ilay Anjely


Toko 2

I Maria sy ilay Anjely

Sary
Mary and Joseph in Nazareth - ch.2-1

Nonina tao Nazareta i Josefa sy i Maria. Olona tsara toetra izy ireo. Nifankatia izy ireo ary nikasa ny hivady.

Sary
The angel Gabriel appearing to Mary - ch.2-1

Indray andro dia tonga teo amin’i Maria ny anjely Gabriela. Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa homen’Andriamanitra fahasoavana izy.

Sary
The angel Gabriel talking to Mary - ch.2-3

Nilaza tamin’i Maria i Gabriela fa ho renin’ny Zanak’Andriamanitra izy. Ny anarany dia antsoina hoe Jesoa, ary ho Mpanjakan’ny olo-marina rehetra Izy.

Sary
The angel Gabriel talking to Mary - ch.2-4

Nilaza i Maria fa hankatò ny Ray any an-danitra izy ary ho renin’i Jesoa.