Scripture Stories
Toko 54: Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa


Toko 54

Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa

Sary
Two angels roll the stone away from Jesus' tomb - ch.54-1

Nijanona tao am-pasana hatramin’ny Alahady maraina ny vatan’ny Mpamonjy. Avy eo dia nisy anjely roa tonga nanakodiadia ilay vato hiala teo amin’ny fasana.

Sary
Mary Magdalene visits the tomb - ch.54-2

Nisy vehivavy iray izay nositranin’i Jesoa antsoina hoe Maria Magdalena nandeha tany amin’ilay fasana. Gaga izy nahita fa nisy nanakodia ilay vato. Tsy tao anaty fasana intsony ny vatan’i Jesoa.

Sary
Mary Magdalene tells Peter and John that the Savior's body is gone - ch.54-3

Lasa nihazakazaka niteny tamin’i Petera sy i Jaona izy fa nisy olona nangalatra ny vatan’ny Mpamonjy. Tsy fantany izay misy izany.

Sary
Peter and John look in the tomb and see that Jesus is not there - ch.54-4

Nihazakazaka nankany amin’ny fasana i Petera sy i Jaona. Hitan’izy ireo ny akanjo izay nandevenana an’i Jesoa, kanefa dia tsy tao ny vatan’i Jesoa. Tsy hitan’i Petera sy i Jaona izay atao. Nandeha nody izy ireo.

Sary
Two angels are in the tomb - ch.54-5

Nijanona teo amin’ny fasana nitomany i Maria Magdalena. Rehefa nijery tao anatin’ilay fasana indray izy, dia nahita anjely roa.

Sary
Mary Magdalene is crying - ch.54-6

Nanontany ny antony hitomanian’i Maria izy ireo. Nilaza izy fa nisy olona nangalatra ny vatan’i Jesoa. Tsy fantany ny misy izany.

Sary
The Savior appears to Mary but she doesn't recognize Him - ch.54-7

Nitodika izy ary nahita olona iray. Nataony fa ny mpiandry saha izany. Nanontany ny antony hitomaniany izy. Nanontany izy raha mba fantany ny misy ny vatan’i Jesoa.

Sary
Jesus calls Mary by name and she recognizes Him - ch.54-8

Hoy ilay lehilahy taminy: “Ry Maria,” ary dia fantany fa i Jesoa Izy. Nangataka azy Izy mba hilaza amin’ny Apôstôly fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy.

Sary
Mary Magdalene and the other women tell the Apostles that Jesus is resurrected - ch.54-9

Nilaza tamin’ireo Apôstôly i Maria Magdalena sy ireo vehivavy hafa fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Tamin’ny voalohany dia tsy nino azy ireo ny Apôstôly.

Sary
Jesus appears to the Apostles - ch.54-10

Taty aoriana, raha mbola nifampiresaka ireo Apôstôly dia tonga tao amin’ny efitrano i Jesoa. Natahotra ireo Apôstôly. Mbola nieritreritra izy ireo fa maty Izy.

Sary
Jesus shows the Apostles the wounds in His hands and feet - ch.54-11

Nasain’ny Mpamonjy nikasika ny tanany sy ny tongony izy ireo. Nitsangana tamin’ny maty Izy—nitambatra indray ny vatany sy ny fanahiny.

Sary
Jesus eats fish and honey with the Apostles - ch.54-12

Faly ireo Apôstôly nahita Azy. Nangataka sakafo tamin’izy ireo Izy. Nomen’izy ireo trondro sy tantely Izy. Nihinana izany Izy.

Sary
Other people are resurrected and appear to the living - ch.54-13

I Jesoa Kristy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany. Maro ireo hafa nitsangana tamin’ny maty avy eo ary hitan’ireo olona niaina tao Jerosalema. Nilaza i Jesoa hoe: “Izaho no fananganana amin’ny maty, sy fiainana.” Satria nandresy ny fahafatesana Izy, dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra.