Scripture Stories
Toko 43: Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny Maty i Jesoa


Toko 43

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny Maty i Jesoa

Sary
Jesus visits Lazarus and his sisters, Mary and Martha - ch.43-1

Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Lazarosy nipetraka tany Betania niaraka tamin’ny anabaviny Maria sy Marta. Tian’i Jesoa tokoa i Lazarosy sy ireo anabaviny, ary izy ireo koa dia tia an’i Jesoa.

Sary
Lazarus becomes very sick while the Savior is in another town - ch.43-2

Narary mafy i Lazarosy. Tany amin’ny tanàna hafa i Jesoa. Nandefa hafatra ho an’i Jesoa i Maria sy Marta izay nilaza fa marary i Lazarosy.

Sary
The Savior asks His disciples to go with Him to help Lazarus - ch.43-3

Nangataka an’ireo mpianany ny Mpamonjy mba hiaraka Aminy hanampy an’i Lazarosy. Natahotra ny handeha ho any Betania ireo mpianany. Akaikin’i Jerosalema izany. Nisy olona sasany tao Jerosalema izay te-hamono an’i Jesoa.

Sary
Jesus tells His disciples that Lazarus is dead, but He will bring him back to life - ch.43-4

Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa fa maty i Lazarosy. Nilaza Izy fa hovelominy indray i Lazarosy. Izany fahagagana izany dia hanampy ireo mpianany hahafantatra fa Izy no Mpamonjy. Nandeha tany Betania i Jesoa. Rehefa tonga tany Izy, dia efa hefarana no nahafatesan’i Lazarosy.

Sary
Martha tells Jesus that Lazarus would not have died if He had been there - ch.43-5

Nilaza tamin’i Jesoa i Marta fa mbola tokony ho velona i Lazarosy raha tonga aloha kely i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa ho velona indray i Lazarosy. Nanontany an’i Marta Izy raha toa ka mino Azy izy. Nanaiky i Marta. Fantany fa i Jesoa no Mpamonjy.

Sary
Mary kneels at Jesus' feet crying - ch.43-6

Nandeha niantso an’i Maria rahavaviny i Marta. Dia nandeha nihaona tamin’i Jesoa koa i Maria. Maro ireo olona nanaraka azy. Nandohalika teo an-tongotry ny Mpamonjy i Maria, ary nitomany. Nitomany ihany koa ireo olona niaraka taminy. Nanontanian’i Jesoa izay nisy ny vatan’i Lazarosy.

Sary
Jesus tells the people to move the stone in front of the place where Lazarus is buried - ch.43-7

Nandeha tany amin’ny fasana nandevenana an’i Lazarosy i Jesoa. Nisy vato narindrina teo anoloan’izany. Nasainy nesorin’ny vahoaka ilay vato.

Sary
Jesus prays to Heavenly Father - ch.43-8

Nitraka i Jesoa. Nisaotra ny Ray any an-danitra Izy tamin’ny fihainoana ny vavaka nataony.

Sary
Jesus commands Lazarus to come forth - ch.43-9

Ary dia tamin’ny feo mahery, no nilazan’i Jesoa an’i Lazarosy mba hivoaka. Nivoaka avy tao i Lazarosy. Maro tamin’ireo olona izay nahita izany fahagagana izany no nino fa i Jesoa no Mpamonjy.