Scripture Stories
Toko 47: Ireo Virijiny Folo


Toko 47

Ireo Virijiny Folo

Sary
Ten virgins wait at the door for the bridegroom - ch.47-1

Nitantara tantara momba ireo virijiny folo nandeha tany amin’ny fanambadiana iray i Jesoa. Niandry ilay mpampakatra ho tonga izy ireo ary hampandroso azy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ny fotoana hahatongavany.

Sary
The wise virgins have extra oil for their lamps - ch.47-2

Nanana fanala mirehitra amin’ny solika ireo vehivavy folo ireo. Ny dimy tamin’ireo vehivavy ireo dia hendry. Nanana solika tao anatin’ny fitondrany izy ireo.

Sary
The foolish virgins had only the oil in their lamps - A woman stands looking at a lamp she holds in her hands - ch.47-3

Ny vehivavy dimy hafa kosa dia adala. Tsy nanana solika afa-tsy izay tao amin’ny fanilon’izy ireo ihany izy ireo.

Sary
The five wise virgins put extra oil in their lamps while the five foolish go to find more oil - ch.47-4

Naharitra ela ny mpampakatra. Lany ny solika tao amin’ny fanala. Ireo vehivavy dimy hendry dia mbola nanana solika hatao ao anatin’ny fanilon’izy ireo. Ireo dimy adala kosa dia tsy maintsy nandeha nividy menaka fanampiny.

Sary
The bridgroom comes and the five wise virgins go into the feast - ch.47-5

Rehefa lasa izy ireo, dia tonga ny mpampakatra. Navelany hiditra tao amin’ny fampakaram-bady ireo vehivavy dimy hendry.

Sary
The five foolish virgins knock on the door - ch.47-6

Rehefa tafaverina ireo vehivavy dimy adala, dia efa nihidy ny varavarana. Tsy afaka niditra tany amin’ilay fampakaram-bady izy ireo.

Sary
Jesus Christ comes again and the righteous members are ready, but other members, like the foolish virgins, are not - ch.47-7

I Jesoa dia toy ilay mpampakatra ao amin’ny tantara. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tahaka ireo vehivavy folo. Rehefa tonga indray i Jesoa, dia ho vonona ny sasany amin’ireo mpikambana. Efa nanaja ny didin’Andriamanitra izy ireo. Ny sasany dia mbola tsy ho vonona. Tsy ho afaka ny hiaraka amin’ny Mpamonjy izy ireo rehefa tonga indray Izy.