Scripture Stories
Toko 27: Manao ny Asan’ny Rainy ety An-tany


Toko 27

Manao ny Asan’ny Rainy ety An-tany

Sary
The Savior goes to the Pool of Bethesda - ch.27-1

Tamin’ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia nandeha tany amin’ny farihy iray tao Jerosalema nantsoina hoe Betesda ny Mpamonjy. Nieritreritra ny olona fa rehefa mihetsika ny rano ao amin’ilay farihy, dia izay olona voalohany mirotsaka ao anatin’ilay rano dia sitrana.

Sary
Jesus talks with a crippled man - ch.27-2

Nahita lehilahy iray teo akaikin’ilay farihy izay tsy afaka nandeha nandritra ny 38 taona i Jesoa. Sabata ny andro tamin’izay. Nanontanian’i Jesoa raha te-ho sitrana ilay lehilahy. Namaly ilay lehilahy fa tsy afaka ny ho sitrana izy satria tsy afaka ny ho tafiditra voalohany velively ao anatin’ilay rano.

Sary
Although it was the Sabbath day the Savior healed the man -ch.27-3

Hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy, “Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.” Sitrana avy hatrany ilay lehilahy.

Sary
The Jews say it is unlawful to do miracles on the Sabbath - ch.27-4

Maro ireo Jiosy no nino fa fahotana ny manao fahagagana amin’ny andro Sabata. Te-hamono an’i Jesoa izy ireo.

Sary
Jesus tells the Jews that He is doing the work of His Father - ch.27-5

Namaly i Jesoa fa tsy nanao afa-tsy izay tian’ny Rainy hataony amin’ny Sabata fotsiny Izy.