Antso ao amin’ny misiôna
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Torio ny Filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Torio ny filazantsarako

Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry misiônera namana malala:

Miarahaba anao izahay noho ny fahafafana lehibe anananao ho misiônera ho an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy misy asa maha-te-hanao na manan-danja kokoa noho ny fanangonana an’i Isiraely.

Ny Torio ny Filazantsarako dia natao hanampiana anao ho misiônera tsara omana sy matotra ara-panahy kokoa. Natao ihany koa izany mba hanampiana anao ho tonga mpampianatra mahomby kokoa. Mamporisika anao izahay mba hampiasa izany ao amin’ny fandalinanao manokana sy ny fandalinan’ny mpiara-mitory. Mamporisika anao ihany koa izahay mba hampiasa izany ao amin’ireo fivoriana filankevitry ny distrika na ireo fihaonamben’ny faritra. Halalino ireo soratra masina hanovozan-kevitra ary ianaro ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

Manasa anao izahay hisondrotra amin’ny fanolorantena vaovao mba hanampy ny Ray any An-danitra amin’ny asany be voninahitra. Manana anjara asa manan-danja amin’ny fanampiana ny Ray any An-danitra amin’ny asany mba “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39) ny misiônera tsirairay.

Hitahy anao ny Tompo rehefa manolotra ny tenanao amim-panetrentena mba hanompo Azy ianao. Enga anie ianao hahita fifaliana sy fahasambarana rehefa miasa eo anivon’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Ny Fiadidiana Voalohany.