Antso ao amin’ny misiôna
Toko 9: Mitady olona hampianarina


“Toko 9: Mitady olona hampianarina,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 9,” Torio ny filazantsarako

Sary
Ilay Mpiandry Tsara, nataon’i Del Parson

Toko 9

Mitady olona hampianarina

Diniho ity

  • Ahoana no ahafahako mampihatra finoana an’i Kristy mba hahita olona hampianarina?

  • Ahoana no ahafahantsika manitatra ny fomba fijerintsika sy manatsara ireo drafitra ataontsika amin’ny fitadiavana olona hampianarina?

  • Ahoana no hampitomboako ny fahaizako sy ny fahatokian-tenako miresaka amin’ireo olona mihaona amiko isan’andro?

  • Ahoana no ahafahantsika miray hina amin’ireo mpikambana amin’ny fizarana ny filazantsara?

  • Inona no tokony hataontsika rehefa mahazo olona natolotra isika?

  • Inona ireo hevitra sasany momba ny fitadiavana olona hampianarina izay mbola tsy nandramantsika?

Hoy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ireo mpianany hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19; jereo ihany koa ny Marka 16:15). Naverin’ny Tompo amin’izao androntsika izao io asa anirahana io, ka nilaza Izy hoe: “Mandehana ianareo eran’izao tontolo izao, [ary torio] ny filazantsara,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:8; jereo koa ny 50:14).

Ny asa fitoriana ny filazantsara dia fitadiavana olona, sy fampianarana azy ireo, ary fanampiana azy ireo ho vonona hatao batisa. Hahatanteraka ny iraka nampanaovin’ny Tompo mba hampianatra ny filazantsarany sy hanao batisa olona niova fo ianao rehefa “[hitanao] ireo izay handray [anao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:8). Tsy misy na inona na inona hitranga amin’ny asa fitoriana ny filazantsara raha tsy mahita olona hampianarina ianao. Mitadiava foana fotoana azo araraotina mba hampahafantarana ny filazantsara. Ianaro ny fampiasana ireo fomba izay mahomby ao amin’ny faritra iasanao.

Tena zava-dehibe manokana ny miara-miasa amin’ny mpikambana mba hitady olona. Miasà mafy mba hatokian’izy ireo anareo. Rehefa matoky ny misiônera ny mpikambana dia azo inoana fa hanasa ny namany sy ny fianakaviany mba hihaona aminareo izy ireo. Azo inoana fa ireo olona ireo dia hiova fo ho an’ny Tompo, hatao batisa, ary handroso eo amin’ny lalan’ny filazantsara.

Ny fahitana olona hampianarina dia hitranga arakaraka ny fahavononan’ny olona hihaino ny filazantsara. Ny fotoana dia tsy mitovy ho an’ny olona tsirairay. Mety ho vokatry ny fifandraisana voalohany ilay fahitana olona hampianarina, na avy amin’ny fifandraisana maro nandritra ny fotoana naharitra. Maro ny olona izay efa nifandray imbetsaka tamin’ny misiônera na ny mpikamban’ny Fiangonana vao nanomboka nanao fandalinana lalina momba ny filazantsara. Aza misalasala mamerina mifandray amin’izy ireny.

Mety aorian’ny namindrana faritra anao na nahavitanao ny asa fitorianao ny filazantsara mihitsy aza ny ezaka ataonao hahitana olona vao hisy vokatra. Na manao ahoana na manao ahoana ny fotoana hitrangany na ny vokany, dia feno fankasitrahana noho ny ezaka ataonao ny Tompo.

Ity toko ity dia manoritsoritra fitsipika sy hevitra mba hanampiana anao hitady olona. Ireo fitsipika ireo dia iraisan’ny rehetra. Saingy mety mila mampifanaraka azy ireo amin’ny toe-javatra misy azy ireo anefa ny misiônera sy ny mpitarika eo anivon’ny misiôna.

Mampihara finoana mba hahitana olona hampianarina

Na aiza na aiza anompoanao, dia niantso anao hiasa “ho famonjena ireo olona” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:4). Mba hanaovana izany dia mila mampihatra finoana an’i Kristy mba hahita olona hampianarina ianao mba hahafahan’izy ireo misafidy ny hanara-dia Azy sy hatao batisa.

Ny finoana dia fitsipika mifono asa syhery. Manàna finoana fa ny Tompo dia manomana olona handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Manàna fahatokian-tena ombam-paharetana fa hitarika anao ho any amin’izy ireo Izy, na hitarika azy ireo ho any aminao Izy. Mandraisa andraikitra eo anatrehan’ny finoanao amin’ny alalan’ny fametrahana tanjona, ny famolavolana drafitra, ary ny fanatanterahana ireo drafitrao mba hahita olona hampianarina (jereo ny toko 8).

Sary
misiônera mivavaka

Mivavaha amim-pinoana rehefa mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra mba hahita olona hampianarina ianao. Rehefa nitarika asa fitoriana ny filazantsara teo anivon’ny Zôramita i Almà, dia nivavaka toy izao izy: “Tompo ô, hotovinao aminy anie ny hahazoanay fahombiazana amin’ny fitondrana azy ireo indray hankany Aminao ao amin’i Kristy. Indro, Tompo ô, sarobidy ny fanahiny … ; noho izany, omeo anay Tompo ô, ny fahefana sy ny fahendrena mba hahazoanay mitondra [azy ireo] hankany Aminao.” (Almà 31:34–35).

Ny olona izay mihaona aminao matetika dia tsy mahafantatra fa izy ireo anie ka mitady ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny raha tsy rehefa nahita izany izy ireo. Ohatra, nilaza ny olona niova fo iray hoe, “Rehefa naheno ny filazantsara aho dia nameno lavaka iray tao amin’ny foko izay tsy fantatro hoe tao izany.” Nisy anankiray hafa niteny hoe, “Nahavita ny fikarohana izay tsy fantatro akory hoe nataoko aho.” Ny hafa kosa dia mitady mafy ny fahamarinana saingy tsy fantany hoe aiza no ahitana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12).

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mitady olona hampianarina ianao. Ny fitadiavana amin’ny alalan’ny Fanahy dia manan-danja tahaka ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ihany. Manàna finoana fa hahafantatra ny fomba hahitana ireo izay handray anao ianao.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Mety misy mpikambana ao amin’ny faritra iasanareo izay olona niova fo lasa mpikamban’ny Fiangonana. Anontanio azy ireo ny fomba nahafantarany ny Fiangonana. Ny valinteny omen’izy ireo dia mety hanome hevi-baovao anareo ny amin’ny fomba hitadiavana olona. Anontanio azy ireo koa ny fomba nahafantaran’izy ireo fa ny zavatra ampianarin’ny misiônera dia marina. Fintino ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra niainan’izy ireo.

Fandalinana ny soratra masina

Ahoana no fomba nanomanana ireo zanak’ Andriamanitra sy nitarihana azy ireo ho any amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?

Itaro ny vinanao momba ny drafitra fitadiavana olona

Rehefa mikatsaka ny hitady olona hampianarina ianao, dia aoka hahafantatra ny tsy mampitovy ny mandamina fotoana sy ny manao drafitra. Ny hoe mandamina fotoana dia famenoana ny karine fandaminam-potoananao sy ny andronao. Ny hoe manao drafitra kosa dia ezaka atao ombam-bavaka sy miaraka amin’ny tanjona ny hifantoka amina olona sy ny fomba tsara indrindra hahitana azy ireo.

Ny fanaovana ilay asa tena tokony hatao, izay hatao amin’ny fotoana sy ny toerana tokony hanaovana azy, dia afaka manampy anao hahita olona hampianarina Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Aiza no mety hahitantsika olona efa voaoman’ny Tompo?

  • Inona avy ireo fomba fiasa sy karazana asa tsara indrindra mba hahitana olona amina fotoana voafaritra tsara mandritra ny tontolo andro na ny herinandro?

  • Ahoana ahafahantsika maneho fitiavana na manompo azy ireo, na ahafahantsika mampisy lanja ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana izao?

  • Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny tanjatsika sy ny fahaiza-manaontsika ary ny talentantsika manokana mba hampaherezana azy ireo?

  • Inona no drafitra solony azontsika ampiasaina raha toa ka tsy mandeha araka ny nandaminana azy ny zavatra iray?

Miezaha mamantatra fomba hanomanan’ny Tompo olona. Moa ve izy ireo vonona ny hiresaka aminao? Mitady fanampiana ve izy ireo, sa fampiononana?

Eritrereto ireo ezaka amin’ny fitadiavana olona izay efa nahitam-pahombiazana. Taiza ilay fifandraisana voalohany? Moa ve nandraisan’ny mpikambana eo an-toerana anjara ireo ezaka? Nampiasa teknôlôjia ve?

Atombohy amin’ny fifantohana amin’ny fomba ahafahanao mitahy olona ny drafitrao, ary dia haka endrika ho azy ny fandaharam-potoanao avy eo.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Ampiasao miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ilay tabilao etsy ambany mba hanombanana ny ezaka ataonareo amin’ny fitadiavana olona hampianarina. Hevero ny hanandrana hevitra izay vaovao aminareo.

Ezaka atao amin’ny fitadiavana olona

Indraindray

Matetika

Saika atao foana

Lasa mahafantatra kokoa ny mpikambana isika ary manohana azy ireo amin’ny ezaka ataony amin’ny fizarana ny filazantsara, tafiditra ao anatin’izany ireo mpikambana vaovao, ny zatovo, ireo izay eo am-piomanana hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, ireo misiônera efa tafaverina, ireo fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambana, ary ireo lehilahy azo aroso ho loholona.

Miasa isika mba hahazo ny fitokisan’ny mpikambana mba hampahazo aina azy ireo amin’ny fanasana ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany hihaona amintsika.

Miara-miasa amin’ny mpitarika ao amin’ny paroasy isika mandritra ireo fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro mba hanohanana ny ezaka atao amin’ny fitadiavana olona sy ny famantarana raha toa ka misy olona tokony hifandraisana.

Miara-miasa amin’ny olona ampianarina amin’izao fotoana izao isika, ireo olona efa nampianarina, ary ireo olona natolotra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, mba hitadiavana olona.

Miresaka amin’ny olona betsaka araka izay azontsika atao isika isan’andro.

Miomana ara-panahy isika ary mivavaka mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra rehefa manao drafitra hahitana olona hampianarina.

Mino isika fa ny Tompo dia manomana olona hampianarina ho antsika.

Mandinika ny fomba hanampiana ireo olona izay mihaona amintsika mba hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika.

Mametraka tanjona voafaritra tsara amin’ny fitadiavana olona ho an’ny herinandro iray sy ny andro iray isika (jereo ny toko 8).

Mitady olona hampianarina tsy tapaka isika.

Mampiasa ny fahaizantsika mamorona isika ary mampiasa fomba isan-karazany hitadiavana olona. Manandrana fomba vaovao isika ary misoroka ny fanaovana zavatra mitovy foana.

Manao drafitra mazava tsara amin’ny fitadiavana olona isika. Manomana ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba hifantohantsika isika.

Mandinika izay toerana tsara indrindra sy ny fotoana tsara indrindra mandritra ny tontolo andro mba hahitana olona hampianarina isika.

Mandinika ireo asa fitadiavana olona nahomby tany aloha isika.

Amboarintsika araka izay ilana azy ilay drafitra fitadiavantsika olona, ary manao drafitra solony isika rehefa tsy mizotra araka ny nantenaina ireo zavatra efa voalamina.

Mampiasa ny appli Torio ny filazantsarako isika mba hitadiavana olona, hametrahana tanjona sy hamolavolana drafitra, ary hijerena sy hanavaozana ireo firaketantsika isan’andro.

Mampiasa ny talenta sy tanjaka ananantsika manokana isika mba hahitana olona.

Manomba ny fotoana sy ny fomba hampiasana ny tambajotran-tserasera sy ny teknôlôjia hafa mba hitadiavana olona isika.

Mampiasa ireo hetsika fampahafantarana ny filazantsara amin’ny alalan’ny haino vaky jery sy ireo tolotra eo an-toerana izay mifandray amin’ny zavatra mahaliana sy ilain’ny olona ao amin’ny faritra iasantsika isika.

Mamaly haingana ireo fangatahana sy hafatra an-jotra avy amin’ny olona mety ho liana isika.

Manao drafitra mialoha momba ny zavatra havoakantsika amin’ny tambajotran-tserasera isika ary miara-miasa amin’ny mpikambana mba hahita olona amin’ny alalan’ny internet.

Aoka ianao hanana zotom-po amin’ny fitadiavana olona

Ataovy toy ny ezaka atao tsy tapaka ny mitady olona

Tany am-piandohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, ny Tompo dia namerimberina nanome toromarika andiana rahalahy mba hampianatra ny filazantsarany “eny an-dalana” rehefa manao dia izy ireo. Tiany ny hampiasan’izy ireo izay fahafahana azo araraotina rehetra mba hizarana ny filazantsara. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9–10, 22–23, 25–27.)

Ampiharo amin’ny fitadiavanao olona izany torolalana izany. Manaova ezaka amin’ny zotom-po mba hitady olona mandritra ny andro manontolo. Manaova drafitra mikasika ny ezaka ataonao eo amin’ny fitadiavana olona ary jereo koa anefa ireo fahafahana azo araraotina izay tsy tao anatin’ny drafitra. Ilaina foana ny fitadiavana olona vaovao hampianarina.

Mikatsaha fanentanam-panahy ary aoka ianao hampiasa fomba fiasa isan-karazany. Mifantoha amin’ireo fomba fiasa izay mahomby indrindra ao amin’ny faritra misy anao.

Sary
I Kristy miantso an’i Petera sy i Andrea, nataon’i James Taylor Harwood

Avelao ao anaty rano ny tadim-pintana

Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks mikasika ny asa ataon’ny misiônera hoe:

“Tsy tokony hisy amintsika hitovy amin’ilay mpanjono izay mihevitra fa efa nanjono nandritra ny andro manontolo izy, kanefa raha ny marina ny nandaniany ny fotoany dia ny fivezivezena niditra sy nivoaka ny rano fotsiny, sy ny fihinanana ny sakafo antoandro, ary nisomebiseby tamin’ny fitaovany. Ny fahombiazana amin’ny fanjonoana dia miankina amin’ny halavan’ny fotoana hijanonan’ny tadim-pintanao ao anaty rano, fa tsy ny halavan’ny fotoana nandaozanao ny toeram-ponenanao. Ny mpanjono sasany dia mandao ny tranony mandritra ny adiny roa ambin’ny folo ary mametraka ny tadim-pintany ao anaty rano mandritra ny adiny folo. Ny mpanjono hafa kosa dia mandao ny tranony mandritra ny adiny roa ambin’ny folo saingy mametraka ny tadim-pintany ao anaty rano mandritra ny adiny roa fotsiny. Ity farany ity dia mety hanontany tena hoe nahoana izy ireo no tsy mahita fahombiazana mitovy amin’ny hafa.

“Io fitsipika io koa dia miantefa amin’ireo misiônera, izay antsoin’ilay Mpampianatra hoe ─mpanarato olona─ [Matio 4:19]. Ny tadim-pintan’ny misiônera dia tokony hiroboka ao anatin’ny rano fanjonoana amin’ny fotoana izay hivoahany ao amin’ny toeram-ponenana” (seminera ho an’ireo filohan’ny misiôna vaovao, 20 jona 2000).

Sary
hazom-pintana fanjonoana maro

Namelabelatra misimisy kokoa io fampitahana io ny Loholona Quentin L. Cook. Ankoatra ny famelana ny “tadim-pintanao ho ao anaty rano” mandritra ny fotoana ela, dia nampianatra izy fa ireo olona izay mahita olona “tsy tapaka dia mamela tadim-pintana maro ao anaty rano. …

“Mamantatra ireo fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambanaizy ireo, ary mifandray amin’ireo izy ireo.

“Karohin’izy ireo ao amin’ny [appli Torio ny filazantsarako] ireo olona izay efa nampianarina taloha mba hantsoina amin’ny telefaonina sy handefasana hafatra.

“Manolotra asa fanompoana ho an’ny mpikambana izy ireo, ho an’ireo olona izay efa nampianarina taloha, sy ireo olona ampianarina amin’izao fotoana izao, ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. …

“Manampy ny mpikambana izy ireo hamorona hafatry ny filazantsara mba ho zarainy manokana … ao amin’ireo sehatry ny tambajotran-tserasera.

“Mahazo olona atolotra avy amin’ny olona tsidihiny sy ampianariny izy ireo” (“Be Spiritual Pathfinders and Influencers,” fampaherezam-panahy ho an’ny misiônera, 10 sept. 2020; nampiana fanamafisana).

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fomba fiasa sasantsasany ahafahanareo mamela ny “tadim-pintanareo ho ao anaty rano” elaela kokoa mandritra ny tontolo andro?

  • Inona avy ireo fomba fiasa sasantsasany ahafahanareo mamela tadim-pintana maro ao anaty rano rehefa mitady olona hampianarina ianareo?

  • Endri-pampiasana inona ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako no afaka manampy anareo?

  • Ahoana no ahafahanareo mampiasa ny teknôlôjia mba hanampiana anareo hanana tadim-pintana maro ao anaty rano?

Miresaha amin’ny olona rehetra

Ampitomboy ny faniriana lalina hitondra fanahy ho ao amin’i Kristy (jereo ny Môzià 28:3). Rehefa mahatsapa izany faniriana izany ianao dia ho hita taratra eo amin’ny ezaka ataonao mba hitady olona ny fitiavanao sy ny fiahianao. Ho hita taratra eo amin’ny fifampiresahana ataonao ihany koa ny fitiavanao.

Miresaha amin’ny olona maro araka izay azonao atao isan’andro. Resaho izy ireo na aiza na aiza misy anao. Rehefa azo atao dia mandehana mitety trano. Nanoro lalana ireo loholona voalohandohany tato amin’ny Fiangonana ny Tompo ny mba “[hanokatra] ny vavanao hanambara ny filazantsarako.” Nampanantena Izy fa “hofenoina” amin’izay zavatra tokony hampianarina ny vavan’izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5; jereo koa ny 33:7–10).

Torak’izany koa, ny Tompo dia nilaza tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon hoe: “Asandrato amin’ity vahoaka ity ny feonareo; teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo.” Nampanantena Izy avy eo hoe, “Ary homena anareo … amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–6).

Rehefa mihaona amin’olona ianao dia hahatsapa matetika ny Fanahy hanampy anao hahafantatra ny zavatra holazaina. Raha toa ka tsy mahatsapa bitsika anefa ianao dia atombohy amin’ny zavatra hafa izany. Mety hoe mametraka fanontaniana ary mihaino ny valiny homen’izy ireo (jereo ny “Mitady ny olona any amin’izay misy azy ireo” ato amin’ity toko ity). Na koa, miresaha momba an’i Jesoa Kristy Tompo na ny antson’i Joseph Smith ho mpaminanin’ Andriamanitra.

Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao rehefa miresaka amin’ireo olona mihaona aminao ianao:

  • Aoka ianao ho mora atonona, tsy mihatsaravelatsihy, ary tsara fanahy. Mitadiava fomba hifandraisana amin’ilay olona ary manomboha resadresaka.

  • Henoy amin-kitsim-po ny zavatra lazain’ny olona. Katsaho ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny olona sy izay mahaliana azy ireo. Manolora fanampiana avy amin’ny tenanao manokana raha mety ny hanaovana izany.

  • Diniho hoe ahoana no ahafahan’ny filazantsara mitondra ny zavatra ilain’izy ireo. Mampianara fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsara avy eo ary asao izy ireo hianatra misimisy kokoa. Zarao ny fomba ahafahan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny mitondra fanantenana lehibe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo sy mitondra dikany lehibe kokoa an’ilay fiainan’izy ireo.

  • Anontanio ny momba ny fianakavian’izy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia afaka mitahy ny fianakaviany. Manolora fanampiana azy ireo eo amin’ny fitadiavana ny anaran’ny razambeny.

  • Asao izy ireo hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo.

  • Manolora boky kely na fitaovan’ny Fiangonana hafa, na izany vita printy na amin’ny endrika nomerika.

  • Zarao amin’izy ireo ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao ary ny antony nanapahanao hevitra handeha hanao asa fitoriana.

Ireo fitsipika ireo dia azo ampiharina ihany koa amin’ireo fifandraisanao amin’ny mpikambana.

Zavatra mpitranga mahazatra ny toa matahotra hiresaka amin’olona. Mivavaha mba hanana finoana sy herim-po hampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny olona rehetra mihaona aminao dia mpiray tampo aminao ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra. Tsarovy fa “tsy mandà izay manatona Azy [Izy]; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; … ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

 . . 

  •  .

  • Manaova famerenana ny zavatra nataonareo omaly. Moa ve ianareo niresaka tamina olona maro araka izay azonareo natao? Raha tsia, dia mametraha tanjona ary manaova drafitra mba hiresaka amin’olona betsaka kokoa androany.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no azonao ianarana avy amin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fitadiavana olona hampianarina? Inona no azonao ianarana avy amin’ireo soratra masina ireo momba ny zavatra tokony hampianarinao? Inona no ampanantenain’ny Tompo?

Miraisa hina amin’ny mpikambana

“Tafiditra ao anatin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ny manasa ny rehetra handray ny filazantsara” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.0). Miaraha miasa amin’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hitadiavana olona hampianarina. Rehefa manolotra olona aminao ny mpikambana ka mandray anjara amin’ireo lesona izy ireo avy eo, dia azo inoana fa hatao batisa sy hijanona ho mavitrika ao amin’ny Fiangonana ireo olona ireo.

Manorena fifandraisana mafy orina amin’ireo mpitarika eo an-toerana

Manorena fifandraisana mafy orina amin’ny episkôpa sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy. Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (raha misy voantso) sy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana no olona voalohany tokony hifandraisanao. Mangataha fitarihana avy amin’izy ireo, ary tohano izy ireo mandritra ireo fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro (jereo ny toko 13).

Mandritra ireo fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro, dia miasà miaraka amin’ny mpanampy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona sy ny filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra. Ireo zatovo ireo dia manana anjara asa lehibe amin’ny fizarana ny filazantsara. Ampio izy ireo amin’ny famporisihana ireo olona ao amin’ny kôlejin’izy ireo sy ny kilasin’izy ireo mba hizara ny filazantsara. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanasan’ny zatovo ny namany hanatrika fiaraha-mientana.

Apetraho tsy tapaka amin’ny tenanao ny fanontaniana hoe, “Moa ve aho fitahiana ho an’ireo mpitarika eo an-toerana?” Manàna toe-tsaina manontany hoe “Inona no azoko anampiana?” Tahaka an’i Amôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia atony miaraka amin’ny toe-tsaina te hanompo ireo mpitarika eo an-toerana (jereo ny Almà 17:23–25).

Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny misiôna ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Manantena aho fa hianatra hitia ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana ianareo. Ampaherezo sy entano ny fanahin’izy ireo. Tsy azo tsinontsinoavina mihitsy ny fahaizanareo mampifandray ny hafanam-pon’ny misiônera amin’ny filaminana sy ny ezaka feno fitiavana ataon’ny mpikambana. Hitombo izaitsizy ny fahombiazanareo” (“Hopes of My Heart,” seminera ho an’ireo mpitarika vaovao ao amin’ny misiôna, 23 jona 2019).

Sary
misiônera mampianatra vehivavy

Tohano ny mpikambana amin’ny ezaka ataony hizara ny filazantsara

Maro ny fomba hanohanana sy hamporisihana ny mpikambana mba hizara ny filazantsara. Ampio izy ireo handinika ny fomba nitahian’ny filazantsara ny fiainany. Amporisiho izy ireo mba “[hanainga] ambony ny fahazavan[y] mba hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao” (3 Nefia 18:24).

Ampio ny mpikambana hampihatra ny fitsipiky ny fitiavana sy fizarana ary fanasana. Manomeza ohatra ahitana fomba tsotra sy mandeha ho azy ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo.

Mitia. Fomba iray hanehoana fitiavana an’ Andriamanitra ny fitiavana sy ny fanompoana ireo zanany. Amporisiho ny mpikambana hanolo-tanana amim-pitiavana ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany sy ny mpifanolobodirindrina aminy ary ny hafa. Izay ezaka atao mba hanehoana fitiavana dia fomba manan-danja iray hitandremana ny fanekempihavanana izay nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 18:9–10).

Mizara. Noho ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo zanany ny mpikambana, dia te hizara ho azy ireo fitahiana izay nomeny azy ireo izy ireo (jereo ny Jaona 13:34–35). Amporisiho ny mpikambana hiteny amin’ny hafa ny fomba nitahian’ny filazantsara ny fiainany. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny Mpamonjy sy ny fitaomany. Ampio izy ireo hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fizarana ny fitiavany sy ny fotoany ary ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainany. Ampio izy ireo hianatra ny fomba hizarana amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy, ho ao anatin’ny zavatra efa ataon’izy ireo eo amin’ny fiainany fotsiny.

Sary
Ny Loholona Gary E. Stevenson

“Mizara zavatra amin’ny hafa isika rehetra. Manao izany matetika isika. Mizara izay sarimihetsika sy sakafo tiantsika isika, zavatra mahatsikaiky hitantsika, toerana tsidihintsika, zavakanto ankafizintsika, teny nindramina manentana ny fanahintsika.

“Ahoana no ahafahantsika mampiditra tsotra izao ao amin’ny lisitr’ireo zavatra efa zaraintsika ny zavatra izay tiantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? … Amin’ny alalan’ny fizarana ireo traikefa tsara ananantsika ao amin’ny filazantsara amin’ny hafa dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ilay iraka lehiben’ny Mpamonjy isika” (Gary E. Stevenson, “Mitia, mizara, manasa,” Liahona, mey 2022, 86).

Manasa. Manasa ny rehetra ny Mpamonjy handray ny filazantsarany ary hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Almà 5:33–34). Toy ny tamin’ny fizarana, ny fanasana dia matetika resaka fampandraisana anjara tsotra fotsiny ny fianakaviantsika, sy ny namantsika, ary ny mpifanolobodirindrina amintsika amin’ireo zavatra izay efa fanaontsika. Amporisiho ny mpikambana hivavaka momba ny fanasana olona amin’ireto fomba manaraka ireto:

  • Ho avy ka hahita. Asao ny olona “ho avy ka hahita” ireo fitahiana afaka ny ho azon’izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany.

  • Ho avy ka hanompo. Asao ny olona “ho avy ka hanompo” ny hafa izay sahirana.

  • Ho avy ka hiombona. Asao ny olona “ho avy ka hiombona” ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Nilaza ny Loholona Gary E. Stevenson hoe: “Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra ny hafa. Afaka manasa ny hafa isika mba ─ho avy ka hahita─ ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fiaraha-mientan’ny paroasy, ny horonan-tsary an-jotra izay manazava ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny ─Avia mba hahita─ dia mety ho fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna na hitsidika tempoly vaovao mandritra ny varavarana misokatra alohan’ny fanokanana izany. Indraindray ny fanasana dia zavatra atolotsika ao anatintsika, fanasana ho an’ny tenantsika, manome antsika fahafantarana sy fahitana ireo fahafahana azo araraotina manodidina antsika, mba handraisantsika andraikitra eo anatrehan’izany” (“Mitia, mizara, manasa,” 86).

Alaivo antoka fa manampy ny zatovo mba hitia sy hizara ary hanasa ianao. Ny zatovo dia nomem-pahasoavana manokana amin’ny fitiavana ny namany, ny fizarana ny zavatra ao am-pony, ary ny fanasana azy ireo hanatrika ireo fiaraha-mientana.

Ampio ny mpikambana hahatakatra fa izay mety ho ezaka rehetra amin’ny fiainana ny fitsipiky ny fitiavana sy fizarana ary fanasana dia efa zavatra tsara, na manaiky hihaona amin’ny misiônera ilay olona na tsia, na manaiky ho lasa mpikamban’ny Fiangonana ilay olona na tsia.

Ampio ny mpikambana hitrandraka ny tanjaka ananany mba hizarana ny filazantsara. Misy ireo izay tena havanana amin’ny fitadiavana olona hampianarina, ny hafa kosa dia mpampianatra tena mahay. Misy indray ireo izay manana fahaizana voajanahary mifandray amin’ny namana, ary misy kosa ireo izay tia mivavaka ho an’ny namany. Ampio izy ireo hahita fa misy fomba maro ahafahan’ny olona tsirairay mandray anjara.

Rehefa mitsidika mpikambana ianao dia manàna tanjona hanaovana izany. Asehoy fa milofo amin’ny zotom-po amin’ny asa fitadiavana olona sy fampianarana olona ianareo. Hajao ny fotoan’izy ireo sy ny fandaharam-potoan’izy ireo.

Ny mpikambana sasany dia mety ho faly raha mampianatra hafatra avy amin’ny iray amin’ireo lesona ianao. Manova fiainana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny fanamafisana ny fahatakaran’ny mpikambana ny filazantsara dia hampitombo ny fahatokiany anao ary hampiorina ny fientanentanany hizara izany. Ampio izy ireo hamantatra ny Fanahy ary handray andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika voaray.

Katsaho ny hitady olona hampianarina amin’ny alalan’ireo fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambana, ireo olona azo aroso ho loholona, ireo mpikambana miverina mavitrika, ary ireo mpikambana vaovao. Azo inoana fa manana havana sy namana avy amin’ny finoana hafa izy ireo.

Amin’ny zavatra rehetra ataonao miaraka amin’ny mpikambana, dia araho ny Fanahy ary katsaho ny hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Mba hahitana hevitra sy loharano misimisy kokoa mikasika ny fomba ahafahanao manohana ny mpikambana amin’ny fizarana ny filazantsara, dia jereo ny:

Ampanantenao ireo fitahiana avy amin’ny fizarana ny filazantsara

Ampio ny mpikambana hahatakatra ny momba ireo fitahiana tena miavaky ny fizarana ny filazantsara. Tafiditra ao anatin’izany ny:

Fandalinan’ny mpiara-mitory

  • Avereno dinihina ny fivoriana enti-mandrindra nataonareo tamin’ny herinandro lasa. Inona no mety ho azonareo natao mba hampahomby izany kokoa? Avereno jerena ireo fangatahana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny paroasy ary manaova drafitra mikasika ny fomba sy fotoana hiatrehana izany.

  • Manaova drafitra ny amin’ny fomba handrindranareo ny ezaka fitoriana ny filazantsara ataonareo mandritra ny fivoriana enti-mandrindra manaraka.

  • Fantaro ny anaran’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy (lehilahy sy vehivavy). Ataovy drafitra ny zavatra hataonareo mandritra ny volana ambony mba hanamafisana orina ny fifandraisanareo amin’izy ireo sy hanohanana azy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny asa fitoriana.

Mitadiava olona amin’ny alalan’ny appli Torio ny filazantsarako

Ny appli Torio ny filazantsarako dia loharanom-pitaovana tena tsara ho an’ny fitadiavana olona hampianarina. Ny misiônera izay mampiasa tsy tapaka ireo endrim-pampiasana ao anatin’io appli io dia mahita fahombiazana kokoa amin’ny fitadiavana olona. Mba ho zatra kokoa amin’ireo endrim-pampiasana ireo dia jereo ilay fampiofanana naroso miaraka amin’ilay appli. Aoka ianao hihaino tsara ireo bitsika ara-panahy mety ho azonao rehefa mijery ny anaran’ireo olona.

Tafiditra ao anatin’ilay appli ny fampahalalana momba ny olona izay efa natolotra, na nifandraisana, na nampianarina. Ny sasany amin’ireo olona ireo dia mety haniry ny hihaona amin’ny misiônera indray. Mety mahafantatra olona hafa koa izy ireo izay mety ho liana amin’ny fianarana momba ny filazantsara.

Rehefa manao drafitra ianareo, dia ampiasao ny sarintany sy ny sivana ao amin’ny appli mba hifantenana ireo olona izay hatao laharam-pahamehana ny fitsidihana azy ireo. Jereo ny mombamomba azy ireo ary fantaro ny fomba nahitana azy ireo. Jereo raha toa ka misy firaketana momba ireo mpikambana nanampy azy ireo. Ampiasao izany fampahalalana izany mba hamaritana ny fomba tsara indrindra hifandraisana amin’izy ireo indray.

Sary
misiônera mandalina amin’ny alalan’ny findainy

Ampiasao ny sivana ao amin’ny appli mba hamantarana ireo olona izay:

  • Efa nandaminana daty hanaovana batisa saingy tsy natao batisa.

  • Nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo indray mandeha farafahakeliny saingy tsy natao batisa.

  • Nandray lesona mihoatra ny anankitelo.

  • Tsy nifandraisana tato ato.

Raha toa ka tsy liana amin’ny hoe hampianarina na misafidy ny tsy handray fitsidihana intsony ny olona, dia raketo an-tsoratra ao amin’ilay appli izany. Raketo an-tsoratra ny fomba hihazonana fifandraisana amin’izy ireo tsindraindray sy hikolokoloana izany mandra-pahavonona azy ireo hianatra misimisy kokoa indray. Ohatra, hevero ny hanasa azy ireo hisoratra anarana amina andiana email mba handraisana hafatra momba an’i Jesoa Kristy na lohahevitra hafa ao amin’ny filazantsara. Azonao ampifandraisina amina mpikambana koa izy ireo, izay afaka mamaly ny fanontaniany sy mikolokolo ny fahalianany sy ny finamanan’izy ireo. Asio fampahatsiahivana ao amin’ilay appli mba hanohizana ny fandraisana andraikitra momba azy ireo. Anontanio izy ireo raha toa ka mahafantatra olona hafa izay mety ho liana.

Afaka mahita olona hampianarina ihany koa ianao amin’ny alalan’ny appli Torio ny filazantsarako, amin’ny alalan’ny fampiasana sivana na vondrona mba handefasana hafatra ho ana vondrona. Izany dia mety ho fomba tena tsara hampahafantarana ny olona momba ireo hetsika toy ireo fiaraha-mientana ao amin’ny paroasy sy ireo fotoam-batisa. Araho fanasana ho an’ny isam-batan’olona manokana ireo hetsika ireo.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Mba hahitana ny maha-loharanom-pitadiavana tena tsara ny appli Torio ny filazantsarako, dia andramo ireto sahanasa manaraka ireto. Rehefa manao izany ianao dia henoy tsara ireo fitaomam-panahy azonao.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana sivana, dia fantaro ireo olona rehetra izay efa nampianarina lesona telo na mihoatra. Asao tsirairay izy ireo mba hiangona amin’ity alahady ity.

  • Mamoròna sivana ary tadiavo ireo rehetra izay efa nanana datin’ny batisa voalamina sy niangona indroa farafahakeliny.

  • Manaova drafitra ny handefa hafatra amin’ny tsirairay amin’izy ireo mba hanatrika fiaraha-mientana na tetikasa fanompoana eo anivon’ny paroasy. Azonao atao ny mandefa tsindraindray hafatra ho ana vondrona sy mijery ny fivoaran’ny olona tsirairay.

  • Resadresaho amin’ny mpiara-mitory aminao ny momba ireo olona izay ahatsapanao zavatra manokana. Manaova drafitra mba hitsidihana azy ireo na mifandraisa amin’izy ireo ato ho ato.

Fitadiavana olona amin’ny alalan’ny asa fanompoana

Tolory fahafahana azo araraotina mba ho tonga ka hanao fanompoana ny olona

Mety hiaina zavatra tena tsara ny olona any amin’ireny fiaraha-mientana hanaovana asa fanompoana ireny ka lasa mifandray amin’ny misiônera sy ireo mpikambana eo an-toerana. Betsaka ny olona no faly hizara ny talentany sy ny fahaizany na izay zavatra azony atolotra ka ilaina hoe asaina fotsiny.

Manasà olona handray anjara amin’ireo fiaraha-mientana hanaovana asa fanompoana karakarain’ny paroasy. Azonao atao koa ny mampifandray ny olona amin’ireo sehatra azo araraotina hanaovana asa fanompoana toy ireo izay ao amin’ny JustServe.org any amin’ny toerana misy izany. Rehefa miara-manompo amin’ny hafa ianao dia lasa mivondrona amin’ny fomba mahery vaika ianareo.

Manolotra fanampiana

Toy ny Mpamonjy, aoka ianao “[h]andehandeha [h]anao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38; jereo ihany koa ny “Mandehandeha manao soa” ao amin’ny toko 1). Mivavaha mba hahafantarana ireo fahafahana azo araraotina hanaovana soa mandritra ny tontolo andro. Indraindray dia zavatra efa voalamina ny asa fanompoana hataonao, saingy matetika dia ho zavatra tsy voalamina izany. Mitadiava fomba tsotra sy vetivety hanompoana sy hanampiana ary hankaherezana ny olona. Tsarovy fa ny Tompo dia nanararaotra fotoana tsy nampoizina mba hanoloran-tanana sy hitahiana ny hafa.

Manompoa miaraka amin’ny faniriana tena avy amin’ny fo hanampy olona. Raha toa ka mitarika ho amin’ny fahafahana hampianatra ilay asa fanompoana dia manehoa fankasitrahana. Raha toa ka tsy izay, dia manehoa fankasitrahana noho ny nanaovana soa ho an’ny olona iray. Valio ireo fanontaniana raha apetraky ny olona izany. Raha toa ka maneho fahalianana ny olona, dia omeo valiny fohifohy izy ireo ary manamboara fotoana hafa mba hizarana hafatra iray.

Alaivo antoka fa arahinareo ny toromarika mikasika ny asa fanompoana ao amin’ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy), 2.7 sy 7.2.

Tadiavo any amin’izay misy azy ireo ny olona

Ny fitadiavana olona any amin’izay misy azy ireo dia manomboka amin’ny fiezahana mijery azy ireo tahaka ny ijeren’ Andriamanitra azy ireo. Ataovy toy ny hoe voatarika hiresaka amina olona iray ianao na hoe voatarika hanatona anao izy. Katsaho ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny olona ara-panahy sy izay mahaliana azy ireo ara-panahy. Fantaro hoe inona no zava-dehibe indrindra amin’izy ireo, indrindra indrindra eo amin’ny fifandraisany amin’ny fianakaviana sy amin’ Andriamanitra. Mety hametraka fanontaniana toy ireto ambany ireto ianao, dia mihainoa amin-kitsim-po avy eo:

  • Inona no manan-danja indrindra aminao?

  • Inona no mitondra fifaliana ho anao?

  • Inona no irinao ho an’ny hoavinao sy ny an’ireo izay tianao?

  • Inona avy ireo olana atrehanao rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ny zavatra antenainao sy ny nofinofinao ianao?

  • Lafiny inona eo amin’ny fiainanao no tianao hatsaraina?

Mikatsaha fitaomam-panahy eo am-pisaintsainanao ny zavatra nianaranao momba ireo zavatra antenain’ilay olona sy ny faniriany. Inona no fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay mifandray ho azy amin’ireo zavatra izay iriny?

Eritrereto avy amin’ny fomba fijerin’ilay olona izay ho fomba firesakao. Inona no zavatra fantany momba anao? Inona no zavatra azonao atolotra ka mety hanampy? Moa ve ilay olona mahatsapa fa tsy hanenenana ny firesahana aminao?

Diniho ireo antony samihafa mety hanirian’ny olona hahafantatra anao sy ireo mpikambana na ny Fiangonana. Misy ohatra vitsivitsy voasoritra etsy ambany izay ahitana ny zavatra azonao omena.

Sary
misiônera miresaka amin’ny vehivavy iray

Manomeza zavatra iainana na fampahalalana izay hanan-danja amin’izy ireo

Ampiasao ny loharanom-pitaovan’ny Fiangonana sy ny talentanao manokana ary ny zavatra hainao manokana mba hifandraisana amin’ny zavatra mahaliana ny olona iray. Mikatsaha fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny fanolorana fampahalalana na zavatra iainana izay hanan-danja amin’ilay olona.

Aoka ianao hisokatra ho amin’ny fitaomam-panahy ary aoka ho tia karokaroka rehefa mandinika ireo karazana zavatra iainana na fampahalalana azonao atolotra. Misy hevitra vitsivitsy tanisaina etsy ambany.

  • Mizarà rohy mitondra mankany amin’ny loharanom-pitaovan’ny Fiangonana izay manome fampahalalana mombana zavatra izay mety hahaliana azy ireo.

  • Manomàna hetsika toy ny fivoriana fampaherezam-panahy iray (mivantana na ampitaina an-jotra).

  • Manolòra zavatra mandritra ny fihaonana na hetsika iray karakaraina eo an-toerana (ohatra, mamoròna rafi-tetiaran’ny fianakaviana maimaim-poana ao amina tsena iray eo an-toerana).

  • Manolòra tena hampianatra kilasy iray.

  • Manangàna kilasy fandalinana soratra masina, na manolòra tena ny hamaky ny Baiboly sy ny soratra masina hafa miaraka amin’izy ireo.

  • Mampianàra teny Anglisy ho toy ny fiteny faharoa ampiasaina.

  • Ampahafantaro amin’ny besinimaro ny hetsika karakarain’ny Fiangonana eo an-toerana toy ny fety ho an’ny fotoam-pialan-tsasatra iray na ny kilasy fampianarana fizakan-tena. Mampiasà taratasy kely zaraina eny an-dalana na tambajotran-tserasera.

  • Asao hanatrika fotoam-batisa izy ireo.

  • Ento mitsidika ny trano fiangonana eo an-toerana izy ireo.

Anisan’ny zavatra iainana tena manan-danja izay azonao anampiana ny hiainan’ny olona azy, dia ny fanatrehana fivoriam-piangonana. Asao izy ireo ary hazavao hoe ho toy ny ahoana ilay izy. Lazao izy ireo fa hitahy ny fiainan’izy ireo ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Ataovy izay hahamora ny hisian’ny fifandraisana tena avy amin’ny fo

Olona maro no maniry ny hihaona amin’ny hafa ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo na mba te hifankahalala bebe kokoa. Ny olona sasany dia manirery. Ireto ambany ireto misy hevitra vitsivitsy hanamorana ny fisian’ny fifandraisana tena avy amin’ny fo.

  • Tsidiho ny olona izay vao nifindra tao amin’ny faritra mba hiarahabana azy ireo.

  • Ampahafantaro ny mpikambana ireo olona ao amin’ny fiarahamonina izay mitovy ny zavatra mahaliana azy ireo.

  • Asao hanatrika fivoriana sy fiaraha-mientana ary varavarana misokatra ao amin’ny paroasy ny olona.

  • Manolòra tena ny hanampy azy ireo hifandray amin’ny mpitarika misahana ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, izay afaka manampy azy ireo hianatra misimisy kokoa momba ireo olona ao amin’ny fianakaviany izay efa nodimandry.

  • Manolòra tena hampianatra ny olona ny fomba fanaovana takarivan’ny mpianakavy na ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky ny soratra masina. (Jereo ny Boky torolalanan’ny Fiangonana maneran-tany), 2.2.4, mba hahitana fitsipika mahasoa izay azo ampifanarahana amin’ny toe-javatra iainan’ny olona.)

  • Asao ny olona ao amin’ny sokajin-taona afaka manao izany mba hanatrika seminera sy institiota, na handray anjara amin’ny BYU–Pathway Worldwide.

Maro ny fomba mendri-kaja hitadiavana ireo izay voaomana handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ataovy izay azonao atao mba hametrahana anao eo amin’ny lalan’ireo izay efa voaomana.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Fantaro ireo hevitra sasany ato amin’ity fizarana ity izay tsy mbola nandramanareo. Manaova drafitra ny hanandrana ny sasantsasany amin’ireo hevitra mandritra ny herinandro ho avy.

Mifandraisa amin’ireo olona izay natolotra anareo

Mety ho efa vonona ny handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo olona izay atolotra anareo. Mety ho avy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana, ny misiônera hafa, ny foiben’ny Fiangonana, na ny ezaka atao ao amin’ny tambajotran-tserasera eo an-toerana ireo olona atolotra.

Mifandraisa haingana

Rehefa misy olona atolotra anareo amin’ny alalan’ny foibe na ny tambajotran-tserasera, dia jereo ny fampahalalana momba ny zavatra mahaliana azy ireo ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako. Miezaha mifandray amin’izy ireo faran’izay haingana.

Sary
misiônera mandondom-baravarana

Ampiasao ity toromarika manaraka ity rehefa miara-miasa amin’ireo olona izay atolotra anao:

  • Raha toa ka mpikambana na misiônera hafa no nanolotra ilay olona, dia mifandraisa amin’ilay olona izay nanolotra ilay olona mba hahafantaran-javatra misimisy kokoa. Raha misiônera no nanolotra ilay olona, dia afaka mampianatra miaraka aminareo an-jotra izy ireo raha toa ka hankatoavin’ny mpitarika ao amin’ny misiônany izany. Afaka miaraka aminareo mivantana na an-jotra mba handray anjara amin’ny fampianarana ny mpikambana.

  • Mifandraisa faran’izay haingana amin’ilay olona amin’ny alalan’ny fitsidihana, na antso, na hafatra, na email, na karazana fifandraisana hafa. Raha toa ka tsy mamaly ilay olona dia andramo ny mifandray aminy amin’ny fotoana hafa mandritra ny tontolo andro.

  • Raha toa ka tamin’ny alalan’ny antso, na hafatra, na email no nifandraisanareo voalohany, dia manamboara fotoana hihaonana mivantana na amin’ny alalan’ny teknôlôjia.

  • Diniho miaraka amin’ny mpiara-mitory ny fangatahan’ilay olona, ary fantaro ny zavatra ilainy na mahaliana azy. Farito ny fomba ahafahan’ny filazantsara mitondra ireo zavatra ilaina ireo.

  • Rehefa mihaona ianareo dia ento izay zavatra nangatahana rehetra, toy ny Bokin’i Môrmôna ohatra. Mizarà fahamarinana ao amin’ny filazantsara avy amin’ireo lesona ampianarin’ny misiônera izay hitondra ny zavatra ilain’ilay olona na mahaliana azy.

Indraindray ny olona natolotra dia afaka mitarika anao any amina olona hafa izay omanin’ Andriamanitra. Raha toa ka tsy liana ilay olona ifandraisanareo, dia anontanio izy raha toa ka mahafantatra olona hafa izay mety ho liana na mila fanantenana eo amin’ny fiainany. Angamba voatarika tany amin’io olona io ianao satria misy olona hafa ao amin’io tokantrano io na eo amin’ny manodidina efa vonona handray ny filazantsara.

Raha toa ka tsy tanteraka ny fotoana nifanomezana tamin’olona iray, dia diniho ny fomba ahafahanao manao asa fitoriana ny filazantsara ao amin’io faritra io ihany. Ny appli Torio ny filazantsarako dia afaka manampy anao hitady olona hampianarina eo amin’ny faritra manodidina an’ireo izay efa nifandraisana na nampianarina.

Manolora olona an’ireo misiônera any amin’ny faritra hafa

Rehefa mihaona amin’olona liana ny hahafantatra bebe kokoa momba ny filazantsara ianao saingy monina any ivelan’ny faritra iandraiketanao izy ireo, dia ampahafantaro azy ireo ny filazantsara. Ampio izy ireo avy eo hiomana hihaona amin’ireo misiônera sy mpikambana any amin’ny toerana onenany.

Rehefa nahazo ny fankatoavan’ny filohan’ny misiônanao, dia azonao atao ny manohy manohana ireo olona ireo mba hanampiana azy ireo handray ny filazantsara (jereo ny Fenitra momba ny asa fitoriana7.5.4).

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Avereno jerena ireo olona rehetra izay natolotra anareo tao amin’ny faritra iandraiketanareo nandritra ny volana lasa. Fantaro ireo olona izay mbola tsy vitanao ny nifandray taminy, ary manandrama mifandray amin’izy ireo indray. Manapaha hevitra hoe iza amin’ireo olona izay efa nifandraisana no tokony hotsidihina indray. Havaozy ireo firaketana ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ireo.

Sary
misiônera miresaka an-telefaonina

Ampiasao ny teknôlôjia

Maro ireo fomba ahafahanao mampiasa ny teknôlôjia mba hitadiavana olona hampianarina. Misy ohatra vitsivitsy voatanisa ireto ambany ireto:

  • Ampiasao ny tambajotran-tserasera mba hiarahana miasa amin’ny mpikambana hitadiavana olona.

  • Manorena fifandraisana amin’ny alalan’ny fanatonana amin’ny alalan’ny email sy ny tambajotran-tserasera.

  • Mizarà soratra masina sy teny nindramina ary hafatry ny filazantsaraizay mankahery.

  • Ampio ny olona hampiasa ny FamilySearch.org mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo olona ao amin’ny fianakaviany izay efa nodimandry.

  • Manolòra kilasy atao an-jotra mba hampianarana fahaiza-manao.

  • Mifandraisa araka ny tokony ho izy amin’olona amin’ny alalan’ireo vondrona ikambanan’ireo olona manana zavatra mahaliana iombonana.

  • Mamoròna zavatra avoaka izay milaza ireo hetsika ho avy ao amin’ny paroasy.

Ny fampiasana teknôlôjia dia fomba manan-danja iray hamelana “tadim-pintana maro ao anaty rano” mandritra ny tontolo andro. Ankoatra ireo ezaka hafa ataonareo mba hitadiavana olona, dia avelao ao anaty rano ny tadim-pintana an-jotra maro.

Sary
Loholona David A. Bednar

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny teknôlôjia dia manome fantsona mahery vaika maro ahafahantsika manambara an’i ─Jeso[a] Kristy, indrindra fa Izy voahombo─ sy ─[m]itory fibebahana amin’ny olona─ [1 Korintiana 2:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:3]. Ny taranaka vao misondrotra indrindra indrindra dia tena voaomana tsara hihaino sy hianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ireo fomba fifandraisana ireo” (“They Should Proclaim These Things unto the World,” seminera ho an’ireo filohan’ny misiôna vaovao, 24 jona 2016).

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Fantaro hoe inona avy ireo zavatra ataon’ny misiônanao ao amin’ny tambajotran-tserasera. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ny fomba ahafahanareo mamorona zavatra avoaka amin’ny tambajotran-tserasera izay manohana izany. Ny zavatra avoakanareo dia tokony tsy hivaona amin’ny fenitry ny Fiangonana momba ny fampiasana ny internet (jereo ny “Ny internet” ao amin’ny fizarana 38.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany).

Raha toa ka manana manam-pahaizana misahana ny tambajotran-tserasera ny misiônanareo, dia milà hevitra aminy rehefa mamorona zavatra avoaka amin’ny tambajotran-tserasera ianareo.

Sary
vehivavy roa miresaka

Ampiasao ny tantaram-pianakaviana

Ny tantaram-pianakaviana dia fomba iray hafa ahafahanao mitady olona hampianarina. Manerana izao tontolo izao, dia mitaona olona an-tapitrisany mba hahafantatra ny razamben’izy ireo ny Fanahy. Maro no maniry ny hanana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ireo havany. Izany dia afaka mitarika ho amin’ny faniriana hitady fifandraisana sy ny maha-izy azy ny tena amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra azy ireo.

Ilay antsointsika indraindray hoe ny fanahin’i Elia dia ny fitaoman’ny Fanahy Masina misarika ny olona mba hamantatra, sy hirakitra, ary hankamamy ny olona ao amin’ny fianakaviany, na ny tamin’ny lasa izany na ny ankehitriny (jereo ny Malakia 3:18).

Rehefa mitady olona ianao, dia azonao ampahafantarina azy ireo ny FamilySearch.org na asao izy ireo hisintona ny appli Arbre Familial de FamilySearch na ny appli “Souvenirs” de FamilySearch. Azonao atao ihany koa ny manome azy ireo tahadikan’ilay boky kely hoe Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia manampy ny olona hahita ireo havana sy razambe ary hanangona ny tantaran’izy ireo.

Fantaro ireo loharanom-pitaovana miompana amin’ny tantaram-pianakaviana misy ao amin’ny faritra iandraiketanareo ary ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny olona ifandraisanareo. Ny mpitarika misahana ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia afaka manampy ny olona hahafantatra ny razamben’izy ireo.

Asao ny olona hizara fahatsiarovana momba ireo olona akaikin’ny fony aminareo. Rehefa manao izany izy ireo dia mety hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ireo fotoana ireo dia afaka mitarika ho azy amina resadresaka momba ny tanjon’ny fiainana, ny drafitry ny fahasambarana an’ Andriamanitra, ary ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’izany drafitra izany.

Rehefa azo atao, dia ampianaro ny olona ny fotopampianarana mikasika ny antony hanaovan’ny mpikamban’ny Fiangonana asa momba ny tantaram-pianakaviana ary ny fifandraisan’izany amin’ny tempoly.

Mivavaha mba hahafantarana ireo fahafahana azo araraotina mba hampiasana ny tantaram-pianakaviana ao anatin’ny ezaka ataonareo amin’ny fitadiavana olona. Ampiasao ny fahaiza-mamorona ary fantaro bebe kokoa ireo loharanom-pitaovana eo am-pelatanana.

Fandalinana ny soratra masina

Halalino ireto soratra masina momba ny tantaram-pianakaviana manaraka ireto: Raketo an-tsoratra ny zavatra nianaranao.

Ny fahefana hamehezana izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Elia

Asa atao ho an’ny maty

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Andramo ny iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana anao hahita olona amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana.

  • Manamboara fotoana hitsidihana mpikambana iray izay efa za-draharaha amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Fantaro amin’ny alalan’ny mpitarika misahana ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy misy anareo izay asa fanompoana misy.

  • Manaova fanazaran-tena ny amin’ny fomba hanoloranareo fanampiana an’ireo olona izay mihaona aminareo mikasika ny tantaram-pianakaviana. Manaova drafitra hanolotra tantaram-pianakaviana ao anatin’ny ezaka fitadiavana olona ataonareo.

  • Vakio ary ifanakalozy hevitra ilay boky kely hoe La famille et le temple mba hanatevenana misimisy kokoa ny fahatakaranareo ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao.

  • Ampiasao ny boky kely Ma famille na ny loharanom-pitaovana ao amin’ny FamilySearch.org rehefa mahita olona ampianarina ianareo.

  • Rehefa azo atao, dia manaova varavarana misokatra, mampianara kilasy momba ny tantaram-pianakaviana any amina toerana ho an’ny besinimaro, na manolora fahafahana maka hevitra.

Mitadiava olona rehefa mampianatra ianao

Ny fitadiavana sy fampianarana olona dia asa mifandray. Ny olona ampianarinao matetika dia manana namana na havana efa vonona ny handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Rehefa miaina ny fitahian’ny filazantsara ny olona ampianarinao, dia hitombo ny fanirian’izy ireo hizara izany (jereo ny 1 Nefia 8:12). Ao anatin’ny toe-javatra rehetra, toy ny fitadiavana olona sy ny fampianarana olona ary ny fiarahana miasa amin’ireo mpikambana, dia manontania hoe, “Iza no fantatrao ka mety hahazo soa avy amin’ity hafatra ity?”

Rehefa miomana ho amin’ny fotoam-batisany ny olona ampianarinao, dia anontanio azy ireo ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany izay tiany hasaina hanatrika ny batisany. Manaova drafitra mba hanasa sy hamporisika ny rehetra ho avy. Afaka ny ho tsapa amin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy mandritra ny fotoam-batisa.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Avereno jerena ireo olona ampianarinareo amin’izao fotoana izao. Ataovy lisitra ireo izay efa nangatahanareo olona aroso mba hampianarina ary ireo izay tsy mbola nangatahana. Manaova fanazaran-tena ny amin’ny fomba hanoloranareo fanasana ho an’ireo vondron’olona tsirairay avy ireo mba hanolotra olona . Soraty ao amin’ny karine fandaminam-potoanao ny fampahatsiahivana hanolotra izany fanasana izany mandritra ny fitsidihanareo manaraka.

Sary
vehivavy mijery finday

Mampianara rehefa mahita olona ianao

Rehefa mihaona amin’olona ianao ka lasa mahafantatra ny zavatra mahaliana azy sy ilainy, dia manàna fahazarana hanomboka hampianatra sy hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Hahita olona maro kokoa hampianarina ianao rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary mamela azy ireo hahatsapa ny herin’ny Fanahy Masina.

Hevero ny hampianatra lohahevitra toy ny fahasambarana, ny fahoriana, ny tanjon’ny fiainana, na ny fahafatesana. Na manao ahoana na manao ahoana ny fomba nitondranao ny fampianarana tamin’ny voalohany, dia miverena haingana sy amin’ny fomba tsotra fotsiny miresaka momba ny Mpamonjy, ny filazantsarany, ary ny niantsoany ny Mpaminany Joseph Smith. Izany no hafatra manokana avy amintsika ho an’izao tontolo izao.

Ireto fizarana manaraka ireto dia manolotra ohatra izay ahitana ny fomba mety hampianaranao fohifohy ny momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana.

Mampianara ary mijoroa ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mampianara famintinana fohy ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny. Ohatra, azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ao anatina fehezan-teny roa na telo monja:

Taonato maro taorian’ny namoizana azy ireo, dia naverin’ilay Andriamanitra be fitiavana tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny mpaminany velona ny fahamarinana. Manana porofon’izany izay azonao hazonina amin’ny tananao sy vakina ary saintsainina ao am-ponao izahay. Manasa anao izahay hamaky sy hivavaka mba hianaran’ny tenanao manokana ny fahamarinana ao anatiny. Moa ve ianao hamela anay …

Raha toa ka manana fotoana misimisy kokoa ianao dia afaka miteny misimisy kokoa:

Tsotra ny hafatray. Raintsika Andriamanitra. Zanany isika. Fianakaviany isika. Mahafantatra antsika manokana Izy ary tia antsika. Tiany isika hiaina fifaliana. Hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao dia nanaraka lamina hanoloran-tanana amim-pitiavana mba hanambarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy Izy mba hahafahan’ireo zanany mahafantatra ny fomba hiverenana any Aminy. Nanambara ny filazantsara tamin’ny alalan’ny mpaminany toa an’i Adama, i Noa, i Abrahama, ary i Mosesy Izy. Saingy olona maro no nisafidy imbetsaka ny handà ny filazantsara sy ny mpaminany nampianatra izany. Roa arivo taona lasa izay dia i Jesoa Kristy mihitsy no nampianatra ny filazantsarany. Nanda an’i Jesoa mihitsy aza ny olona. Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’i Jesoa, dia novaovain’ny olona ny fotopampianarana marina, toy ny mahakasika Ny Andriamanitra ohatra. Novain’izy ireo ihany koa ireo ôrdônansy, toy ny batisa.

Ny fanasanay ho anao dia ny hanampiana ireo fahamarinana izay efa ankamamianao. Diniho ny porofo fa nanolo-tanana amim-pitiavana tamin’ireo zanany indray ny Ray any An-danitra ka nanambara ny fotopampianarana sy ireo ôrdônansy marina tamina mpaminany iray. Joseph Smith no anaran’io mpaminany io. Ny porofon’izany fahamarinana izany dia hita ao anatin’ny boky iray, ny Bokin’i Môrmôna. Azonao hazonina amin’ny tananao izany, azonao vakina, ary azonao saintsainina ao an-tsainao sy ao am-ponao ny fahamarinany. Manasa anao izahay hanatrika fivoriam-piangonana mba hianatra misimisy kokoa.

Mampianara ary mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana

Ny firesahana ny maha-manan-danja ny fianakaviana dia hanampy anao hahita olona hampianarina, na avy amina finoana kristiana izy na tsy kristiana. Azonao atao ny mampifandray haingana ny zavatra efa fantatry ny ankamaroan’ny olona momba ny fianakaviana amin’ny drafitry ny famonjena an’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny milaza zavatra toy izao:

Ny fianakaviantsika dia afaka ny ho irayamin’ireo hery mitarika manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Mampifamatotra amin’isika samy isika ny fianakaviantsika ary afaka manampy antsika hahatsiaro ho ilaina sy tiana.

Ny fananana fianakaviana matanjaka sy sambatra no laharam-pahamehana indrindra ho an’olona maro. Ny fananana fanambadiana matanjaka sy ny fitaizana ankizy ao amin’izao tontolo ankehitriny izao dia mety ho tena sarotra.

Avy eo dia azonao atao ny manohy amin’ilay hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny:

Efa tao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra mialoha ny nahaterahanao ianao. Raintsika Izy. Tian’ny Ray any An-danitra isika hiverina hiara-hiaina Aminy. Zanany ianao ary tiany ianao. Manana drafitra hanampiana anao hiverina any Aminy indray Izy.

Ireo fahamarinana ireo sy ny hafa dia naverin’ny Ray any An-danitra be fitiavana tamin’ny laoniny tety an-tany tamin’ny alalan’ny mpaminany velona. Ireo fahamarinana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny toerantsika ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra. Azonay atao ve ny mampianatra anao misimisy kokoa momba ireo fahamarinana ireo? Moa ve ianao handeha hiangona mba hahafahanao mianatra zavatra misimisy kokoa?

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Manomàna hafatra maharitra iray minitra miainga avy amin’ny iray amin’ireo lesona ao amin’ny toko 3. Manaova fanazaran-tena amin’ny alalan’ny fifampizarana izany. Mieritrereta fomba ahafahanareo mizara ity hafatra ity ao anatina toe-javatra hitadiavana olona. Manaova drafitra ny hizara izany ao anatina toe-javatra mahamety izany mba hanasana ny hafa hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Tsy very maina ireo ezaka

Rehefa misafidy ny tsy hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny olona, dia tsy very maina ny ezaka nataonao. Mety namboly voa izay haniry amin’ny fotoana hafa ianao. Na hitranga izany na tsia, dia sady hitahy anao no hitahy azy ireo ny asa fanompoana nataonao sy ny fanehoam-pitiavana avy amin’ny fo nasehonao.

Raha toa ka tsy vonona ny handray ny filazantsara ny olona, dia jereo izay zavatra hafa azonao atao mba hanatsara ny fiainan’izy ireo. Ny fifandraisana naorinao dia mbola misy dikany sy manan-danja foana. Tohizo ny finamanana.

Indraindray ny olona dia mila fotoana handinihana ireo fanovana izay angatahina amin’izy ireo. Ampio izy ireo handray hafatra amin’ny alalan’ireo email na tranonkala an’ny Fiangonana. Ireo hafatra ireo dia mety hanampy ny olona ho vonona hanaiky fanasana any aoriana mba hianatra bebe kokoa.

Rehefa tsy manaiky ny filazantsara ny olona iray dia mazava ho azy fa misy ny fahadisoam-panantenana. Rehefa mitodika any amin’ny Tompo anefa ianao amin’ny fotoana toy izany, dia nampanantena Izy hoe: “Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny mitantana anao” (Isaia 41:10).

Afaka mahita fiadanana sy fanomezan-toky momba ny ezaka ataonao ianao, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Tsarovy foana hoe iza ianao ary nahoana ianao no manompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera anao. Hanampy anao handroso hatrany sy hanohy ireo faniriana tsara anananao ny finoana.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Vakio ny Jaona 15:12, Jaona 21:15–17, 1 Tesaloniana 2, ary ny Môzià 18:8–10. Manao ahoana ny fanatanterahanao ny andraikitrao ny hitia sy hanompo ny hafa? Ahoana no ahafahanao manatsara izany? Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny valinteninao.

  • Vakio ny 3 Nefia 18:31–32, Almà 24:7–8, ary ny Almà 32:41. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fiarahana miasa amin’ireo olona izay efa nampianarina teo aloha? Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao. Ampianaro ny mpiara-mitory aminao izany.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Manaova drafitra ny hihaona amin’ireo mpikambana vaovao amin’ny faritra iandraiketanareo. Raha ilaina dia ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako mba hahafantarana hoe iza izy ireo. Mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

    • Tamin’ny fomba ahoana no nanomanana anao handray ny filazantsara?

    • Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nampifandraisana anao voalohany tamin’ny Fiangonana?

    • Inona no nisarika anao hihaona tamin’ireo misiônera?

    • Ahoana no ahafahanay manohana ny fitohizan’ny fivoaranao?

    Inona no zavatra nianaranao momba ny fitadiavana olona mandroso mankany amin’ny batisa avy amin’ireo fihaonana ireo, ? Manaova drafitra ny hampihatra izay zavatra nianaranao tamin’ity herinandro ity.

  • Diniho ireto lohahevitra tsirairay manaraka ireto. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo lesona ao amin’ny toko 3, dia manomàna fomba fitadiavana tsotra iray. Manaova fanazaran-tena mampianatra ao anatina sehatrairay hanaovana fitadiavana olona.

    • Mahatsapa filana fitarihana misimisy kokoa sy filana tanjona eo amin’ny fiainana

    • Te hahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra

    • Mila fanampiana amin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Vakio ary ifanakalozy hevitra ny fizarana hoe “Itaro ny vinanao momba ny drafitra fitadiavana olona”. Asaivo vitain’ny ekipa mpiara-mitory tsirairay avy ilay fanombanana.

    • Resaho ny fomba nanampian’ireo hevitra ireo ny misiônera mba hahita olona hampianarina.

    • Tanisao ireo hevitra hafa mikasika ny fitadiavana olona hampianarina. Asao ny misiônera hamelabelatra ny heviny.

    • Asao ny misiônera hametraka tanjon’ny tena manokana amin’ny fampivoarana ny ezaka fitadiavana olona ataony.

  • Mamoròna lisitra ahitana fahafahana azo araraotina maro mba hitadiavana olona.

    • Ampiandraiketo fahafahana azo araraotina iray ny misiônera tsirairay. Omeo dimy minitra ny misiônera tsirairay avy mba hanomana ny fomba hampianarany ny ampahan-desona ao anatin’ilay toe-javatra nampiandraiketina azy.

    • Antitrantero ny ilàna ny hitandremana ny halavan’ilay hafatra hifanaraka amin’ilay sehatra.

    • Manasà misiônera maromaro hampianatra ilay lesona nomaniny ho an’ilay toe-javatra nampiandraiketina azy ireo.

  • Asao ny misiônera hanao fanazaran-tena hifampizara hafatry ny filazantsara maharitra iray minitra. Azonao atao ny mampiasa sehatra isan-karazany hitadiavana olona, toy ny fampianarana ao amin’ny tokantranon’ny mpikambana iray, ny fampianarana eo am-baravarana, ny fampianarana eny an-tsisin-dalana, na ny fifandraisana amina olona natolotra. Asaivo manao fanazaran-tena mampianatra ao anatin’ireo sehatra tsirairay avy ireo ny misiônera.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Manehoa ohatra amin’ny asa fitoriana iarahan’ny mpikambana sy ny misiônera ao amin’ny fianakavianao. Zarao ny zavatra niainanao niaraka tamin’ny misiônera sy ny mpikambana.

  • Miaraha mikaon-doha miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpitarika rafitra eo an-toerana mikasika ny fomba tsara indrindra hitadiavan’ireo misiônera olona hampianarina ao amin’ny misiôna misy anao.

  • Manomàna fampaherezam-panahy fitoriana ny filazantsara izay ahafahanao mandaha-teny amin’ireo olona ampianarina amin’izao fotoana izao ao amin’ny misiôna misy anao. Arindrao miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana izany mba hahafahan’ny mpikambana mitondra ny namany. Asao ny mpikambana vaovao hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary hitantara ny fomba niovany fo mialoha ny hiresahanao.

  • Mandehana tsindraindray miaraka amin’ireo misiônera mba hanampy azy ireo hitady olona hampianarina.