Antso ao amin’ny misiôna
Teny fanolorana ny Torio ny filazantsarako


“Teny fanolorana ny Torio ny filazantsarako,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Teny fanolorana,” Torio ny filazantsarako

Teny fanolorana ny Torio ny filazantsarako

Nanome torolalana ny mpanompony ny Tompo mba “hitory ny filazantsara[ny], amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ilay Mpampionona izay nalefa hampianatra ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14).

Ny Torio ny filazantsarako dia novolavolaina mba hanampy anao hanatanteraka ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao. Mifantoka amin’ireo zavatra fototra ao amin’ny asa fitoriana izy io. Tsy mamaly ny fanontaniana rehetra na manome toromarika ho an’ny toe-javatra rehetra hatrehanao anao izy io. Fa loharanom-pitaovana tena manan-danja ho anao kosa izy io mba hampitomboana ny hery ara-panahy sy ny fahafahana manao zavatra ara-panahy anananao. Halalino sy hampiharo ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ity boky ity.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa nanao batisa an’i Jesoa Kristy

Ny Torio ny filazantsarako dia narindra mba hanampy anao amin’ireto zavatra manaraka ireto:

Halalino imbetsaka tsy tapaka ireo toko ireo mandritra ny fotoana hitorianao ny filazantsara . Tombano ny asanao. Mametraha tanjona ary manaova drafitra hanatratrarana azy ireo. Ny misiônera izay manomana ny tenany isan’andro sy mampivoatra ny tenany tsy tapaka dia hitahy ny fiainan’ireo izay ampianariny sy tompoiny. Hahazo fitahiana ho an’ny fiainany manokana koa izy ireo.

Fahafahana azo araraotina mba handalinana sy hianarana

Ny fandalinana mahomby mandritra ny fotoana hitorianao ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara ary hahatonga anao ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky kokoa.

Ny fandalinana ny soratra masina sy ny Torio ny filazantsarako dia hanampy anao hampianatra miaraka amin’ny hery ara-panahy. Hanampy anao mba hahatonga ny fampianaranao ho manan-danja eo anatrehan’ny zavatra ilain’ireo olona ihany koa izany.

Ny fandalinana manan-danja sy ny fahafahana mianatra dia mety hitranga mandritra ny:

  • Fandalinan’ny tena manokana.

  • Fandalinan’ny mpiara-mitory.

  • Fifanakalozana mpiara-mitory.

  • Fivoriana filankevitry ny distrika.

  • Fihaonamben’ny faritra.

  • Filankevi-pitarihana eo anivon’ny misiôna (ho an’ireo tanora misiônera mpitarika).

Amin’ny ankamaroan’ny andro, ny fandaharam-potoan’ny misiônera dia ahitana fotoana ho an’ny fandalinan’ny tena manokana sy fandalinan’ny mpiara-mitory. Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy), 2.4, mba hahitana fampahalalana momba ny fandaharam-potoanao isan’andro.

Ny zavatra ianaranao mandritra ny fandalinanao manokana dia hanampy anao mandritra ny fandalinan’ny mpiara-mitory sy ireo fotoana hafa ahafahana mianatra voatanisa etsy ambony. Ao amin’ireo sehatra ireo ianareo dia “hifampiana[tra] ny fotopampianaran’ny fanjakana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77).

Sary
I Jesoa Kristy mampianatra vahoaka

Hevitra mba hanatsarana ny fandalinanao ny Torio ny filazantsarako

Voatenona miaraka ato amin’ny Torio ny filazantsarako ny soratra masina sy ny fitsipiky ny filazantsara mba hanampiana anao hahafantatra ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Natao hanampiana anao hahafantatra tsara ny soratra masina sy hanatevenana ny fandalinanao azy ireo izany. Halalino ny toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ireo toko tsirairay avy mandritra ny fotoana hitorianao ny filazantsara.

Ny toko tsirairay avy ato amin’ny Torio ny filazantsarako dia ahitana hevitra sy atrikasa izay hanampy anao handalina sy hampihatra ny zavatra ianaranao. Ampiasao izy ireny mandritra ny fandalinan’ny tena manokana ataonao sy ny fandalinan’ny mpiara-mitory (jereo ny Fenitra momba ny asa fitoriana, 2.4). Azonao atao ihany koa ny mampiasa azy ireny mandritra ireo fivoriana filankevitry ny distrika sy ny fihaonamben’ny faritra. Hahomby kokoa ny fandalinanao rehefa mahita fomba hampiharana ny zavatra ianaranao ianao.

Manampy ny fananana drafitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana. Afaka mamorona ny drafitrao manokana ianao izay hanomezanao laharam-pahamehana ny fitsipiky ny filazantsara izay tianao ho takatra tsara kokoa. Azonao atao ihany koa ny mandrafitra ny fandalinanao manodidina ireo toko ato amin’ny Torio ny filazantsarako. Ohatra, azonao ampiasaina ireo lesona ao amin’ny toko 3 mba ho tari-dalana ho an’ny fandalinanao ny fotopampianarana sy fitsipika izay hampianarinao. Ilainao ny mahafantatra ireo lesona ireo mba hahafahanao mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy amin’ny teninao manokana.

Manaova firaketana an-tsoratra rehefa mandalina ianao. Mampiasà diary fandalinana amin’ny endrika taratasy na elektrônika (toy ny Médiathèque de l’Évangile) mba hanampy anao hahatakatra sy hanazava ary hahatadidy ny zavatra ianaranao.

Atombohy amin’ny vavaka ny fandalinanao mba hanampian’ny Fanahy Masina anao hianatra. Hitondra fahalalana sy fahatakarana ary faharesen-dahatra izay hitahy ny fiainanao sy hanome fahafahana anao hitahy ny hafa Izy. Sokafy ho an’ireo fahatsapana sy hevi-baovao azonao avy Aminy ny sainao sy ny fonao. Ampidiro ao amin’ny zavatra raisinao an-tsoratra ireo hevi-baovao ireo.

Avereno jerena matetika tsy tapaka ny diary fandalinanao mba hahatsiarovana ireo zavatra ara-panahy niainana, hahitana hevi-baovao, ary hahitana ny fivoaranao.

Application Torio ny filazantsarako

Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako mba hanampy anao hampihatra ny fitsipika ianaranao. Misy ao amin’ny fitaovana elektrônikanao io appli io. Ahitana endri-javatra izay hanampy anao hanatratra ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao izany. Tafiditra ao anatin’ireo endri-javatra ireo ny:

  • Fampahalalana momba ireo zavatra ilaina sy ny fivoaran’ny olona ampianarinao.

  • Toerana hiraketanao ny fivoaranao amin’ireo tanjona ho an’ireo mari-pandrefesana ifantohana.

  • Tetiandro hiraketana ny drafitrao sy handaminana ny fotoana hanatanterahana ireo zavatra atao.

  • Saritanin’ny faritra iasanao sy fampahalalana manan-danja hafa mba hanampiana anao hanatratra ireo tanjona napetrakao.

Ny Torio ny filazantsarako dia ahitana hevitra maro amin’ny fampiasana ilay appli mba hanampiana anao hahita sy hampianatra ary hanao batisa olona.

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Fampiasan’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Torio ny filazantsarako

Ny Torio ny filazantsarako dia loharanom-pitaovana manan-danja izay tsy natao ho an’ny misiônera fotsiny ihany fa ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Ohatra, ny fandalinana azy dia hanampy ny mpikambana:

  • Hianatra sy hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (halalino ny toko 1, 2, 3, ary 10).

  • Hamaly fanontaniana momba ny filazantsara (halalino ny toko 3 sy 5).

  • Hahatakatra tsara kokoa ny fikatsahana sy fianteherana amin’ny Fanahy Masina (halalino ny toko 4).

  • Hahatakatra ny herin’ny Bokin’i Môrmôna (halalino ny toko 5).

  • Hikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy (halalino ny toko 6).

  • Hanatanteraka ny andraikiny ao amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fiainana ny fitsipiky ny hoe mitia sy mizara ary manasa (halalino ny toko 9 sy 13).

  • Hampiorina firaisan-kina amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno (halalino ny toko 13).

Ny fandalinana ny Torio ny filazantsarako—indrindra indrindra ny toko 3—dia hanampy manokana ny tanora sy ny zokiolona izay eo am-piomanana hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno.