Antso ao amin’ny misiôna
Toko 8: Manantanteraka ny asa amin’ny alalan’ireo tanjona sy drafitra


“Toko 8: Manantanteraka ny asa amin’ny alalan’ireo tanjona sy drafitra,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 8,” Torio ny filazantsarako

Sary
Go Ye Therefore (Koa mandehana hianareo) (Go Ye Therefore, and Teach All Nations (Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra)), nataon’i Harry Anderson

Toko 8

Manantanteraka ny asa amin’ny alalan’ireo tanjona sy drafitra

Diniho ity

  • Nahoana aho no mila mametraka tanjona?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ireo mari-pandrefesana ifantohana ahy hifantoka amin’ny fivoarana ara-panahin’ny isam-batan’olona?

  • Ahoana ny fomba fametrahako tanjona, sy ny fomba famolavolako drafitra mba hanatanterahana azy ireo, ary ny fomba fanatanterahako ireo drafitro?

  • Ahoana ny fomba fitondrako ireo fotoana famolavolana drafitra fanao isan’andro sy isan-kerinandro?

  • Ahoana no ahafahako mampiasa ny appli Torio ny filazantsarako mba hanampy ahy amin’ny fanatanterahana ny asa?

  • Inona no atao hoe fitsipiky ny maha-tompon’ andraikitra? Amin’ny fomba ahoana no itahian’izany ireo ezaka ataoko?

Voatendry hanampy amin’ny asan’ny Tompo ao amin’ny faritra iray voasoritra tsara ianao. Tiany ianao hanome ny olona ny fitiavany sy ny fahamarinany. Maniry Izy ny hanasanao sy hanampianao azy ireo mba hanatona Azy.

Maniry ny mba “hirotsaha[nao] amin’[ity] asa tsara [ity]” ny Tompo. Mangataka anao Izy mba “hanao zavatra maro amin’ny nahim-pon[ao] ka hahatonga fahamarinana fatratra;” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27; jereo ny andininy 26–29). Ataovy izay rehetra vitanao mba hahatonga ny paroasy na sampana rehetra nanompoanao ho lasa matanjaka kokoa rehefa mandao azy ireo ianao.

Ity toko ity dia hampianatra anao ny fomba fametrahana tanjona, ny famolavolana drafitra mba hahatanteraka azy ireo, ary ny fanatontosana amim-pahazotoana ireo drafitrao. Mamariparitra ireo mari-pandrefesana ifantohana mikasika ny fiovam-po izany, izay mitarika ny ezaka ataonao amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hivoatra ara-panahy. Avy eo dia hisy fanolorana dingana arahina tsotra amin’ny fametrahana tanjona izay azonao ampiasaina amin’ny lafiny rehetra ao amin’ny asa fitoriana, ka tafiditra ao anatin’izany ny tanjona mahakasika ny tenanao manokana sy ny mpiara-mitory. Izany koa dia manoritsoritra ny fomba fitondrana ireo fotoana famolavolana drafitra isan-kerinandro sy isan’andro miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao.

Ny fianarana mametraka tanjona sy famolavolana drafitra dia afaka mitahy anao mandritra ny androm-piainanao. Afaka manampy anao izany eo amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, eo amin’ny fanompoana amim-pahatokiana ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny fandrantoana fianarana, sy eo amin’ny fivoarana eo amin’ny lafin’ny asa, ary eo amin’ny fanorenana fianakaviana matanjaka.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no azonao ianarana avy amin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fanaovana drafitra mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra?

Sary
He Healed Many of Diverse Diseases (Nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy), nataon’i J. Kirk Richards

Ampio ny hafa ho lasa hiova fo ho an’ny Mpamonjy

Mifantoha amin’ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao

Mety efa nanontany tena ianao hoe inona amin’ireo adidy maro amin’ny maha-misiônera anao no manan-danja indrindra. Fanontaniana tsara dinihina izany rehefa mametraka tanjona sy manao drafitra isan-kerinandro sy isan’andro ianao. Mba hamaliana izany dia eritrereto ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao:

“Manasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany.”

Aoka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao no hitarika ireo tanjona sy drafitra ataonao. Mifantoha amin’izay zavatra azonao atao mba hanampiana ny olona hampihatra ny fahafahany misafidy mba hiova fo ho an’ny Mpamonjy sy handray ny filazantsarany.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy ary makà hevitra amin’ny mpiara-mitory aminao rehefa mametraka tanjona sy mamolavola drafitra. Araho asa avy eo ny drafitrao ary ampiasao amin’ny fomba mahomby ny fotoanao.

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

“Tsy mitory sy mampianatra isika mba ─hitondrana olona ao am-piangonana─ na hampitomboana ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mitory sy mampianatra mba handresy lahatra fotsiny ny olona hanana fiainana tsaratsara kokoa isika. … Manasa ny olona rehetra isika mba hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana, mba hanokafana ny varavaran’ny fanjakana selestialy ho an’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany” (Dallin H. Oaks, “The Purpose of Missionary Work,” fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ireo misiônera, apr. 1995).

Fandalinana ny soratra masina

Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ireto misiônera sy mpaminany ireto ny drafitr’izy ireo niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo?

Ampiharo ny fampifanarahan-javatra amin’ireo mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny fiovam-po

Nametraka mari-pandrefesana ifantohana miisa enina ho an’ny fiovam-po ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ny mari-pandrefesana dia manampy anao hifantoka amin’ny fivoarana ara-panahin’ireo zanak’ Andriamanitra. Natao izy ireny mba hanampiana anao hampifanaraka ny ezaka isan’andro ataonao amin’ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao.

Aseho eto ambany ireo mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny fiovam-po.

Sary
misiônera mandray tanana lehilahy iray

Olona vaovao ampianarina. Ny olona tsirairay (tsy mbola vita batisa) izay naharay lesona tamin’ny herinandro voatondro iray (saingy tsy nampianarina tao anatin’ny telo volana lasa) ary nanaiky fihaonana manokana mba hiverenana. Ny lesona iray mazàna dia ahitana vavaka (rehefa mety ny fanaovana izany), fampianarana fitsipiky ny filazantsara iray farafahakeliny, ary fanasana atolotra iray mifanaraka amin’izany.

Sary
misiônera mampianatra

Lesona ahitana fandraisan’ny mpikambana iray anjara Ny isan’ny lesona tao anatin’ny herinandro voatondro iray izay nampianarana olona iray (tsy mbola vita batisa) ka nandraisan’ny mpikambana iray anjara.

Sary
fianakaviana any am-piangonana

Olona nampianarina manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo Ny olona tsirairay (tsy mbola vita batisa) izay ampianarinareo ary nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny herinandro voatondro iray.

Sary
fianakaviana eo am-pivavahana

Olona manana daty hanaovana batisa. Ny olona tsirairay nanaiky ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana amin’ny daty iray voafaritra mazava.

Sary
batisa

Olona izay vita batisa sy noraisina ho mpikambana. Ny mpikambana vaovao tsirairay izay nandray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary efa nalefa tamin’ny fomba elektrônika tao anatin’ny herinandro voatondro iray ny taratasy firaketana ny momba azy. (Jereo ny toko 12 mba hahitana ny famaritana ny batisana olona niova fo sy ny fampahalalana momba ny famoronana firaketana.)

Sary
vehivavy any am-piangonana

Mpikambana vaovao manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ny mpikambana vaovao tsirairay izay nalefa tao anatin’ny 12 volana lasa ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana izay azy ireo ary nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo tao anatin’ny herinandro voatondro iray.

Raha fintinina dia ataovy laharam-pahamehana ny fanampiana ireo olona izay misafidy ny handray anjara amin’ireo zavatra iainana ireo. Afantohy amin’ireto asa manaraka ireto ny ezaka ataonao:

  • Izay asa manampy anao hahita olona vaovao hampianarina

  • Izay asa manampy ny olona handroso mankany amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana

  • Izay asa manampy ny olona natao batisa sy noraisina ho mpikambana tamin’ny taona lasa

Raha toa ny ezaka ataonao ka tsy hitanao hoe manampy ny olona iray handroso amin’ny fomba azo tarafina amin’ny alalan’ireo mari-pandrefesana ifantohana, dia diniho raha toa tsara andanianao fotoana izany na tsia.

Ho an’ireo olona izay tsy andanianao fotoana be loatra intsony, dia tohizo ny fikolokoloana ny fahalianan’izy ireo amin’ny filazantsara. Azonao atao ny manasa mpikambana mba hifandray amin’izy ireo. Azonao atao koa ny mpampiasa ny teknôlôjia mba hankaherezana azy ireo sy hanohizana ny fanompoana azy ireo. Jereo ny “Ampiasao ny teknôlôjia” ao amin’ny toko 9 mba hahazoana hevitra fanampiny.

Sary
Loholona Quentin L. Cook

“Ny tanjona faratampony amin’ny fanaovana drafitra sy fametrahana tanjona dia ny hahatonga ny olona ho lasa mpianatra, izany hoe mpikambana niova fo manolo-tena izay manao sy mitandrina fanekempihavanana masina, manomboka amin’ny fanekempihavanan’ny batisa izay mitondra mankany amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly” (Quentin L. Cook, “Purpose and Planning,” seminera ho an’ireo mpitarika ao amin’ny misiôna, 25 jona 2019).

Mametraha tanjona ho an’ireo mari-pandrefesana ifantohana ary manaova drafitra

Mandritra ny fotoana fanaovana drafitra ho an’ny herinandro dia mametraka tanjona ho an’ireo mari-pandrefesana ifantohana ianao sy ny mpiara-mitory aminao. Ny tanjona ho an’ireo mari-pandrefesana ifantohana apetrakao dia tokony hahitana taratra ny fanirianao hanampy olona betsaka kokoa hiaina ireo fitahian’ny fiovam-po.

Mametraha tanjona ary manaova drafitra amin’ny fanatanterahana zavatra voafehinao izay afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny vokatra avy amin’ireo mari-pandrefesana ifantohana. Ohatra:

  • Afaka mametraka tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ianao hanombohana mampianatra olona vaovao izay voafaritra tsara ny isany mandritra ny herinandro. Ny fanatraranao izany tanjona izany dia miankina amin’ny fahafahana misafidy ananan’ny olona. Saingy ataovy izay zavatra rehetra azo atao eo ambany fifehezanao mba hahatanteraka izany. Fomba iray hanaovana izany ny mametraka tanjona hiresaka amina olona vaovaomaromaro isan’andro. Avy eo dia manaova drafitra ny amin’ny fomba hanaovanao izany. Jereo ireo hevitra ao amin’ny Tovana 2 an’ity toko ity sy ao amin’ny toko 9.

  • Afaka mametraka tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ianao mba hanatrehan’ny mpikambana vaovao sy ny olona vaovao ampianarinao, izay voafaritra tsara ny isany, ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ny fanatrehan’izy ireo na tsia dia miankina amin’ny fahafahana misafidy ananan’izy ireo. Saingy ataovy izay zavatra rehetra azo atao eo ambany fifehezanao mba hampisy fiantraikany eo amin’ny vokatra avy amin’ireo mari-pandrefesana ifantohana. Manaova drafitra mikasika ny fotoana hanasana azy ireo sy ny fomba hijerena ny fivoaran’ilay drafitra.

  • Afaka mametraka tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana mba handraisan’ny mpikambana anjara amina lesona, izay voafaritra ny isany, mandritra ny herinandro ianao. Ny fanatraranao izany tanjona izany dia miankina amin’ireo mpikambana sy ny olona ampianarinao. Saingy ataovy izay zavatra rehetra azonao mba hampisy fiantraikany eo amin’ny vokatra avy amin’ity mari-pandrefesana ifantohana ity. Mametraha tanjona ny hiara-hiasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy mba hisy mpikambana hanatrika. Avy eo dia manaova drafitra momba ny fomba handrindranao ny fandraisan’izy ireo anjara.

Amin’ny maha mpiara-mitory anareo dia mametraka tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny faritrareo manokana ianareo. Ataovy mifototra amin’ny (1) fivoaran’ireo izay ampianarinareo ary (2) ny filana mitady olona vaovao hampianarina izany. Ilaina foana ny fitadiavana olona vaovao hampianarina.

Ny tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny misiôna iray manontolo dia miainga avy amin’ny tanjona apetraky ny mpiara-mitory tsirairay avy.

Ny appli Torio ny filazantsarako dia hanampy anao hifantoka amin’ireo olona rehefa mametraka tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ianao. Io appli io koa dia hanampy anao hianatra avy amin’ireo tanjona tany aloha sy mampiseho ny fivoaranao mankany amin’ny tanjona napetraka amin’izao fotoana izao.

Ny tanjona sy vokatr’ireo mari-pandrefesana ifantohana dia voatatitra ho azy any amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny misiôna sy ireo tanora misiônera mpitarika amin’ny alalan’ny appli Torio ny filazantsarako.

Aoka mba tsy ho mari-pandrefesana ifantohana iray ihany no homenao lanja mihoatra noho ireo hafa. Ny fifantohana amin’ireo mari-pandrefesana ifantohana rehetra amin’ny fotoana rehetra dia hanampy anao hanasa tsy tapaka ny hafa hanatona an’i Kristy sy hanao fanekempihavanana.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Rehefa refesina ny vokatra, dia mihatsara ny vokatra. Rehefa refesina sy atao tatitra ny vokatra dia mihamitombo hafainganana ny taham-pivoarana” (nindramina tamin’i Thomas S. Monson, “Thou Art a Teacher Come from God,” Improvement Era, Dec. 1970, 101).

Miasà amim-pahazotoana

Ny Tompo dia maniry ny “hiasa[nao] … amin’ny zotom-po rehetra” mandritra ny asa fitorianao ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99). Ny zotom-po dia ezaka tsy tapaka sy feno herim-po.

Manaova asa amim-pahazotoana eo anatrehan’ireo tanjonao momba ny mari-pandrefesana ifantohana. Omeo fanasana ny olona hanao fanolorantena izay hitarika ho amin’ny fiovam-po. Ny ezaka feno zotom-po ataonao dia afaka manentana ny hafa handray andraikitra ka izany dia hitarika azy ireo hanatona an’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 2:14–16).

Ampianaro amin’ny fomba izay ahafahana manome ny zavatra ilain’ny olona ny filazantsara. Ny fotopampianarana, rehefa takarina amin’ny alalan’ny Fanahy, dia tena azo heverina mihoatra noho ny zavatra rehetra hafa fa hanentana azy ireo hanao zavatra.

Fa ao anatin’izany rehetra izany koa anefa dia ekeo fa ny tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana dia miankina amin’ny fahafahana misafidy ananan’ny hafa. Hajao foana ny fahafahana misafidy ananan’ny olona.

Tsarovy fa tsy ny mari-pandrefesana ifantohana no tanjona faratampony. Fa izy ireo kosa dia maneho ny fahafahan’ny olona mivoatra ara-panahy mankany amin’ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Ny tena fivoaran’ny olona dia hiankina amin’ny safidy ataon’izy ireo. Manohana ny fivoaran’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Kristy eo amin’ny toerany rehefa mametraka tanjona, manao drafitra, miasa amim-pahazotoana, ary manompo azy ireo amin’ny fomba azo avy amin’ny fitaomam-panahy.

Ahoana no fomba fametrahana tanjona sy fanaovana drafitra hanatrarana azy ireo

Asan’ny finoana ny fametrahana tanjona sy ny fanaovana drafitra. Ny tanjona dia maneho ny fanirian’ny fonao sy ny vinanao amin’ny fanampianao ny tenanao sy ny hafa hanatona ny Mpamonjy.

Ny tanjona sy drafitra nodinihina tsara dia hanome fitarihana mazava ho anao. Afaka manampy anao hahita olona hampianarina betsaka kokoa izy ireo. Afaka mitarika anao amin’ny fanampiana ireo izay ampianarinao mba hampatanjaka ny finoany sy ny fivoarany mankany amin’ny fiovam-po izy ireo.

Ataovy izay hahatonga ny fametrahanao tanjona sy ny fanaovanao drafitra ho zavatra iainana azo avy amin’ny fanentanam-panahy. Mivavaha mafy, mampihara finoana, milà hevitra amin’ny mpiara-mitory aminao, ary araho ny bitsiky ny Fanahy. Rehefa manao drafitra amin’izany fomba izany ianao dia hahatsapa ny fiasan’ny Tompo amin’ny alalanao mba hitahiana ny hafa.

Sary
Filoha M. Russell Ballard

“Ny tanjona dia zavatra hahatongavana na fiafarana, raha toa ka ny drafitra kosa dia fomba hahatongavana amin’izany. … Ny hoe mametraka drafitra amin’ny ankapobeny dia manana ao an-tsaina dieny ety am-boalohany ilay fiafarana tiana hahatongavana. Ary ny fanaovana drafitra dia ny famolavolana fomba hahatongavana amin’izany fiafarana izany.” (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 62–63).

Fitsipika momba ny fametrahana sy fanatanterahana tanjona

Ity dingana arahina manaraka ity dia hanampy anao hametraka sy hanatanteraka tanjona.

Sary
tabilaon’ny fametrahana tanjona
  1. Mametraha tanjona ombam-bavaka ary manaova drafitra. Mametraha tanjona izay azo tratrarina tsara kanefa hitaky ny fiezahanao sy ny fahazotoanao ary mitaky finoana. Sorohy ny fametrahana tanjona izay avo loatra na ambany loatra. Manaova drafitra ny amin’ny fomba hanatanterahana azy ireo.

  2. Raketo an-tsoratra ary andrindrao fotoana. Raketo an-tsoratra ny tanjonao sy ny drafitrao ao anatina fandaharam-potoana amin’ny antsipiriany.

  3. Manaova asa eo anatrehan’nyny drafitrao. Miasà amim-pahazotoana mba hahatanteraka ny tanjonao. Mampihara finoana ny Tompo mba hanampy anao.

  4. Avereno jerena sy araho maso. Tombano ny fivoaranao ary raketo tsy tapaka ny ezaka vitanao. Tapaho ny hevitra ny amin’ny zavatra izay ilaina ovaina sy ny amin’ny fomba hivoarana. Asio fanamboarana ny drafitra raha ilaina.

Rehefa mampiasa ity dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona ity ianao dia hampitombo ny ezakao ny Tompo. Hitombo fahaizana ianao amin’ny maha- fitaovana eo am-pelatanany anao. Hitondra zavatra tsara maro ianao ho an’ny fitahiana ireo zanak’ Andriamanitra.

Mametraha tanjona ary manaova drafitra ho an’ny lafiny rehetra amin’ny asa

Katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampihatra ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona ho an’ny lafiny rehetra amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ianao. Ny sasany amin’ireo dia ny:

  • Manampy ny olona ampianarinao hivoatra (jereo ny Tovana 1 ato amin’ity toko ity).

  • Mitady olona vaovao hampianarina (jereo ny Tovana 2 ato amin’ity toko ity).

  • Miara-miasa amin’ny mpikambana ary manompo ny olona ao amin’ny fiarahamonina sy ny paroasy toko 9 sy 13).

  • Miasa amim-piraisankina miaraka amin’ny mpiara-mitory (jereo ny singa 6 ao amin’ny “Fotoana famolavolana drafitra ho an’ny herinandro”).

  • Manatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  • Manatsara sy mampitombo ny fahalalanao sy ny fahaizanao, ka tafiditra ao anatin’izany ny fianarana ny fiteny (jereo ny toko 7).

Mametraha tanjona mifanaraka amin’ny tokony ho izy

Sorohy ny fametrahana tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny misiônera hafa. Azonao atao anefa ny mitarika sy mamporisika azy ireo mba hampihatra ireo fitsipiky ny fametrahana tanjona rehefa mametraka ny tanjon’izy ireo manokana izy ireo.

Mitandrema mba tsy hanao fampitahana amin’ny an’ny hafa.

Aza raisina ho isa ilaina tratrarina, na mba hahazoana fankasitrahana avy amin’ny besinimaro, na mba hanitsiana na hanalana baraka ny hafa ampahibemaso ny fanatrarana tanjona.

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Isika dia mino ny fametrahana tanjona. Ilaintsika eo amin’ny fiainantsika ny tanjona. … Tanjona [iray] manan-danja ny fitondrana ny filazantsara any amin’ny olona rehetra. … Tanjontsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. Izany no tanjona lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao” (Spencer W. Kimball, semineran’ireo solontenam-paritra, 3 apr. 1975, 6).

Manaova fotoana famolavolana drafitra fanao isan-kerinandro sy isan’andro

Ny famolavolana drafitra ho an’ny herinandro dia manampy anao hanana fijery mivelatra kokoa sy hifantoka amin’ny olona. Manampy anao ihany koa izany hifantoka amin’ireo asa izay manan-danja indrindra. Ny fanaovana drafitra ho an’ny andro tsirairay dia manampy anao hanisy fanamboarana eo anatrehan’ny zava-misy sy hiomamana hanao asa manokana ho an’ny andro tsirairay. Te hahita vokatra ianao, fa tsy te ho be atao fotsiny.

Mandritra ny fotoana hamolavolana drafitra dia mametraha fanontaniana fototra amin’ny tenananao momba ny zavatra tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao. Mikatsaha fitaomam-panahy mba hamaliana ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny toe-javatra misy sy mifanaraka amin’ny olona tsirairay avy. Ny valiny azonao avy eo no tokony hifotoran’ny drafitrao.

Fotoana famolavolana drafitra ho an’ny herinandro

Manaova fotoana famolavolana drafitra ho an’ny herinandro miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao amin’ny andro sy ora izay napetraky ny filohan’ny misiônanareo. Araho ireo fitsipika etsy ambany.

  1. Mivavaha mba hahazoana fitaomam-panahy. Angataho ny Ray any An-danitra hitarika anareo amin’ny fanaovana drafitra izay hanampy amin’ny fanatanterahana ny tanjony. Angataho Izy mba hitahy ny ezaka ataonareo amin’ny fanampiana ny olona handroso sy hanatona an’i Kristy.

  2. Mametraha tanjona ary manaova drafitra ho an’ireo mari-pandrefesana ifantohana rehetra amin’ny alalan’ny appli Torio ny filazantsarako. Ampiasao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona izay voafariparitra teo aloha ato amin’ity toko ity. Atombohy amin’ny:

    • Olona izay vita batisa sy noraisina ho mpikambana tao anatin’ny herintaona.

    • Olona manana datin’ny batisa.

    • Olona ampianarinareo amin’izao fotoana izao ka manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo.

    • Olona vaovao ampianarinareo amin’izao fotoana izao.

    • Ireo mpikambana miverina mavitrika, ireo fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambana, ary ireo lehilahy azo aroso ho loholona.

    • Ireo olona efa nampianarina tany aloha tany.

    Jereo ny Tovana 1 ato amin’ity toko ity mba hahitana hevitra momba ny fampiasana ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona momba ny fiasana miaraka amin’ireo olona ampianarinareo.

  3. Ampiasao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba hahitana olona hampianarina (jereo ny Tovana 2 ato amin’ity toko ity sy ny toko 9 mba hahazoana fanampiana amin’ny fitadiavana olona).

  4. Ampiasao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba hanorenana fifandraisana amin’ny mpitarika sy mpikambana ao amin’ny paroasy. Mametraha tanjona ary manaova drafitra ny amin’ny fomba hanohananareo azy ireo amin’ny ezaka ataony amin’ny fizarana ny filazantsara (jereo ireo hevitra ao amin’ny toko 9 sy 13). Miomàna ho amin’ny fivoriana enti-mandrindra fanao isan-kerinandro eo anivon’ny paroasy (jereo ny toko 13).

  5. Avereno jerena ireo drafitra sy tanjonareo ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako. Hamafiso ireo fotoana nifanomezana sy ireo fivoriana voalamina.

  6. Manaova filankevitry ny mpiara-mitory. Mazàna dia tafiditra ao anatin’izany ireto singa manaraka ireto:

    • Raha tiana, dia mizarà tanjon’ny tena manokana azo atao ary mangataha fanampiana amin’ny mpiara-mitory aminao amin’ny fanatanterahana azy ireo.

    • Resadresaho ny tanjaky ny fifandraisanareo. Resadresaho izay mety ho olana momba ny fankatoavana na ny fiasana amim-piraisan-kina. Vahao izay mety ho fifandirana amin’ny alalan’ny (1) famelana ny olona tsirairay haneho feno ny fomba fijeriny, (2) ny fanakarana an-tsaina izay mahazo ilay iray hafa sy ny fanekena ny olana mianjady amin’ny olona tsirairay, ary (3) ny fitadiavana vahaolana miaraka hiatrehana ireo olana goavana indrindra.

    • Zarao amin’ny mpiara-mitory aminao ireo toetra tsara izay heverinao fa ananany. Mangataha sosokevitra momba ny fomba ahafahanao mivoatra.

    • Mametraha tanjona izay hanatsara ny fifandraisanareo.

    Ny filankevitry ny mpiara-mitory dia afaka manampy anao hampivelatra fahaiza-manao manan-danja izay azonao ampiasaina eo amin’ny fiainanao manokana sy ny fiainam-pianakavianao, eo amin’ny fanompoanao ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny asanao, ary eo amin’ireo fifandraisanao amin’olona hafa.

  7. Farano amin’ny vavaka.

Fotoana famolavolana drafitra ho an’ny andro tsirairay

Mametraha tanjona ary manaova drafitra miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao mandritra ny 30 minitra isa-maraina. Araho ireo fitsipika etsy ambany.

  1. Mivavaha mba hahazoana fitaomam-panahy.

  2. Tombano ny fivoarana mankany amin’ireo tanjonao ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny herinandro.

  3. Avereno jerena ny drafitrareo mba hanampiana ny olona ampianarinareo amin’izao fotoana izao. Ataovy laharam-pahamehana ao anatin’ny ezaka ataonareo ny manampy ireo olona izay tena mandroso. Asio fanamboarana ny tanjona sy ny drafitra ho an’ny andro raha ilaina.

  4. Manolora tena hanao ireo asa izay hotanterahinareo amin’io andro io mba hahitana olona vaovao hampianarina sy hanampiana ny olona efa ampianarinareo amin’izao fotoana izao.

  5. Manaova drafitra mikasika ny fomba hiarahanareo miasa amin’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana.

  6. Farano amin’ny vavaka.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Avereno jerena ny Tovana 1 sy Tovana 2 any amin’ny fiafaran’ity toko ity mba hahitana hevitra momba ny fampiasana ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona ho an’ny fampianarana sy ny fitadiavana olona hampianarina. Jereo ny fomba ahafahanareo mampiasa ny sasany amin’ireo hevitra ireo.

Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako

Raha ny mahakasika ireo izay natao batisa tamin’ny fotoan’androny, dia nilaza i Môrônia fa “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy [izy ireo]; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Fomba iray ahafahanao mampihatra io fitsipika io ny fihazonana firaketana tsara.

Raketo ny ezaka ataonao

Ny fihazonana firaketana dia ampahany amin’ny fisahanana amim-pahazotoana ny faritra iandraiketanao ao anatin’ny fitiavana sy ny firaharahiana. Ataovy marina tsara ary havaozy hatrany ny firaketana hazoninao. Hanampy anao hahatadidy ny zavatra ilainao atao mba hanampiana ny olona izany.

Ny appli Torio ny filazantsarako dia mamela anao handrindra sy hizara fampahalalana manan-danja amin’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana mikasika ny fivoaran’ny olona sy ny asa.

Araho ireo fitsipika mifehy ny lahatahiry sy ny tsiambaratelo

Araho ireo torolalana momba ny fitahirizana lahatahiry sy ny tsiambaratelo rehefa mirakitra tanjona sy drafitra ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako sy ao amin’ireo fitaovana navoaka printy. Mba hahitana fampahalalana dia jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy), 7.5.

Apetrahoamin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto mialoha ny firaketana na fizarana fampahalalana ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako:

  • Mety inona no ho tsapan’io olona io momba ny zavatra raketiko?

  • Inona no ho tsapako raha toa ka nisy olona nizara io karazana fampahalalana momba ahy io tamin’olon-kafa?

  • Moa ve aho manaraka ireo fenitry ny Fiangonana sy ny lalàna mifehy ny tsiambaratelon’ny lahatahiry ho an’ny faritra iandraiketako raha toa ka mirakitra na mizara ity fampahalalana ity aho?

Sary
misiônera mivavaka

Maha-tompon’andraikitra

Ny fitsipiky ny maha-tompon’andraikitra dia tena zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra (jereo ny Almà 5:15–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13; 137:9). Io fitsipika io dia misy fiantraikany eo amin’ny fieritreretanao sy ny zavatra tsapanao momba ny andraikitra masina nomen’ny Tompo anao. Ny maha-tompon’andraikitra koa dia misy fiantraikany eo amin’ny fomba hanaovanao ny asa.

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanome andraikitra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hivoatra sy hivelatra ary hanatanteraka ny asany. Izy koa dia nanome fahafahana azy ireo mba ho tompon’andraikitra manoloana ny asa izay nampiandraiketina azy ireo (jereo ny Lioka 9:10; 3 Nefia 23:6–13). Amin’ny maha-misiônera anao dia tompon’andraikitra torak’izany koa ianao manoloana ny izay nampiandraiketin’ny Tompo anao.

Rehefa hiroso amin’ny fametrahana tanjona sy famolavolana drafitra dia ataovy ao an-tsaina fa ianao dia hanao tatitra amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro. Aoka koa ianao ho tompon’andraikitra amin’ny tenanao manokana sy amin’ireo mpitarika ao amin’ny misiônanao.

Ny fanaovana tatitra dia tokony ho zavatra iainana feno fitiavana sy tsara, izay ahafantarana ny ezaka vitanao ary ahitanao ireo zavatra izay ilaina hatsaraina.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no dikan’ny hoe tompon’andraikitra?

Nahoana ny fahafahana misafidy no manan-danja rehefa miresaka momba ny maha-tompon’andraikitra?

Ahoana no tokony hiarahan’ny misiônera sy ny mpitarika ao amin’ny misiôna miasa?

Inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mahatoky ao amin’ny andraikitr’izy ireo?


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Diniho ity fehezan-teny manaraka avy tamin’ny taratasy misy ny antsonao ity: “Rehefa manokana ny fotoanao sy ny fifantohanao amin’ny fanompoana ny Tompo ianao, ka mamela ireo raharaha mikasika ny tenanao manokana rehetra, dia hanome anao fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny ny Tompo.” Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto, ary raketo ny zavatra tsapanao.

    • Manao ahoana ny fanokanako ny fotoanako sy ny fifantohako amin’ny fanompoana ny Tompo?

    • Inona avy ireo fitahiana efa azoko?

    • Ahoana no nanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

    • Ahoana no ahafahako mivoatra?

  • Makà fotoana kely hieritreretana momba ilay andro farany hanompoanao ao amin’ny sahan’ny misiôna. Rehefa ho avy io andro io:

    • Toy ny ahoana no fifandraisana tianao hisy eo aminao sy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    • Olona toy ny ahoana no tianao hahatongavana?

    Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny valin’ireo fanontaniana tsirairay ireo. Ampiasao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba handrafetana ny zavatra azonao atao ankehitriny mba hanaovana asa amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo. Raketo an-tsoratra ny drafitrao.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Valio amin’ny alalan’ny fampiasana ny appli Torio ny filazantsarako ireo fanontaniana eto ambany:

    • Moa ve marina avokoa ireo firaketana rehetra?

    • Moa ve hahazo tombony avy amin’ny firaketanao ny ezakao amin’ny fitadiavana olona vaovao hampianarina ny misiônera izay ho vaovao ao amin’ny faritra?

    • Raha toa ka hijery ny zavatra ao amin’ny appli ianao amin’izao fotoana izao, moa ve hanampy anao ny hahafantatra hoe aiza no misy ireo olona? Moa ve hanampy anao ny hahafantatra ny fivoaran’izy ireo?

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Asao ny misiônera hizara zavatra niainany tamin’ny tanjona napetrak’izy ireo sy ny drafitra nataon’izy ireo mba hanampiana ny olona hivoatra. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny ohatra mombana tanjona sy drafitra nanampiana olona mba:

    • Hampitombo bebe kokoa ny finoany ny Mpamonjy.

    • Hibebaka sy hanisy fanovana eo amin’ny fiainany mba hanatonana kokoa an’ Andriamanitra.

    • Hatao batisa sy horaisina ho mpikambana.

    • Hiverina ao amin’ny Fiangonana sy hanavao ny fanekempihavanan’ny batisany.

  • Vakio amin’ny misiônera ny iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto. Asaivo mizarazara mba ho ao anatina vondrona kely ny misiônera. Asaivo ampiasain’ny vondrona tsirairay ny dingana 1 sy 2 amin’ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba hanampiana ireo olona ao amin’ireo ohatra momba ny fivoarana mankany amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ireo. Asaivo zarain’ny vondrona tsirairay avy ny hevitr’izy ireo.

    • Nanaiky ny fanasana ho avy any am-piangonana amin’ity herinandro ity ny olona iray ampianarinareo amin’izao fotoana izao.

    • Nanaiky ny fanasana hatao batisa ny olona iray ka nametraka tanjona miaraka aminareo mba hatao batisa.

    • Nanaiky ny fanasanareo hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy nanolo-tena hamaky ny 1 Nefia 1 ny olona iray.

  • Asao ny misiônera hampiasa ny appli Torio ny filazantsarako mba hanampiana azy ireo hametraka tanjona azo tratrarina tsara kanefa mampiezaka azy ireo hiasa mafy kokoa, amin’ny alalan’ny:

    • Famerenana mijery ireo mari-pandrefesana ifantohana sy fivoarana voarakitra taloha.

    • Fametrahana tanjona isan’andro, sy isan-kerinandro, ary isam-bolana.

    • Fanampiana olona ho an’ireo tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana.

    Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo dingana ireo manampy ny misiônera hanao drafitra mahomby kokoa rehefa manampy ny olona hivoatra izy ireo. Angataho ny misiônera mba handinika ireto manaraka ireto:

    • Ahoana no ampiasanao ny appli Torio ny filazantsarako any aoriana rehefa mamolavola drafitra ianao?

    • Inona koa ireo fomba hafa hitanao mba hampahomby kokoa ny fampiasana ilay appli?

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Jereo matetika ny appli Torio ny filazantsarako an’ireo misiônera. Asao izy ireo hizara ny fomba hampiasan’izy ireo azy mba hanarahana maso ny tanjony sy ny drafiny ary hanampiany ny olona hivoatra.

  • Diniho tsindraindray ny fotoana famolavolana drafitra ho an’ny herinandro na ho an’ny andro tsirairay ataon’ny misiônera.

Tovana 1

Fampiharana ny dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona amin’ny fiarahana miasa amin’ny olona ampianarinao

Ity fizarana ity dia ahitana ohatra momba ny fomba mety hampiharanao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba hanampiana ny olona ampianarinao.

1. Mametraha tanjona ary manaova drafitra

Diniho ombam-bavaka ny zavatra ara-panahy ilain’ny olona ampianarinao. Mametraha tanjona ary manaova drafitra hanampiana azy ireo hahazo ireo zavatra ilaina ireo. Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako mba handinihana ny fivoaran’ny olona tsirairay avy. Ampiasao ny mari-pandrefesana ifantohana ho an’ny fiovam-po mba hamantarana ireo asa tokony hatao izay hanampy ny olona tsirairay avy hanao ny dingana manaraka amin’ny fanatonana an’i Kristy.

Rehefa mametraka tanjona sy mamolavola drafitra ianao dia apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona no safidy ataon’ilay olona ka mampiseho finoana an’i Jesoa Kristy izay eo an-dalam-pitomboana?

  • Inona no zavatra iainan’ilay olona miaraka amin’ny Fanahy?

  • Inona no olana na fanamby mety atrehany?

  • Inona koa no azontsika fantarina momba io olona io mba hanampiana azy?

  • Inona no mila mitranga mba hanampiana io olona io hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy, hahatsapa sy hamantatra ny Fanahy, hibebaka, ary hatao batisa?

  • Ahoana no ahafahantsika miomana ho amin’ny fivoriana enti-mandrindra ho an’ny herinandro an’ny paroasy mba hampandraisana anjara ny mpitarika sy mpikamban’ny paroasy amin’ny fanampiana io olona io? (Jereo ny toko 13.)

  • Tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana inona no azontsika apetraka izay maneho ny finoantsika ny Tompo?

2. Raketo sy apetraho ao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitrao

Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako mba hiraketana sy hametrahana ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tanjonao sy ny drafitrao amin’ny antsipiriany. Hanampy anao handamina ny asa sy hamantatra ireo asa ilaina atao isan’andro izany. Araho ireo lalàna mifehy ny tsiambaratelon’ny lahatahiry ao amin’ny faritra misy anao.

Rehefa mirakitra sy mametraka ao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitrao ianao, dia apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no zavatra voafaritra tsara azontsika atao androany sy amin’ity herinandro ity mba hanohanana ny fivoaran’io olona io?

  • Fotopampianarana (na lesona) inona no hanampy io olona io mba hanana finoana matanjaka kokoa an’i Kristy sy mba hiainana ny filazantsara? Amin’ny fomba ahoana no hampianarantsika ity fotopampianarana ity mba hahatakarany izany sy hankaherezan’ny Fanahy Masina azy?

  • Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hanamafisantsika ny fotoana ifanomezana?

  • Inona no fanasana tokony hatolotsika na tokony harahintsika maso? Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hanarahantsika maso ny fivoarana?

  • Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hanampiantsika ilay olona handeha any am-piangonana, hamaky ny soratra masina, hivavaka, ary hitandrina ireo fanolorantena izay mitarika mankany amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana mandray anjara?

  • Inona avy ireo loharanom-pitaovana misy an-jotra izay azontsika zaraina amin’ilay olona?

  • Inona no drafitra solony azontsika atao raha toa ka tsy mandeha araka ny nandaminana azy ny zavatra iray?

3. Tanteraho ny drafitra novolavolainao

Manaova vavaka ao am-ponao mandritra ny tontolo andro eo am-panatanterahanao ny drafitra nataonao. Hanampy anao ny Fanahy hahafantatra ny toerana haleha, ny zavatra hatao, sy ny zavatra holazaina, ary ny fanamboarana tokony hatao.

Apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto, mandritra ny tontolo andro:

  • Ahoana no ahafahantsika miasa amim-pinoana, ka matoky ny Tompo mba hanampy antsika sy hampitombo ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana ireo zanany?

  • Ahoana no ahafahantsika ho mahay mampiasa ny fahaiza-mamorona sy ho be herim-po rehefa manatanteraka ireo drafitsika?

  • Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny drafitsika amin’ny zavatra ilain’ny olona sy ny toe-javatra misy azy ireo?

Tsy hizotra araka ny antenainao foana ny drafitra. Aoka ianao hanaiky hanova zavatra sy hampiasa ireo drafitra solony raha ilaina.

4. Avereno jerena ny fivoarana ary araho maso

Avereno jerena miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ny fivoarana mankany amin’ireo tanjona izay napetrakareo mba hampianarana olona sy hanampiana azy ireo hivoatra. Manaova drafitra hanaovana fanaraha-maso. Asio fanamboarana araka izay ilaina ny drafitrareo rehefa miezaka manatratra ny drafitrareo ianareo.

Apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Moa ve ny olona ampianarintsika mandroso mankany amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

  • Inona avy ireo olana atrehan’izy ireo? Inona avy ireo ahiahin’izy ireo?

  • Inona no azontsika atao anio, na izany mivantana na amin’ny alalan’ny teknôlôjia, mba hanampiana azy ireo sy hamporisihina azy ireo hanao zavatra?

  • Moa ve izy ireo miaina zavatra izay hahatsapany ny Fanahy?

  • Moa ve izy ireo mifandray amin’ireo mpitarika sy mpikambana amin’ny Fiangonana ary manorina finamanana? Iza no afaka mandray anjara amin’ny fotoana manaraka hampianarantsika?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo sakantsakana?

  • Nanao ahoana ny fanatrarantsika ireo tanjontsika? Moa ve misy zavatra tokony hamboarintsika na hataontsika amin’ny fomba hafa?

  • Sao dia fotoana izao tsy dia hifandraisana firy amin’io olona io intsony?

Jereo ny toko 11 mba hahitana fitsipika sy hevitra misimisy kokoa momba ny fomba fanaraha-maso sy fanampiana ny olona handroso.

Tovana 2

Fampiharana ny dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona amin’ny fitadiavana olona hampianarina

Ity fizarana ity dia ahitana ohatra momba ny fomba mety hampiharanao ilay dingana arahina amin’ny fametrahana tanjona mba hitadiavana olona hampianarina. Ampiasao mandritra ny fotoana hanaovanao drafitra isan-kerinandro sy isan’andro ireto dingana ireto.

1. Mametraha tanjona ary manaova drafitra

Diniho ombam-bavaka miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ny zavatra mety ho tian’ny Ray any An-danitra hataonao mba hitadiavana olona betsaka kokoa hampianarina. Ataovy isan-kerinandro sy isan’andro izany. Manàna finoana fa manomana olona ho anao Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:3–8).

Mametraha tanjona amin’ny fitadiavana olona isan’andro. Manaova drafitra amin’ny fanatanterahana zavatra voafehinao izay afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny vokatra avy amin’ny mari-pandrefesana ifantohana. Isan’ny ohatra amin’izany ireto:

  • Olona vaovao firy no horesahinao momba ny filazantsara isan’andro.

  • Impiry ianao no hanontany ny mpikambana, sy ny olona efa ampianarinao, ary ny olona mifandray aminao, raha toa ka mahafantatra olona izay mety ho liana amin’ny hafatrao izy ireo.

  • Hanao ahoana ny hafainganan’ny fisahananao ireo olona natolotra anao na ny famalianao ireo fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ireo zavatra avoaka amin’ny tambajotran-tserasera.

Jereo ny ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ary apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no tian’ny Ray any An-danitra hataontsika anio sy amin’ity herinandro ity mba hitadiavana olona hampianarina?

  • Inona no tanjona ho an’ny mari-pandrefesana ifantohana isan’andro sy isan-kerinandro azontsika apetraka mba hitadiavana olona hampianarina?

  • Asa fitadiavana olona hampianarina inona no tsara indrindra ho an’ity fotoana sy toerana ity?

  • Ahoana no ahafahantsika manentana sy manohana ireo mpikamban’ny paroasy amin’ny ezaka ataony hizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana?

  • Iza no mpikambana vaovao azontsika resahina mba hampiana hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo? Moa ve izy ireo manana namana azony asaina ho tonga?

  • Ahoana no ahafahantsika miara-miasa amin’ny filankevitry ny paroasy na ireo mpandray anjara amin’ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro an’ny paroasy mba hamantarana ireo fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikamban, sy mpikambana miverina mavitrika, ary lehilahy azo aroso ho loholona izay tokony hifandraisana?

  • Iza no olona ampianarintsika amin’izao fotoana izao, olona efa nampianarina, na olona natolotra antsika ka azontsika ifandraisana? Ahoana no hifandraisantsika amin’izy ireo? (Mivantana ve, sa amin’ny alalan’ny teknôlôjia , sa amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, sa amin’ny fomba hafa?)

  • Inona avy ireo fomba vaovao hafa ahafahanao mahita olona vaovao ho ampianarina?

  • Inona no talenta sy tanjaka an’ny tena manokana azontsika ampiasaina?

  • Ahoana no ahafahantsika manatsara ny fahaizantsika mitady olona hampianarina?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ireo izay ifandraisantsika hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Mba hahitana ohatra amin’ny asa fitadiavana olona hampianarina dia jereo ny toko 9, 10, ary 13.

Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako mba hanampiana anao hamantatra ireo asa fitadiavana olona nahomby taloha. Ohatra, azonao jerena ny fomba nahitana ireo olona lasa mpikambana vao haingana.

Mikatsaha fanentanam-panahy ary aoka ianao hisokatra amin’ireo fahatsapana sy hevitra vaovao. Sorohy ny fahazarana manao zavatra mitovy foana. Ireo misiônera izay mahita tsy tapaka olona vaovao hampianarina dia matetika mampiasa fomba isan-karazany isan-kerinandro. Manao asa tsy tapaka eo anatrehan’izany izy ireo.

2. Raketo sy apetraho ao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitrao

Ampiasao miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ny appli Torio ny filazantsarako mba hiraketana sy hametrahana ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tanjonareo sy ny drafitrareo amin’ny antsipiriany. Ny firaketana sy fametrahana ao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitrao dia hanampy anao hamantatra ny asa tokony hatao sy ny fotoana hanaovana izany.

Apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Oviana sy amin’ny fomba ahoana isika no hifandray amin’ny olona? Inona avy ireo fomba fiasa tsara indrindra? Aiza avy ireo toerana tsara indrindra? Amin’ny firy no fotoana mandritra ny tontolo andro tsara indrindra ho an’ireo fomba fitadiavana olona samihafa?

  • Ahoana no ahafahantsika manao resadresaka manan-danja amin’ny olona mihaona amintsika?

  • Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hitadiavantsika olona an-jotra amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera sy ny teknôlôjia hafa?

  • Rahoviana isika no hifandray amin’ireo olona natolotra antsika?

  • Inona no drafitra solony hataontsika raha toa ka tsy mizotra araka ny nantenaina ireo drafitra hafa?

3. Tanteraho ny drafitra novolavolainao

Miezaha amin’ny zotom-po mba hanatratra ny tanjonao amin’ny fitadiavana olona hampianarina. Manaova vavaka ao am-ponao mandritra ny tontolo andro. Aoka ianao tsy hihafahafa amin’ny fiarahabana sy firesahana amin’ireo olona izay mihaona aminao. Hanampy anao ny Fanahy hahafantatra ny toerana haleha, ny zavatra hatao, sy ny zavatra holazaina, ary ny fanamboarana tokony hatao.

Apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto, mandritra ny tontolo andro:

  • Ahoana no ahafahantsika miasa amim-pinoana, ka matoky ny Tompo mba hanampy antsika sy hampitombo ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana ireo zanany?

  • Ahoana no ahafahantsika ho mahay mampiasa ny fahaiza-mamorona sy ho be herim-po rehefa manatanteraka ireo drafitsika?

  • Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny drafitsika amin’ny zavatra ilain’ny olona sy ny toe-javatra misy azy ireo?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Tsy hizotra araka ny antenainao foana ny drafitra. Aoka ianao hanaiky hanova zavatra sy hampiasa ireo drafitra solony raha ilaina.

4. Avereno jerena ny fivoarana ary araho maso

Avereno jerena ombam-bavaka mandritra ny tontolo andro sy ny herinandro ny fivoarana amin’ny fanatrarana ireo tanjonao amin’ny fitadiavana olona hampianarina. Apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nanao ahoana ny fanatrarana ireo tanjontsika sy ny fampiharana ireo drafitsika?

  • Inona no fanamboarana tokony hataontsika mba hanatrarana ny tanjontsika amin’ny fitadiavana olona?

  • Ahoana no ahafahantsika misoroka fanaovana zavatra mitovy foana izay tsy mahomby amin’ny fitadiavana olona hampianarina?

  • Inona no zavatra vaovao azontsika handramana mandritra ity fotoana ity?

  • Inona no hevitra sasany azontsika ifanakalozana hevitra mandritra ny fivoriana enti-mandrindra an’ny paroasy mba hanampiana antsika hitady olona hampianarina? (Jereo ny toko 13.)

Ampiasao miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ny tabilao hoe “Ezaka atao amin’ny fitadiavana olona” ao amin’ny toko 9 mba hanombanana ny ezaka ataonareo amin’ny fitadiavana olona isan-kerinandro sy isan’andro. Jereo ireo zavatra izay efa mandeha tsara, ary diniho ny zavatra azo hatsaraina.

Miatoa mandritra ny minitra vitsivitsy ao anatin’ny tontolo andro mba hankasitrahana ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny asanao.