Antso ao amin’ny misiôna
Toko 11: Manampy ny olona hanao sy hanaja ireo fanolorantena


“Toko 11: Manampy ny olona hanao sy hanaja ireo fanolorantena,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 11”, Torio ny filazantsarako

Sary
I Shall Not Want [Tsy hanan-java-maha-ory aho] nataon’i Yongsung Kim

Toko 11

Manampy ny olona hanao sy hanaja ireo fanolorantena

Diniho ireto

  • Ahoana no ifandraisan’ny fanajana ny fanolorantena amin’ny fiovam-po?

  • Ahoana no ifandraisan’ny fanajana ny fanolorantena amin’ny fanajana ny fanekempihavanana?

  • Ahoana no ahafahako manolotra fanasana mba hanampiana ny olona hitombo ara-panahy sy hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mizara fijoroana ho vavolombelona amin-kitsim-po?

  • Inona avy ireo fitahiana azoko ampanantenaina?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona hanaja ireo fanolorantena?

Fibebahana, fanolorantena ary fiovam-po

Amin’ny maha-misiônera sy mpianatr’i Jesoa Kristy anao dia maniry ny famonjena fanahy ianao (jereo ny Môzià 28:3). Ny Mpamonjy dia “mahery ka mahavonjy” ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana ataony amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana tena ilaina, manomboka amin’ny batisa (jereo ny 2 Nefia 31:19). Ny fanolorana fanasana sy ny fanampiana ny olona hanaja ireo fanolorantena dia hanomana azy ireo ho amin’ny batisa.

Voavonjy ny olona raha mibebaka (jereo ny Helamàna 5:11). Ny fibebahana dia fiverenana tanteraka sy amin-kitsim-po amin’i Jesoa Kristy. Ampahany manan-danja amin’ny fibebahana ny fanolorantena. Rehefa manasa olona hanao fanolorantena ianao izay ampahany mandrafitra ny fampianaranao dia manasa azy ireo hibebaka ianao.

Ny fanolorantena dia midika hoe misafidy ny lalana arahina ary manohy izany safidy izany hatramin’ny farany. Ny fandraisana andraikitra tsy tapaka eo anatrehan’ireo fahamarinan’ny filazantsara dia mitondra any amin’ny fiovam-po.

Ny fiovam-po dia fiovana eo amin’ny finoan’ny olona iray, sy eo amin’ny fony ary eo amin’ny fiainany mba hanaiky sy hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Fanapahan-kevitra voahevitra mba ho tonga mpianatr’i Kristy izany. Mitranga ny fiovam-po rehefa mampihatra finoana an’i Kristy ny olona, mibebaka amin’ny fahotany, atao batisa, mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary maharitra hatramin’ny farany. Ny Tompo sy ireo mpaminaniny dia miantso izany fiovana izany ho toy ny fahaterahana ara-panahy indray (jereo ny Jaona 3:3–5; Môzià 27:25–26).

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mahatonga ny fiovam-po ho tanteraka, ary ny Fanahy Masina dia mitondra izany fiovam-po mahery vaika izany (jereo ny Môzià 5:2; Almà 5:12–14).

Ny fiovam-po dia misy dingana arahina fa tsy zava-miseho tampoka. Ny fanampiana ny olona hiova fo ao amin’i Jesoa Kristy no ivon’ny tanjon’ny asa fitoriana ataonao. Rehefa tarihin’ny Fanahy ianao dia manasa ny olona hanao fanolorantena izay hanampy azy ireo hitombo ara-panahy sy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany. Avy eo ianao dia manohana ny olona amin’ny fanajana ireo fanolorantena nataony. Manampy azy ireo hanao asa amim-pinoana mankany amin’ny fiovana maharitra ianao (jereo ny Môzià 6:3 ).

Ny olona izay manaja ny fanolorantena alohan’ny batisa dia azo antoka kokoa fa hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina aorian’izany. Rehefa mampianatra ny olona hanaja fanolorantena ianao dia mampianatra azy ireo hitandrina fanekempihavanana. Ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanana dia ampahany manan-danja amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Ahitana torolalana momba ny fanolorana fanasana, fampanantenana fitahiana, fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ary fanampiana ny olona hanaja ny fanolorantenany mba hahafahany manatona ny Mpamonjy sy ho voavonjy ity toko ity.

Sary
misiônera mampianatra vehivavy

Manolotra fanasana

Amin’ny maha-solontenan’i Jesoa Kristy anao dia manasa ny olona hanaraka Azy sy handray ny fifalian’ny filazantsarany ianao. Manolotra fanasana manokana ho azy ireo ianao mba hanao ireo zavatra izay hanorina ny finoany an’i Kristy. Avy eo ianao dia manohana azy ireo amin’ny fanajana ny fanolorantenany.

Tena ilaina ny fanasana sy fanolorantena noho ireto antony manaraka ireto:

  • Manampy ny olona hiaina ireo fitsipika ianarany izy ireny mba hahatsapany ny fijoroana ho vavolombelona hamafisin’ny Fanahy.

  • Ny fanajana ny fanolorantena dia fomba iray hanehoan’ny olona ny fibebahana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

  • Ny fibebahana dia manampy ny olona hiaina ny fiadanana sy ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra. Hahazo fanampiana bebe kokoa avy amin’ Andriamanitra koa izy ireo amin’ireo olana atrehan’izy ireo.

  • Ny fanajana ireo fanolorantena dia manomana ny olona hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

  • Azonao atao ny mampiseho ny fitiavanao ny olona sy ny finoanao ireo fampanantenan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanampiana ny olona hanaja ny fanolorantena nataony.

Manaova fanasana rehefa tarihin’ny Fanahy

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mikasika ny fanasana tokony hatolotra sy ny fotoana tokony hahanolorana izany. Eritrereto hoe fampianarana na fotopampianarana inona, izay takatra tsara, no hanampy ny olona hanaiky ny fanasanao. Ny fanasana mety tsara izay atolotra amin’ny fotoana mety tsara dia afaka manosika ny olona hanao zavatra izay hampiorina ny finoany. Ireo fihetsika ireo dia afaka mitondra any amin’ny fiovam-po mahery vaika (jereo ny Môzià 5:2; Almà 5:12–14).

Mety ho kely ilay zavatra atao ao anatin’ny fanasana atolotra, toy ny famakiana toko iray ao amin’ny soratra masina na fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Na mety ho tena zava-dehibe toy ny hoe hatao batisa izany. Ny fanasana dia tokony hifanaraka amin’ny toerana misy ny olona iray eo amin’ny diany ara-panahy.

Ireo fanasana tarihin’ny Fanahy dia mifampiankina mba hanampiana ny olona iray handroso ara-panahy (jereo ny 2 Nefia 28:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–13). Manontania tena hoe: “Inona ny fanolorantena hajain’ilay olona? Inona no tokony hataony manaraka mba hivoarana?”

Henoy ireo olona resahanao na ampianarinao. Katsaho avy amin’ny zavatra renao sy tsapanao ny fitarihan’ny Fanahy momba izay fanasana hanampy ny olona tsirairay handroso mankany amin’ny fanaovana fanekempihavanana masina.

Fitsipika momba ny fanolorana fanasana

Mitaky finoana an’i Kristy ny fanolorana fanasana. Manàna finoana fa hitahy ny olona Izy rehefa manaiky sy manaraka ny fanasanao izy ireo.

Mety hiova kokoa ny olona rehefa manasa azy ireo handray andraikitra eo anatrehan’ny fahamarinan’ny filazantsara ianao ary manampy azy ireo hahita ny fomba hitahian’ilay fiovana azy ireo. Hahita fiovana izy ireo amin’ny fahatsapany ny Fanahy ary sy ny fankamamiana ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Isaky ny misahana olona ianao, na mivantana na an-jotra, dia eritrereto hoe inona no fanasana afaka manampy azy ireo hanamafy orina ny finoany an’i Kristy sy hahatsapa ny Fanahy. Indraindray izany dia mety ho tsotra toy ny fihaonana aminareo indray na ny fanatrehana fiaraha-mientana any am-piangonana.

Rehefa miomana hampianatra lesona ianao dia diniho ny zavatra ilain’ny olona tsirairay sy ny fivoarany. Ataovy izay hahitana fanasana iray na maromaro izay hanampy ilay olona hivoatra ao amin’ny drafitry ny lesonao.

Mitandrema mba tsy hanolotra fanasana be loatra ao anatin’ny indray mandeha. Mila fotoana ny olona iray mba handraisana andraikitra sy hivoarana ary hianarana avy amin’ny fanasana tsirairay.

Aoka ianao ho sahisahy saingy aza mihoa-pefy rehefa manasa ny olona hanao fanolorantena (jereo ny Almà 38:12). Hajao ny fahafahan’ny olona misafidy.

Fandalinana ny soratra masina

Nahoana no zava-dehibe ny fanolorantena?

Manasà amin’ny fiteny feno hatsaram-panahy sy mazava

Matetika ny fanasana dia miendrika fanontaniana hoe “Moa ve ianao”, izay mitaky valiny eny na tsia. Ataovy feno hatsaram-panahy sy voafaritra tsara ary mazava ny fanasanao. Tokony hanasa na hitarika ny olona hanao fanolorantena mba hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Na dia miavaka aza ny fanasana atolotrao isaky ny olona tsirairay, dia diniho ireto ohatra manaraka ireto:

  • Ny fandehanana any am-piangonana dia manome fotoana sy toerana hitsaohanao an’ Andriamanitra sy hahatsapanao ny Fanahiny. Afaka manampy anao ho tafiditra ao anatina vondrom-piarahamonina mpanohana ihany koa izany rehefa manao fiovana ianao mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Moa ve ianao hiaraka aminay hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo amin’ity alahady ity?

  • Rehefa avy niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina isika izay, moa ve ianao hamaky [andinin-tsoratra masina manokana]? Moa ve ianao hanoratra izay fahatsapana na fanontaniana mety hanananao? Afaka miresaka momba ny eritreritrao isika amin’ny manaraka.

  • Niresaka momba ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny didiny isika. Moa ve ianao hanaraka ny ohatra nasehony amin’ny alalan’ny fanaovana batisa ao amin’ny Fiangonany sy ny fanaovana fampanantenana miaraka Aminy? (Jereo ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana” ao amin’ny toko 3.)

  • Naneho fahalianana hifandray bebe kokoa amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao. Moa ve ianao hivavaka amim-pinoana mandritra ny andro vitsivitsy mba hahafahanao miaina ireo fitahian’ny vavaka?

  • Manana horonan-tsary iray izahay izay heverinay fa hanampy anao. Afaka mampiseho izany aminao ve izahay na mandefa rohy aminao? Moa ve ianao hijery izany? Afaka manontany anao ve izahay rahampitso hahitana ny hevitrao?

Katsaho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandinihanao ireo fomba tsotra hanolorana fanasana feno hatsaram-panahy sy voafaritra tsara ary mazava.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fanasana iray izay tsotra sy mivantana ary mazava ho an’ny fanolorantena tsirairay ao anatin’ny lesona iray. Raha efa nanao an’io atrikasa io ianao taloha, dia avereno izany ary ampitahao amin’ny fanasanao vaovao ny fanasanao taloha.

Avereno jerena miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao ireo fanasana nosoratanao. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona hahatakatra ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo mifandray amin’io fanasana io?

  • Nahoana no zava-dehibe amiko manokana io fanasana io?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo rehefa manolotra fanasana aho?

  • Ahoana no ahafahako mivoatra eo amin’ny fanampiana ny hafa handray andraikitra eo anatrehan’ny fanasana atolotro?

Mieritrereta olona ampianarinao. Manaova fanazaran-tena manolotra ireo fanasana ireo toy ny hoe miresaka amin’io olona io ianao. Havaozy ny fanasanao raha ilaina.

Mampanantenà fitahiana ho an’ny olona

Mampanantena Andriamanitra fa hitahy antsika rehefa mitandrina ny didiny isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21). Ny olona izay mitandrina ny didy sy mijanona ho mahatoky dia “[hotahina] amin’ny zava-drehetra” ary “hitoetra miaraka amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy manam-pahataperana” (Môzià 2:41).

Rehefa manasa ny olona hanao fanolorantena ianao dia mampanantenà fitahiana avy amin’ny fanajana ireo fanolorantena nataon’izy ireo. Afaka mamantatra ny maro amin’ireo fitahiana ireo ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany ary ny lesona ao amin’ny toko 3. Eritrereto koa ireo fitahiana eo amin’ny fiainanao manokana. Manapaha hevitra ombam-bavaka ny amin’izay fitahiana hampanantenaina ny olona tsirairay rehefa manolotra fanasana ianao.

Rehefa manasa olona iray hiaina didy dia ampianaro izao manaraka izao:

  • Ny fankatoavana ny didy dia maneho ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 14:15).

  • Ny fankatoavana ny didy dia mampiseho amin’ Andriamanitra fa matoky Azy isika (jereo ny Ohabolana 3:5–6).

  • Ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra dia sady ara-panahy no ara-nofo (jereo ny Môzià 2:41).

  • Ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

  • Rehefa mivavaka amin-kitsim-po sy manao asa amim-pinoana isika dia hanampy antsika hanatanteraka ireo zavatra nandidiany antsika Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 3:7).

  • Andriamanitra dia manatanteraka ny fampanantenany hitahy antsika araka ny fombany sy ny fotoany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68).

Matetika ny olona no miatrika fanoherana rehefa mitandrina ireo didy. Tohano ireo izay ampianarinao ary omeo toky izy ireo fa hitahy azy ireo Andriamanitra rehefa miezaka manao ny sitrapony izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fanoherana dia fahafahana mitombo amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hanaraka an’i Kristy na dia sarotra aza izany (jereo ny 2 Nefia 2:11, 13–16).

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo” (“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, Nov. 1999, 38).

Fandalinana ny soratra masina

Inona no ampianarin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fanirian’ny Tompo hitahy antsika?

Fandalinan’ny tena manokana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 sy ny 130:20–21. Halalino avy eo ireto soratra masina manaraka ireto: Manaova tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty amin’ny ilany iray ny didy hitanao ao amin’ny andininy tsirairay. Soraty eo amin’ilay ilany iray hafa ny fampanantenana avy amin’ny fitandremana ilay didy.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao isaky ny manolotra fanasana ianao ary mampanantenà fitahiana. Lazao ny fomba nitahiana anao rehefa niaina ny fitsipika ampianarinao ianao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ilay fitsipika dia hitahy ny fiainan’ilay olona rehefa miaina izany izy.

Ny fijoroanao ho vavolombelona amin-kitsim-po dia hanampy amin’ny famoronana tontolo iray ahafahan’ny olona mahatsapa ny Fanahy Masina manamafy ny fahamarinana. Izany dia hamporisika azy ireo hanaiky ny fanasana hatolotrao.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao” ao amin’ny toko 10.

Sary
vondron’olona mivavaka

Ampio ny olona hanaja ny fanolorantenany

Rehefa manaiky ny fanasanao hanao zavatra ny olona dia araho maso ny fivoarany mba hanampiana azy ireo hanaja ny fanolorantenany. Manampy ny olona hampitombo finoana an’i Kristy ianao. Ny anjaranao dia ny manampy azy ireo hanamafy orina ny finoany sy ny fahavononany handroso mankany amin’ny fiovam-po feno. Aza manasa olona hiova fotsiny; tohano izy ireo amin’ny fanatanterahana izany.

Hahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy ny olona rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanolorantena. Matetika izany fijoroana ho vavolombelona izany dia tsy tonga “raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoan[’izy ireo]” (Etera 12:6). Aza gaga rehefa misy fanoherana mitranga. Manomàna fomba hanampianao azy ireo mandritra ny fitsapana mba handraisany ny tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy. Afaka manome fanohanana koa ny mpikamban’ny Fiangonana hafa.

Matetika ny olona no mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy rehefa miaraka amin’izy ireo ianao. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny mivavaka sy mamaky ny soratra masina ary mandray andraikitra eo anatrehan’ny fanasanao mba hananany ireo fahatsapana ireo rehefa irery izy ireo.

Ny fanajana ireo fanolorantena dia manomana ny olona ho amin’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana eo amin’ny lalan’ny fiovam-po mandritra ny fiainana. Ny ezaka ataonao dia afaka manampy azy ireo “hampiseho amin’ny asany” ny faniriany hanaraka an’i Jesoa Kristy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Sary
vehivavy mifamihina

Manaova drafitra hifandraisana fohy isan’andro

Ny fanampiana ny olona hanaja fanolorantena dia manomboka rehefa mitsidika sy mampianatra azy ireo voalohany ianao. Angataho izy ireo mba hirakitra ny fanolorantenany ao amin’ny findainy, na ny kalandirie, na ny zavatra avelanao miaraka aminy.

Anontanio raha toa ianao, na ny mpikambana iray izay efa nandray anjara, ka afaka manao fifandraisana fohy isan’andro eo anelanelan’ny fitsidihana hizarana fampianarana. Hazavao fa ny tanjon’ireo fifandraisana ireo dia ny hanohana azy ireo, ary fariparito ny fomba sasany ahafahanao manao izany. Ireo fifandraisana ireo dia fomba iray hampiharana ilay fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106.

Farito ny fomba hifandraisana izay hahomby indrindra, toy ny fitsidihana fohy, antso an-telefaonina, hafatra fohy an-tsoratra, na hafatra amin’ny tambajotran-tserasera. Ny teknôlôjia dia manolotra safidy maro ho an’ny fampahatsiahivana sy fanohanana fanampiny.

Ampaherezo sy ampio ny olona mandritra ny fifandraisanao isan’andro

Ho an’ny fanasana rehetra atolotrao dia raketo ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ny fomba hanarahana maso ny ampitso. Rehefa manomana ny ampitso ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mifanakalo hevitra momba ny fomba hanampiana ilay olona hanaja ny fanolorantenany ianareo.

Ataovy tsara sy mampahery ny fifandraisanao isan’andro amin’ny olona. Mivavaha ho azy ireo. Manehoa fitiavana sy fahatakarana an-tsaina rehefa manampy azy ireo hanaja ny fanolorantenany. Valio ireo fanontaniana ary ampio izy ireo handresy ireo olana. Raha misy fotoana dia miaraha mamaky avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mizarà haino vaky jery avy amin’ny Fiangonana, anisan’izany ny mozika novokarin’ny Fiangonana izay mety hankahery azy ireo. Hajao ny fotoan’izy ireo sy ny fanirian’izy ireo.

Ampahafantaro ny mpikamban’ny Fiangonana hafa izy ireo. Rehefa mety dia angataho ny mpikambana mba hanampy ny olona hanaja ny fanolorantenany (jereo ny toko 10).

Derao ny olona izay miasa mba hanajana ny fanolorantenany. Ampio izy ireo hahita ny fankasitrahan’ny Tompo ny ezaka ataon’izy ireo. Manova ny fiainany ireo olona ireo, izay mitaky asa sy faharetana be. Ampio izy ireo hamantatra ireo fitahiana azony. Manehoa fahatokiana fa afaka ny hahomby izy ireo.

Manehoa koa fitiavana raha tsy nanaja ny fanolorantenany ny olona. Manolora fanohanana ho azy ireo mandritra ny fifandraisanao isan’andro. Ohatra, raha misy olona nanaiky ny fanasana hamaky toko iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nefa mbola tsy nahavita izany, dia manolora tena hiara-hamaky izany. Ampio ilay olona hahita amin’ny alalan’ny zavatra iainany ny fomba ahafahan’ny fanajana ny fanolorantena hitahy ny fiainany.

Mety mitaky ezaka maro avy amin’ny olona ny fanajana fanolorantena, ary mety mila manao fitsidihana maromaro ianao mba hanampiana azy ireo. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’izy ireo mandresy ireo olana eo amin’ny fanajana ireo fanolorantena. Manàna faharetana sy maneho fanohanana, fa aza mitsikera na mitsara.

Manàna ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fifandraisanao isan’andro

Rehefa manara-maso ny fivoaran’ny olona ianao dia angataho izy ireo hizara ny zavatra iainany momba ny fanajana ny fanolorantena. Anontanio azy ireo ny zavatra nianarany sy tsapany. Hanampy azy ireo hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy eo amin’ny fiainany izany ary hanampy azy ireo hamantatra ny dingana manaraka.

Rehefa mifandray amin’ny olona isan’andro ianao dia ampahany manan-danja amin’ny tanjonao ny hanasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ampio izy ireo hamantatra ny fahatsapana ny Fanahy rehefa tsy eo ianao. Ny fifandraisanao isan’andro dia tokony hanamafy ny fahatsapana ara-panahy tsapany rehefa nampianatra azy ireo ianao. Hiova fo izy ireo rehefa mahatsapa ny hery sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Manehoa fitiavana

Ny dingan’ny fiovam-po dia mifototra amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy (jereo ny 4 Nefia 1:15). Katsaho ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana. Ny fanehoana fitiavana marina dia afaka manampy ny olona hahatsapa ny Fanahy eo amin’ny fiainany. Ny fanehoanao fitiavana dia afaka manampy azy ireo koa hanaiky ny fanasana sy hanaja ireo fanolorantena izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po.

Rehefa mitia sy mampianatra ny hafa ianao dia hihalalina ny fiovam-ponao ao amin’ny Mpamonjy.

Asa masina ny fitondrana fanampiana mahakasika ny fiovam-pon’ny olona iray hafa. Hahita fifaliana maharitra ianao rehefa manolo-tena amin’ity asa ity sy amin’ny fanompoana ny hafa (jereo ny Matio 10:39; Môzià 2:17; Almà 27:17–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Soraty ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ny drafitrao mba hifandraisana isan’andro amin’ny olona tsirairay ampianarinao. Manomàna andro maromaro mialoha izay hanaovanao fanaraha-maso ny fivoaran’ny olona tsirairay.

Misafidiana fanasana iray homenao rehefa mampianatra ny olona tsirairay ianao. Tadiavo avy eo ireo olana samihafa izay mety hanakana ny olona iray tsy hanaiky na tsy hanaja izany fanolorantena izany. Mifanakaloza hevitra ary manaova fanazaran-tena momba ny fomba tsara indrindra ahafahanao manampy olona rehefa manao asa hamahana ny olany izy ireo.

Tian’ny Tompo ho avy ka hitoetra ny olona

Ny asa fitoriana dia misy fiantraikany tena lehibe rehefa manao sy manaja ny fanoloran-tena hiaina ny filazantsara sy hijanona ho mavitrika ao am-piangonana mandritra ny androm-piainany ny olona. Tsy ampy ho azy ireo ny miditra fotsiny ao amin’ny Fiangonana. Irin’ny Tompo ny hahatongavan’izy ireo mba hitoetra (jereo ny Jaona 15:16). Tariho ho amin’izany tanjona izany ny fampianaranao sy ny fanasanao rehetra. Mba hahazoana ireo fitahiana rehetra any amin’ny Ray any An-danitra mba ho azy ireo dia tsy maintsy manohy miaina ny filazantsara ny mpikambana amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy ny fanekempihavanana izay nataony rehefa mijanona ho mavitrika ao amin’ny Fiangonana.

Nampianatra i Nefia hoe: “Rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra? Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.” (2 Nefia 31:19–20).

Omeo ny ezaka tsara indrindra avy aminao mba hanampiana ny olona ho mendrika “ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Mamantara didy iray avy ao amin’ny lesona 4. Tadiavo sy raketo ireo andinin-tsoratra masina sy teny nindramina avy amin’ireo mpaminanin’ny andro farany izay mamaritra ireo fitahiana nampanantenaina mifandray amin’io didy io. Eritrereto ireo fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fankatoavana ity didy ity, ary soraty ao anatin’ny diarinao izany.

  • Rehefa mifandray amin’ny fianakavianao na ny hafa ianao dia anontanio ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny fankatoavana didy iray manokana (ohatra, ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena, na ny fitandremana didy iray izay sarotra ho an’ny olona ampianarinao).

  • Valio ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hamantatra ireo lafin-javatra azonao hatsaraina rehefa manolotra fanasana. Manaova drafitra hivoarana.

    • Fantatry ny olona ve fa tiako izy ireo?

    • Matoky ve aho fa ho voatahy izy ireo amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana natolotray?

    • Moa ve aho manokana fotoana sy fifantohana mifanaraka amin’ny tokony ho izy mba hifandraisana isan’andro amin’ny olona mba hanampiana azy ireo hanaja ny fanolorantenany?

    • Moa ve ny drafitry ny lesona ataonay ahitana fanasana manokana mba handray andraikitra?

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy fifanakalozana mpiara-mitory

  • Avereno jerena ireo fanasana ao amin’ny iray amin’ireo lesona ampianarin’ny misiônera. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny fanasana tsirairay:

    • Inona no fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manaja izany fanolorantena izany?

    • Ahoana no hanampian’ny fankatoavana io fitsipika io ny olona hampitombo ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

    • Ahoana no hanampian’io fanolorantena io ny olona hibebaka sy ho mora mahatsapa kokoa ny Fanahy?

  • Amin’ny alalan’ireo fitaovana ampiasainareo amin’ny fanaovanareo drafitra, manaova lisitr’ireo olona nifandray taminareo tao anatin’ny roa andro lasa. Ampidiro ireo izay ampianarinareo sy ireo mpikambana.

    • Isaky ny olona tsirairay, dia soraty ny fanasana natolotrareo sy ny fanolorantena nataony.

    • Eritrereto izay fanasana hafa azonareo natolotra.

    • Ifanakalozy hevitra hoe nahoana ianareo no afaka nahazo fanolorantena avy amin’ny sasany amin’ireo olona ireo fa tsy avy amin’ny hafa.

    • Inona no hataonareo hanarahana maso ny fivoarana amin’ireo fanasana natolotra ireo?

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Mifanakaloza hevitra mikasika izay hevitra mahomby sy miavaka mba hifandraisana isan’andro amin’ny olona ampianarinareo. Ahoana no fomba niasan’ny misiônera niaraka tamin’ny mpikambana tamim-pahombiazana? Inona ny haino vaky jery vita pirinty na nomerika nahasoa? Inona no azonareo atao rehefa tsy ao an-trano ny olona na sahirana loatra ka tsy mifankahita aminareo?

  • Ifanakalozy hevitra ny fomba nampianaran’ny misiônera tamin’ny fomba mahomby ireo didy ao amin’ny lesona 4.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Raha azo atao dia miaraha mampianatra amin’ireo misiônera. Ampio izy ireo hifantoka amin’ny fanampiana ny olona hanao sy hanaja fanolorantena.

  • Amporisiho ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny paroasy sy ireo mpitarika rafitra ary ireo mpikambana mba hifandray isan’andro amin’ireo olona ampianarin’ny misiônera, raha toa ka nanaiky izany fifandraisana izany ny olona.