Antso ao amin’ny misiôna
Toko 7: Mianatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna misy anao


“Toko 7: Ianaro ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna misy anao,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 7,” Torio ny filazantsarako

Sary
bola sy saina

Toko 7

Mianatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna misy anao

Diniho ity

  • Ahoana no ahafahako manamafy orina ny finoako ny Tompo mba hanampy ahy hianatra fiteny vaovao?

  • Nahoana aho no tokony hanatsara hatrany ny fahaizako fiteny?

  • Ahoana no ahafahako manatsara ny fahaizako fiteny sy mampianatra amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônako?

  • Ahoana no ahafahako mahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny?

Manomàna tena ara-panahy

Nanambara ny Tompo hoe: “Handre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny teniny avy ny olona tsirairay ary amin’ny fiteniny avy, amin’ny alalan’ireo izay voatokana ho amin’izany hery izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11).

Ireto ambany ireto ny fomba ahafahanao manamafy orina ny finoanao fa hanampy anao hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amin’ny fitenin’ny misiônanao ny Tompo:

  • Minoa fa nantsoin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany iray ianao.

  • Mangataha fanampiana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po.

  • Miasa amim-pahazotoana amin’ny alalan’ny fandalinana sy fanazaran-tena ary fampiasana ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao isan’andro.

  • Aoka ianao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy ny fiainana ny fenitry ny misiônera.

  • Diovy ireo antony manosika anao amin’ny alalan’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny zanany ary ny fanirianao hitahy azy ireo.

Aoka ianao ho feno fanolorantena sy hazoto

Ny fianarana mampianatra amin’ny fomba mahomby amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao dia mitaky ezaka feno fahazotoana sy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Aza gaga raha toa sarotra ilay asa. Mitaky fotoana izany. Manàna faharetana amin’ny tenanao. Rehefa manokan-tena hianatra ilay fiteny ianao dia hahazo ireo fahaiza-manao ilaina mba hanatanterahana ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao.

Tsy irery ianao amin’ny fianarana ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao. Hanampy anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny fanampian’izy ireo ianao. Mitadiava ary mahaiza mandray ny fanampian’ny mpiara-mitory aminao, ny mpikambana, ireo izay ampianarinao, ireo misiônera hafa ary ireo olona hafa.

Mihainoa tsara ary miresaha amin’ilay fiteny amin’ny fotoana rehetra. Aza matahotra ny hanao fahadisoana. Manao fahadisoana daholo izay mianatra fiteny vaovao. Ho azon’ny olona izany, ary hankasitrahany ny ezaka ataonao amin’ny fianarana ny fitenin’izy ireo.

Hatsarao hatrany ny fahaizanao fiteny mandra-pahatapitry ny asa fitorianao. Rehefa mihamitombo ny fahaizanao miteny an’ilay fiteny, dia hihaino kokoa izay lazainao ny olona fa tsy ny fomba fitenenanao azy. Tsy hanahy firy momba ny fomba hifandraisana ianao ary ho afaka hamaly tsara kokoa ny filan’ny hafa.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Antenainay … fa ny misiônera tsirairay mianatra fiteny vaovao … dia hahafehy izany amin’ny fomba rehetra azo atao. … Ary rehefa manao izany ianao dia hihatsara ny fahaizanao [mampianatra] sy mijoro ho vavolombelona. Horaisin’ny [olona ampianarinao] tsara kokoa ianao ary hanaitra kokoa ara-panahy. …

“Aza mionona fotsiny amin’ilay antsointsika hoe voambolana amin’ny asa fitoriana. Miezaha mafy hahay ilay fiteny, dia hahazony fon’ny olona kokoa ianao” (Jeffrey R. Holland, fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ireo misiônera, aog. 1998).

Tohizo ny fampiasana ny fiteny ampiasain’ny misiônanao aorian’ny fodianao. Nanome be ho anao ny Tompo, ary mety hampiasa ny fahaizanao fiteny izy any aoriana any eo amin’ny fiainanao.

Mianara teny anglisy

Raha tsy miteny anglisy ianao dia tokony hianatra izany amin’ny maha-misiônera anao. Izany dia hitahy anao mandritra ny asa fitorianao sy mandritra ny fiainanao. Hitahy ny fianakavianao koa ny fianarana teny anglisy.

Raha mila fanampiana bebe kokoa amin’ny fianarana teny anglisy dia jereo ny EnglishConnect for Missionaries.

Sary
vehivavy manoratra ao anaty diary

Ireo fitsipiky ny fianarana fiteny

Mandraisa andraikitra

Mametraha tanjona hanatsarana ny fahaizanao miteny, ary ahitsio tsy tapaka izany. Mamoròna drafitra hianarana fiteny. Ampiasao amin’ny fotoana rehetra ilay fiteny.

Ataovy misy lanjany ny fianaranao

Ampiharo eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny asanao andavanandro ny zavatra ianaranao. Mifantoha amin’ny fiteny izay hanampy anao hilaza izay tokony holazainao.

Katsaho ny hifampiresaka

Miresaha amin’ny namanao araka izay azo atao amin’ilay fiteny. Araraoty ny fotoana rehetra mba hianarana sy hanaovana fampiharana. Ohatra, azonao atao ny mangataka mpikambana iray miverina mavitrika na olona ampianarinao iray mba hanampy anao amin’ilay fiteny. Tsy misy mahasolo ny firesahana amin’ireo teratany miteny ny fiteny.

Aza mampitaha

Aza mampitaha ny fahaizanao miteny amin’ny an’ny mpiara-mitory aminao na ny misiônera hafa. Ny fampitahana dia mitarika any amin’ny fireharehana na ny fahakiviana.

Ianaro lalina ireo zava-baovao

Avereno jerena tsy tapaka izay nianaranao, ary ampiharo ao anatina toe-javatra vaovao izany. Hanampy anao hitadidy sy hampihatra izay ianaranao izany.

Sary
lehilahy mijery boky

Mamoròna drafitra hianarana fiteny

Ny drafitra hianarana fiteny dia manampy ireo misiônera vaovao sy efa za-draharaha mba hifantoka amin’ny zavatra azony atao isan’andro mba hanatsarana ny fahaizany miteny ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônany. Ny drafitrao dia hahitana ny zavatra hataonao mandritra ny fotoana fianarana ny fiteny sy mandritra ny tontolo andro.

Ireto dingana manaraka ireto dia mampiseho ny fomba ahafahanao mamorona drafitra hianarana fiteny amin’ny alalan’ny fampiasana ny dingana fametrahana tanjona avy ao amin’ny toko 8. Amboary araka izay ilana azy ity dingana ity.

  1. Mametraha tanjona ombam-bavaka ary manaova drafitra. Mametraha tanjona isan-kerinandro sy isan’andro mba hanatsarana ny fahaizanao mifandray sy mampianatra ny filazantsara amin’ny ankapobeny. Ampidiro ireo zavatra tianao hotadidina, toy ny teny, andian-teny, soratra masina, ary andinin-tsoratra masina.

  2. Raketo an-tsoratra ary andrindrao fotoana. Manapaha hevitra ny amin’ireo fitaovana entina mianatra fiteny izay hanampy anao hahatratra ny tanjonao. Ireo fitaovana entina mianatra fiteny dia mety ahitana ny soratra masina, diksiônera, boky momba ny fitsipi-pitenenana, ny appli TALL Embark, sy ny hafa. Mametraha fotoana izay handalinanao sy hampiasanao amin’ny fomba ôfisialy ilay fiteny. Ohatra, azonao atao ny mametraka fotoana hamakiana mafy ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny 15 minitra isan’andro mandritra ny fotoan’ny sakafo antoandro.

  3. Manaova asa eo anatrehan’nyny drafitrao. Tian’ny Tompo ny ezaka, koa miezaha mafy hanatanteraka ny tanjonao. Arovy ny fotoana ianaranao ny fiteny ary mametraha fotoana ho an’izany indray raha misy fifanindriam-potoana.

  4. Avereno jerena sy araho maso. Avereno jerena matetika ny drafitry ny fandalinanao mba hanombanana ny fahombiazany. Asao ny mpiara-mitory aminao, ny mpitarika ao amin’ny misiôna, ny mpikambana ary ny olona hafa ao amin’ny faritra misy anao mba hanome sosokevitra ny amin’ny fomba ahafahanao mivoatra. Mandraisa anjara amin’ny fotoana voalahatra hanaovana fanombanana ny fiteny mba hijerena ny fivoaranao sy hamantarana ny fomba hivoarana.

Ampifandanjao ny fianaranao fiteny eo amin’ny tanjona lavitr’ezaka amin’ny famoronana fototry ny fiteny sy ny tanjona fohy ho an’ireo hetsika manokana sy ireo olona ampianarinao.

Mandritra ilay fotoana napetraka handalinanao ny fiteny dia ampifandanjao ireo tanjonao sy ireo drafitrao eo amin’ireo sehatra fototry ny fianarana fiteny aseho etsy ambany. Manapaha hevitra ny amin’izay hianaranao mandritra ny tontolo andro.

fahaizana mihaino

fahaizana mamaky teny

fitsipi-pitenenana

fahaizana miteny

fahaizana manoratra

voambolana

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Makà fotoana isan-kerinandro hanombanana ny fandalinanao fiteny amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Moa ve aho nandalina ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônako isan’andro tamin’ity herinandro ity? Inona no azoko atao mba hanatsarana hatrany ny fomba fiteniko ilay fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônako?

  • Moa ve manampy ahy hahita sy hampianatra ary hiara-hiasa amin’ny mpikambana tsara kokoa ny drafitro? Inona no fanitsiana tokony hataoko ao amin’ny drafitro?

  • Inona no tiako indrindra eo amin’ny fianarako fiteny? Inona no azoko atao mba hankafizako bebe kokoa izany?

  • Adiny firy no tokony holaniko amin’ny fanazaran-tena mihaino, mamaky, manoratra ary miteny? Ahoana no ahafahako mianatra tsara kokoa ny voambolana, ny fitispi-pitenenana, ary ny fanononan-teny?

  • Inona ireo hetsika sy loharanom-pitaovana ampiasaina mba handalinana ilay fiteny? Inona avy amin’izy ireo no tena manampy ahy? Inona ireo loharanom-pitaovana na hetsika hafa mety hanampy?

  • Inona no mila ny fifantohako bebe kokoa?

Rehefa avy mamaly ireo fanontaniana ireo dia asio fanitsiana ny drafitra ho an’ny fianaranao ary jereo raha toa ka mampivoatra ny vokatra azonao izany. Hitarika anao ny Fanahy rehefa mikatsaka tsy tapaka ny hampivoatra ny fianaranao fiteny ianao.

Mianara miaraka amin’ireo mpiara-mitory aminao.

Ampio ireo mpiara-mitory aminao mba hiaina fahombiazana sy hahazo fahatokian-tena amin’ny fianarana ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao na amin’ny fianarana teny anglisy. Dokafy amin’ny fo sy matetika ireo mpiara-mitory aminao sy ireo misiônera hafa noho ny fivoaran’izy ireo.

Manomeza fanamarihana tsotra sy mahasoa amin-katsaram-panahy. Omeo fahafahana maro hampianarana sy hijoroana ho vavolombelona amim-pahombiazana izy ireo. Jereo ny fomba nanampian’ny misiônera za-draharaha kokoa iray ny mpiara-mitory aminy tao anatin’ity tantara marina ity.

Vao tonga tao amin’ny faritra faharoa hiasako aho raha nilaza tamiko ny mpiara-mitory amiko fa anjarako ny manolotra vatsim-panahy mandritra ny fotoana hiarahanay misakafo amin’olona. Ny mpiara-mitory tamiko voalohany dia faly foana hanao ny fampianarana, ary zatra ny manome ampahany kely amin’ny lesona dia avy eo mihaino aho.

Niezaka nandresy lahatra ilay mpiara-mitory tamiko aho fa tokony izy no hanolotra ilay vatsim-panahy, saingy namporisika ahy izy hanaiky ilay asa ampanaovina. Nampiany aho nanao fanazaran-tena.

Rehefa tonga ny fotoana dia nosokafako ny soratra masiko ka namaky avy tao amin’ny 3 Nefia 5 sy 7 aho. Sahirana aho saingy afaka nanazava ny antony nahatsapako fa manan-danja ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary nahatsapa ho maivana aho rehefa vitako izany. Rehefa nisy fanontaniana iray napetraka dia nijery ny mpiara-mitory tamiko aho mba hamaliany izany, saingy tsy nanokatra ny vavany izy. Tamin’izay no naha-variana ahy tamin’ny tenako rehefa namaly tamin’ny teny frantsay azo takarina tsara aho. Mbola variana kokoa aza aho fa toa tsy tsapan’ilay mpikambana akory hoe tsy mahatoky tena tamin’ireo fahaizako miresaka aho. Nahazo fahatokian-tena aho ary tsapako fa tsara kokoa noho izay neritreretiko ny teny frantsaiko.

Dia nandeha ny herinandro maro, ary nanohy namela ahy hampianatra ny mpiara-mitory tamiko, na tamin’ireo fotoana neritreretiko fa tsy hahafahako manao izany aza sy tamin’ny fotoana tena nanontaniany tena raha ho afaka ny hanao izany aho. Tsapako fa lasa fitaovana ho an’ny Ray any An-danitra aho fa tsy mpiara-mitory tsy be resaka fotsiny ihany.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Miaraha-miasa amin’ireo misiônera hafa hanampiana anao hianatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao.

  • Raha toa ka miasa miaraka amin’ny misiônera vaovao ianao dia ahoana no ahafahanao manampy tsara kokoa ny mpiara-mitory aminao hianatra ny fiteny na hianatra teny anglisy?

  • Raha toa ianao ka misiônera vaovao, dia karazana fanampiana toy ny ahoana no mety hangatahanao amin’ny mpiara-mitory aminao?

Sary
misiônera mampianatra vehivavy

Kolontsaina sy fianarana fiteny

Mifamatotra akaiky ny kolontsaina sy ny fiteny. Ny fahatakarana ny kolontsain’ny olona dia hanampy amin’ny fanazavana ny fomba hampiasana ny fiteny. Izany fahatakarana izany dia hanampy anao koa hiresaka momba ireo endrika miavaky ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny fomba izay ho mazava amin’ny olona.

Iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra azonao atao mba hahazoana ny fahatokian’ny olona sy ny fitiavan’ny olona ny fanajana sy ny fandalana ny kolotsain’izy ireo amin’ny fomba mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Nanao izany ireo misiônera lehibe maro (jereo ny 1 Korintiana 9:20–23).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Ampiasao ilay sosokevitra etsy ambany mba hanampiana anao hiomana hampianatra olona izay manana kolontsaina hafa na toe-piainana niaviana hafa.

  • Eritrereto ny fiaviana ara-kolontsaina sy ara-pivavahan’ny olona ampianarinao. Fantaro ny lafin-javatra iray avy amin’ny fiavian’izy ireo iray izay mety hahasarotra ny hahatakaran’izy ireo fitsipiky ny filazantsara iray. Manaova drafitra momba ny fomba hampianarana izany fitsipika izany amin’ny fomba mazava.

Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny

Tena misy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny sy fandikan-teny dia mipoitra amin’ny fomba maro. Ny sasany amin’ireo dia ahitana ny firesahana, fahatakarana, ary fandikan-teny. Ankehitriny ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny dia miseho matetika amin’ny alalan’ny fianarana sy fandalinana entanin’ny Fanahy mba hanampiana ny misiônera hianatra ilay fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônany.

Afaka maneho ny fahamarinan’ny tenivavolombelonao ny Fanahy Masina na dia mety hisy sakana eo amin’ny fiteny aza eo anelanelanao sy ny olona ampianarinao. Torak’izany koa, afaka mampahatsiahy teny na andian-teny anao ny Fanahy Masina ary manampy anao hahatakatra izay lazain’ny olona avy any am-pon’izy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia tsy hahazo ireo fanomezam-pahasoavana ireo ianao raha tsy manao ezaka. Mila mikatsaka amim-pahazotaoana azy ireny ianao mba hitahiana ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–9, 26). Ampahany amin’ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny ny fanaovana asa sy izay rehetra azonao atao mba hianarana ilay fiteny. Manàna faharetana rehefa mandalina sy mizatra miteny ilay fiteny ombam-bavaka ianao. Matokia fa ny Fanahy dia hanampy anao hanao ezaka feno fahazotoana. Manàna finoana fa afaka mahazo ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny izay hanampy anao sy ireo ampianarinao ianao.

Rehefa sahirana ianao maneho hevitra mazava araka izay tianao dia tsarovy fa ny Fanahy dia afaka miresaka any am-pon’ny zanak’ Andriamanitra. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Misy fiteny iray … izay iraisan’ny misiônera tsirairay, dia ny fitenin’ny Fanahy. Tsy ianarana avy any anaty boky nosoratan’ny mpahay literatiora izany, na koa azo amin’ny alalan’ny famakiana sy fitadidiana. Tonga amin’izay mikatsaka amin’ny fony manontolo mba hahafantatra an’ Andriamanitra sy hitandrina ireo didiny masina ny fitenin’ny Fanahy. Ny fahaizana io fiteny io dia mamela ny olona iray handrava sakana, handresy olana, ary hikasika ny fon’olombelona” (“The Spirit Giveth Life,” Ensign, June 1997, 2).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Ampiasao ireto fehezan-teny manaraka ireto mba hanombanana ny ezaka ataonao eo amin’ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny. Raketo ireo fahatsapana sy tanjonao mba hanampiana anao hivoatra amin’ny fianaranao fiteny.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Avereno jerena ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fiteny ao amin’ny Missionary Portal. Fantaro ny zavatra tsy mbola nandramanao, ary mametraha tanjona hanandrana izany ato anatin’ny andro vitsivitsy manaraka.

  • Mandritra ny filankevitry ny distrikanao manaraka dia anontanio ny misiônera za-draharaha manana fahaizana tsara amin’ny fiteny ny zavatra nataony mba hianarana ilay fiteny.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Manaova fanazaran-tena mifampianatra ireo lesona ampianarin’ny misiônera amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiônanao. Amin’ny voalohany, ireo misiônera vaovao dia afaka mampianatra amin’ny fomba tena tsotra, mizara fijoroana ho vavolombelona tsotra, ary mitanisa soratra masina natao tsianjery. Rehefa mitombo ny fahatokian-tenany sy ny fahaizany dia ho afaka ny handray anjara feno kokoa amin’ny fampianarana izy ireo.

  • Avereno jerena ireo sosokevitra ato anatin’ity toko ity sy ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fiteny ao amin’ny Missionary Portal. Resaho ireo sosokevitra azonareo ampiasaina mandritra ny fandalinan’ny mpiara-mitory amin’ny herinandro manaraka.

  • Asaivo mihaino ny fanononanao teny sy manampy anao hivoatra ny mpiara-mitory aminao. Angataho izy mba handray an-tsoratra ny fotoana izay tsy nahatakaran’ny hafa anao. Ataovy lisitra ireo teny, na andian-teny, na fitsipi-pitenenana izay hanampy. Manolora fanazavana sy manaova fanazaran-tena momba ny fomba fampiasana ny zavatra ao amin’ilay lisitra mandritra ireo hetsika ho avy.

  • Mizara mihaino tsara. Mametraha fotoana mandritra ny tontolo andro hihainoana tsara mba hamantarana voambolana sy lamina nianaranao. Rehefa mandre andian-teny nolazaina tamin’ny fomba hafa ankoatra ny hilazanao izany ianao dia soraty izany ary manaova fanazaran-tena mampiasa izany.

  • Ataovy lisitra ireo zavatra mety holazain’ny olona amin’io andro io. Manaovana drafitra sy fanazaran-tena momba ireo fomba ahafahanao mamaly.

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Manasà olona teratany miteny ilay fiteny mba hanatrika ny iray amin’ireo fivoriana ireo. Manaova fandaminana mba hampianaran’ny misiônera azy ireo ao anaty vondrona kely. Angataho ireo olona teratany miteny ilay fiteny mba handray an-tsoratra sy hanome fanamarihana momba ny fahaizan’ilay misiônera ilay fiteny.

  • Manendre misiônera iray na roa mialoha ny fotoana mba hilaza momba ireo fahombiazan’izy ireo tamin’ny fandalinana ilay fiteny.

  • Angataho ny misiônera za-draharaha iray mba haneho ny ampahany sasany amin’ilay fiteny izay matetika sarotra amin’ny misiônera. Asaivo maneho ohatra ahitana ny fomba fampiasana tsara ilay fiteny izy ary asaivo manao fanazaran-tena amin’izany ireo misiônera.

  • Asaivo mizara ny fomba fijeriny ireo misiônera izay notezaina tao anatin’ilay kolontsaina.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fandalinana tsy tapaka ny fiteny isan’andro.

  • Amporisiho ny misiônera hampiasa araka izay azo atao ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna.

  • Manolora singa avy ao amin’ny drafitry ny misiôna amin’ny fianarana fiteny ao anatin’ny fotoam-pandalinana voarindra. Avereno jerena izany mandritra ireo fivoriana filankevitry ny distrika.

  • Mitadiava fahafahana hiresahana amin’ny misiônera amin’ny fiteny izay ianaran’izy ireo. Manaova tafa sy dinika amin’izy ireo amin’io fiteny io tsindraindray.

  • Angataho ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana hanome hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny misiônera mivoatra eo amin’ny fahaizany fiteny.

  • Manomeza torolalana momba ireo fahadisoana hita matetika ataon’ireo misiôna mianatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna misy anao mandritra ny fivoriam-paritra na ny ny filankevitry ny mpitarika ao amin’ny misiôna.

  • Ampianaro momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny misiônera.

  • Diniho ireo misiônera rehefa mampianatra amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny misiôna.