Antso ao amin’ny misiôna
Toko 1: Manantanteraka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao


“Toko 1: Manantanteraka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 1,” Torio ny Filazantsarako

Sary
I Dan Jones mitory teny

Nitory ny filazantsara tany Pays de Galles i Dan Jones izay iray amin’ireo misiônera lehibe tao anatin’ity fotoampitantanana ity.

© 1993 Clark Kelley Price. Tsy azo adika.

Toko 1

Manantanteraka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao

Ny tanjonao: Hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanomezan’ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany.

Diniho ity

  • Inona no tanjoko amin’ny maha-misiônera ahy?

  • Inona no fahefana sy hery miaraka amin’ny antsoko?

  • Ahoana no fomba hianteherako amin’ny Fanahy, sy hamantarako ny Fanahy, ary hampianarako amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona no atao hoe filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Inona no atao hoe hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny? Nahoana no tena manan-danja izany?

  • Inona no andraikitro eo amin’ny fanorenana sy fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafantarako fa misiônera mahomby aho?

Ny asa nampiandraiketana anao mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny

Voahodidin’olona maro ianao. Mifanena amin’izy ireo eny an-dalana ianao ary mivezivezy eo anivon’izy ireo. Mamangy azy ireo any an-tokantranony ianao ary mifandray amin’izy ireo an-jotra. Zanak’ Andriamanitra daholo izy ireo, rahalahinao sy anabavinao, anadahinao sy rahavavinao. Tian’ Andriamanitra tahaka ny hitiavany anao izy ireo.

Maro amin’ireo olona ireo no eo am-pitadiavana ny tanjon’ny fiainana. Miahiahy momba ny hoaviny sy ny fianakaviany izy ireo. Izy ireo dia mila ilay fahatsapana fiombonana ao anatina vondrona iray izay tonga amin’ny alalan’ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra sy mpikambana ao amin’ny fianakaviany mandrakizay izy ireo. Te hahatsapa ho voaro ao anatin’ny tontolo iray izay ahitana ny fiovan’ny soatoavina izy ireo. Maniry “fiadanana eto amin’izao tontolo izao ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23) izy ireo.

Maro no “voasakana tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12). Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia manolotra fahamarinana mandrakizay. Izany fahamarinana izany dia manolotra ireo zavatra ara-panahy ilain’ny olona ary manampy azy ireo hanatanteraka ireo faniriany lalina indrindra.

Amin’ny maha-solontenan’i Jesoa Kristy nahazo lalana anao dia mampianatra ianao fa ny “fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:6). Manasa ny olona hanatona an’i Kristy ianao mba hiova fo ao Aminy sy hiova fo amin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Rehefa manaiky ny fanasanao izy ireo dia hanana fahasambarana, fanantenana, fiadanana ary tanjona lehibe kokoa.

Mila manana finoana ny Mpamonjy ny olona mba hanatonana Azy. Afaka manampy azy ireo hanana izany finoana izany ianao rehefa:

  • Mpampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany.

  • Manasa azy ireo hanolo tena hiaina araka ireo fampianarana ao anatin’izany.

  • Manara-maso sy manampy azy ireo handray andraikitra eo anatrehan’ireo fanolorantena ataon’izy ireo.

  • Manampy azy ireo hiaina fotoana hahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina (jereo ny 1 Nefia 10:17–19).

Hitarika ny olona any amin’ny fibebahana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nahatonga ny fibebahana ho azo tanterahina i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanonerana ny fahotantsika. Rehefa mibebaka ny olona dia hodiovina amin’ny fahotana izy ireo ka hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hiaina ny fifaliana sy fiadanana avy amin’ny fandraisana famelan-keloka izy ireo.

Manomana ny olona ho amin’ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ny fibebahana. “Mankanesa aty Amiko,” hoy ny Mpamonjy, “ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany” (3 Nefia 27:20).

Rehefa mitombo ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia hitombo ny fanirianao hizara ny filazantsara. Ho tsapanao, toa an’i Lehia, ny “[maha-zava-dehibe ny] fampahafantarana ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo” (2 Nefia 2:8).

Sary
ny fahitana ny Hazon’aina

The Tree of Life (Ny Hazon’aina), nataon’i Damir Krivenko.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Fakafakao ilay sary nampiarahana eto rehefa mandalina ny fahitana ny hazon’aina ao amin’ny 1 Nefia 8 sy 11 ianao.

  • Inona no tandindona fonosin’ilay hazon’aina tao amin’io fahitana io? (Jereo ny 1 Nefia 11:21–23.)

  • Inona no nirin’i Lehia taorian’ny nihinanany ilay voankazo? (Jereo ny 1 Nefia 8:10–18.)

  • Tao amin’ilay fahitana, inona no nilain’ny vahoaka natao mba hihinanana amin’ilay voankazo? Inona no tokony hataontsika mba handraisana ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanolorantena sy ny fanekempihavanana antsika mba hahazo anjara amin’ireo fitahiana ireo?

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hihinana amin’ireo voankazon’ny filazantsara?

Ny fahefana sy hery fonosin’ny antsonao

Nantsoina sy natokana ianao mba “hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe, dia ny filazantsara maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:1). Tahaka ireo zanakalahin’i Môzià, ianao dia afaka mampianatra amin’ny fahefana sy herin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 17:2–3).

Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahefana hitory ny filazantsara, teo ambany fitarihan’i Kristy. Rehefa natokana ho misiônera ianao dia nandray izany fahefana izany. Miaraka amin’izany ny zo sy tombontsoa ary andraikitra mba hisolo tena ny Tompo sy hampianatra ny filazantsarany.

Tafiditra ao anatin’izany fahefana izany ny andraikitra mba hiaina fiainana mendrika ny antsonao. Raiso ara-bakiteny ny fanokanana anao. Alaviro ny fahotana sy izay zavatra rehetra mety ho kivalavala sy mirefarefa amin’ny tany. Alaviro ireo fomban’izao tontolo izao sy ny fisainan’izao tontolo izao. Araho ireo fenitra ao amin’ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy). Amin’ny maha-solontenan’ny Tompo anao dia “aoka … ho fianarana ho an’ny mino hianao” (1 Timoty 4:12). Hajao ny anaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny teny.

Ankoatra ny fahefana dia mila hery ara-panahy ianao hanatontosana ny antsonao. Manome hery ara-panahy Andriamanitra rehefa miasa tsy tapaka mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy sy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ampianarinao ianao. Mandrotsaka hery ara-panahy Izy rehefa mivavaka, mandalina ny soratra masina, ary mikatsaka ny hanatontosa ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao ianao. Manolotra hery ara-panahy Izy rehefa miezaka mitandrina ireo didiny sy ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24).

Miseho ny hery ara-panahy rehefa:

Fandalinana ny soratra masina

Ahoana no fomba hahazoanao sy hampatanjahanao fijoroana ho vavolombelona iray?

Ahoana no handraisanao hery ara-panahy?

Fandalinan’ny tena manokana

Avereno jerena sy saintsainina ireto fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra manaraka ireto. Halalino ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra ho an’ireo izay mitandrina ireo fanekempihavanana ireo. Saintsaino ireo fitahiana noraisinao tamin’ny alalan’ny fitandremana azy ireo. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo zavatra tsapanao.

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Fanendrena ho amin’ny Fisoronana (ho an’ny elders)

Fanafiana masina any amin’ny tempoly

  • Hiaina ny lalàn’ny fankatoavana.

  • Hanaja ny lalàn’ny fahafoizana na fanaovana sorona.

  • Hanaja ny lalàn’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy.

  • Hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Hitandrina ny lalàn’ny fanokanana.

  • (Jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 27.2.)

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Vakio ny Jaona 15:1–16. Amin’ny fomba ahoana no maha-voaloboka an’i Kristy? Ahoana no maha-sampan’izany voaloboka izany anao? Inona no ifandraisan’ny fanokanana anao amin’izany fifandraisana izany?

Vakio ny karatra fahazoan-dalanao hitory. Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao sy eritreritrao momba izay vakinao. Isaky ny mandalina io toko io ianao dia hevero ny hamerimberina io lamina io. Raiso an-tsoratra ny fiovan’ireo zavatra tsapanao rehefa mandeha ny fotoana.

Fandalinan’ny tena manokana

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13–15, 21–30, 38–39, 55–57. Ireo andininy ireo dia ampahany tamin’ny vavaka azo avy amin’ny fanentanam-panahy nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ho fanokanana ny Tempolin’i Kirtland.

Soraty ny lisitr’ireo fitahiana nangatahin’i Joseph Smith ho an’ireo mahatoky izay nandray ny fanafiana masina tao amin’ny trano masin’ny Tompo. Inona avy ireo zavatra tsapanao momba ireo fitahiana ireo?

Katsaho ny hanana ny Fanahy Masina miaraka aminao

Nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao rehefa noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana. Amin’ny maha-misiônera anao, sy mandritra ny androm-piainanao, ny iray amin’ireo zavatra tena ilainao indrindra dia ny hanana ny Fanahy Masina hiaraka aminao (jereo ny 1 Nefia 10:17; 3 Nefia 19:9). Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Mitarika sy mampianatra ary mampahery ny Fanahy Masina. Manadio sy manamasina anao Izy. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka. Mitondra fiovam-po ho anao sy fiovam-po ho an’ireo izay ampianarinao Izy. (Jereo ny 3 Nefia 27:20; 28:11; Etera 12:41; Môrônia 8:26; 10:5; Jaona 15:26.)

Ny Fanahy Masina dia “hampiseho aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo” (2 Nefia 32:5). Hampivoatra ny fahafahanao manao zavatra sy ny fanompoanao mihoatra lavitra noho izay vitanao manokana Izy.

Tokony ho isan’ireo zavatra irinao indrindra ny fikatsahana mba hanana ny Fanahy Masina hiaraka aminao. Hahatsapa ny fananana Azy ho namana ianao rehefa:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa” (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

Mianara mamantatra ny Fanahy

Hahatontosa tsara kokoa ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao ianao rehefa mianatra mamantatra sy manaraka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Matetika ny Fanahy no miresaka amim-pahanginana, amin’ny alalan’ireo fahatsapana sy eritreritra. Manolora tena mba hikatsaka, sy hamantatra, ary hanaraka ireny bitsika misoko mangina ireny. Tonga amin’ny fomba samihafa izany (jereo ny toko 4; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 11:12–14; Galatiana 5:22–23).

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no “herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.” Romana 1:16). Noho izany antony izany dia ilaina ampianarina amin’ny alalan’ny hery masina, dia ny herin’ny Fanahy Masina izany, ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Hoy ny Tompo: “Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana,” hoy ny Tompo, “ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14; jereo koa ny 50:13–14, 17–22). Rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ianao, Izy dia:

Hanome fitahiana be dia be anao ny Tompo rehefa mikatsaka, miantehitra, ary mampianatra amin’ny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao (jereo ny toko 4 sy 10).

Sary
One by One (Tsirairay), nataon’i Walter Rane

Ny filazantsaran’i Kristy sy ny fotopampianaran’i Kristy

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia sady mamaritra ny hafatrao no mamaritra ny tanjonao. Sady manome ny “inona” sy ny “nahoana” amin’ny asa fitorianao izany. Ity filazantsara ity dia ahitana ireo fotopampianarana, fitsipika, lalàna, ôrdônansy ary fanekempihavanana ilaina ho an’ny famonjena sy fisandratana.

Ny hafatry ny filazantsara dia ny hoe afaka mahazo ny hery manavotr’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana Azy, fibebahana, fanaovana batisa, fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 27:13–22).

Fantatra ihany koa izany amin’ny hoe fotopampianaran’i Kristy. Ny fiainana izany fotopampianarana izany no fomba hanatonantsika an’i Kristy sy hanavotana antsika (jereo ny 1 Nefia 15:14). Ampianarina amin-kery izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 2 Nefia 31; 32:1–6; 3 Nefia 11:31–40). Ny tanjonao dia ny hanampy olona hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hiaina ny fotopampianarany.

Sary
Hyrum Smith

“Torio ireo fitsipika voalohany ao amin’ny Filazantsara—torio foana izy ireny. Ho hitanareo fa hisy hevitra vaovao sy fahazavana fanampiny momba azy ireny hambara aminareo isan’andro. Afaka mampitombo ny fahalalanareo mikasika izany ianareo mba hahatakaranareo izany kokoa. Aorian’izay ianareo dia ho afaka hanampy ireo izay ampianarinareo hahatakatra izany mazava kokoa” (Hyrum Smith, ao amin’ny History, 1838–1856, volume E-1 [1 July 1843–30 April 1844], 1994, josephsmithpapers.org).

Fandalinana ny soratra masina

Inona no ampianarin’ireto soratra masina sy fanambarana manaraka ireto momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianaran’i Kristy? Manaova firaketana an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao mba hanampiana anao hahatakatra sy hahatsiaro.

Sary
The Converting Power of the Book of Mormon (Ny hery manova fo ananan’ny Bokin’i Môrmôna), nataon’i Ben Sowards

Finoana an’i Jesoa Kristy

Ny finoana no fototr’ireo fitsipika hafa rehetra ao amin’ny filazantsara. Fitsipika mifono asa sy hery izany.

Mila mifototra amin’i Jesoa Kristy ny finoantsika mba hitarihan’izany antsika ho amin’ny famonjena. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fananana finoana fa Izy ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Fahatokiana Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika izany (jereo ny Môzià 3:17; 4:6–10; Almà 5:7–15). Fananana fahatokiana feno Azy sy ny teniny, ireo fampianarany ary ireo fampanantenany izany. Mitombo ny finoantsika an’i Kristy rehefa manaraka ireo fampianarany sy ny ohatra nasehony amin’ny fo feno finiavana isika (jereo ny 2 Nefia 31:6–13; 3 Nefia 27:21–22).

Amin’ny maha-misiônera anao dia ampio ny olona hanao sy hanaja fanolorantena izay mampiorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Ireny fanolorantena ireny dia manomana azy ireo handray ireo ôrdônansy sy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra.

Fibebahana

Mitarika antsika hibebaka ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 14:13). Ny fibebahana dia ilay dingan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana. Rehefa mibebaka isika, dia miova mba hifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika.

Nanefa ny saran’ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny sorona fanavotany ny Mpamonjy (jereo ny Môsià 15:9; Almà 34:15–17). Rehefa mibebaka isika dia afaka ny ho voavela noho i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony, satria mitaky ny zon’ny famindram-pony ho an’ny mpibebaka Izy (jereo ny Môrônia 7:27–28). Araka ny tenin’ny mpaminany Lehia, ny “fanavotana [antsika] dia tonga … amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:6, 8).

Mihoatra lavitra noho ny fampiasana finiavana hanova fitondrantena na handresy fahalemena iray ny fibebahana. Ny fibebahana dia fitodihana amin-kitsim-po any amin’i Kristy, izay manome antsika ny hery hiaina “fiovam-po mahery vaika” ao am-pontsika (jereo ny Almà 5:12–14). Tafiditra ao anatin’izany ny fanekena ny Fanahy sy ny sitrapon’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia mampitombo ny fanolorantenantsika hanompo an’ Andriamanitra sy hankatò ireo didiny. Ateraka ara-panahy ao amin’i Kristy indray isika.

Ny fibebahana dia fitsipika tsara izay mitondra fifaliana sy fiadanana. Mitondra antsika “mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahiny” izany (Helamàna 5:11).

Aoka ianao ho sahy sy ho be fitiavana amin’ny fanampiana ny olona hahatakatra ny antony tokony hibebahan’izy ireo. Manasa ny olona hibebaka sy manolotra fanantenana ho azy ireo ianao amin’ny alalan’ny fanasana ny olona ampianarinao hanao fanolorantena.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fitoriana fibebahana?

Batisa

Manomana antsika ho amin’ny ôrdônansin’ny batisa ny finoana an’i Jesoa Kristy sy fibebahana. “Ny voaloham-bokatry ny fibebahana dia ny batisa” (Môrônia 8:25). Miditra ny vavahadin’ny fiainana mandrakizay isika rehefa atao batisa asitrika izay ataon’ny olona iray manana ny fahefana avy amin’ Andriamanitra.

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana iray amin’ Andriamanitra. Rehefa mitandrina izany fanekempihavanana izany isika dia mampanantena antsika Andriamanitra fa hanome antsika ny Fanahy Masina mba ho namana, hamela ny fahotantsika, ary hanao antsika ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79; Môrônia 6:4). Angonina ao amin’ny Tompo isika ary ateraka indray ara-panahy amin’ny alalan’izany ôrdônansy mahafaly sy mifono fanantenana izany.

Ivon’ny tanjonao ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana ny olona ampianarinao. Ampio izy ireo hahatakatra fa mba ho mendrika ny batisa dia ilain’izy ireo ny mahatontosa ireo fepetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto:

Manaova lisitra an-tsoratra anankiroa miainga avy amin’ny fandalinanao ireo soratra masina etsy ambony:

  1. Ireo zavatra takina amin’ny batisa

  2. Ireo fanekempihavanana atao amin’ny batisa

Ifanakalozy hevitra amin’ny mpiara-mitory aminao ny fomba hampianarana izany amin’ny hafa.

Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina

Mizara roa ny batisa: batisan’ny rano sy batisan’ny Fanahy. Aorian’ny fanaovantsika ny batisan’ny rano dia feno ny batisa rehefa raisina ho mpikambana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ny olona iray manana ny fahefana avy amin’ Andriamanitra isika. Afaka mahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny batisa amin’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007],95).

Nampianatra i Almà hoe: “Ny olombelona rehetra … dia tsy maintsy ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetra manaram-batana sy lavo … ka tonga zanany lahy sy vavy; ary dia toy izany no mahatonga azy ho olom-baovao” (Mozià 27:25 -26).

Fahaterahana ara-panahy indray ny batisan’ny rano sy batisan’ny Fanahy ho an’ny mpibebaka.

Fandalinana ny soratra masina

Inona avy ny sasany amin’ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Nahoana isika no tokony haniry ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Maharitra hatramin’ny Farany

Fanolorantena mandritra ny androm-piainana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Maharitra hatramin’ny farany isika rehefa manohy mampihatra finoana an’i Kristy, mibebaka isan’andro, mandray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra ao amin’ny filazantsara, mitandrina ireny fanekempihavanana ireny, ary manana ny Fanahy Masina ho namana mandritra ny androm-piainantsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ireo fanekempihavanana nataontsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Sary
The Lord Is My Shepherd (Jehovah no Mpiandry ahy), nataon’i Yongsung Kim

The Lord Is My Shepherd (Jehovah no Mpiandry ahy), nataon’i Yongsung Kim. Sary nahazoana lalana avy tamin’ny Havenlight.

Ny Filazantsara: lalana nomen’ Andriamanitra hiverenana any Aminy

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manova ny fomba fiainantsika sy ilay olona hahatongavantsika. Tsy dingana iainantsika indray mandeha eo amin’ny fiainantsika fotsiny ihany ireo fitsipika ao anatiny. Rehefa mamerimberina azy ireny mandritra ny androm-piainantsika isika dia mampanakaiky kokoa antsika amin’ Andriamanitra izy ireny, ary lasa lamina mitondra valisoa tsy mitsaha-mitombo entina miaina. Mitondra fiadanana, fanasitranana, ary famelan-keloka izy ireny. Mamaritra ny lalana nomen’ny Ray any An-danitra ho antsika mba hananana ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy ihany koa izy ireny.

Mitarika ny fomba hiasanao amin’ny maha-misiônera anao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mampifantoka ireo ezaka ataontsika ihany koa izany. Ampio ny olona hahazo finoana an’i Jesoa Kristy mankamin’ny fibebahana (jereo ny Almà 34:15–17). Mampianara sy mijoroa ho vavolombelona fa naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahefan’ny fisoronana. Asao ny olona hatao batisa sy hiaina araka ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra

Natao ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mampianatra ny soratra masina fa “mitovy ny rehetra” ho an’ Andriamanitra. Manasa “ ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny fahatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33).

Mitahy antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany sy mandritra ny fiainana mandrakizay ny filazantsara. Azo inoana fa ho sambatra kokoa isika, ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, rehefa miaina araka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 2:41; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ny fiainana ny filazantsara dia mampitombo ny fifaliantsika, manolo-kevitra antsika ao anatin’ireo zavatra ataontsika, ary mampatanjaka ireo fifandraisantsika.

Isan’ireo hafatra lehibe ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny hoe anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Zanakalahy sy zanakavavy malalany isika. Na inona na inona toetoetry ny fianakaviantsika ety an-tany, isika tsirairay dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra.

Anisan’ny ampahany lehibe amin’ny hafatra entintsika ny hoe afaka ny ho tafaray mandrakizay ny fianakaviana. Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra. Nampianatra ireo mpaminanin’ny andro farany hoe:

“Ny drafitra masin’ny fahasambarana [an’ny Ray any An-danitra] no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana. Ireo ôrdônansy sy fanekempiihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

Maro ireo olona izay voafetra ny fananany fahafahana hanambady na hiaina fifandraisana feno fitiavana ao anatin’ny fianakaviana. Maro ny niaina fisaraham-panambadiana na toe-javatra sarotra hafa teo aanivon’ny fianakaviana. Na izany aza, dia mitahy antsika tsirairay ny filazantsara na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika. Rehefa mahatoky isika dia hanolotra fomba iray hananantsika ifitahiana amin’ny fananana fianakaviana miaina ao anaty fitiavana Andriamanitra, na eto amin’ity fiainana ity izany na any amin’ny fiainan-ko avy (jereo ny Môzià 2:41).

Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny: Ny fototry ny finoana

Na aiza na aiza toerana hanompoanao, na iza na iza ampianarinao dia ataovy mifototra amin’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany ny fampianaranao. Rehefa mandalina ny fotopampianarana ao amin’ireo lesona ampianarin’ny misiônera ianao dia ho hitanao fa manana hafatra tokana isika: Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Naverin’ny Ray any An-danitra tamin’ny laonina, tamin’ny alalan’ny mpaminany maoderina ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjeny. Mifantoka amin’i Jesoa Kristy izany drafitra izany. Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony dia nataon’ny Mpamonjy izay hahafahantsika rehetra ho voavonjy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana sy hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Ampio ny olona ampianarinao hahatakatra izao manaraka izao:

  • Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra ara-bakiteny. Tonga lafatra ny fitiavany antsika. Ny olona tsirairay eto an-tany dia zanak’ Andriamanitra ary mpikambana ao amin’ny fianakaviany.

  • Nanolotra drafitra ho antsika mba handraisana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, izay fitahiana lehibe indrindra avy Aminy ny Ray any An-danitra (jereo ny Mosesy 1:39). Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy hivoatra, ary hiomana ho amin’ny fahafenoan’ireo fitahiany.

  • Anisan’ny ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fanomezana didy mba hitarika antsika mandritra ity fiainana ity sy hanampy antsika hiverina any Aminy (jereo ohatra ny Eksodosy 20:3–17).

  • Manota avokoa isika eto amin’ity fiainana ity, ary ho faty avokoa. Noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika dia nandefa ny Zanany lahy, Jesoa Kristy, Izy mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

  • Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka sy atao batisa ary raisina ho mpikambana. Mitondra fiadanana ho antsika sy manome fahafahana antsika mba ho afaka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana izany.

  • Noho ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany dia hatambatra indray ka hiaina mandrakizay.

  • Nambaran’ny Tompo ny filazantsarany ary natsangana tamin’ny alalan’ny mpaminany ny Fiangonany nanerana ny tantaran’ny Baiboly. Niverimberina nandà izany ny ankamaroan’ny olona. Nanomboka tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha ilay hodinkodin’ny fihemorana amin’ny filazantsara sy ny filana mamerina izany amin’ny laoniny.

  • Nitarika ny Fiangonana nandritra ny fotoana fohy ny apôstôlin’ny Mpamonjy taorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Maty izy ireo tamin’ny farany, very ny fahefan’ny fisoronana, ary nisy indray ny fihemorana tamin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Novain’ny olona ny fotopampianarana sy ireo ôrdônansy.

  • Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niseho tamin’i Joseph Smith tamin’ny lohataonan’ny 1820 ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nahazo ny fahefan’ny fisoronana i Joseph Smith taty aoriana ary nasaina nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy indray eto an-tany.

Ampianaro fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy fivavahana iray hafa fotsiny ihany. Tsy fiangonana amerikana koa izany. Fa izany no famerenana amin’ny laoniny ny “fahafenoan’ny Filazantsara” an’i Jesoa Kristy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:23). Tsy hoesorina eto an-tany na oviana na oviana intsony izany.

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina nampanaovina Azy amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy. Tenivavolombelona mahery vaika ihany koa izany fa naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Asao sy ampio ny olona hamaky ny Bokin’i Môrmôna ary hivavaka momba ny hafatra ao anatiny.

Matokia an’ilay fampanantenana miavaka ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Amporisiho ny olona hanontany an’ Andriamanitra amin-kitsim-po sy omban’ny tena finiavana raha toa ka tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ny fivavahana omban’ny tena finiavana dia midika fahavononana handray andraikitra eo anatrehan’ilay valinteny azo avy amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina. Izany tenivavolombelona izany dia lasa fototry ny finoan’ny olona iray fa namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany i Kristy. Ampio ireo izay ampianarina mba hikatsaka fanamafisana ara-panahy.

Fandalinana ny soratra masina

Ahoana no tokony hampiasanao ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny asa fitoriana?

Fandalinan’ny tena manokana

Alaivo sary an-tsaina hoe handeha hanoratra andiam-pehezan-teny iray momba ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny tambajotran-tserasera iray na ao amin’ny fampahalalam-baovao iray eo an-toerana ianao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny lohateny iray mamaritra ilay hafatra fototra. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao avy eo ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba io hafatra io. Ampidiro ao ny nanovan’ny fahatakarana izany tsara kokoa ny fomba fiainanao sy ny fomba fijerinao ny tontolo manodidina anao.

Hanorina sy hanangana ny Fiangonana

Rehefa namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany i Jesoa Kristy dia nanoro lalana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa Izy mba “hanorina” izany sy “hanangana” izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:7; 39:13). Miorina sy mitsangana ny Fiangonana rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana, mitandrina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo, miomana handeha ho any amin’ny tempoly, ary manampy amin’ny fampatanjahana ny paroasy na sampana misy azy ny olona manana fijoroana ho vavolombelona.

Sary
lehilahy mivavaka

Amin’ny maha-misiônera anao dia manampy amin’ny fanorenana sy fananganana ny Fiangonan’ny Mpamonjy ianao. Maro ireo fomba ahafahanao manao izany. Afaka manohana ireo mpikambana ianao rehefa mizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fitiavana, fizarana ary fanasana (jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 23.1). Afaka manampy ny olona handray ny batisa sy hitombo ao amin’ny finoan’izy ireo ianao. Afaka manampy ireo mpikambana vaovao ianao mba hizatra amin’ny fiainany vaovao izy ireo sy hitohy hitombo ara-panahy. Azonao atao ihany koa ny manampy ireo mpikambana miverina mavitrika eo amin’ny fampatanjahana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Mitombo fijoroana ho vavolombelona sy finoana ny mpikambana vaovao sy miverina mavitrika rehefa miaina ny fiasan’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mba hanatanterahana izany dia zava-dehibe ny:

  • Fananan’izy ireo namana izay mpikamban’ny Fiangonana.

  • Fanomezana azy ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonana.

  • Famahanana azy ireo amin’ny tenin’ Andriamanitra.

(Jereo ny Gordon B. Hinckley, “Converts and Young Men,” Ensign, May 1997, 47–50.

Tokony hanaiky amim-pifaliana ny fahafahana mamahana sy mampatanjaka ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika ireo misiônera sy mpitarika eo an-toerana ary ireo mpikamban’ny Fiangonana. Izany fanompoana izany dia manampy mba “hitehirizana azy amin’ny lalana tsara” (Môrônia 6:4).

Mandehandehana manao soa

Nanompo ny hafa ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Nandehandeha “nanao soa” Izy ary “nitory ny filazantsara” (Asan’ny Apostoly 10:38; Matio 4:23). Rehefa manaraka ny ohatra nasehony ianao, dia hahita olona azonao tompoina sy handray anao.

Manatanteraka ireo didy roa lehibe mba hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namanao ianao amin’ny alalan’ny fanompoana (jereo ny Matio 22:36–40; 25:40; Môzià 2:17). Afaka ny hiaraka amin’ny fomba mahery vaika sy manentana ny fanahy ianao sy ny hafa amin’ny alalan’ny fanompoana.

Amin’ny maha-misiônera, ianao dia manolotra fanompoana voarindra isan-kerinandro (jereo ny Missionary Standards (Fenitra momba ny asa fitoriana), 2.7 sy ny 7.2, mba hahitana fampahalalana sy torolalana). Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiônanao, ianao dia afaka mitady fahafahana hanompo eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny JustServe (any amin’ny toerana nahazoana fankatoavana izany) sy amin’ny alalan’ireo ezaka ataon’ny Fiangonana amin’ny asa fanasoavana ny mpiara-belona sy ireo ezaka atao eo amin’ny fitondrana fanampiana aorian’ny loza.

Mivavaha mandritra ny tontolo andro, ary mitadiava fahafahana tsy tafiditra ao anaty drafitra mba hanaovana soa. Henoy ny Fanahy mba hamantarana ireo fahafahana hanaovana asa feno hatsaram-panahy kely izay azonao atolotra.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Te ho faly ve ianao? Adinoy ny tenanao ary mifantoha amin’ity asa lehibe ity. Ampiasao mba hanampiana olona ireo ezaka ataonao. … Mijoroa ambony kokoa, atsangano ireo manana lohalika malemy, tohano ny sandrin’ireo izay mitanondrika. Hiaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Gordon B. Hinckley [2016], 209).

Fandalinana ny soratra masina

Inona no anjara asan’ny fanompoana teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy?

Inona no anjara asan’ny fanompoana teo amin’ny asa fitoriana nataon’i Amôna sy i Aharôna?

Inona no angatahin’ny Tompo hataonao?

Misiônera mahomby iray

Ny fahombiazanao amin’ny maha-misiônera anao dia voafaritra voalohany amin’ny fanirianao sy ny fanolorantenanao hitady, hampianatra, hanao batisa, ary handray ho mpikambana ireo olona niova fo ary hanampy azy ireo ho tonga mpianatr’i Kristy sy mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Almà 41:3).

Tsy voafaritra araka ny isan’ny olona ampianarina na entinao eo amin’ny batisa ny fahombiazanao. Na koa voafaritra amin’ny alalan’ny fihazonana toerana maha-mpitarika.

Tsy miankina amin’izay fomba safidin’ny hafa mba hamaliana anao, na ireo fanasana ataonao, na ireo fihetsika feno hatsaram-panahy amin-kitsim-po asehonao ny fahombiazanao. Manana ny fahafahana misafidy hanaiky na tsia ny hafatry ny filazantsara ny olona. Ny andraikitrao dia ny mampianatra mazava sy amin-kery mba hahafahan’izy ireo manao safidy araka ny fahalalana izay hitahy azy ireo.

Eritrereto ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ny talenta ao amin’ny Matio 25:14–28. Ilay mpampianatra, izay maneho ny Tompo, dia nidera ireo mpanompony mahatoky roa na dia tsy nitovy aza ny haben’ny fanatitr’izy ireo (jereo ny Matio 25:21, 23). Samy nomeny valisoa mitovy izy ireo, nasainy niditra tao “amin’ny fifalian’ny tomponao” satria nampitombo izay nomena azy izy ireo.

Nomen’ Andriamanitra talenta sy fanomezam-pahasoavana ianao eo am-panompoana Azy. Tsy mitovy amin’ny an’ny hafa ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana nomeny anao. Fantaro fa manan-danja avokoa ireo rehetra ireo, anisan’izany ireo izay tsy dia hita loatra. Rehefa manokana ny talentanao sy ny fanomezam-pahasoavana anananao ho Azy ianao dia hampitomboiny izany ary hanao fahagagana amin’izay atolotrao Izy.

Aza mampitaha ny tenanao amin’ireo misiônera hafa sy mandrefy ireo vokatra ivelany entin’ireo ezaka ataonao amin’ny azy ireo. Mitondra amin’ny vokatra ratsy, toy ny fahakiviana na fieboeboana ny fampitahana. Mampivily lalana koa ny fampitahana matetika. Ny irin’ny Tompo dia ny ezaka tsara indrindra avy aminao, dia ny “hanompoanareo Azy amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2; nampiana fanamafisana).

Mety halahelo ianao raha mbola tsy mandray ny filazantsara aloha ny olona. Mety hahatsapa ho kivy ianao indraindray. Na ireo misiônera sy mpaminany lehibe ao amin’ny soratra masina aza dia nahatsapa fahakiviana indraindray (jereo ny 2 Nefia 4:17–19; Almà 26:27). Amin’ny fotoana toy izany dia araho ny ohatr’i Nefia ka mitodihaany amin’ny Tompo, apetraho eo Aminy ny fahatokianao, mivavaha mba hahazo tanjaka, ary tsarovy ireo zavatra tsara nataony ho anao (jereo ny 2 Nefia 4:16–35).

Sary
misiônera roa mivavaka

Rehefa mitodika any amin’ny Tompo ianao ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia nampanantena Izy hoe: “Mampahery anao Aho sady mamonjy anao” (Isaia 41:10). Afaka mahita fiadanana sy fanomezan-toky mahakasika ireo ezaka ataonao ianao amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Kristy. Hanampy anao handroso hatrany sy hanohy hanana faniriana tsara ny finoana.

Mifantoha lalandava amin’ny fanolorantenanao ho an’i Kristy sy ny tanjonao amin’ny maha-misiônera, fa tsy amin’ny vokatra ivelany. Tsy miharihary eo no ho eo ireny vokatra ireny. Ao anatin’izany fotoana izany dia ataovy lehibe ireo zavatra andrandrainao na inona na inona olana atrehanao. Hampitombo ny fahombiazanao sy ny fanirianao ary ny fahafahanao manaraka ny Fanahy ny fiandrandrana zavatra lehibe.

Voatanisa etsy ambany ireo fomba vitsivitsy ahafahanao manombana ny fanolorantenanao ho an’ny Tompo sy ny ezaka ataonao mba ho misiônera mahomby.

Rehefa nanao ny tsara indrindra avy aminao ianao dia mety ho mbola hanana fahakivianaihany, saingy tsy diso fanantenana amin’ny tenanao ianao. Afaka matoky ianao fa faly ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina miasa amin’ny alalanao ianao.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no zavatra tsapan’ireo mpanompon’ny Tompo momba ny asa? Ahoana no fomba hitaoman’ireo mpanompon’ny Tompo an’ireo izay tompoin’izy ireo? Inona no zavatra tsapanao momba ny asa?

Fandalinan’ny tena manokana

  • Vakio ny Helamàna 10:1–5 sy ny 3 Nefia 7:17–18. Inona no zavatra tsapan’ny Tompo momba ireo misiônera sy ny fanompoan’izy ireo?

  • Eritrereto ny ezaka teo amin’ny asa fitoriana nataon’i Abinadia sy i Amôna (jereo ny Môzià 11–18; Almà 17–20; 23–24). Nahoana ireo misiônera roa ireo no samy neken’ny Tompo na dia samy hafa aza ny vokatra teo no ho eo nentin’ny ezak’izy ireo?

  • Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Misafidiana iray amin’ireto misiônera lehibe ireto, ary vakio ireo soratra masina voatanisa. Rehefa mamaky ianareo dia ifanakalozy hevitra ny momba (1) ny fahatakaran’io misiônera io ny antsony sy ny fanolorany tena ho an’ny antsony, (2) ny fihetsika nasehony mahakasika ilay asa sy ny faniriany momba ilay asa, ary (3) ny fanampiany ny hafa hanaiky ny filazantsara.

  • Misafidiana hira roa ao amin’ny fihirana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Vakio na hirao ireo hira ireo. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ireo tononkira.

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Manasà olona roa na telo vao vita batisa hizara ireo zavatra niainany izay nitondra azy ireo tany amin’ny fiovam-po. Inona no zavatra tsapan’izy ireo momba ireo misiônera? Inona no zavatra tsapan’izy ireo momba ny zavatra nampianarin’ny misiônera? Inona no nanampy azy ireo hanaja fanolorantena? Inona no zavatra mahery vaika ny nitarika ny fiovam-pon’izy ireo?

  • Andro maromaro mialoha ilay fihaonana dia manendre misiônera maromaro mba hisaintsaina ireo fanontaniana avy ao amin’ny “Diniho ity” any amin’ny fiandohan’ny toko. Angataho ny misiônera tsirairay mba hanomana lahateny roa ka hatramin’ny telo minitra momba ilay fanontaniana nampiandraiketana azy. Asao ireo misiônera mba hanolotra ny lahatenin’izy ireo mandritra ny filankevitry ny distrika na fivoriam-paritra. Aorian’ny lahateny dia saintsaino ny zavatra nianarana sy ny fomba ahafahana mampiasa izany amin’ny asa fitoriana.

  • Zarao ho vondrona efatra ny misiônera. Angataho ny vondrona tsirairay mba hitanisa fahamarinana, fanekempihavanana, ary ôrdônansy faran’izay betsaka indrindra azony atao izay naverina tamin’ny laoniny na nambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Asao ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra notanisain’izy ireo. Asao ny misiônera hizara ny fiantraikan’izay mety ho fahamarinana nambara tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe misiônera mahomby. Asao ny misiônera hanome ohatra miavaka.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Mandritra ireo tafa sy dinika na ireo fifampiresahana amin’ny misiônera dia angataho tsindraindray izy ireo mba hizara aminao:

    • Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

    • Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny asa nanirahana an’i Joseph Smith.

    • Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna.

    • Ny eritreritr’izy ireo momba ny tanjony amin’ny maha-misiônera azy.

  • Asao ny misiônera hirakitra ao anatin’ny diary fandalinany ny zavatra tsapany fa anisan’ireo tanjony amin’ny asa fitoriany. Mandritra ireo tafa sy dinika dia angataho izy ireo mba hizara izay nosoratany.

  • Manorata taratasy fiarahabana ireo mpikambana vaovao.