Antso ao amin’ny misiôna
Toko 5: Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna


“Toko 5: Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna.” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 5,” Torio ny Filazantsarako

Sary
Jesus Teaching in the Western Hemisphere (I Jesoa mampianatra any amin’ny Ilam-bolantany Andrefana) (Jesus Christ Visits the Americas (Mitsidika an’i Amerika i Jesoa Kristy)), nataon’i John Scott

Toko 5

Mampiasa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna

Diniho ity

  • Ahoana no maha-vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna?

  • Nahoana ny Bokin’i Môrmôna no mahery vaika eo amin’ny dingan’ny fiovam-po?

  • Inona no ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahako mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny tenako sy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no hamalian’ny Bokin’i Môrmôna ireo fanontanian’ny fanahy?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona hamaky sy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Fanahy no loharano mahery vaika ho anao amin’ny fiovam-po. Io boky io dia rakitsoratra masina tranainy nosoratana mba handresena lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Araka ny voalazan’ny zana-dohateny ao anatiny, ny Bokin’i Môrmôna dia “testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.” Izany koa dia porofo maharesy lahatra fa Andriamanitra dia niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ary namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalany.

Sary
varavarana miendrika andohalambo miaraka amin’ny vato ifaharana

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny Bokin’i Môrmôna no … vato ifaharan’ny fivavahantsika” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Nanambara koa ny Mpaminany Joseph hoe: “Esory ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana, ary aiza ny fivavahantsika? Tsy manana isika” (Enseignements des Président de l’Église: Joseph Smith [2007], 196).

Ny andohalambo dia rafitra ara-haisoritrano matanjaka izay vita avy amin’ireo singa miendri-pantsika izay mifampiankina. Ny singa afovoany, na vato ifaharana, dia mazàna lehibe kokoa noho ireo singa hafa ary mitazona azy ireo amin’ny toerany.

Nilaza ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika amin’ny fomba telo farafahakeliny:

Vavolombelon’i Kristy. “Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona amin-kery sy mazava tsara momba ny fisiany izany.”

Fahafenoan’ny fotopampianarana. “Nolazain’ny Tompo mivantana fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny ─fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy─ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:9; 27:5]. … “Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika ireo fahafenoan’ny fotopampianarana izay ilaina amin’ny famonjena. Ary nampianarina amin’ny fomba tsotra izy ireo ka na dia ireo ankizy madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana.

Fototra iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona “Toy ny firodanan’ny andohalambo raha esorina ny vato ifaharana, dia toy izany koa ny Fiangonana iray manontolo izay na mijoro na mianjera miaraka amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. … Raha marina ny Bokin’i Môrmôna … dia tokony hanaiky ny fanambarana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny olona. Enseignements des Présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 129, 131128.)

Amin’ny alalan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra, dia afaka mahafantatra isika fa mpaminany i Joseph Smith. Tamin’ny alalany no namerenana ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra avy tamin’ireo iraka avy any an-danitra. Nomen’ Andriamanitra fahefana ihany koa i Joseph hanorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Mitohy ankehitriny ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpaminany velona.

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Ny Bokin’i Môrmôna dia tena ilaina amin’ny fiovam-po manokana

Ampahan-javatra iray manan-danja ao anatin’ny fiovam-po ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mamaky sy mandalina izany amin-kitsim-po ianao, dia ho tsapanao fa mampivelatra ny fanahinao ny teny ao anatiny. Ny teny ao anatiny dia hanazava ny fahatakaranao momba ny fiainana sy ny drafitr’ Andriamanitra ary momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 32:28). Mivavaha omban’ny tena finiavana sy amim-pinoana an’i Kristy momba ilay boky. Rehefa manao izany ianao dia hahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa izany dia tenin’ Andriamanitra (jereo ny Môrônia 10:4–5).

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mitondra any amin’ny finoana lalina sy maharitra ny heriny mba hanampiana ny hafa hiova fo. Ampio ireo olona ampianarinao hamantatra ny fahazavan-tsaina tsapany rehefa mamaky izany amin-kitsim-po izy ireo. Hamafiso ny tenivavolombelony mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hivavaka mba hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona manokana fa marina ilay boky.

Ny famporisihana ny olona hikatsaka fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina momba ny Bokin’i Môrmôna dia tokony ho ivon’ny fampianaranao. Afaka manova ny fiainan’izy ireo mandrakizay ny Bokin’i Môrmôna.

Ampiasao ny Bokin’i Môrmôna mba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy izany ary mampianatra mazava ny fotopampianarany (jereo ny 2 Nefia 31; 32:1–6; 3 Nefia 11:31–39; 27:13–22). Mampianatra ny fahafenoan’ny filazantsarany izany. Ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara voalohany izay ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no lalana mankany amin’ny fiainana mamoa be.

Ampiasao ny Bokin’i Môrmôna ho loharano fototra voalohany ampiasainao amin’ny fampianarana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ny sasany amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay hampianarinao.

Lesona ampianarin’ny misiônera ao amin’ny Toko 3

Fotopampianarana

Fanovozan-kevitra

Lesona ampianarin’ny misiônera ao amin’ny Toko 3

Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fotopampianarana

Ny toetran’ Andriamanitra, ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, ny fihemorana, ny Famerenana amin’ny laoniny, i Joseph Smith, ny fahefan’ny fisoronana

Fanovozan-kevitra

1 Nefia 12–14

2 Nefia 3; 26–29

Môzià 2–5

Lesona ampianarin’ny misiônera ao amin’ny Toko 3

Ny drafitry ny famonjena an’ny Ray any An-danitra

Fotopampianarana

Ny “drafitra lehiben’ilay Andriamanitra Mandrakizay,” tafiditra ao anatin’izany ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny Fitsarana

Fanovozan-kevitra

2 Nefia 29

Môzià 3; 15–16

Almà 12; 34:9: 40-42

Lesona ampianarin’ny misiônera ao amin’ny Toko 3

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fotopampianarana

Ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany

Fanovozan-kevitra

2 Nefia 31–32

3 Nefia 11; 27:13–22

Lesona ampianarin’ny misiônera ao amin’ny Toko 3

Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana

Fotopampianarana

Ireo ôrdônansy toy ny batisa, fanendrena ao amin’ny fisoronana ary ny fanasan’ny Tompo

Fanovozan-kevitra

3 Nefia 11:22–2818

Môrônia 2–6

Fandalinana ny soratra masina

Inona no lazain’ny Mpamonjy momba ny Bokin’i Môrmôna?

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna

Ny tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Manamafy ny maha-tena nisy ny fiainany, ny asa nanirahana Azy, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny heriny izany. Mampianatra fotopampianarana marina momba an’i Kristy sy ny Sorompanavotany izany.

Mpaminany maromaro izay voatahiry ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny asa sorany no nahita an’i Kristy manokana. Ny rahalahin’i Jareda sy i Nefia ary i Jakôba dia nahita an’i Kristy talohan’ny nahaterahany. Vahoaka maro no nanatrika nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita (jereo ny 3 Nefia 11–28). Taty aoriana dia nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty i Môrmôna sy i Môrônia (jereo ny Môrmôna 1:15; Etera 12:39).

Rehefa mamaky sy mivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny olona dia hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy sy hiaina ny fitiavany. Hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba Azy. Hahafantatra ny fomba hanatonana Azy ka ho voavonjy izy ireo. (Jereo ny 1 Nefia 15:14–15.)

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy manan-danja indrindra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita na aiza na aiza. Mampianatra ny tena dikan’ny hoe teraka indray izany. … Fantatsika hoe inona no antony maha-eto an-tany antsika. Ireo sy ny fahamarinana hafa dia ampianarina amin’ny fomba mahery vaika sy mandresy lahatra kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny ao amin’ny boky hafa. Hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny hery manontolon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62).

Fandalinan’ny tena manokana

Mandritra ny asa fitorianao, soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no fiantraikan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny olona hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

Fandalinana ny soratra masina

Inona avy ireo antony nomen’ny mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna fa nanoratana ny rakitsorany?

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana “ho fandresen-dahatra ny [olona rehetra] fa i Jesoa no Kristy” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ireo toko sasany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mijoro ho vavolombelona momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ary ny asa fanompoana nataony. Misafidiana andinin-tsoratra masina hodinihina mandritra ny asa fitorianao.

Ankoatra izany, eritrereto ny zavatra ilain’ny olona ampianarinao. Manaova drafitra hiaraka hamaky amin’izy ireo ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanamafisana orina ny fahalalany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy.

Pejin-dohateny sy teny fanolorana

Ataovy mazava tsara ny tanjon’ilay boky.

1 Nefia 10–11

Mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Lehia sy i Nefia.

2 Nefia 29

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany i Lehia sy i Jakôba.

2 Nefia 31–33

Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy i Nefia.

Môzià 2–5

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Mpanjaka Benjamina.

Almà 57

Mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Almà.

Almà 36

Miaina ny herin’ny sorona fanavotan’i Kristy i Almà.

3 Nefia 9–10

Manasa ny olona hanatona Azy ny Mpamonjy

3 Nefia 11–18

Mampianatra ny Nefita momba ny Ray sy ny fotopampianarany ny Mpamonjy.

3 Nefia 27

Mampianatra ny filazantsarany ny Mpamonjy.

Etera 12

Mampianatra i Etera sy i Môrônia fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fitsipika mifono asa sy hery.

Môrônia 7–8

Mampianatra momba ny fitiavana madion’i Kristy sy ny Sorompanavotany i Môrmôna.

Môrônia 10

Manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy sy hatao tanteraka ao Aminy i Môrônia.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Raha niresaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izy fa “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna Amin’ny alalan’ny fampianarana sy fanasana tsy tapaka ny olona hiaina ireo fitsipika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manampy azy ireo hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra ianao.

Manorina fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna ary manasa fanambarana ho an’ny tena manokana. Ampiasao ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny olona hiaina zavatra ara-panahy, indrindra fa ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa ilay boky mihitsy no tenin’ Andriamanitra.

Ataovy lohalaharana ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa mampianatra ianao. Manana hery manova fo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hanakoako amin-kery sy amin’ny fomba mazava ao am-po sy ao an-tsaina ny fampianaranao.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra fa “ireo izay namaky [ny Bokin’i Môrmôna] ombam-bavaka, na mpanankarena na mahantra, na nianatra na tsy nianatra, dia nitombo teo ambanin’ny heriny.” Nampianatra misimisy kokoa izy hoe:

“Tsy am-pihambahambana no hampanantenako anareo fa raha mamaky ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna ianareo, na dia efa namaky izany imbetsaka aza teo aloha, dia hisy ampahany fanampiny amin’ny Fanahin’ny Tompo ho tonga ao am-ponareo. Hiampy hery ny fahavononanareo handeha eo amin’ny lalan’ny fankatoavana ireo didiny, ary ho tonga ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ny amin’ny fisian’ilay Zanak’ Andriamanitra velona” (“The Power of the Book of Mormon,” Ensign, June 1988, 6).

Sary
misiônera mamaky soratra masina

Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaly ireo fanontanian’ny fanahy

Ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny fitarihan’ny Fanahy dia afaka manampy ny olona hahita valinteny na hevi-baovao momba ny fanontanian’izy ireo manokana, na ny fanontanian’ny fanahy. Ampio ny olona hahita ny fomba hamalian’ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo fanontanian’ny fiainana.

Ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo dia voatanisa etsy ambany, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay miresaka momba izany.

Ny Bokin’i Môrmôna koa dia manome fitarihana mikasika ireo fanontaniana manan-danja hafa, toy ny:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

“Ny misiônera dia tsy maintsy mahafantatra ny fomba fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahan’izy ireo mamaly ny fanontanian’izy ireo manokana ka hahafahan’izy ireo mampiasa izany amim-pahombiazana mba hanampiana ny hafa hianatra hanao toy izany koa. … Tsy maintsy ampidirin’izy ireo ao anatin’izy ireo ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fampianarana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, voalohany amin’ny alalan’ny fampiharana izany eo amin’ny fiainany manokana ary avy eo amin’ny alalan’ny fizarana izany amin’ireo izay ampianariny” (Dallin H. Oaks, “Counsel for Mission Leaders,” seminera ho an’ireo mpitarika vaovao ao amin’ny misiôna, 25 jona 2022).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Tanisao ireo fanontaniana momba ny fanahy izay anananao na henonao tamin’ny hafa. Mitadiava andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo hevi-baovao sy andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ampiasao izy ireo rehefa mampianatra ianao.

Mifanohana ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly

Nilaza ny Tompo hoe: “Hampianatra ny fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny Filazantsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12). Ny Olomasin’ny Andro Farany dia “mino ny Baiboly ho tenin’ Andriamanitra … araka ny maha-marina ny dikanteny” (Fanekem-pinoana 1:8; jereo ihany koa ny 1 Nefia 13:29). Soratra masina ny Baiboly. Ny Bokin’i Môrmôna dia boky masina mpiara-miasa izay mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mifameno sy mifanohana (jereo ny Ezekiela 37:16–17; 1 Nefia 13:40; Môrmôna 7:8–9). Ireo boky soratra masina roa ireo dia fitambarana fampianarana noraketin’ireo mpaminany fahiny. Ny Baiboly dia mitantara ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny olona tany amin’ny Ilam-bolantany Atsinanana Bolantany Atsinanana nandritra ny an’arivo taona. Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny olona tany Amerika fahiny nandritra ny arivo taona mahery.

Sary
olona manasongadina soratra masina

Ny tena manan-danja indrindra dia ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay mifameno amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny Baiboly dia manolotra ny tantaran’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony teto an-tany ary ny Sorompanavotana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ny faminaniana momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana azy, ny fampianarana momba ny Sorompanavotany, ary ny tantaran’ny asa fanompoana nataony tany Amerika. Ny Bokin’i Môrmôna dia manamafy sy mampivelatra ny fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny Baiboly fa i Jesoa no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao.

Na ny Baiboly na ny Bokin’i Môrmôna dia samy mampianatra ny lalàn’ny vavolombelona: “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Korintiana 13:1; jereo koa ny 2 Nefia 11:2–3). Araka io lalàna io dia samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo bokin-tsoratra masina roa ireo (jereo ny 2 Nefia 29:8).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Mitadiava andinin-tsoratra masina mifandray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly mikasika ireto lohahevitra manaraka ireto . Misy ohatra omena ao anaty fonon-teny aorian’ny lohahevitra tsirairay. Ampidiro ireo lohahevitra sy ireo andinin-tsoratra masina avy any aminao.

Ampio ny olona hamaky sy hahatakatra ny Bokin’i Môrmôna

Ireo izay tsy mamaky na tsy mahatakatra ny Bokin’i Môrmôna dia hanana fahasarotana amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina izany. Afaka manampy azy ireo hahatakatra ilay boky ianao amin’ny alalan’ny famakiana izany miaraka amin’izy ireo. Mamakia mandritra ny fotoana fampianarana, na mandritra ny fitsidihana hanaovana fanarahana maso ny fivoarana, na amin’ny alalan’ny teknôlôjia. Azonao atao koa ny mandamina ny mba hiarahan’ny mpikambana mamaky amin’izy ireo. Tena manampy tokoa ny fijerena horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna ary avy eo mamaky ireo toko mifandray amin’izany.

Mivavaha mba hahazo fanampiana rehefa misafidy andinin-tsoratra masina izay miresaka momba ny olana atrehan’ny olona sy ireo zavatra ilain’ny olona ianao. Mamakia andinin-tsoratra masina fohy ary ifanakalozy hevitra izany, toy ny 1 Nefia 3:7 na Môsià 2:17. Mamakia koa andinin-tsoratra masina lavalava na toko iray manontolo ary ifanakalozy hevitra izany, 2 Nefia 31, Almà 7, na 3 Nefia 18. Amporisiho ny olona hamaky ny Bokin’i Môrmôna hatrany am-piandohana, tafiditra ao anatin’izany ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy Valo ary ny tenivavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
kilasin’ny Sekoly Alahady

Diniho ireto sosokevitra manaraka ireto rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny olona ianao:

  • Mivavaha alohan’ny hamakiana. Mangataha fanampiana mba hisian’ny fahatakarana. Mivavaha mba hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo ny Fanahy Masina fa marina izany.

  • Mifandimbiasa mamaky. Mandehana amin’ny hafainganam-pandeha mety amin’izy ireo. Hazavao ireo teny sy andian-teny tsy mahazatra.

  • Mijanòna indraindray hiresahana momba izay novakinareo.

  • Hazavao ny mombamomba ilay soratra masina sy ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina, toy ny hoe iza no miteny, manao ahoana ilay olona, ary manao ahoana ny toe-javatra nisy. Raha toa ka misy horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna mifandray amin’izany dia hevero ny hampiseho izany.

  • Tsindrio manokana ireo hafatra na fotopampianarana fototra hojerena.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona sy ny hevi-baovao anananao, sy ireo zavatra tsapanao ary ireo zavatra niainanao manokana.

  • Ampianaro mivantana avy amin’ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fotopampianarana. Hanampy ny olona hahatsapa ny hery ara-panahin’ilay boky izany.

  • Ampio ny olona “hampitaha” ny zavatra vakiny amin’ny fiainany manokana (1 Nefia 19:23). Ampio izy ireo hahita ny maha-zava-dehibe ny soratra masina amin’izy ireo manokana.

Rehefa mampihatra ireo fitsipika ireo ianao dia hanampy ny olona hampitombo ny fahaizana sy ny faniriana hamaky samirery ny Bokin’i Môrmôna. Antitrantero fa ny famakiana ilay boky isan’andro dia fanalahidin’ny fandrosoana mankany amin’ny batisa sy ny fiovam-po mandritra ny fiainana.

Miantehera amin’ilay fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Amporisiho ny olona hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin-kitsim-po sy hivavaka omban’ny tena finiavana mba hahafantarana fa marina izany. Hazavao fa ny tena finiavana dia midika hoe fahavononana handray andraikitra eo anatrehan’ny valiny azon’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny olona tsirairay izay mamaky sy mivavaka amin-kitsim-po mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mahafantatra ny fahamarinan’izany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Tokony hampihatra tsy tapaka io fampanantenana io ihany koa ianao mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia hanome anao fahatokiana fa ireo izay mampihatra io fampanantenana io dia hahazo fijoroana ho vavolombelona fa ilay boky dia tenin’ Andriamanitra.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Vakio ny 2 Nefia 2; 9; 30; 3132. Asongadino ny andinin-tsoratra masina tsirairay momba an’i Jesoa Kristy. Ataovy lisitra ireo anaran’i Kristy sy fiantsoana Azy isan-karazany ao amin’ireo toko ireo. Asio marika ny teniny nolazainy. Asongadino ny toetrany sy ny asa nataony.

  • Rehefa mamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ianao dia raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo andinin-tsoratra masina izay manana heviny manokana ho anao. Soraty ny fomba hampiharanao azy ireo eo amin’ny fiainanao.

  • Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy voalohany ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana telo manaraka ireto. Mandritra ny asa fitoriana ataonao dia ampio valiny ireo fanontaniana ireo.

    • Hanao ahoana ny fiainako raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?

    • Inona no tsy ho fantatro raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?

    • Inona no tsy ho ananako raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?

  • Vakio ny Toriteny teo An-tendrombohitra ao amin’ny Matio 5–7 sy ny toritenin’i Kristy tany amin’ny tempoly ao amin’ny 3 Nefia 12–14. Ahoana ny fomba ahafahan’ny fiarahana mamaky ireo manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Halalino ny tranga tsirairay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay miresaka momba ny olona iray mivavaka. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny vavaka.

  • Manorata famintinana ny zavatra nampianarin’i Abinadia avy amin’ny sasin-tenin’ny toko ao amin’ny Môsià 11–16. Vakio avy eo ireo toko ireo ary ampivelaro ny famintinanao.

  • Manorata famintinana ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina avy amin’ny sasin-tenin’ny toko ao amin’ny Môsià 2–5. Vakio avy eo ireo toko ireo ary ampivelaro ny famintinanao.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Miaraha mamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Zarao izay nianaranao sy tsapanao. Ifanakalozy hevitra ny fomba hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao.

  • Iaraho mamaky ny Almà 26 sy 29. Zarao ny fahatsapanao momba ny asa fitorianao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao.

  • Vakio ny Almà 37:9 ary ifanakalozy hevitra ny maha-zava-dehibe ny soratra masina ho an’i Amôna sy ireo misiônera namany. Mitadiava andinin-teny milaza ny fomba nampiasan’izy ireo ny soratra masina.

  • Vakio ny Almà 11–14, ka ny iray aminareo dia milalao an-tsehatra an’i Almà na i Amioleka ary ny iray kosa milalao an-tsehatra ireo mpitsikera. Ifanakalozy hevitra ny fomba namalian’ireo misiônera ireo fanontaniana sarotra.

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Manaova fanazaran-tena amin’ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna amin’ireo fomba tsirairay voalaza ao amin’ireo lohateny lehibe ato amin’ity toko ity.

  • Ataovy lisitra ireo fanontaniana napetrak’ireo izay ampianarinao. Mifanomeza fanazavana momba ny fomba hamalianao ireo fanontaniana ireo amin’ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Miaraha mamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mizarà fahalalana sy fahatsapana ary fijoroana ho vavolombelona.

  • Manaova fanazaran-tena mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanamafisana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Asao ny misiônera hizara zavatra niainana izay nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo sy ireo izay nampianariny tao anatin’ny dingan’ny fiovam-po.

  • Asao ny misiônera hizara andinin-tsoratra masina iray tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manampy amin’ny famaliana ireo ny fanontanian’ny fanahy.

  • Asao ny mpikambana iray izay niova fo mba hizara ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiovam-pony.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Ampianaro ny misiônera ny fomba fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hanamafisana ny fahamarinan’ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Iaraho vakina amin’ireo misiônera ny 1 Nefia 1 ary ampitahao amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith izany.

  • Omeo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ao anaty fonony madio ny misiônera. Asao izy ireo hamaky sy hanisy marika ilay boky indroa mandritra ireo enina herinandro roa na telo manaraka.

    • Mandritra ny vakiteny voalohany dia angataho izy ireo hanisy marika ny zava-drehetra izay manondro an’i Jesoa Kristy na mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

    • Amin’ny famakiana faharoa dia angataho izy ireo hanisy marika ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ny fitsipiky ny filazantsara.

    Asaivo mizara ny zavatra nianarany sy tsapany ny misiônera. Ny Loholona Ronald A. Rasband dia nanazava ny fiantraikan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna toy izany teo aminy fony izy misiônera:

Sary
Loholona Ronald A. Rasband

“Nanao zavatra bebe kokoa mihoatra noho ny fanisiana marika ny soratra masina anefa aho rehefa namaky. Isaky ilay famakiana ny Bokin’i Môrmôna nataoko, nanomboka tany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany, dia heniky ny fitiavana lalina ho an’ny Tompo aho. Nahatsapa fijoroana ho vavolombelona lalim-paka momba ny fahamarinan’ireo fampianarany ary ny fomba iantefan’izany amin’ny “anio” aho. Mifanentana tsara amin’ny lohateniny hoe: ─Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy─ ilay boky. Niaraka tamin’izany fandalinana izany sy ny fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izay azoko dia lasa misiôneran’ny Bokin’i Môrmôna aho ary mpianatr’i Jesoa Kristy” (“Anio,” Liahona, nôv. 2022, 25).

  • Asao ny misiônera hizara aminao ny soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manan-danja teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fantaro ireo fanontanian’ny fanahy ananan’ny olona ao amin’ny misiônanao. Asao ny misiônera hitady andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo.