Antso ao amin’ny misiôna
Toko 4: Mikatsaka ny Fanahy sy miantehitra amin’ny Fanahy


“Toko 4: Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 4: Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy,” Torio ny filazantsarako

Sary
Liahônà, nataon’i Arnold Friberg

Toko 4

Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy

Diniho ity

  • Inona no azoko atao mba hananako ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako sy ny asa fitoriako?

  • Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fiovam-po?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona ampianariko hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no ahafahako manao ny vavaka izay ataoko hisy lanjany bebe kokoa?

  • Ahoana no ahafahako mianatra mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Ny fanomezana ny Fanahy Masina no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ireo zanany. Tena iankinan’ny asanao amin’ny maha-misiônera anao izany. Mila ny herin’ny Fanahy Masina izay mitarika sy manome fanambarana ianao rehefa manampy ny olona hatao batisa, horaisina ho mpikambana, ary hiova fo.

Ny fananana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao dia mitaky asa ara-panahy. Tafiditra ao anatin’izany asa izany ny vavaka amin-kafanampo sy ny fandalinana ny soratra masina tsy tapaka. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonao sy ny didin’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 18:8–10, 13). Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

Miatrika zavatra ilaina sy toe-javatra isan-karazany ianao isan’andro. Ny bitsiky ny Fanahy dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra hatao sy holazaina. Rehefa mikatsaka sy mandray andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika ireo ianao dia hampitombo ny fahafahanao manao zavatra sy hampiroborobo ny asa fitorianao mihoatra lavitra noho izay mety ho vitanao samirery ny Fanahy Masina. Hanampy anao amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny asa fitorianao sy ny fiainanao manokana Izy. (Jereo ny 2 Nefia 32:2–5; Almà 17:3; Helamàna 5:17–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:15–16; 84:85.)

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny hahatafavoahana velona ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka” (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika manokana,” Liahona, mey 2018, 96).

Sary
Light and Truth (Fahazavana sy fahamarinana), nataon’i Simon Dewey

Ny Fahazavan’i Kristy

Ny Fahazavan’i Kristy dia “omena ny olona tsirairay mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy” (Môrônia 7:16; jereo ny andininy 14–19; jereo ihany koa ny Jaona 1:9). Ny Fahazavan’i Kristy dia fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fitaomana omena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mialoha lalana ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina izany fitaomana izany. Hitarika ireo izay misokatra amin’ny fandraisana fampianarana sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izany.

Ny Fanahy Masina

Ny momba ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra. Manana vatana fanahy Izy izay vatana tsy misy nofo sy taolana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22). Izy ilay Mpampionona, izay nampanantenain’ny Mpamonjy fa hampianatra ireo mpanara-dia Azy ny zavatra rehetra sy hitondra ho ao amin’ny fahatsiarovan’izy ireo ny zavatra nampianarin’i Jesoa Jaona 14:26).

Ny herin’ny Fanahy Masina.

Ny fijoroana ho vavolombelona izay tonga amin’ireo mpikatsaka amin-kitsim-po ny fahamarinana alohan’ny batisa dia avy amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Ny olona rehetra dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ny zo hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva rehefa mendrika isika. Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika aorian’ny batisan’ny rano. Omena amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana izany.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Misy fahasamihafana eo amin’ny Fanahy masina sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nandray ny Fanahy Masina i Kornelio talohan’ny nanaovana batisa azy, izay ilay herin’ Andriamanitra mandresy lahatra ho azy ny amin’ny fahamarinan’ny Filazantsara, saingy tsy afaka nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy raha tsy taorian’ny batisany” (Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 97).

Amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny heriny no hanamasinana antsika. Lasa masina kokoa sy feno kokoa ary tahaka an’ Andriamanitra kokoa isika. Amin’ny alalan’ny fanavotan’i Kristy sy ny hery manamasin’ny Fanahy Masina no ahafahantsika ho ateraka ara-panahy indray rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra isika (jereo ny Môzià 27:25–26).

Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana

Ny Fanahy Masina dia antsoina ihany koa hoe ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3). Ao anatin’izany andraikitra izany dia manamafy ny Fanahy Masina fa ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay raisintsika sy ny fanekempihavanana ataontsika dia eken’ Andriamanitra. Ireo izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia handray izay rehetra ananan’ny Ray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–60; Efesiana 1:13–14; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana”).

Ny ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra dia tsy maintsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana mba hanan-kery aorian’ity fiainana ity (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7, 18–19, 26). Izany famehezana izany dia miankina amin’ny fahatokiantsika tsy tapaka.

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Manome antsika fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo mba hitahiana antsika sy mba hampiasaina hitahiana ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–9, 26). Ohatra, ny misiônera izay mianatra fiteny vaovao dia afaka mandray ny fanomezam-pahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny hafa mba hanomezana azy fanampiana avy amin’ Andriamanitra amin’ny fampianarana ny hafa amin’ny fitenin-drazan’izy ireo.

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maromaro no voafariparitra ao amin’ny Môrônia 10:8–18, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–33, ary 1 Korintiana 12:1–12. Sasantsasany fotsiny amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo. Afaka manome antsikafanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hafa ny Tompo izay miankina amin’ny fahatokiantsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny zavatra ilain’ny hafa.

Manasa antsika ny Mpamonjy hikatsaka fatratra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8; 1 Korintiana 14:1, 12). Tonga amin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana ary ny ezaka ireo fanomezam-pahasoavana ireo, ary araka ny sitrapon’ Andriamanitra.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Vakio ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny hoe “Fanahy Masina” sy “Fahazavan’i Kristy. Manorata famariparitana ny toetra sy ny anjara asan’ny Fanahy Masina.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:1–33.

  • Ahoana no nikatsahan’i Petera sy Jaona fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no namalian’ Andriamanitra ny vavaka nataon’izy ireo?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’io zavatra niainana io mikasika ny asanao manokana?

Sary
vondron’olona eo am-pivavahana

Ny herin’ny Fanahy amin’ny fiovam-po

Mitranga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fiovam-po. Ny anjara asanao dia ny manampy amin’ny fitondrana ny herin’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Voatanisa eto ambany ireo fomba sasantsasany hanaovana izany:

  • Katsaho ny hanana ny Fanahy miaraka aminao amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ary ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonao.

  • Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy momba ny Mpamonjy sy ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Araho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampifanaraka ny hafatrao amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay avy.

  • Mijoroa ho vavolombelona fa fantatrao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra ampianarinao. Rehefa mijoro ho vavolombelona ianao dia afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa ny Fanahy Masina.

  • Asao ny olona handray andraikitra ary tohano izy ireo amin’ny fanajana ny fanolorantena nataon’izy ireo. Rehefa manaja ny fanolorantena nataony ny olona dia hahatsapa mafy kokoa ny herin’ny Fanahy Masina. Jereo ny toko 11.

  • Manaova fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fangatahana ny olona mba hiresaka momba ny zavatra niainany rehefa nandray andraikitra teo anatrehan’ny fanasana iray izy ireo. Hitombo ny finoan’izy ireo rehefa mibebaka, mankatò ny didy, ary manaja ny fanolorantena nataony izy ireo. Ampio izy ireo hamantatra fa miara-miasa amin’izy ireo ny Fanahy.

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy ny fiovam-po tena izy. Rehefa mikasika ny fo ny Fanahy dia miova ny fo. Rehefa … tsapan’ny isam-batan’olona fa miara-miasa amin’izy ireo ny Fanahy, na rehefa mahita ny porofon’ny fitiavan’ny Tompo sy ny famindram-pony eo amin’ny fiainany izy ireo dia mahazo fahazavan-tsaina amam-panahy sy mahazo tanjaka ara-panahy izy ireo ary mitombo ny finoan’izy ireo Azy. Ireo zavatra iainana miaraka amin’ny Fanahy ireo dia tonga ho azy rehefa vonona ny hanandrana ny teny ny olona iray [jereo ny Almà 32:27]. Amin’ny alalan’izany fomba izany no mahatonga antsika ho lasa mahatsapa fa marina ny filazantsara” (“Now Is the Time,” Ensign, Nov. 2000, 75).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Fandalinana ny soratra masina

Inona no ampianarin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny herin’ny Fanahy ao amin’ny asanao?

Inona no azonao atao mba hananana ny herin’ny Fanahy ao amin’ny asanao?

Sary
misiônera mivavaka

Mivavaha amim-pinoana an’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ny hafa hiova fo dia mila mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14, 17–22). Nilaza ny Tompo hoe: “Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana; ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14).

Rehefa mivavaka mba hahazo fanampiana amin’ny fampianaranao ianao dia hitondra ny fampianaranao “hankany am-pon’ny zanak’olombelona” ny herin’ny Fanahy (2 Nefia 33:1). Rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ary mandray ny Fanahy ny hafa, dia “mifankahazo” sy “mahazo hery sy miara-mifaly” ianareo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22).

Ny fomba fivavaka

Nampianatra antsika ny fomba fivavaka i Jesoa (jereo ny Matio 6:9–13; 3 Nefia 18:19). Mivavaha amin-kitsim-po sy amin’ny finiavana marina mba handray andraikitra eo anatrehan’ny bitsika azonao avy amin’ny Fanahy Masina Mitaky fanetrentena sy ezaka tsy tapaka ny vavaka mahomby (jereo ny Môrônia 10:3–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10).

Mampiasà fiteny izay mampita fifandraisana mifono fitiavana sy fitsaohana ho an’ Andriamanitra.  .

Manehoa fankasitrahana foana. Ny ny fanaovana ezaka amim-pisainana mba hankasitraka dia hanampy anao hahita fa be famindram-po tokoa Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Hanokatra ny fonao sy ny sainao ho amin’ny fitaoman’ny Fanahy izany.

Mivavaha “amin’ny herin’ny fo manontolo” mba handrotsahana ny fiantrana aminao (Môrônia 7:48). Mivavaha ho an’ny hafa amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Mivavaha ho an’ireo izay ampianarinao. Mikatsaha fanentanam-panahy mikasika ny fomba hanasanao sy hanampianao azy ireo hanatona an’i Kristy.

Fandalinan’ny tena manokana

Halalino ny vavaka nataon’ny Tompo ao amin’ny Matio 6:9–13. Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto, ary raketo ao amin’ny diary fandalinanao ireo zavatra tsapanao.

  • Inona no fiantraikan’ireo andraikitra sahaninao amin’izao fotoana izao amin’ny maha-misiônera anao eo amin’ireo vavaka ataonao?

  • Amin’ny fomba ahoana ireo vavaka ataonao no mikatsaka ny hitahy ny fiainan’ny hafa?

  • Amin’ny fomba ahoana no ivavahanao mba hahafahanao mandresy ny fakam-panahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ivavahanao mba hahazoana fanampiana amin’ny fahazoana ireo zavatra ilainao eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana?

  • Amin’ny fomba ahoana no anomezanao voninahitra an’ Andriamanitra rehefa mivavaka ianao?

Ny fotoana tokony hivavahana

Rahoviana no tokony hivavaka ianao? Hoy ny Tompo hoe: “Mitadiava amim-pahazotoana, mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24).

Hoy Almà hoe: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao; eny, rehefa mandry ianao amin’ny alina, mandria ao amin’ny Tompo, mba hahazoany miambina anao ao amin’ny torimasonao; ary rehefa miarina ianao amin’ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’ Andriamanitra; ary raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hasandratra ianao amin’ny andro farany” (Almà 37:37; jereo ihany koa ny 34:17–27).

Manasa anao ny Tompo hanokana fotoana mangina sy mitokana mba hivavahana: “Midira ao amin’ny efitranonao … dia mivavaha amin’ny Rainao” (3 Nefia 13:6; jereo ihany koa ny andininy 7–13).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Isa-maraina … , ny misiônera dia tokony handohalika ary hiangavy ny Tompo mba hamaha ny lelan’izy ireo sy hiresaka amin’ny alalan’izy ireo mba ho fitahiana ho an’ireo izay hampianarin’izy ireo. Raha manao izany izy ireo dia hisy fahazavana vaovao ho tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Hisy fahazotoana lehibe kokoa ho an’ilay asa. Lasa hahafantatra amin’ny fomba tena miharihary izy ireo fa mpanompon’ny Tompo miteny eo amin’ny toerany izy ireo” (“Missionary Service,” Fivoriana fampiofanana voalohany ho an’ny mpitarika maneran-tany, 11 jan. 2003, 20).

Matoky an’ Andriamanitra rehefa mivavaka

Ny fananana finoana an’ Andriamanitra dia midika hoe matoky Azy. Ao anatin’izany ny fahatokiana ny sitrapony sy ny fotoany amin’ny famaliana ny vavaka nataontsika (jereo ny Isaia 55:8–9). Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Na manao ahoana na manao ahoana ny tanjaky ny finoantsika, dia tsy afaka mamokatra vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Ilay inoantsika isika. Tsarovy izany rehefa toa tsy mivaly amin’ny fomba na fotoana anampoizanao azy ny vavaka ataonao. Ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia manaraka mandrakariva ny lamin’ny lanitra, ny fahatsaran’ny Tompo sy ny sitrapony ary ny fahendreny sy ny fotoany. Rehefa manana izany karazana finoana sy fahatokiana ny Tompo izany isika dia manana fiarovana sy filaminana marina eo amin’ny fiainantsika” (“The Atonement and Faith,” Ensign, Apr. 2010, 30).

Raha ny mahakasika ireo vavaka izay toa tsy mety voavaly dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Fantatro izany fahatsapana izany! Fantatro ireo tahotra sy ireo ranomaso amin’ny fotoana toy izany. Saingy fantatro koa fa tsy mba tsinontsinoavina mihitsy ireo vavaka ataontsika. Tsy mba tsy ankasitrahana mihitsy ny finoana ananantsika. Fantatro fa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra iray feno fahendrena dia mivelatra lavitra noho ny antsika. Na dia fantatsika aza ny olantsika sy ny fanaintainantsika eto an-tany, dia fantany kosa ny fivoarantsika sy ny hery anaty ananantsika izay tsy mety maty. Raha mivavaka mba hahafantatra ny sitrapony isika ary manaiky izany amim-paharetana sy ny amin-kerim-po, dia hitranga amin’ny fombany sy ny fotoany manokana ny fanasitranana avy any an-danitra” (“Jesus Christ—the Master Healer,” Liahona, Nov. 2005, 86).

Sary
Road to Emmaus (Lalana mankany Emaosy), nataon’i Greg Olsen

Mianara mamantatra ny bitsiky ny Fanahy

Zava-dehibe ho anao sy ny olona ampianarinao ny mianatra mamantatra ireo fifandraisana avy amin’ny Fanahy. Mazàna ny Fanahy no mifandray amin’ny fomba mangina, amin’ny alalan’ny fahatsapanao sy ny sainao ary ny fonao. Nianatra ny Mpaminany Elia fa ny feon’ny Tompo dia tsy tao anatin’ny rivo-mahery na ny horohoron-tany na ny afo, fa “feo nitsoka malemy” kosa (1 Mpanjaka 19:12). Tsy “feon’ny kotro-baratra” izany fa “feo malefaka sy tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray,” kanefa dia afaka “[m]andoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza” (Helamàna 5:30).

Ny fifandraisan’ny Fanahy dia mety ho tsapa amin’ny fomba samihafa ho an’ny olona samihafa. Na manao ahoana na manao ahoana ireo fifandraisana ireo, dia mampianatra antsika ny fomba hamantarana azy ireo ny soratra masina. Ohatra, ny Fanahy dia hampatanjaka anao sy hitarika anao hanao ny tsara. Hanazava ny sainao Izy. Hitari-dalana anao mba handeha amim-panetrentena sy hitsara amim-pahamarinana Izy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14 sy ny efajoro misy ny hoe “Fandalinana manokana” any aoriana any ao amin’ity fizarana ity.)

Mba hamaliana ilay fanontaniana hoe, “Ahoana no ahafantarantsika ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy?” Namaky ny Môrônia 7:13, 16–17 ny Filoha Gordon B. Hinckley. Avy eo izy dia niteny hoe:

“Io ilay fizahan-toetra, rehefa voalaza sy natao avokoa ny zava-drehetra. Mandresy lahatra hanao ny tsara, hitsangana, hijoro, hanao izay tokony hatao, ho tsara fanahy, ho feno fahalalahan-tanana ve ilay izy? Raha izay no izy dia Fanahin’ Andriamanitra izany. …

“… Raha mitaona hanao ny tsara dia avy amin’ Andriamanitra izany. Raha mitaona hanao ny ratsy dia avy amin’ny devoly izany. … Ary raha toa ianao ka manao nytsara sy miaina araka ny tokony ho izy, dia hahafantatra ao am-ponao ny zavatra lazain’ny Fanahy aminao ianao.

“Ho fantatrao amin’ny alalan’ny voan’ny Fanahy ireo bitsiky ny Fanahy , ka izay manazava ny saina, izay manamafy orina, izay marina sy mifono fanamafisana, ary izay mampahery sy mitondra antsika hanana eritreritra tsara kokoa sy hampiasa teny tsara kokoa ary hanao asa tsara kokoa dia avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 260–61).

Rehefa mikatsaka sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao dia hihatsara ny fahafahanao mamantatra sy mahatakatra ny fitarihany rehefa mandeha eny ny fotoana (jereo ny 2 Nefia 28:30). Azo lazaina fa ny fihainoana tsara kokoa ny fitenin’ny Fanahy dia mitovy amin’ny fianarana fiteny iray hafa. Dingana mandeha tsikelikely izay mitaky ezaka mifono fahazotoana sy faharetana izany.

Katsaho amin’ny fo manontolo ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Raha toa ianao ka variana amin’ny zavatra hafa dia mety tsy hahatsapa ny bitsika malefaky ny Fanahy. Na mety hampiandry ny fifandraisana aminao Izy mandra-pikatsahanao ny fitaomany amin’ny finiavana feno fanetrentena ny hanao asa manoloana ny fitaomany.

Mifaninana hisarika ny sainao ireo feon’izao tontolo izao. Mety hanala mora foana ireo fahatsapana ara-panahy izy ireny raha tsy manome toerana ho an’ny Fanahy ao am-ponao ianao. Tadidio ity torihevitra avy amin’ny Tompo ity: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” (Salama 46:10; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16).

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mampiasa karazana lamina isan-karazany Andriamanitra mba hampitana fanambarana amin’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny, toy ny eritreritra ao an-tsaina sy ny fahatsapana ao am-po, nofy, … ary fitaomam-panahy. Ny fanambarana sasany dia voaray eo no ho eo sy amin’ny fomba mahery vaika. Ny sasany dia fantatra tsikelikely sy misoko mangina. Ny fandraisana sy famantarana fanambarana avy amin’ Andriamanitra ary ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’izany dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay tokony hirintsika rehetra fatratra sy hokatsahintsika araka ny tokony ho izy” (David A. Bednar, “The Spirit of Revelation in the Work,” seminera ho an’ireo mpitarika misiôna, taona 2018).

Fandalinan’ny tena manokana

Halalino ireo soratra masina ao amin’ity tabilao manaraka ity. Eritrereto ny fotoana izay efa niainanao ireo fahatsapana na eritreritra voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo. Rehefa mandalina sy mahazo traikefa kokoa ianao dia mampidira soratra masina hafa ao amin’io lisitrao io. Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fitsipika ireo mba hanampiana ny hafa hahatsapa sy hamantatra ny Fanahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23; 11:12–14; 88:3; Jaona 14:26–27; Romana 15:13; Galatiana 5:22–23

Manome fahatsapana fitiavana, fifaliana, fiadanana, fampiononana, faharetana, fahalemem-panahy, fahatsaram-panahy, finoana, ary fanantenana.

Almà 32:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15; 8:2–3; 1 Korintiana 2:9–11

Manazava ny saina ary manome hevitra ao an-tsaina sy fahatsapana ao am-po.

Joseph Smith—Tantara 1:11–12

Manampy mba hisy fiantraikany mahery vaika ny soratra masina.

Almà 19:6

Manolo ny haizina amin’ny fahazavana.

Môzià 5:2–5

Mampatanjaka ny faniriana hisoroka ny ratsy ary hankatò ny didy.

Môrônia 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:9; 100:8; Jaona 14:26; 15:26; 16:13

Mampianatra fahamarinana ary mampahatsiaro antsika izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57

Mitarika sy miaro mba tsy ho voafitaka.

2 Nefia 31:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:27; Jaona 16:13–14

Manome voninahitra sy mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:16; 84:85; 100:5–8; Lioka 12:11–12

Mitarika ny teny hotenenin’ireo mpampianatra manetry tena.

Môrônia 10:8–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–26; 1 Korintiana 12

Manome fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:30; 50:29–30

Milaza ny zavatra tokony hivavahana.

2 Nefia 32:1–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:15

Milaza ny zavatra tokony hatao.

1 Nefia 10:22; Almà 18:35

Manampy ny olo-marina hiteny amin-kery sy ombam-pahefana.

2 Nefia 31:17; Almà 13:12; 3 Nefia 27:20

Manamasina sy manome famelana ny fahotana.

1 Nefia 2:16–17; 2 Nefia 33:1; Almà 24:8

Mitondra fahamarinana ao amin’ny fon’ny mpihaino.

1 Nefia 18:1–3; Eksodosy 31:3–5

Mampitombo ny fahaiza-manao sy fahafaha-manao.

1 Nefia 7:15; 2 Nefia 28:1; 32:7; Almà 14:11; Môrmôna 3:16; Etera 12:2

Manainga mba hiroso na manakana tsy hiroso amin’ny zavatra iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22

Mankahery ny mpampianatra sy ny mpianatra.

Miantehitra amin’ny Fanahy

Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo anao dia tokony hanao ny asany amin’ny fombany sy ny heriny ianao. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “tsy misy olona afaka mitory ny filazantsara kanefa tsy manana ny Fanahy Masina” (Teachings: Joseph Smith332).

Matokia ny Fanahy mba hitarika anao amin’ny lafiny rehetra amin’ny asanao. Hanazava ny sainao sy hanentana ny fanahinao izy. Hanampy anao Izy hitady olona hampianarina sy hanome hery ny fampianaranao. Hanampy anao Izy rehefa manampy ireo mpikambana sy ireo mpikambana miverina mavitrika ary ireo mpikambana vaovao mba hampatanjaka ny finoany ianao.

Ny misiônera sasany dia mahatsapa fahatokian-tena. Ny hafa kosa dia tsy manana izany fahatokian-tena izany. Apetraho amim-panetrentena amin’i Jesoa Kristy ny fahatokianao sy ny finoanao fa tsy amin’ny tenanao. Miantehera amin’ny Fanahy fa tsy amin’ny talentanao manokana na ny fahafahanao manao zavatra manokana. Ny Fanahy Masina dia hampitombo ny ezaka ataonao mihoatra lavitra noho izay azonao atao samirery.

Fandalinana ny soratra masina

Halalino ireto soratra masina manaraka ireto ary diniho ny fomba amalian’izy ireo an’ireo fanontaniana manan-danja tokony hapetrakao isan’andro. Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo amin’ny ezaka ataonao mba hitady olona hampianarina, hanao drafitra enti-mampianatra, ary amin’ny fanaovana ny fandalinan’ny tena manokana sy ny fandalinan’ny mpiara-mitory? Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo amin’ny ezaka ataonao mba hampianatra, hanasa olona hanao fanolorantena, ary hanao fanaraha-maso eo amin’ny fanajana ny fanolorantena?

Aiza no tokony halehako?

Inona no tokony hataoko?

Inona no tokony hoteneniko?

Ahoana no hampiasako ny soratra masina ao amin’ny fampianarako?

Teny fampitandremana

Hamafiso amin’ny alalan’ny loharanom-pitaovana azo itokisana ny fahatsapanao

Rehefa mivavaka mba hahazo fitaomam-panahy ianao dia ampitahao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona ny fahatsapana ara-panahy anananao. Tsy hivaona amin’ny zavatra voalazan’ireo loharano ireo ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy.

Mikatsaha fanambarana momba ny asa nampiandraiketina anao

Alaivo antoka fa ireo fahatsapana azonao dia mifanaraka tsara amin’ny asa nampiandraiketina anao. Raha tsy hoe voantso amin’ny alalan’ny fahefana mahefa izany ianao, ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy dia tsy homena anao mba hanomezana torohevitra na hanitsiana ny hafa. Ohatra, ianao dia tsy handray fanambarana mba hilaza amin’ny eveka iray ny zavatra tokony hataony ao amin’ny antsony.

Sary
Fanomezam-pahasoavan’ny fanazavan-tsaina

Fantaro ny tena fitaoman’ny Fanahy

Nanoro hevitra ny Filoha Howard W. Hunter: “Aoka aho hampitandrina. … Raha tsy mitandrina isika … , dia mety hanomboka hanandrana hanolo ilay tena fitarihan’ny Fanahin’ny Tompo amina zavatra sandoka amin’ny alalan’ny fomba tsy mendrika sy mametsifetsy. Lasa miahiahy aho rehefa ampitoviana amin’ny fanatrehan’ny Fanahy ny fisehoan’ny fiontanam-po mahery vaika na ny fitomaniana be. Marina fa afaka mitondra fahatsapana mahery vaika ny Fanahin’ny Tompo, isan’izany ny ranomaso, kanefa izany fisehoana ivelany izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny fanatrehan’ny Fanahy mivantana” (The Teachings of Howard W. Hunter [1997], 184).

Aza manandrana manery ireo zavatra ara-panahy hitranga.

Tsy azo terena ny zavatra ara-panahy. Azonao atao ny mamboly toetra sy tontolo izay manasa ny Fanahy, ary azonao atao ny manomana ny tenanao, saingy tsy azonao terena ny fomba sy ny fotoana hahatongavan’ny fitaoman’ny Fanahy. Manàna faharetana ary matokia fa handray ny zavatra ilainao amin’ny fotoana mampety izany ianao.

Hazony ho masina ireo zavatra niainana ara-panahy

Amin’ny maha-misiônera anao dia mety hiaina zavatra ara-panahy betsaka kokoa mihoatra noho ny teo aloha teo amin’ny fiainanao ianao. Ireo zavatra iainana ireo dia masina sy natao raha ny tokony ho izy ho an’ny fanorenana, na fampianarana, na fanitsiana anao manokana.

Maro amin’ireo zavatra iainana ireo no hazonina ho an’ny tena manokana ihany raha ny tsara indrindra. Rehefa milaza aminao ihany ny Fanahy vao zarao izany mba hahafahanao mitahy ny hafa amin’ny fanaovana izany (jereo ny Almà 12:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64; 84:73).

Ny fandanjalanjana tsara indrindra avy aminao no ampiasao eo anatrehan’ny toe-javatra sasany

Indraindray isika dia te hotarihin’ny Fanahy amin’ny zavatra rehetra. Saingy ny Tompo anefa matetika dia maniry ny hanaovantsika zavatra avy amin’ny fampiasantsika ny fandanjalanjana tsara indrindra avy amintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22; 62:5). Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Ny faniriana mba hotarihin’ny Tompo dia tanjaka, saingy ilaina ampiarahana amin’ny fahatakarana izany fa ny Raintsika any An-danitra dia mamela fanapahan-kevitra maro mba horaisintsika amin’ny alalan’ny safidintsika manokana. Ny fandraisana fanapahan-kevitra ataon’ny tena manokana dia anisan’ireo loharanom-pitomboana izay natao mba hiainantsika amin’ny fiainana an-tany. Ireo olona izay manandrana manilika ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra any amin’ny Tompo sy mangataka fanambarana amin’ny safidy rehetra izay ataony dia ho tafalatsaka tsy ho ela ao anatin’ireo toe-javatra izay hanaovany vavaka mba hangataka fitarihana saingy tsy ho azony izany. Ohatra, izany no mety mitranga amin’ireo toe-javatra maro izay misy safidy tsy dia manan-danja na azo ekena daholo izay safidy atao.

“Tokony hanadihady ireo zavatra ao an-tsaintsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny hery hoenti-mandanjalanja napetraky ny Mpahary antsika ao anatintsika. Avy eo isika dia tokony hivavaka mba hahazoana fitarihana ary hanaraka izany raha mahazo izany. Raha tsy mahazo fitarihana isika dia tokony handray andraikitra araka izay zavatra heveriny fa mety indrindra. Ny olona izay mikiry hikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny fanambarana momba ireo lohahevitra izay nosafidin’ny Tompo tsy hanomezana fitarihana, dia mety hanamboatra valiny avy amin’ny eritreriny manokana na ny petra-kevitra efa ao aminy, na mety handray valiny mihitsy aza izy ireo amin’ny alalan’ny fanambarana diso” (“Our Strengths Can Become Our Downfall,” Ensign, Oct. 1994, 13–14).

Fandalinana ny soratra masina

Ny fianteherana amin’ny Fanahy dia tena manan-danja tokoa hany ka mampitandrina antsika ny Tompo mba tsy handà na hanao tsinontsinona ny Fanahy. Inona no ianaranao avy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto?


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Zarao mba hisy tsanganana roa ny pejy iray. Soraty hoe “Ny zavatra nataon’ny Tompo” eny an-tampon’ny tsanganana iray ary “Ny zavatra nataon’i Lehia na Nefia” eny an-tampon’ilay tsanganana iray hafa. Vakio ny tantaran’ny Liahônà sy ny tsipika tapaka (1 Nefia 16:9–31) na ny tantaran’i Nefia nanamboatra sambo (1 Nefia 17:7–16; 18:1–6). Tanisao ao amin’ny tsanganana tokony hisy azy ny zava-nitranga avy ao amin’ilay tantara. Diniho ny zavatra azon’ilay tantara ampianarina anao momba ny hoe ahoana izany fitaoman’ny Fanahy izany.

  • Jereo ao amin’ny diarinao ary tadiavo ireo tranga izay nitarihan’ny Fanahy anao na izay niainanao zavatra momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray. Eritrereto ny hoe tamin’ny oviana sy taiza ary nahoana no nitranga ireo zavatra niainana ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahitana taratra ny tanan’ny Tompo? Inona no zavatra tsapanao tamin’izany? Ny fitadidiana ireo zavatra niainana ireo dia afaka manampy anao hamantatra ny Fanahy.

  • Halalino ny Almà 33:1–12 sy Almà 34:17–31. Inona no fanontaniana novalin’i Almà sy i Amioleka teto? (Avereno jerena ny Almà 33:1–2.) Ahoana no namalian’izy ireo ireo fanontaniana ireo? Inona no fanomezan-toky natolotr’izy ireo?

  • Nampanantena ny Tompo fa ny Fanahy dia hitarika antsika amin’ny fomba manan-danja maro. Eo am-pamakianao ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia fantaro ireo lafin-javatra eo amin’ny asanao izay mitaky ny fitarihan’ny Fanahy. Midika inona aminao ao amin’ny fandalinanao manokana sy ny fandalinan’ny mpiara-mitory, sy mandritra ny fivoriana filankevitry ny distrika, ny fihaonamben’ny faritra, sy ny fotoam-batisa ary ireo fivoriana hafa, ireo fitsipika ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto?

    Mivavaka

    Fitarihana fotoam-pivoriana

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Miresaha momba ireo vavaka fanaonareo mpiara-mitory. Moa ve izy ireo tarihin’ny Fanahy Masina? Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanareo mpiara-mitory valim-bavaka? Rehefa manao vavaky ny mpiara-mitory ianareo dia:

    • Mino ve ianareo fa Andriamanitra dia hanome anareo ny zavatra angatahinareo amim-pahamarinana sy araka ny sitrapony?

    • Manaiky sy manome fisaorana ny valim-bakava azonareo ve ianareo?

    • Moa ve ianareo manonona ny anaran’ny olona ary mihevitra ny zavatra ilain’izy ireo rehefa mivavaka?

    • Moa ve ianareo mifampitondra am-bavaka sy mivavaka mba hotarihin’ny Fanahy?

    • Mahafantatra ny valim-bakava azonareo ve ianareo?

    • Moa ve ianareo mivavaka miaraka amin’ny fanolorantena ny handray andraikitra eo anatrehan’ireo fitarihana azonareo?

  • Ifanakalozy hevitra ny fomba hikatsahanareo mafy kokoa ny Fanahy.

  • Ifanakalozy hevitra ireo fomba isan-karazany hamariparitan’ny olona ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo olona ampianarinao mikasika ny zavatra niainany miaraka amin’ny Fanahy. Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hahafantatra io fitaomana tena masina ireo?

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Raha mety ny hanaovana azy dia asaivo mizara tantara na zavatra niainana izay henon’izy ireo nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona na fotoam-pampianarana na sehatra hafa ny misiônera. Ny tantara sy zavatra niainana ara-panahy resahin’ny olona dia afaka manampy anao hampitombo finoana sy hahafantatra fa ny fitarihan’ny Fanahy dia miseho amin’ny endrika tena mivelatra sy matetika.

  • Angataho ny misiônera hanao lahateny momba ny iraka ampanaovina ny Fanahy Masina sy ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Ifanakalozy hevitra ny hoe manampy anao hahita ireo fomba bitika kanefa manan-danja itahian’ny Tompo anao ny fanehoana fankasitrahana (jereo ny Etera 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21). Mifanakaloza hevitra momba ireo fomba anehoana fankasitrahana.

  • Hevero ny hangataka mpikambana vaovao iray hiresaka momba ny fomba nitaoman’ny Fanahy azy rehefa nianatra momba ny Fiangonana izy. Angataho ilay olona mba tsy hizara afa-tsy ireo zavatra niainana tsapany fa azo zaraina.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Azonao angatahina ny misiônera hampiditra ireo zavatra niainana ara-panahy azo zaraina ao amin’ny taratasy fanoratr’izy ireo aminao isan-kerinandro.

  • Anontanio ny misiônera tsindraindray mandritra ny tafa sy dinika na resadresaka nymikasika ny vavaka fanaon’izy ireo amin’ny maraina sy amin’ny hariva. Raha ilaina dia omeo torohevitra izy ireo momba ny fomba hanaovana izay hampanan-danja kokoa ny vavaka ataony.

  • Anontanio ny misiônera ny fomba hanampiany ireo izay ampianariny mba hahatsapa sy hamantatra ny Fanahy.