2021
Miaina ny herin’ny fisoronana
Martsa 2021


Miaina ny herin’ny fisoronana

Nanontaniana momba ny fiantraikan’ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny vehivavy izay manampy amin’ny fitarihana ny Fiangonana. Ireto misy zavatra vitsivitsy izay nozarain’izy ireo.

Sary
cut-paper illustration of various flowers

Sary nataon’i Matisse Hales

“Ny lehilahy sy ny vehivavy dia manana andraikitra samihafa nefa mitovy lanja ao an-tokantrano sy any am-piangonana. Ny herin’ny fisoronana dia afaka hanampy ny olona tsirairay hanatanteraka ireo andraikitra ireo ho tombontsoan’ny rehetra.

“Satria eto ambonin’ny tany ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra ankehitriny dia misy fitahiana lehibe azo omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra, na antitra na tanora, na lahy na vavy, na mpitovo na manambady.”

—Ny Filoha Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany

“Manitatra ny fanahintsika ny fanompoana ka mampivelatra ny fomba fijerintsika sy mamela antsika hisintona bebe kokoa amin’ny herin’ Andriamanitra. Fantatry ny Tompo izany, saingy mahalala koa i Satana. Amin’ny fiezahany tsy tapaka hatrany ny hanalavitra antsika amin’ny herin’ Andriamanitra, ilay fahavalo dia hanototra antsika na hanao izay hahatonga antsika hahatsapa fa tsy ampy izay omentsika. …

“… Aza tombanana mialoha mihitsy ny fihetsika mampiseho hatsaram-panahy.

“Hahita ireo zava-miafin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finiavana hanao ny fanompoana ny hafa ho ampahany amin’ny fiainantsika. Hahita fiadanana isika, hahita tanjaka ary hahazo hery misimisy kokoa rehefa manompo ny Mpamonjy antsika, i Jesoa Kristy.”

—Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany

“Matetika loatra ny vehivavy no mampitaha ny tenany amin’ny hafa. Saingy tsy misy mahazo aina ao anatin’izany fampitahana izany isika. Ny vehivavy tsirairay dia manana fitambarana fahaiza-manao sy talenta miavaka ary izany rehetra izany dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra daholo. Satria tsy mitovy izaho sy ianao—na hoe tsy mitovy ny isan’ny vehivavy — dia tsy mahatonga antsika ho latsa-danja kokoa na manan-danja kokoa mihitsy. Mila mahita ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ary mikolokolo azy ireny isika, mitadidy hoe iza no nanome azy ireny ho antsika, ary avy eo dia mampiasa izany ho amin’ny tanjony. Rehefa mizara ny fanomezam-pahasoavana ananantsika mba hitahiana ny hafa isika dia miaina ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika.

—Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

“Mitadiava fahafahana matetika mba hanatsarana ny fahatakaranao ny ’fotopampianaran’ny fisoronana.’ Isika tsirairay avy dia mila mitady an’io fahatakarana io ho an’ny tenantsika.

“Ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ankehitriny dia hanolotra fototra feno dia feno hitomboan’izany fahalalana izany. Ho toy izany koa ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra sy ny fiainana marina amin’ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Ny fahatakarana dia omena antsika amin’ny ’andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika’ [2 Nefia 28:30]. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, dia ’mitsìka’ ao amin’ny fanahintsika ’toy ny ando avy any an-danitra’ izany [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45].”

—Rahavavy Lisa L. Harkness, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

“Eo amin’ny dia sarotra ataony ny tsirairay amintsika. … Manao dia sarotra amin’ny fanamby ara-pifandraisana isika, amin’ny fanamby ara-bola ary olana ara-pahasalaman’ny saina sy ny vatana. Manao dia mamakivaky andraikitra mavesatra sy ny lisitra isan’andron’ireo zavatra tokony hatao isika. Mety ho eo am-pandehanana mamakivaky alahelo, na fahatsapana ho manirery na fahatsapana ho leo mihitsy aza ny sasany amintsika. Tsy mitovy ny fanamby atrehintsika, saingy samy manana izany isika rehetra.

”Ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia tsy midika hoe hoesorina ireo fanamby ireo, fa midika kosa izany fa mampanantena ny hiaraka amintsika ny Tompo.”

—Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany

“Alaiko sary an-tsaina ho kofehy fotsy tokana sy tsara ary malama izay avy amin’ Andriamanitra ary miditra sy mivoaka, miakatra sy manodidina, toa manana ny làlan-kalehany manokana eo amin’ny fiainantsika, ny herin’ny fisoronana. Saingy rehefa mandeha ny fotoana dia misy modelin-tsarisary miaraka amin’ny antsipiriany maro miseho. Izany endrika izany dia manarona ny alitaran’ Andriamanitra, ilay toerana masina indrindra amehezantsika ety an-tany sy hamehezantsika any an-danitra. …

“Isaky ny mahita lamban’ alitara ao amin’ny tempoly masina aho dia tsapako fa io no iray amin’ireo marika matanjaka indrindra ao amin’ny tempoly ho an’ny fomba anomezan’ny Tompo ny heriny an’ireo zanany mahatoky mba hiangona sy hifamatotra tanteraka araka ana lamina masina.”

—Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

“Tamin’ny zavatra niainako manokana dia fantatro fa ny fitandremana ny didin’ny Tompo, ny fananana finoana sy ny fahatokiana Azy tanteraka dia fomba ahafahantsika miditra amin’ny herin’ny fisoronany. …

”… Rehefa mijanona ho mahatoky isika dia afaka mandray ireo herin’ny fisoronana sy fitahiana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Izy io dia afaka manome antsika fiarovana, fiononana, tanjaka, fiadanam-po ary fampanantenana izay hahatratra ny mandrakizay. Amin’ny alàlan’izany herin’ny fisoronana izany dia manampy ahy koa ny Fanahy Masina hitadidy ireo zavatra niainako tamin’ny fiainako izay manohy manorina ny fijoroako ho vavolom-belona sy ny finoako an’ Andriamanitra.”

—Rahavavy Cristina B. Franco, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

“Efa taona maro no lasa taorian’ny nandraisako ny tsodranon’ny patriarika, saingy tadidiko tsara ilay zavatra niainana. …

”Izany traikefa izany dia namolavola fanapahan-kevitra maro noraisiko nandritra ny fiainako. Fantatro fa raha te-hahatsapa ireo fitahiana tadiavina ireo aho dia mila manao ny anjarako.

”Hitako izao fa mbola misy zavatra hafa tian’ny Raintsika horaisiko, mihoatra noho izay voalaza tao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy.”

—Rahavavy Becky Craven, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany

“Niditra ho mpikambana tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho tamin’ny faha-26 taonako. Na dia nanana fahatsapana mampitony tao am-poko aza aho rehefa nanaraka ny faniriana hotahin’ Andriamanitra tamin’ny fanaovana fanekempihavanana taminy, dia fantatro fa ny fahatakarako an’io fanekena io dia toy ny voa kely ihany tamin’izany fotoana izany.

“Rehefa nandeha ny taona ary rehefa nanao ezaka aho hitandrina izany fanekempihavanan’ny batisa izany sy ireo fanekempihavanana hafa nataoko tamin’ny Ray any an-danitra, dia tsapako fa nitahy ahy tamin’ny fahatakarana lalindalina kokoa momba Azy Izy, momba ny Mpamonjy ahy sy momba ny anjara asako amin’ny maha-zanakavavin’ny fanekempihavanan’ny Ray aman-dreny any an-danitra ahy.”

—Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany