2021
Nifaly i Jane nandritra ny dia
Martsa 2021


Ireo vehivavy tany am-piandohan’ny famerenana amin’ny laoniny

Nifaly i Jane nandritra ny dia

Moa ve isika toa an’i Jane Manning James, vonona tanteraka ny hamita ny diantsika amin-pinoana?

Sary
illustration of Jane Manning James

Sary nataon’i Toni Oka

Reraky ny fandehanana an-tongotra i Jane Manning James saingy nolaviny kosa ny hijanona.

Efa lehibe afaka nandeha teo anilan’ny sarety ny zanany lahimatoa, i Sylvester. Fa i Silas izay mbola zazakely, izay teraka teny an-dàlana dia mbola nila notrotroina. Tamin’ny 1847 izany, ary tsy ho ela dia ho anisan’ireo mpisava làlana voalohany tonga tao amin’ny lohasahan’ny Great Salt Lake ny fianakaviana James.

Tsy vahiny tamin’ny dia lavitra i Jane.

Efa-taona talohan’izao no nandao ny tranony tany amin’ny tanàna atsinanana ny fianakaviany mba hanatevin-daharana ny Olomasina tao Nauvoo, eo an-tsisin’ny sisin-tany andrefana. Tokony ho andro vitsivitsy monja manaraka ny ony ny dia. Saingy satria betsaka tamin’ny olona mainty hoditra no andevo tany Etazonia tamin’izany fotoana izany dia matetika no tsy maintsy nampiseho taratasy nanaporofo ny maha-olon’afaka azy ireo ny fianakavian’i Jane. Ary ny toerana sasany dia nisy lalàna henjana manakana ny olona tsy fotsy hamakivaky ny faritra—ao anatin’izany ny fampandoavana hatramin’ny 500 $ isan’olona.

Angamba noho io sarany tafahoatra io na angamba noho ny fitsarana an-tendrony hafa, dia nandà ny hitondra lavitra kokoa an’i Jane sy ny fianakaviany ny mpiasan’ilay sambo mpandeha amin’ny ony. Tsy kivy anefa izy ireo fa namela zavatra be dia be tamin’ny fananany ary nandeha an-tongotra niaraka tamin’izay azony nentina.

Nandeha an-tongotra mihoatra ny 1 287 km ny fianakavian’i Jane. Nandeha tamina andro manorana sy alina maizina tanteraka izy ireo. Indray mandeha dia namakivaky ala iray izy ireo ary natory teny an-kalamanjana. Rehefa nifoha izy ireo dia fotsin’ny fanala ny fitafiany.

“Nandeha izahay mandra-pahalany ny kiraronay, ary lasa narary sy vakivaky ary nandeha rà ny tongotray,” hoy i Jane nahatsiaro. “… Nangataka tamin’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay izahay mba hanasitrana ny tongotray ary dia nivaly ny vavakay.”1

Tao anatin’ny fiaretana ity dia sarotra ity dia nihira fihirana i Jane niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ireo iray tam-po taminy, nidera an’ Andriamanitra. Farany, taorian’ny efa ho telo volana nandehanana an-tongotra dia tonga tany Nauvoo izy ireo. Taona maro taty aoriana, rehefa niainga hiampita ny lemaka ireo Olomasina mahatoky, dia anisan’ireo mpisava làlana voalohany nanomboka nandeha teny amin’ilay làlana i Jane.