2021
Tarihin’ny Tompo
Martsa 2021


Nomerika fotsiny: Feon’ny Olomasin’ny Andro Farany

Tarihin’ny Tompo

Fantatry ny Tompo isika sy izay mety amintsika ankehitriny.

Sary
man and woman working together in kitchen

Sary nalain’i Cody Bell

Giselle

Teo am-panomanana ny doctorat-ny i André talohan’ny nivadianay ary nahazo toerana hiasa tao amin’ny Oniversiten’i Michigan izy. Nivady izahay ary nifindra tany Michigan. Tamin’ny farany dia nanomboka nanana olana kely tany am-piasana i André ary naniry ny hiova asa.

Mbola tanora izahay, vao avy nivady, ary tsy hitanay izay hatao. Nanapa-kevitra ny hivavaka momba izany izahay.

André

Indray andro, nankany amin’ny oniversite aho ary nahita tabilao iray izay nametahana toerana araka asa malalaka. Nanao fangatahana tamina asa telo samihafa aho. Tao anatin’ny herinandro dia nomena ahy daholo ireo asa telo.

Giselle

Nanontany tena izahay hoe inona no hatao. Nivavaka indray izahay. Tany Angletera ny asa iray, saingy te hijanona tany Etazonia izahay. Tany Texas ny iray, ary tany Maryland akaikin’i Washington, DC kosa ny iray. Asa niaraka tamin’ny NASA ilay tany Maryland. Mpahay siansa i André, ka toa toerana tsara haleha i NASA raha ny fahitana azy.

André

Tamin’ny fifindranay tany Maryland dia nitondra fiara aho raha natory kosa i Giselle. Vao maraina be tamin’izay no nahita ny Tempolin’i Washington DC aho.

“Mifohaza! Mifohaza! Hitanao ve ilay izy?” Hoy aho tamin’i Giselle. “Mitovy amina tranona mpanjaka ilay izy!”

Giselle

Nolazaiko tamin’i André fa angamba afaka mandeha mitsidika izahay indray andro any. Tsy fantatray hoe inona izany. Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavana tany Maryland dia nandeha tany amin’ny tranomboky aho mba hampiasa internet hangatahana asa sy hijerena ny email-ko.

Ramatoa iray niasa tao no nandre ny fomba fiteniko ary nanontany ny fiaviako. Nolazaiko azy fa avy any Brezila aho ary nanomboka niresaka izahay. Edna no anarany. Nolazaiko azy fa vao avy nifindra avy any Michigan izahay ary noresahiko ny toerana onenanay.

“Mipetraka ao amin’io trano io aho,” hoy i Edna.

Rehefa niverina tany amin’ilay trano famakiam-boky aho ny ampitso, dia hoy i Edna: “Faly be aho fa niverina ianao. Te hanasa anao sy ny vadinao ho any an-tranoko hisakafo hariva aho.”

Hafahafa no fihevitro izany satria olona tsy fantany aho. Dia hoy izy avy eo: “Nivavaka momba anao aho satria nahatsapa zavatra tena miavaka aho rehefa nihaona taminao omaly.”

Nankany an-tranony izahay ary nahalala fa vao tsy ela akory izay no maty ny vadiny. Taorian’ny sakafo hariva dia notendreny tamin’ny piano ny hoe, “Seigneur, je te suivrai” (Cantiques, lah. 141). Nilaza izy fa io no hira tian’ny vadiny indrindra ary notendrena tamin’ny fandevenana azy. Avy eo dia niresaka taminay momba ny drafitry ny famonjena izy ary nanasa anay handeha hiangona hiaraka aminy.

Nandeha niangona izahay ary nandray tsara ny olona tao. Nanapa-kevitra ny handeha izahay ny alahady manaraka. Nanaiky ny handray ireo fampianarana avy amin’ny misiônera izahay. Nanolo-kevitra ny hanaovana ny fampianarana any an-tranony i Edna. Nandritra ny dimy volana dia nandeha niangona izahay isaky ny Alahady. Teo am-panomanana ho amin’ny batisa ny fonay sy ny fanahinay.

André

Rehefa nambara ny fanaovana batisa anay dia ohatra ny gaga daholo ny rehetra. “Oay, tsy mpikambana ianareo e?” hoy izy ireo. “Nefa ianareo eto isan-kerinandro!” Niavaka ny batisanay. Saika nanatrika izany ny paroasy iray manontolo.

Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Washington DC izahay herintaona taty aoriana. Rehefa nandeha tany amin’ilay tempoly izahay dia tonga saina fa hay ilay tranona mpanjaka hitanay herintaona talohan’izay io!

Giselle

Taorian’ny famehezana anay tao amin’ny tempoly dia zavatra maro no tsy nandeha tsara.

Taorian’ny 11 septambra 2001, dia sarotra taminay ny nanavao ny visa-nay. Nalahelo aho satria vao avy nahazo diplaoma tamina oniversite fiombonana iray aho ary nangataka vatsim-pianarana feno tamin’ny Oniversiten’i Maryland. Tsy nahazo ilay vatsim-pianarana aho ary nihidy ilay laboratoara niasan’i André.

Nihevitra izahay fa tonga angamba ny fotoana hiverenanay any Brezila.

André

Nilaza taminay ny evekanay fa afaka manampy mpikambana be dia be any Brezila izahay ary hitombo amin’ny fomba mety tsy hitomboanay any Etazonia. Nanoro hevitra anay hijanona akaikin’ny Fiangonana izy.

“Mandehana any Brezila ary manompoa ny Tompo,” hoy izy.

Rehefa avy nipetraka elaela tany Brezila izahay dia tonga tao an-tranonay ny filohan’ny tsatokanay ary niantso ahy hanompo amin’ny maha eveka. Somary fantatro fa hantsoina aho. Tsy natory indroa alina aho talohan’ny antsoko. Nieritreritra sy nandinika aho.

Giselle

Nanontany tena ny zava-nitranga aho. Hitako niova izy talohan’ny antsony.

André

Tamin’izaho nanomboka ny antsoko dia nisy mpikambana mavitrika 80 ny paroasinay. Rehefa nisaorana aho dia maro kokoa ny nandeha niangona tsy tapaka ary misiônera 12 no nandeha any amin’ny sahan’ny misiôna avy tao amin’ny paroasinay. Tsara be ilay izy!

Niarakaraka tamin’ny fotoana nisaorana ahy ny nisaorana ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Tadidiko ny Filoha Russell M. Nelson nilaza fa nanana andraikitra vaovao sy manan-danja tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Uchtdorf.

Telo volana taty aoriana dia nantsoina ho mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny misiôna aho. Tsy nanao asa fitoriana aho saingy tiako ny antsoko. Tiako ny miasa miaraka amin’ireo misiônera. Mahafantatra ahy ny Tompo. Fantany fa nila nisaoranatamin’ny naha eveka ahy aho mba hahafahako manompo amin’ny fotoana sy toerana mety amiko amin’izao.