2021
Fifanosehana ho ao amina fivoriana fanasan’ny Tompo
Martsa 2021


Fifanosehana ho ao amina fivoriana fanasan’ny Tompo

Noheveriko fa tsy nahatratra ny fanasan’ny Tompo indray — izahay.

Sary
loaf of bread

Sary avy amin’ny Getty Images

Rehefa nifindra avy tany Etazonia nankany Vietnam izahay dia vonona tanteraka ny tsy hanapaka fiangonana mihitsy izahay mivady. Rehefa afaka herintaona dia tsy nanapaka na dia fivoriana indray alahady aza izahay fa matetika tara dia tsy nahatratra ny fanasan’ny Tompo matetika. Nanomboka tamin’ny 8:30 maraina ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao am-piangonanay. Matetika toa zavatra tsy azo atao izany mivonona handeha hiangona ara-potoana izany rehefa misy ankizy kely telo.

Izahay fianakaviana dia nanapa-kevitra fa mila tonga ara-potoana foana izahay hivavaka sy handray ny fanasan’ny Tompo. Ady izany, saingy tonga ara-potoana tany am-piangonana inefatra alahady nisesy izahay. Nomarihiko ny fahasamihafana vokatry ny ezaka nataonay. Niaina zavatra ara-panahy bebe kokoa izahay nandritra ny herinandro.

Ny alahady manaraka anefa dia tara fifohazana izahay. Efa tamin’ny 7:30 maraina tamin’izay. Tsy misy antenaina intsony hoy aho mantsy ny vadiko, saingy nieritreritra aho avy eo hoe ahoana no mety hitahiana anay raha toa ka manao izay azonay atao izahay mba ho vonona na izany aza. Nikoropaka ary izahay!

Tamin’ny fotoana nahatongavanay tany am-piangonana dia tara 20 minitra izahay. Tsapako fa tsy nahomby izahay. Naheno hira izahay rehefa niditra, ary rehefa nosokafako ny varavarana dia nisy olona iray handeha hiakatra ho eo amin’ny polipitra hivavaka tao.

“Hira fanokafana ve ilay teo?” Hoy aho nibitsibitsika tamin’ilay misiônera nitsangana teo am-baravarana.

“Eny,” hoy izy. “Tara isika vao nanomboka androany.”

Talanjona aho. Noheveriko hoe tsy nahatratra indray izahay, saingy tonga ara-potoana tany am-piangonana izahay! Nikoriana tamin’ny tavako ny ranomaso rehefa nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ny fianakaviana keliko sy ny tenako aho.

Fantatray taty aoriana fa rehefa tonga tany am-piangonana ireo misiônera tamin’io alahady io dia tonga saina izy ireo fa tsy nisy olona nitondra mofo ho an’ny fanasan’ny Tompo tao. Tsy nisy fivarotana teo akaiky teo, ary sarotra ny mahita mofo any Vietnam. Taorian’ny tahotra tampoka vetivety dia tadidin’ireo misiônera fa nanana mofo izy ireo tany an-tranony.

Andro vitsivitsy talohan’izay mantsy dia tonga nisakafo hariva tany an-tranonay ireo misiônera ireo. Tamin’izay hariva izay dia nanomana mofo natao tao an-trano ho azy ireo aho. Tara fanombohana ny fiangonana ny alahady maraina satria nihazakazaka nody naka ny mofo izay namboariko ho an-dry zareo ireo misiônera ireo!

Mahita ny ezaka ataontsika Andriamanitra rehefa miezaka mafy hitandrina ny didiny isika. Na dia tsy mahomby aza isika indraindray dia tia antsika Izy ary hanomana fomba hahombiazantsika — na dia hoe resaka fahatongavana ara-potoana any am-piangonana fotsiny aza izany.