2021
Maharesy ireo fiahian’izao fiainana izao
Martsa 2021


Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

Maharesy ny fiahian’izao fiainana izao

Tsy azoko avela hahavariana ahy tsy hankatò ny tenin’ Andriamanitra ny fiahiana izao fiainana izao.

Sary
man riding a bicycle in the city

Nandany ny tolakandro manontolo teo ambonin’ny bisikiletako aho, nitetitety orinasa nitady asa.

Sary nataon’i Liam O’Farrell

Na dia ampanantenaina fitahiana lehibe aza isika, raha manahy momba ny fiahian’ izao fiainana izao isika fa tsy ny sitrapon’ny Tompo dia ho very ireo fitahiana ireo. Izany dia voaseho mazava tamin’ny alalan’ny zavatra niainan’ny lehilahy iray tamin’ny fanombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Mpitondra fivavahana tamina finoana hafa i James Covel nandritra ny 40 taona, saingy taorian’ny nandrenesany ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia “nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo izy fa hankatò izay didy rehetra homen’ny Tompo azy tamin’ny alalan’i Joseph ilay Mpaminany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39, lohatenin’ny fizarana). Tamin’ny alalan’i Joseph dia nilaza tamin’i Covel ny Tompo hoe: “Henoy ny feoko, izay milaza aminao: Mitsangàna dia aoka hatao batisa, ary sasao hiala ny fahotanao ka antsoy ny anarako, dia horaisinao ny Fanahiko sy ny fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10).

Saingy, tsy ela dia “nandà ny tenin’ny Tompo, ary niverina tamin’ny fitsipika sy ny olony taloha” i Covel (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40, lohatenin’ny fizarana). Raha niresaka momba an’i Covel ny Tompo dia izao no nolazainy “noraisiny tamim-pifaliana ny teny, saingy nalain’i Satana fanahy niaraka tamin’izay izy; ary ny fahatahorana ny fanenjehana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao no nahatonga azy hitsipaka ny teny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2). Noho ny fiahiahiany ny zavatra manahirana eo amin’ izao tontolo izao dia namoy ny tso-drano nampanantenain’ny Tompo azy i Covel.

Tokony hijanona ve aho sa handeha?

Tamin’ny fiainako manokana dia nianatra aho fa tsy tokony havelantsika hanelingelina antsika amin’ny fankatoavana ny Tompo ny fiahian’izao fiainana izao. Lehibe tao amina trano mahafinaritra sy be fitiavana izay nampianaran’ny ray aman-dreninay anay tsara tao amin’ny filazantsara aho, ary ny fitiavan’izy ireo anay dia taratry ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ny zanany.

Tamin’ny faha-16 taonako dia nasaina hiasa amin’ny toeram-piompiana tany Etazonia aho, niaraka tamin’ny mety ho fahafahana hanangana ny tranoko any indray andro any. Nahaliana ahy izany, satria ny tanindrazako, Pays-Bas, dia firenena kely fotsiny, feno mponina.

Raha ny marina, ny razambeko avy amin’ny raiko dia samy nahatsapa faniriana honina amina toerana hafa daholo. Nifindra tany Indonezia izay zanatany holandey taloha izy ireo. Azoko tanteraka ny antony. Any Indonezia dia tsara ny toetrandro, tsara ny endriky ny zavatra hita ary midadasika ny toerana. Ny fototarazo ao anatiko dia misy ilay faniriana hanao dia lavitra izay nanainga ireo razambeko. Tokony hiala amin’ny tany nahaterahako koa ve aho hitady fahombiazana sy dia mahafinaritra?

Nandritra izany fotoana nanapahan-kevitra izany, ny dadako dia nanome ahy dika mitovy amina taratasy nosoratan’ny filohan’ny misiôna, Donovan van Dam, ho azy sy ireo anabaviny taona maro lasa. Nangataka azy ireo hijanona tany Pays-Bas ary hanangana ny Fiangonana tany ny Filoha van Dam. Nilaza tamiko ny raiko fa nanapa-kevitra ny hanao izany mihitsy izy. Ary satria teo amin’ilay taratasy ny anaran’ny fianakaviana Boom, dia anjarako amin’izay ny namantatra izay hatao.

Tao anatin’ireo taona taorian’ny Ady Lehibe Faharoa dia maro be ny mpikamban’ny Fiangonana nifindra monina ho any Amerika sy Kanadà. Mbola nitohy tamin’ny taona 1970 izany, na dia teo aza ny famporisihana nataon’ny mpitariky ny fiangonana mba hijanonan’ny mpikambana ao amin’ny firenena niaviany sy hampatanjaka ny Fiangonana eo amin’ny toerana misy azy ireo. Tao anatin’ny fahafenoam-bavaka dia nanapa-kevitra ny hijanona sy hanangana ny Fiangonana tany Pays-Bas ihany koa aho na dia tsy nahazo tsara izay mety ho dikan’izany amin’ny hoavy aza.

Fanapahan-kevitra, fanapahan-kevitra

Rehefa nahavita ny fianarako teny amin’ny lisea aho tamin’ny faramparan’ny taona 1970, dia nikorontana ny toekarena holandey. Avo ny tahan’ny tsy fananana asa. Tamin’ny ankapobeny dia toa nampalahelo ny zava-nisy. Sarotra ho an’ireo nahazo diplaoma ny nanapa-kevitra ny amin’izay hatao manaraka.

Nanompo tamin’ny maha-filohan’ny sampana azy ny raiko. Indraindray dia niara-nidinika tamiko ny amin’izay mety ho fahafahana manao misiôna amin’ny fotoana feno izy. Mazava ho azy fa zavatra mahafinaritra atao izany. Niandry an’izany tamin’ny fiainako manontolo aho.

Saingy tsy hitako hoe ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa fitoriana manampy ahy hamatsy ny fianakaviako amin’ny hoavy. Hatramin’ny fahazazako dia nanana faniriana fatratra foana aho mba hahita ny fitiavan’ny fiainako indray andro any ary hiara-manangana ny ankohonanay izahay.

17 taona aho tamin’izany, ary na dia tsy nahalala izay hatao manaraka aza aho, dia nanomboka ny ambaratonga manaraka tamin’ny fianarako. Saingy rehefa afaka herinandro maromaro dia hitako fa tsy hahasambatra ahy io làlam-piofanana io. Nametra-panontaniana aho raha toa ka mba hanome ahy asa milamina izany. Nieritreritra ny hiala tsy hianatra intsony aho.

Tsy faly tamin’izany ny ray aman-dreniko. Nilaza tamiko izy ireo fa tsy afaka miala amin’ny sekoly aho raha tsy manana asa. Mety nieritreritra izy ireo fa tsy hahita mihitsy aho noho ny krizy ara-bola. Nandany ny tolakandro manontolo teo ambonin’ny bisikiletako aho, nitetitety orinasa. Tamin’ny farany dia nisy orinasa nanakarama ahy hiasa tao amin’ny trano fanatobiana entan’izy ireo.

Ny drafitra nataoko

Na dia nandray ity toerana vonjimaika ity aza aho dia nanana drafitra. Ho lasa polisy aho. Fomba iray milamina hamelomana ny ankohonako ho avy ny fiasana amin’ny fanjakana ary hilamina ny zava-drehetra.

Tadidiko ny andro nandehanako nanao fanadinana hidirana tao amin’ny sekolin’ny polisy. Nandeha lamasinina vao maraina aho ary nandany ny tontolo andro nanao izao karazana fitsapana rehetra izao. Tamin’ny fiafaran’ny andro dia nantsoina ho any amin’ny birao aho. Nolazain’izy ireo tamiko fa afaka tamin’ny fanadinana rehetra aho ary tian’izy ireo horaisina, saingy satria 17 taona aho dia tanora loatra. Nasain’izy ireo manandrana indray aho afaka herintaona.

Potika ny tontoloko, ary nieritreritra foana aho teny an-dàlana hody hoe “Inona indray ny manaraka?” Tao an-trano ny raiko dia nihaino ny fahasosorako ary nanolo-tena hanome tsodrano ahy. Nanantena aho fa handeha hilaza tamiko ny Tompo hoe hilamina ny zava-drehetra ary ho voaray ao amin’ny akademian’ny polisy amin’ny fomba mahagaga aho. Tsy izany anefa fa nilaza tamiko ny Tompo fa raha misafidy ny hametraka azy ho lohalaharana aho dia hisy sakafo foana eo ambonin’ny latabatro ary hahita fomba hikarakarana ny ankohonako aho amin’ny hoavy.

Drafitra tsara kokoa

Sary
map showing parts of Europe

Ho valin’ny vavaka nataoko dia nahazo ny valiny aho fa, ho ahy, ny fametrahana ny Tompo ho lohalaharana dia midika hoe manao misiôna amin’ny fotoana feno. Efa nikasa ny hanao izany foana aho saingy tsy hitako hoe ahoana no fomba itarihan’ny dingana iray ny dingana hafa. Fantatro izao fa ny fanaovana asa fitoriana no hataoko, ary te hanao izany faran’izay haingana araka izay azo atao aho.

Tamin’izany fotoana izany, ny saran’ny misiôna dia 10 000 guilders tamin’ny vola holandey taloha, na eo ho eo amin’ny karama herintaona. Nanohy niasa tao amin’ny trano fitehirizana entana aho ary tamin’ny fahavaratry ny taona 1981 dia tratrako ny 10 000 guilders. Nandray 18 taona ihany koa aho. Ny raiko, ilay filohan’ny sampana, dia nilaza tamiko hoe mbola kely loatra aho raha hanao iraka, tahaka ny nolazain’ny filohan’ny distrika sy ny filohan’ny iraka ihany. Tamin’izany fotoana izany dia 19 taona no nilaina. Saingy tamin’ny tsingerintaona faha-18 nahaterahako dia nankany amin’ny dokotera sy mpitsabo nify irery aho ary nasaiko nofenoin’izy ireo ny ampahany tokony hofenoin’izy ireo tamin’ny fangatahana ho misiônera nataoko.

Na ahoana na ahoana, nahavita nahazo ny mpitarika ahy hanao dinidinika tamiko sy handefa ny fangatahako aho. Avy eo dia niandry izahay. Tsy fantatro fa hay ny raiko, amin’ny maha-filohan’ny sampana azy, dia naharay taratasy. Naverina tany aminy ny fangatahana niaraka tamin’ny filazana fa mbola kely loatra aho. Saingy mbola tsy te hizara izany tamiko izy, ka nentiny tao am-paosin’ny palitaony nandritra ny herinandro maro izany nefa tsy nampahafantariny ahy. Soa ihany fa tao anatin’izany fotoana izany dia nahazo fampandrenesana hafa izy. Nilaza izy io fa amin’ny toe-javatra sasany dia vonona ny hamela ny zatovolahy handeha aloha kokoa ireo Rahalahy rehefa vonona tsara izy ireo. Vetivety dia nantsoina hanompo aho ary voatendry ho any amin’ny England London East Mission. Nanjary fitahiana tamin’ny androm-piainako ny iraka nataoko.

Fitahiana avy amin’ny Tompo

Telo volana taorian’ny niverenako avy nanao iraka dia nihaona tamin’ilay fitiavana teo amin’ny fiainako aho. Herintaona taty aoriana dia nivady izahay ary nofehezina tao amin’ny London England Temple. Mbola tsy nilamina ny toekarena fa afaka nanana asa sy namelona ny ankohonako foana aho. Nisy sakafo foana teo ambonin’ny latabatra ary tafon-trano teo ambonin’ny lohanay.

Amin’ny maha-misiônera ahy dia nanjary iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra ity: “fa arakaraka ny hitandremanao ny didin’ Andriamanitra no hiroboroboanao eo amin’ny tany” (Almà 36:1). Miaraka amin’izany mitari-dàlana ahy dia nanapa-kevitra ny hanao izay nataon’ny raiko aho — hijanona any Pays-Bas ary hanangana ny Fiangonana any an- tanindrazako.

Sary
photograph of Elder Boom’s family

Ny fianakavian’ny Loholona sy ny Rahavavy Boom tamin’ny taona 2019. Hatramin’io fotoana io dia efa nisy zafikely iray hafa teraka.

Ankehitriny ilay sampana kely nahalehibe ahy dia lasa paroasy mahafinaritra izay ankafizan’ny zafikelinay fiarahana amin’ny namana maro, tafangona amina Kilonga marobe. Manana asa tsara ireo zanakay lahy ary voatahy amin’ny sakafo eo ambony latabatra. Hitako fa ny fanapahan-kevitro dia nisy fiantraikany tamin’ny taranaka nandimby, izay maniry ihany koa ny hametraka ny Tompo ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany.

Feno fankasitrahana aho fa nahafantatra teo am-piandohan’ny fiainako fa ny fanapahan-kevitra mety dia ny handresy ny fiahian’izao fiainana izao ary hametraka ny Ray any an-danitra ho voalohany. Nomeny fitahiana izay mety tsy ho fantatro mihitsy aho raha tsy izany no nataoko.