2021
“Te ho any amin’ny paradisa aho”
Martsa 2021


“Te ho any amin’ny paradisa aho”

Rehefa nivavaka sy nanontany an’ Andriamanitra momba ity làlana vaovao ity aho dia nahatsapa ho resy lahatra kokoa tamin’ny fahamarinana efa hitako.

Sary
sun breaking through clouds

Sary avy amin’ny Getty Images, naseho tamin’ny môdely

Mpikambana tena nanolo-tena tao amina fiangonana iray hafa aho, nefa taty aoriana dia nanomboka nandinika ny fampianarany momba ny afofandiovana. Mampianatra io fiheverana io fa aorian’ny fahafatesan’ny vatana dia ampidirina amina toerana mitovitovy amin’ny fonja ny fanahy, toerana izay tsy maintsy anadiovana azy alohan’ny handehanany any amin’ny paradisa.

Rehefa nieritreritra momba ny fanahy mijaly ao amin’ny afofandiovana aho dia nandinika ny hoaviko ara-panahy manokana sy ny fifandraisako amin’i Jesoa Kristy. Nanomboka nivavaka toy izao aho: “Inona no zavatra tsy maintsy ataoko mba hialana amin’ny afofandiovana? Te ho any amin’ny paradisa aho.”

Ny zavatra tonga tao an-tsaiko voalohany dia ny hiaina ny Didy Folo. Tsapako fa raha manao izany aho dia hamela ahy hisoroka ny afofandiovana ny fahasoavan’ny Tompo. Nanolo-tena hitandrina ny didy aho ary nanomboka fotoana matanjaka hifadian-kanina, hivavahana, handalinana ny soratra masina ary hisaintsainana.

Nandritra izany fotoana izany dianahatsapa ho nisy nanosika hametraka fanontaniana tsy mahazatra tamina dokotera iray tao amin’ny toeram-pitsaboana niasako amin’ny maha-lehiben’ny taokaonty ahy aho.

“Dr. Thibaut,” hoy aho, “ao amin’ny fiangonanareo ve i Jesoa Kristy Tompo?”

Nilaza izy fa mpikambana ao aminin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tenany. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nitarika ny fifanakalozan-kevitray ny Fanahy. Nanontany azy ny maha-samihafa ny fiangonany amin’ny ahy aho. Niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna tamiko izy. Rehefa nanohy ny resakay izahay dia feno fifaliana ny foko. Tsapako ho teo am-pandraisana ny valin’ireo vavaka nataoko aho.

Roa andro taty aoriana dia nomen’ny misiônera ahy ny Bokin’i Môrmôna, izay novakiako sy nianarako niaraka tamin’izy ireo. Hitako hoe nahafinaritra ny nianatra zava-baovao avy amin’ny soratra masina. Nanomboka nankatò ny Tenin’ny Fahendrena aho.

Rehefa tsapako fa tsy liana tamin’ny fiangonako intsony aho, izay toerana nandraisako anjara fatratra, dia nanontany tena aho hoe inona no zavatra nitranga. Nivavaka sy nanontany an’ Andriamanitra momba io làlana vaovao io aho. Rehefa nanao izany aho dia nahatsiaro ho resy lahatra kokoa tamin’ny fahamarinana hitako. Nanapa-kevitra ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho, na dia fantatro aza fa hiatrika fanenjehana aho.

Tena tonga ny fanenjehana, saingy nampahery ahy ny Tompo. Fantatro fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no valin’ny vavaka nataoko tamim-pahatsorana: “Te ho any amin’ny paradisa aho.” Fantatro fa afaka mandeha any aho aorian’ny fahafatesako, raha mijanona ho mahatoky amin’ny didin’ Andriamanitra.